Ary raha mba tsy malagasy, hono, isika e?!

février 10, 2009 Aiky  

Rehefa natao ny fanadihadiana tsotsotra dia misy ireo malagasy no tsy mahatsiaro ny tenany ho afrikana. Misy ihany koa ireo izay mahatsiaro fa mitovy amin’ny afrikana saingy tsy mponin’ny “kaontinanta” afrikana.

Tadidiko tsara nisy fotoana ny firenena malagasy tao anatin’ny folo taona latsaka izay dia voalaza fa tsy mpikamban’ireo firenena afrikana ka maro ihany ireo malagasy no tsy dia niraharaha loatra izany.

Aleo ajanona aloha iny resaka afrikana iny fa ny fanontaniana dia ny hoe “ary raha mba izao moa ny malagasy no tsy mponin’i Madagasikara fa firenena hafa dia mba firenena iza re no hita fa metimety aminy?”

Tsy resaka fitadiavana zom-pirenena hafa no resahina eto na fanambadiana amin’ny olona avy amin’ireo firenena hafa fa resaka malagasy tsy vaky volo miray hina sy miara-miasa ary miara-miaina.

Raha tany amin’ny firenena tatsinana ohatra dia mety voakajy ny mahamalagasy ka voakolokolo ara-dalàna ireo soatoavina izay dradradradraina etsy sy eroa. Mety nivoatra be ireo karazana hai-ady mampiavaka antsika, asa ny morengy ohatra. Mety nahay nanara-dalàna kokoa angamba isika?! mety tia niasa ihany koa ny ankamaroan’ny malagasy ary na ny mpiasam-panjakana aza dia nanaika mora foana ny fiantsoana azy hoe mpiasam-bahoaka.

Raha tany amin’ny firenena tandrefana indray kosa dia mety ho tia nikarokaroka sy tia fandrosoana amin’ny lafiny rehetra. Noho izany dia tia miasa sy mikendry ny fahatafitana amin’ny fomba rehetra. Mety samy naka ho azy ihany koa anefa satria dia ho tsapa fa ny herin’ny tena samy irery ihany no ahafahan’ny tena mihinana. Raha tany amin’ny firenena tandrefana ny malagasy dia sahirana satria mila miasa mafy mila miasa be ihany koa mba ahafahana mitsotsotra aoriana kely.

Raha tao anelanelan’ireo firenena afrikana mainty sy firenena arabo isika dia tena mety sahirana noho ny hafanana satria hafanana tsotsotra et Madagaiskara aza dia efa mahakamo. Mety sahirana niady sisin-tany sy niady an-trano marina koa isika ary mety tsy hahafantatra izay tena mahasoa ny vahoaka sy ny firenena.

Ny marina dia ny mpitondra ihany no mamolavola ny vahoakany ary na taiza na taiza raha mbola tsy tia mianatra sy miasa na koa mikaroka ireo fomba madio hitadiavana vola isika malagasy dia mbola ho ratsy noho izao trangan-javatra ankehitriny izao no miandry antsika.

Dia raha hilamina marina tokoa ny eto an-tanindrazana dia rahoviana indray no hiverina ny fanakorontanana sy ny fiakarana diso tafahoatra ny vidim-piainana? Sa izao kosa no lazaina fa farany? akaiky ilay farandro?

, ,

Madagascar est 94è au classement mondial de la liberté de la presse en 2008

octobre 26, 2008 Tomavana  

Le classement mondial de la liberté de la presse établi par Reporters sans frontières (RSF) vient de sortir pour sa cuvée 2008 et Madagascar chute à la 94è place sur 173 pays. L’année dernière elle était encore classée 61è sur 169 mais doit son flagrant recul à son climat général de “politisation des médias.”

Cette année, Madagascar se retrouve donc ex-æquo avec le Burundi qui a fortement progressé depuis la 127è qu’elle occupait en 2007. Tandis que le Hong-Kong avec qui Madagascar partageait la 61è place en 2007, progresse de dix places et se retrouve à la 51è cette année 2008.

Le Luxembourg vient compléter les deux premiers ex-æquo de l’année dernière Islande et Norvège. Alors qu’en queue de peloton : Cuba 169 | Myanmar [Birmanie] 170 | Turkménistan 171 | Corée du Nord 172 | Erythrée 173 ferment la marche.

