• Mpampihavana tsy mihavana amin’ny hafa hoe?

    Taorian’ny resabe momba ny fisitahan’andriamatoa isany Andry Rajoelina sy Zafy Albert (eto amin’ny sary, tao anatin’ny hetsika momba ny fampihavanam-pirenena nokarakarain’ny FFKM dia misy ihany koa ny resaka mivoaka eny anivon’ny sehetra ara-pinoana maro samihafa eto an-drenivohitra sy ny manodidina. Fantatra aloha fa maro no manenjika ny FFKM mikasika ny toerana izay misy azy ireo momba ito fampihavanana ito. Voatondro molotra mikasika izany ireo tangala mena sy ny FFM izay toa heno any ambadika any ho manakihana ireto raiamandreny ara-pinoana izay miezaka manao izay eritreretiny fa mety ho an’ny malagasy sy ny firenena. Misy ihany koa no milaza fa  misy fiandaniana ito fampihavanana ito. Tsy anjaranay eto amin’ny Malagasy Miray…