Ny leson’ny tantara tamin’izay nitranga ny alakamisy 19 febroary 2009!

février 20, 2009 Jentilisa  

Mbola tsy aritra mandrakariva ilay tafika resy tosika teo anatrehan’ny vahoaka omaly teo anatrehan’ny vondron’olona omaly 19 febroary 2009. Hita manko fa tena fihatsarambelatsihy sy fombafomba fotsiny no nataon’ny tafika teo fa tsy zavatra hafa mihitsy. Nefa ny zavatra toy ireny indrindra no itarafana indray ny tantara efa nitranga teto Madagasikara tamin’ny vanim-potoana tsy nampoizin’ny vahoaka mandrakariva. Indroa (intelo akory aza) manko izay no efa nisy fihetsika toy ireny teto Madagasikara fa tamin’ny vanim-potoana samihafa ihany koa.

Ny voalohany tamin’ireny dia tamin’ny taona 1895 raha nifandona ny tafika malagasy talohan’ny fanjanahantany sy ny tafika frantsay nanani-bohitra. Raha tsy nety tafiditra teto anivontany mihitsy ny frantsay raha nanafika hatrany Toamasina dia hatrany avaratra andrefana tany Mahajanga indray no nidirany tamin’ny 1895. Ny tafika Sakalava no nataon’ny Frantsay nialoha lalana azy ireo nandritra izany fanafihana izany (tantara tsy azo ampanginina izany!). Efa fantatra niharihary tamin’izany fotoana izany fa nanana fitaovam-piadiana afaka nifanandrinana tamin’ny tafika frantsay mihitsy ny Malagasy tamin’ireny fotoana ireny saingy toa tsy nampisaina mihitsy izany fitaovam-piadiana izany. Toa tsy niraharaha ny ady loatra ny mpitari-tafika Malagasy, indrindra fa tamin’ireo Jeneraly efa nananan’ny Malagasy ihany koa. Teo Andriba ihany no mba nisy karazana ady mafana teo amin’ny Malagasy, fa ny ankoatra izany dia tena tsy nisy na inona na inona nataon’ireo tafika mihitsy. Inona no antony? Ela nitondrana loatra manko ny praiminisitra Rainilaiarivony ka efa bebe ihany ireo tsy tia azy. Ny andaniny efa mpankasitraka ny Frantsay koa faly kokoa mahita an’i Rainilaiarivony fa jamba teo amin’ny fijerena ny hoe ho lasan’ny Frantsay anie i Madagasikara fa sombintsombiny ihany no omeny anao izay faly tsy mahita fa ny fiandrianam-pirenena Malagasy no rava fa tsy hoe Rainilaiarivony ihany no miongana.

Dia toy izany ihany koa no zavatra hitako amin’izao tranga omaly hitako izao. Maro no mihevitra fa vita hatreo ny amin-dRavalomanana saingy tsy tsapany fa eo ihany koa no potika tanteraka ny ara-dalàna eto Madagasikara. Tamin’ny 1895 dia maro tamin’ny sarambabem-bahoaka no tezitra nahita izao zava-nitranga izao ary mahatsapa avy hatrany fa nisy oloona ambony “namadika” tao ka niforona ho azy ny “menalamba” namotika izay rehetra namofompofona “vazaha” ka tena lasibatra indrindra ny fivavahana kristiana, nefa rehefa lanaka ireto nankahala ny fivavahana malagasy ireto dia avy tamin’ny “mpivavaka kristiana” nijoro indray no nitarika ny olona hanohitra ny mpanjana-tany. Amin’izao fotoana izao ihany koa, tena tsy misy mihitsy izay paik’ady asehon’ny mpitarika ny mpanohana an-dRavalomanana, nefa raha amin’izao nomanana ny fanapahan-keviny manokana ireo mpanohana azy ireo dia vao maika ihany koa tafiditra amin’ny anarshia manjaka sahady ihany koa… nefa toa sarotra ihany ny ivoahan’ny karazana “menalamba” amin’izao fotoana izao… fa tia filaminana loatra manko ny Malagasy.