Pour plus de détails lisez le post de l’ami Randy Do It>> ou directement chez rsf.org >>

, , , , , , , , ,

Une expression pour les générer tous…

mai 26, 2008 Elsifaka  

\b(ah|an|ar|eh|e|i|oh|ô|ao|ae|a|à|eo|e|ia|ie|io|oa|oe|o|ò|

((ai|ae|ao|a|à|ei|eo|e|ia|iai|ie|io|i|oa|oe|oi|o|ò)?

((b|dr|d|f|g|h|j|k|l|mb|mp|m|ndr|ntr|nts|nd|nj|ng|nk|nt|n|p|r|s|tr|ts|t|v|z)

(ai|ae|ao|a|à|ei|eo|e|ia|iai|ie|io|i|oa|oe|oi|o|ò))*)

(b|dr|d|f|g|h|j|k|l|mb|mp|m|ndr|ntr|nts|nd|nj|ng|nk|nt|n|p|r|s|tr|ts|t|v|z)

(((ao|ae|a|à|eo|e|ia|ie|io|oa|oe|o|ò)-?)|-|’|’|oy|iay|ey|ay|y|i-))\b
Tu te demandes sûrement ce que c’est que ce truc juste au dessus… Et bien, ce truc, c’est une expression rationnelle. Elle reconnaît les mots malagasy ! Rien que ça !

J’ai créé et testé cette expression avec reggy (un logiciel pour mac) et pour windows, il y a peut-être RegexDesigner… si tu veux tester… Il faut aussi enlever les retours à la ligne.

Je ne dis pas qu’il ne reconnaît que les mots malagasy, il reconnaît aussi d’autres mots pouvant être des mots malagasy, C’est à dire, respectant la règle de formation d’un mot malagasy. L’explication de l’expression serait trop longue pour être écrite et je ne ferais que paraphraser. Pour résumer, je dirais, il n’y a que les suites de lettres possibles en malagasy qu’il reconnaît : genre kravato n’est pas un mot malagasy, kr n’est pas un groupe de consonnes ayant un son défini, contrairement à tr ou ts ou dr… tu suis ? il y a aussi les suites de voyelles possibles… questions en commentaire, je me ferai un plaisir de répondre.

Nous avons quand même une langue qui a de la classe, on peut valider l’orthographe des mots avec une expression rationnelle.

J’ai posté l’expression ici en espérant avoir des retours et des commentaires parce que je n’ai testé l’expression que sur quelques posts de quelques blogs écrits en malagasy. Il est sûrement améliorable et on peut encore le rendre plus précis.

Je pense utiliser cette expression pour valider toutes les propositions de néologismes sur l’outil qui va changer la face du monde, un peu comme dans la pub d’orange ! Et sais-tu quelle langue les gens ont utilisé pour communiquer et se comprendre ? Ils ont sûrement utilisé le lojban !

En vérité je te le dis, si quelques lémuriens se mettaient à taper sur leurs machines pendant un temps suffisamment long et qu’ils sont obligés de respecter cette expression rationnelle, ils écriraient tous les mots malagasy possibles et imaginables et il y en aurait sûrement un qui écrirait le texte intégral de Vakivakimpiainana…

, , , , , , ,

Fiakaran’ny tosi-drà!

janvier 21, 2008 news2dago  

Tena anisan’ny aretina mitarika ny fahafatesana ny fiakaran’ny tosi-drà ka tokony ho mailo ny rehetra @ izao vanim-potoana misy antsika izao mantsy dia maro ny tanora no be tosi-drà ka mety misy ny tapaka lalandrà raha tsy voaramaso sy manaraka fitsaboana tsara!

Betsaka ny mety mahatonga io tosi-drà miakatra io mety avy @ fifohana sigara na fisotroana taoka be laotra fa ny tena tiana hisarihina ny saintsika dia ity sakafo matsiro sy be menaka ity ary indrindra dia ny fihinana ny hen’omby! iza moa ny malagasy tsy hilela molotra raha manoloana lasopy tongotr’omby na silamangany! tena sakafo tian’ny malagasy tokoa izy ity kanefa dia mampavesatra ny rà mikorina @ vantana satria tsy levona ny menaka entin’izy ireny ka manery ny lalandrà! tokony ho lanjalanjaina izany ny sakafo hoanina na mifady sakafo rehefa hita oe misy ny fikaran’ny tosi-drà!

