Naleoko
Naleoko ihany ianao, ilay alinalim-pody
nihaza harivariva, niandry ankodimirana
im-betsaka no faly fa nahavaky atody
ka hatraty an-trano, mitsiky miramirana
Dia valabalaka iny, fa reraky ny nihaza
tsy mahavita adidy, malaina hisahirana
vao tonga ato am-pandriana, dia miesona toa zaza
ka manome lamosina sy mandry mihorirana
ny lefona milavo, ny basy tsy mifahana
fa tapitrao daholo ny bala fitifirana
raha toa aza aho hikitika fitaovam-piadiana
dia hiala maina teo, tsy hahita izay mangirana.
indrisy ankehitriny, nifindra, niova lasy
ilay rembinao fahiny, ka tsy azo nifikirana
…
dia lasa izaho indray no toa voaambam-basy
sy anaovanaovanao fijery misompirana
Fa tamin’ireny mantsy, izaho koa aza trotraky
ny lalana nodiavina, sy toerana nonenana.
Fa samy resy isika, samy efa nangotraky
ny afobe lalovana sy ilay fasana ilevenana.
Ianao nandeha nihaza, izaho kosa nohazaina
Fa iza irery moa no hanaiky hoe lembenana?
Samy maka maminy, mitady izay ilainy
Tsy mifampila kisa, tsy misy fitenenana.
Ankehitriny ianao, toa lasa be fitiavana
tsy te-hisaraka amiko, manara-pitombenana
Mavesatra amin’ny fiainako, tsy misy iriariavana
Ka tena mankaleo, mitondra fahasorenana.
Naleoko ilay taloha, fony azoko natao
ny niova tratra iankinana sy soroka itehenana
Na isan’andro mihitsy dia sandry iray vaovao
Indrisy, … ny fotoana tsy ho azoko iverenana.
DotMG – 11 jiona 2010.
Ao amin’ny Facebook ao dia misy vondrona atao hoe Tononkalo Miala Sakana. Ity anankiray ity dia setry fanintelona tononkalo iray antsoina hoe Madama. Ity iray ity aloha dia tsara raha mahavaky ireo telo talohany sy niaingan’ny fanahy nanoratana azy ianao dia mankafiza. Raha mankafy itony karazan-tononkalo itony ianao (na mirevy rima sahala amin’ny an’i Princio) dia asaina hiditra ao amin’io vondrona io dia ao afaka mahita sy mifampizara itony tononkalo itony.
Raha manana compte Facebook dia karohy ny hoe tononkalo miala sakana. Na andramo sao tonga any ity rohy manaraka ity :
http://www.facebook.com/topic.php?uid=115403775167187&topic=59
2 commentaires
al
mba asao aho hiditra ao amin’io vondrona tononkalo miala sakana io!!!
Dotmg
Tsy mila invitation io vondrona io fa tonga dia misoratra ao fotsiny ianao. Karohy ny rohy hoe « Rejoindre ce groupe ».