Mba hitondray tsikitsiky
février 20, 2009
Raha mankafy ny gadon’ny fahiny arahina lokanga sy valiha ianao dia mety mankafy ity hira malagasy ity.
Itondray tsikitsiky aho raha ho avy ianao
Tsikitsiky tsy miharo tokelaka
Mibitsika tena malefaka
Tsy ho ren’ny tia fosafosa
Fa hanako any anatiko kosa
Itondray safosafo aho raha ho avy ianao
Safosafo tsy riton’ny aloka
Hifitsahako eo mba hianoka
Tsy hosembanin’izay ahiahy
Ampy ho alan’ny ny fo sy fanahy
Itondray kalokalo aho raha ho avy ianao
Kalokalo toa rotsy maraina
Ho ngononina fa tsy ho hiraina
Toy ny kalon’ny rivotra monja
Raha mikalo fitia amin’ny onja
Hafatrafatra ihany ny ahy raha ho avy ianao
Rediredin’ny tsy afa-manoatra
Te-haniny no sady misaotra
Te-hionona nefa miangavy
Raha ho avy ianao ka ho avyRaha ho avy ianao ô
Raha tsy diso ny tenako dia ny tarika Ny Voninavoko, izay fantatra amin’ny fiangaliany ny vako-drazana malagasy no mihira ity hira ity. Ankafizo


License