Fa ny tena tiako iadiantsika hevitra eto dia ity sira misy ioda ity e! satria mantsy voalaza fa io ioda io koa no tena manafaingana ny fahatapahan’ny lalandrà! betsaka mantsy ny olona milaza oe ahahy na atapy andro izy ireny dia miala ilay ioda ao anatiny kanefa nisy “chimiste” nanotaniako momba an’io dia tsy mitombona velively ny fanahazana ny sira io dia manala ny ioda ao anatiny?

fehiny, tsara izany ny tanora raha mijery sy manaramaso ny tosi-drà any @ mpitsabo ary raha tahiny ka ambony ny tosi-drà dia aleo mihinana fanafody fa tsy hanao dokotera tena @ fihinanana tongolo gasy sy ny fisotroana tambavy fotsiny! ny fetrany mantsy no tsy voakajy tsara ka eo no mety ho zava-doza raha miaotra ny dôzy hoanina lasa mitarika aretina hafa indray avy eo!

, , ,

Fady io Raketaka

novembre 22, 2007 Ikalakely  

Anisan’ny zavatra mahaliana sy mahavariana ny resaka fady eo amin’ny fiainan’ny Malagasy. Ireto ary misy fady vitsivitsy, dia anjaranao sisa…

> Ho an’ny vehivavy bevohoka ka tsy te ho afa-jaza

- Mihinana hena avy amin’ny mpamora, lahy ny zaza (pour avoir un garçon: assister à une circoncision et demander à celui qui a pratiqué l’opération de manger un morceau de viande - de zébus je suppose)

- Homan-dranombary mbola tsy masaka, tsy tonga volana ny zaza (boire de l’eau de riz pas bien cuite, l’enfant sera né prématurement)

- Mitomany ny tsy any, lany zara (ne pas pleurer)

- Mihomehy tsy tonga volana, tsy tonga volana ny zaza (ne pas rire à celle qui accouche prématurement)

- Mandry raha voky, mahavotsotra (rester debout quelque temps après avoir mangé pour faciliter la digestion)

- Manatsoaka hazandrano, mahafa-jaza (ne pas pêcher)

- Manongotra ahi-maitso, mamotsitra (arracher de l’herbe verte)

- Mihanika tohatra, mahafa-jaza (ne pas monter des échelles)

- Mihinana hasina, mamotsitra (ne pas manger des oeufs pourris, des citrons verts ??)

- Miditra an-davam-bary, mahafa-jaza (ne pas entrer dans un silo à riz)

Ou encore

- frapper 3 fois en criant: “je suis enceinte, ô mort” avant d’entrer dans une maison où il y a un defunt.

- ne pas aider son mari à racommoder le toit de la maison (manafo-trano, tsy miteraka)

- ni soulever de pierre pour réparer le tombeau (manainga vato, mahafa-jaza)

- ne pas laisser pousser l’herbe sur le bord de votre rizière (tsy manatsa-parihy, tsy miteraka)

- Dire aux autres ce qui concerne votre destin propre, c’est s’exposer aux sortilèges (milaza vintana ny andro nahaterahana amin’olona, andrao amosaviny)

in Raketaka, tableau de moeurs féminines malgaches, dressé à l’aide de proverbes et de fady”, Mondain Gustave , ed° Ernest Leroux; 1925, 149p

