Vaovao voaray tamin’ny 13h Madagascar: Misy cyclone ao amin’ny Ocean Indien. Jokeway no nahenoako ny anarany (miala tsiny raha diso ny fanoratra fa ny fanenony no raiso. Ny zava_dehibe dia ny fiampitan’ity vaovao ity haingana). Mikisaka miakandrefana izy io ary mamonjy an’i Diego raha ny fizotrany. Mbola any amin’ny 190km miala an’i Diego ao amin’ny Avaratra atsinanana no misy azy ity, nefa hitondra orana betsaka sy rivotra mahatratra 80km isan’ora. 250km ny savaivony ary miadana ny fifindrany. Voakasiky ny filazana loza manambana daholo ny faritr’i DIANA, SAVA ary SOFIA.
Ampitampitao malaky azafady
cataclysme, catastrophe, cyclone, rivo doza
Nandalo teny aho omaly (Rotsirotsy Andravoahangy akaikin’ny EPP) dia toy izao no zava-msiy. Efa nisy fanamboarana izy io fa dia asa na ny ataon’ny mponina no tsy manjary ka manentsina ny dalles, na ny mpivarotra amoron-dàlana sy ny mpandalo manipy sachets sy tavoahangy platika anaty tatatra no mahatonga ny toy izao. Jereo anie e! Efa rano nihena aza io nalaiko sary io fa raha ilay vao milatsaka iny ny orana dia posy no andehanana eo sy andalovana eo anoloan’ny banky BOA Andravoahangy, izay tsy lavitra eo fa miala 50 m miankavanana amin’ny sary. Ny mahazo ny mponin’i Besarety sy Mahavoky moa dia tsy lazaina intsony.


cyclone, loto, rivo doza, toetrandro