Tag Archive for 'vehivavy'

03
déc

Baolina, vehivavy, delestazy jirama ary zavatra hafa koa

Lohahevitra maromaro tokoa no nobanjin’ny mpamaham-bolongana (mpiblaogy hoy ny maro) Malagasy nandritra iny volana Novambra iny. Ny resaka momba ny baolina fandaka, ny vehivavy, ny delestazy miaraka amin’ny jirama ary zavatra hafa koa no hamahanako anareo eto aloha.

Voalohany dia hiainga amin’ny zavatra tsy ankafizin’ny vehivavy loatra aloha koa aza tsiny indrindra re. Ilay ho ankafizinareo ihany manko no horesahina faharoa (ha!ha!). Tafita tamin’ny dingan’ny savaranonando eo amin’ny sehatry ny baolina fandaka manko ny ekipam-pirenentsika rehefa nanamontsana ny nosy Komoro eo avaratra andrefan’i Madagasikara eo. Nanamarika avy hatrany i DotMG fa karazan’ny « soavaly be tongotra » isika Malagasy rehefa hiditra amin’ny fifaninanana isam-bondrona. Anisan’ny laharana faramparany manko isika ary misy dikany lehibe izany hoe nanao lalao savaranonando izany. Nanantena ihany moa izy mba ho ekipa mbola tsy nihaona loatra amintsika no hifanandrina amintsika. Indrisy anefa fa mbola hifanehatra amin’ny Cote d’Ivoire izay efa nanamontsana antsika ihany isika ankoatra an’i Mozambique sy Botswana. Mampihomehy ihany ny ataon’ny haino aman-jery malagasy tsy misy anavahana fa tononina faharoa hatrany i Madagasikara rehefa tononina ny vondrona fahafito misy antsika nefa tokony ho farany no anononana antsika.

Nitaky amin’izay i jentilisa mba hoesorin’i FMF (Federasiona Malagasy ny baolina Fandaka) amin’izay ny sazy atambesatra amin’i Guy Beloha indrindra fa tafakatra hifaninana amin’ny sehatra Afrikana indray ny AS ADEMA misy azy, na dia ho fiarovana ny voninahitry ny solontena Malagasy fotsiny ihany aza. Aleon’i simplex mijery ny lavitra avy hatrany satria tsy vitsy ny efa very fanatenana @ ity lalao baolina kitra an’ny Malagasy ity. Dia nanolo-kevitra ny amin’ny lazainy hananganana ny revingadrany izy:
Manangana toeram-panomanana ho an’ny efa mahay ity taranja ity ka hakana Boay kely 16 – 18 taona miisa 15 isantaona no raisina, telo taona ny faharetam-piofanana, omena vatsim-pianarana ary ankoatra ny baolina dia ampianarina ny teny frantsay sy teny anglisy koa ho bagazy. Tokony hoheverina ihany koa ny fanamiana sy ny hamoronana hira faneva kely manokana ihany koa ho an’ity taranja iray ity.

Ny resaka faharoa indray dia resaka vehivavy indray. Oadray! Resaka mahaliana ny vehivavy maro eto Madagasikara indray manko e! Mariho fa tsy ny vehivavy rehetra tsy akory na dia izany aza. Hoy i Manjak ao amin’ny Madonline hoe efa lasa fahazarana ny mitady vady an-tserasera. Miova araka ny vanim-potoana ny fomba fa tsy eken’ny tanora loatra izany hoe vady atolotra izany. Fa ny voalohan-daharana tadiavina, hoy izy dia ny vazaha, sao dia tratra ilay hoavy mamirapiratra(mankany Andafy?). Ny lehilahy kosa indray, hoy ihany i Manjak, dia ireo any ivelan’i Madagasikara no mitady vady an-tserasera. Ary avy amin’izay no namoahan’i vaomiera lahatsoratra fitarainan’ny namany iray nahazo vady Malagasy an-tserasera saingy voafitaka tanteraka hany ka tofoka tanteraka amin’izany atao hoe vehivavy Malagasy izany. Bevohoka ikalakely nefa fantany tsara fa tsy izy no rain-janany, izao ka itakiana ny fiveloman’ny “zanany” any amin’ny fitsarana indray “fa ray mpandositra adidy” hoe ranamana. Loza izany! Continue reading ‘Baolina, vehivavy, delestazy jirama ary zavatra hafa koa’

, , ,
22
nov

Fady io Raketaka

Anisan’ny zavatra mahaliana sy mahavariana ny resaka fady eo amin’ny fiainan’ny Malagasy. Ireto ary misy fady vitsivitsy, dia anjaranao sisa…

> Ho an’ny vehivavy bevohoka ka tsy te ho afa-jaza

- Mihinana hena avy amin’ny mpamora, lahy ny zaza (pour avoir un garçon: assister à une circoncision et demander à celui qui a pratiqué l’opération de manger un morceau de viande - de zébus je suppose)

- Homan-dranombary mbola tsy masaka, tsy tonga volana ny zaza (boire de l’eau de riz pas bien cuite, l’enfant sera né prématurement)

- Mitomany ny tsy any, lany zara (ne pas pleurer)

- Mihomehy tsy tonga volana, tsy tonga volana ny zaza (ne pas rire à celle qui accouche prématurement)

- Mandry raha voky, mahavotsotra (rester debout quelque temps après avoir mangé pour faciliter la digestion)

- Manatsoaka hazandrano, mahafa-jaza (ne pas pêcher)

- Manongotra ahi-maitso, mamotsitra (arracher de l’herbe verte)

- Mihanika tohatra, mahafa-jaza (ne pas monter des échelles)

- Mihinana hasina, mamotsitra (ne pas manger des oeufs pourris, des citrons verts ??)

- Miditra an-davam-bary, mahafa-jaza (ne pas entrer dans un silo à riz)

Ou encore

- frapper 3 fois en criant: “je suis enceinte, ô mort” avant d’entrer dans une maison où il y a un defunt.

- ne pas aider son mari à racommoder le toit de la maison (manafo-trano, tsy miteraka)

- ni soulever de pierre pour réparer le tombeau (manainga vato, mahafa-jaza)

- ne pas laisser pousser l’herbe sur le bord de votre rizière (tsy manatsa-parihy, tsy miteraka)

- Dire aux autres ce qui concerne votre destin propre, c’est s’exposer aux sortilèges (milaza vintana ny andro nahaterahana amin’olona, andrao amosaviny)

in Raketaka, tableau de moeurs féminines malgaches, dressé à l’aide de proverbes et de fady”, Mondain Gustave , ed° Ernest Leroux; 1925, 149p

, ,

  • Connexion




    Inscription
  • Malag@sy miray est le premier blog collectif malagasy. Par collectif, nous entendons rassembler des personnes, leur personnalité, identité, et idées, autour d’un signe fédérateur (tous Malgaches de coeur et/ou de sang) afin de partager un maximum sur les thèmes abordés.
  • RSS Malagasy Miray

    RSS Articles   RSS Articles
    RSS Commentaires   RSS Commentaires
    Feed email   S'abonner par Email

     

  • RSS Forum

  • Membres