, ,

Ny Malagasy sy ny fakana tahaka

novembre 7, 2007 Avylavitra  

Tsy lavina ny tokony sy tsy maintsy hifampiankin’ny olombelona. Saingy mampalahelo fa eo amin’ny sehatra maro samihafa amin’ny fiainan’ny zanak’olombelona dia tsy hita loatra izay vokatry ny saina Malagasy (izaho tsy miteny hoe tsy misy an!) na zavatra namboarina Malagasy ampiasaina. Misy vitsy ihany eny ananonanona eny. Fa mba voatrandraka sy omen-danja ho afaka mivelatra ve izy ireny ?. Voka-pikarohana maro no mipirina any ho any noho ny tsy fisiana na noho ny tsy fahampian’ny hoenti-manana, fikaonan-doha maro no efa nalevin’ny andro sy ny taona. Milevina anaty vovoky ny fanadinoana sy lanin’ny koroka ny antontan-taratasy sy boky mitahiry azy ireny. Noho ireo voatanisa ireo dia ny vokatry ny saina vahiny no ketrehina hampandroso an’I Madagasikara. Eny fa na dia ny M.A.P. aza dia misy mpanao gazety milaza fa hala-tahaka avy any ananona any izy io no narindran-dRamalagasy. Aza gaga àry raha tratry ny tamberin-tany eto an-toerana sy tsy tafavoaka ny valan’ny moramora eto foana isika mianakavy. Mba tsy hihemotra aza, sanatriavina !
Amin’ny andavanandrom-piainana, eo amin’ny seha-pihariana, raha mba misy ny nivaky loha namoaka voka-pikarohana, dia misy koa ny vaky loha haka tahaka fotsiny fa tsy mba hamorona (jereo ny CD pirates mameno an’Analakely dia ho tsapanao izay zavatra lazaiko izay). Hala-tahaka ampiasaina amin’ny fomba tsy ara-dalàna sy amin’ny sehatra rehetra mba hitadiavam-bola avy eo.
Rraha voatery tsy maintsy haka tahaka ihany dia sady maka tahaka no mitondra fanatsarana ho an’ilay asa nalaina tahaka, dia handroso “Gasikara”.

Enga anie samy hiezaka hanatsara sy hamorona ny tsirairay.

,

2 octobre | Journée mondiale de la non-violence | International Day of Non-Violence [IDNV 07]

octobre 2, 2007 Tomavana  



Bien avant la reconnaissance formelle de l’ONU, certains irréductibles avaient déjà choisi le 2 octobre pour célébrer la non-violence au travers la figure emblématique de Gandhi.

A l’occasion du 138ème anniversaire de la naissance du « grande âme » Mahtma Gandhi [2.10.1869 - 30.01.1948 | Mahatma signifie grande âme en langue sanskrit], pour la toute première fois, la non-violence sera célébrée le 2 octobre 2007 au travers d’une journée internationale [International Day of Non-Violence >>].

Par cette résolution du 15 juin 2007 [ONU - A/RES/61/271], l’Assemblée Générale de l’Organisation des Nations Unies déclare vouloir réaffirmer « la pertinence universelle du principe de non-violence .» Au travers de cette célébration de la non-violence, l’ONU désire « diffuser le message de la non-violence, notamment par des actions d’éducation et de sensibilisation .» Ses objectifs sont de « favoriser une culture de paix, de tolérance, de compréhension et de non-violence .»

Bio express : né le 2 octobre 1869 à Porbandar, dans l’actuel État du Gujarat, en Inde, Mohandas Karamchand Gandhi est une personnalité qui a marquée de son empreinte le XXème siècle. De nombreux combatants pour la liberté se sont inspiré et appliqué ses théories de résistance à l’oppression à l’aide de la désobéissance civile de masse [satyagraha] toujours dans le respect de la « la totale non-violence » [ahimsa] qui a mené à l’indépendance de l’Inde; Albert Schweitzer, Martin Luther King, Steve Biko, le Dalaï lama et Aung San Suu Kyi pour ne citer que les plus célèbres. Reconnu comme le « Père de la Nation », la mémoire de Gandhi est célébrée le jour de son anniversaire, le 2 octobre par un jour férié en Inde. Comme de nombreux combatants de la liberté, Gandhi meurt assassiné près de Birla House, à New Delhi le 30 janvier 1948 alors qu’il était en chemin vers une réunion de prière.

[Andro iraisam-pirenenana ho fandavana ny herisetra >>]

[Communiqué de presse - un.org/News/fr-press >>]

[« Mahtma » Mohandas Karamchand Gandhi
chez wiki.org - en FR >> | in ENG >>]

, , , , ,

Page suivante »