Raha sery vitan’anamalaho

novembre 13, 2007 Tomavana  


Raha ny any an-tanindrazana jerijerena sy ambenana sahady ireo renirano sy tohadrano noho ny orana manomboka milatsaka [taratramada..com - 12.11.2007]. Ny aty amin’ny firenena tandrefana kosa manomboka tahitahiana ny aina noho ny serisery sy ny kohakohaka madinidinika vokatry ny hatsiaky ny ririnina.

Hoan’ireo tapaka sy namana izay hisedra ireto volana lava mangatsiaka, indro ary fampatsiahivana kely sady maimaim-poana notovozina tamin’ny traikefan’ireo Ntaolo Malagasy, « raha sery vitan’anamalaho ve dia amonoana vatotr’akoho ? »

« Si une soupe de Spilanthes suffit pour soigner le rhume, pourquoi sacrifier la poule pour en faire un bouillon ? » [Anamalaho est le nom générique de plusieurs herbes potagères, Spilanthes connu aussi sous la dénomination de “brèdes mafana”].

« If a soup of spilanthes is enough to cure cold, why sacrifice the hen to make a broth ? »

Lire la suite

, , ,

Tsihy be lambanana

novembre 6, 2007 Avylavitra  

“Tsihy be lambanana ny ambanilanitra”
Mbola manohy ilay “ny olombelona fandrin-drano…” ity. Izany hoe mitovy hevitra aminy.

Ny “Tsihy” dia tsy inona fa ilay herana voarary sy natambatra ho iray. Ampiasaina indrindra ho fipetrahana (toy ireny eny amin’ny toram-pasika rehefa mitanin’andro ireny, ohatra) na ataon’ny olona sasany ambany kidoro raha tsy misy ny fandriana hazo. Eo koa ilay fampiasan’ny Malagasy azy amin’ny andro famadihana, hibatany sy hilanjany ny razana mandritry ny famonosana.
Rehefa velarina tsara tokoa izy iny dia mitsotra manaraka tsara ny fandrin-drano ihany koa (raha tsy hoe toerana kisilasila angaha no ametrahanao azy). Tsy misy avo sy iva raha tsara rary. Avy amin’izany no nitsirian’ny hevitra tao amin’ny Ntaolo hampiasa azy ho fanoharana momba ny fitoviana.

dikanteny: Ceux qui sont sous le ciel (les hommes) forment une grande natte (i-e sont solidaires)

, , ,