Tag Archive for 'parité-euro-dollar'

02
mai

Kirizy mafy hoe?

Volana maromaro izay dia toa hita fa tsy nitsaha-nitombo ireto fakitioran’ny JIRAMA zaraina isan-trano. Hita sy tsapa fa miakatra isaky ny roa volana ary midangana hatrany. Raha ny anay manokana izao dia na karaman’ny mpiasan’ny zone franche iray iray volana dia kely lavitra raha oharina amin’izany tontalim-bola tokony haloa izany.

Etsy an-daniny ny vidin-tsolika ihany koa dia tsy hay lazaina satria mananika mila hitovy raha tsy mihoatra ny vidin-tsolika any Eoropa. Ny lasantsy tsotra (91) izao no 1 Euro mahery kely eo noho eo ny litatra ary ny super 95 dia lafo noho izay.

Raha resaka sakafo indray no resahina dia marina fa dradradradraina etsy sy ero fa 8% ihany ny fiakaran’ny vidim-piainana tamin’ny ity nefa ny fahafaha-mividy dia mitsipaka izany ka mahatonga ny mpividy sy mpinana hieritreritra fa any amin’ny 20% any izy io fa tsy latsaka.

Ny hen’omby dia misy aretina, toy izany koa ny kisoa izay tsy voatsara, ny foza orana mamely, ny hetra sy ny haba isan-karazany tsy maintsy haloa. Heno koa fa hiakatra be indray amin’ity taona ity ny jiro sy rano na dia efa niakatra nisesisesy aza izany. Asa aloa, karama sy fidiram-bola toy ny ahoana no afaka atao tahiry (épargne) amin’izao vanin’andro izao fa izay tonga toa lany na indraindray aza mila tsy ho ampy.

Tora-po ve hoy ianao? tsia, zavatra iainan’ny malagasy ankehitriny izany.

hoy Sareraka izay “Tsy takatry ny kely vola izao ny atody ôôô…”

dia inona no atao?!?

, , , , , , , , , , ,

  • Connexion




    Inscription
  • Malag@sy miray est le premier blog collectif malagasy. Par collectif, nous entendons rassembler des personnes, leur personnalité, identité, et idées, autour d’un signe fédérateur (tous Malgaches de coeur et/ou de sang) afin de partager un maximum sur les thèmes abordés.
  • RSS Malagasy Miray

    RSS Articles   RSS Articles
    RSS Commentaires   RSS Commentaires
    Feed email   S'abonner par Email

     

  • RSS Forum

  • Membres