Lohahevitra maromaro tokoa no nobanjin’ny mpamaham-bolongana (mpiblaogy hoy ny maro) Malagasy nandritra iny volana Novambra iny. Ny resaka momba ny baolina fandaka, ny vehivavy, ny delestazy miaraka amin’ny jirama ary zavatra hafa koa no hamahanako anareo eto aloha.
Voalohany dia hiainga amin’ny zavatra tsy ankafizin’ny vehivavy loatra aloha koa aza tsiny indrindra re. Ilay ho ankafizinareo ihany manko no horesahina faharoa (ha!ha!). Tafita tamin’ny dingan’ny savaranonando eo amin’ny sehatry ny baolina fandaka manko ny ekipam-pirenentsika rehefa nanamontsana ny nosy Komoro eo avaratra andrefan’i Madagasikara eo. Nanamarika avy hatrany i DotMG fa karazan’ny « soavaly be tongotra » isika Malagasy rehefa hiditra amin’ny fifaninanana isam-bondrona. Anisan’ny laharana faramparany manko isika ary misy dikany lehibe izany hoe nanao lalao savaranonando izany. Nanantena ihany moa izy mba ho ekipa mbola tsy nihaona loatra amintsika no hifanandrina amintsika. Indrisy anefa fa mbola hifanehatra amin’ny Cote d’Ivoire izay efa nanamontsana antsika ihany isika ankoatra an’i Mozambique sy Botswana. Mampihomehy ihany ny ataon’ny haino aman-jery malagasy tsy misy anavahana fa tononina faharoa hatrany i Madagasikara rehefa tononina ny vondrona fahafito misy antsika nefa tokony ho farany no anononana antsika.
Nitaky amin’izay i jentilisa mba hoesorin’i FMF (Federasiona Malagasy ny baolina Fandaka) amin’izay ny sazy atambesatra amin’i Guy Beloha indrindra fa tafakatra hifaninana amin’ny sehatra Afrikana indray ny AS ADEMA misy azy, na dia ho fiarovana ny voninahitry ny solontena Malagasy fotsiny ihany aza. Aleon’i simplex mijery ny lavitra avy hatrany satria tsy vitsy ny efa very fanatenana @ ity lalao baolina kitra an’ny Malagasy ity. Dia nanolo-kevitra ny amin’ny lazainy hananganana ny revingadrany izy:
Manangana toeram-panomanana ho an’ny efa mahay ity taranja ity ka hakana Boay kely 16 – 18 taona miisa 15 isantaona no raisina, telo taona ny faharetam-piofanana, omena vatsim-pianarana ary ankoatra ny baolina dia ampianarina ny teny frantsay sy teny anglisy koa ho bagazy. Tokony hoheverina ihany koa ny fanamiana sy ny hamoronana hira faneva kely manokana ihany koa ho an’ity taranja iray ity.
Ny resaka faharoa indray dia resaka vehivavy indray. Oadray! Resaka mahaliana ny vehivavy maro eto Madagasikara indray manko e! Mariho fa tsy ny vehivavy rehetra tsy akory na dia izany aza. Hoy i Manjak ao amin’ny Madonline hoe efa lasa fahazarana ny mitady vady an-tserasera. Miova araka ny vanim-potoana ny fomba fa tsy eken’ny tanora loatra izany hoe vady atolotra izany. Fa ny voalohan-daharana tadiavina, hoy izy dia ny vazaha, sao dia tratra ilay hoavy mamirapiratra(mankany Andafy?). Ny lehilahy kosa indray, hoy ihany i Manjak, dia ireo any ivelan’i Madagasikara no mitady vady an-tserasera. Ary avy amin’izay no namoahan’i vaomiera lahatsoratra fitarainan’ny namany iray nahazo vady Malagasy an-tserasera saingy voafitaka tanteraka hany ka tofoka tanteraka amin’izany atao hoe vehivavy Malagasy izany. Bevohoka ikalakely nefa fantany tsara fa tsy izy no rain-janany, izao ka itakiana ny fiveloman’ny “zanany” any amin’ny fitsarana indray “fa ray mpandositra adidy” hoe ranamana. Loza izany! Continue reading ‘Baolina, vehivavy, delestazy jirama ary zavatra hafa koa’