• Misandrata ry Malagasy (ampahany voalohany)

    Faly miaraka antsika izay mamaky ity takelaka ity indray. Elaela tsy nanoratra saingy mbola eto foana ihany. Tsetsatsetsa tsy aritra no indro ho resahiko indray androany dia zavatra efa hitan’ny malagasy maro kanefa tsy dia resahina matetika na tsy resahina mihitsy. Madagasikara dia nosy, ary amin’ny maha-nosy azy izay dia tsy misy firenena mifampikasoka sisin-tany aminy. Manana ny kolotsainy ny Malagasy ary manana ihany koa ny mampiavaka azy amin’ireo firenena maro. Na dia nosy aza i Madagasiakra dia tsy maintsy mifanerasera sy mifandray amin’ireo firenena hafa, na ara-barotra izany, na ara-toe-karena na noho ny antony hafa izay tsy iaraha-mahalala noho izao fivoaran’ny teknolojia sy ny fanatontoloana izao. Misy ny zanaka…