Ny tranga faharoa tamin’izay nitranga tamin’ny tantaran’i Madagasikara indray dia izay niseho tamin’ny 1942 kosa indray, izany hoe mbola teo ambany fahefana frantsay mivantana isika. Resy teo anatrehan’ny tafika alemana ny tafika frantsay tany Eoropa. Noezahin’ny anglisy sy ny jeneraly de Gaulle kosa ny ifehezan’ny “allié” ny zanatany frantsay rehetra ka tafiditra amin’izany i Madagasikara. Niainga hatrany Diego Suarez (Antsiranana ankehitriny) indray ny tafika anglisy mitondra ny voninahitra “frantsa afaka” nainga hatrany Afrika Atsimo. Tsy nisy mpitari-tafika Frantsay tena frantsay intsony nanohitra ireto mpanafika ireto fa ny kapiteny Ramanantsoa (ilay lasa mpitondra tetezamita 1972 - 1975) no nasaina nitari-tafika. Dia tena tsy niady akory indray ny roa tonta fa voatosika hatrany Fianarantsoa mihitsy ny”Frantsay”. Faly aoka izany ny Malagasy fa hay azo resena soa amantsara ireto Frantsay nanjakazaka ireto. Livitra dia livitra kosa ny tena Frantsay tao anatin’izany rehetra izany. Nanomboka teo tsy niraharaha izay herin’ny Frantsay loatra intsony ny ankamaroan’ny Malagasy fa etsy andaniny efa niandry kendri-tohina ihany koa ny Frantsay ary hitantsika izany taona vitsivitsy monja taty aoriana.

Nihanafana vay ny fikambanam-pitiavan-tanindrazana Malagasy, ny MDRM izany teo amin’ny lafin’ny lalàna, ary ity fikambanana ity te-hiditra amin’ny lafin’ny lalàna mandrakariva, tsy resy lahatra amin’izany kosa ny fikambanana tsy miafina roa dia ny JINY sy ny PANAMA izany. Ny an’ireto farany dia hoe tsy misy fahaleovan-tena ho azo izany raha tsy misy ra latsaka (hay hatrany tokoa no efa nisian’ity tranga ity?). Nisovoka tao anatin’ny MDRM ireto fikambanana miafina ireto, ary ry zareo no nanomana ilay fantatra indrindra dia ny 29 marsa 1947 izany. Efa nalaza dia nalaza tokoa io daty io ka nahafantatra azy avokoa ny mpitolona sy ny mpitondra fanjakana. Notontosaina ihany ny tetikady tany amin’ny faritra sasany fa tsy nety nanaiky hanaovana ny Malagasy ho sorona kosa ny Lietnà Randriamaromanana izay nasaina hanomana ny tetika teto Antananarivo renivohitra.

Ny fijoroana vavolombelona nataon’i Manana Jahavanay no averiko eto. Anisan’ny nanafika ny toby tany Ambatondrazaka manko ny lehilahy, ary nahatsapa tao anatiny tao fa “sarimihetsika” fotsiny izany fanafihana ny toby miaramila tany Ambatondrazaka izany. Tsy nisy fitaovam-piadiana maro azo akory manko tao. Inona ny vokatr’io fanafihana io? nangonina avokoa ny manampahaizana rehetra tao Ambatondrazaka, izay MDRM avokoa ary nolazaina halefa taty Antananarivo. Nentina tamin’ny fiaran-dalamby ary niato tao Moramanga. Teo no naripaka tao anaty vagao ry zareo ka nahatonga ilay tantara malaza hoe “wagon Moramanga”. Ary izay tsy maty teo dia nasaina nandavaka ny fasana handevenana azy. Iray tamin’ireo mpitolona sisa niangana dia Ratokoniaina izany. Ninian’ny Frantsay hitranga io hanaporofoana teo anatrehan’ny Malagasy fa tsy haharesy Frantsay izany ny Malagasy na dia resy aza izy ireo teo. Dia toy izany ary ny tantara teto Madagasikara!

Vaovao farany araka ny nolazain’ny tao amin’ny Radio Don Bosco androany maraina 20 febroary 2009. Na dia “azon’ny ” mpitolona aza ny Minisitera efatra omaly dia nalain’ny miaramila indray izany halina.

jentilisa 20 janoary 2009

, ,

Ary raha mba tsy malagasy, hono, isika e?!

février 10, 2009 Aiky  

Rehefa natao ny fanadihadiana tsotsotra dia misy ireo malagasy no tsy mahatsiaro ny tenany ho afrikana. Misy ihany koa ireo izay mahatsiaro fa mitovy amin’ny afrikana saingy tsy mponin’ny “kaontinanta” afrikana.

Tadidiko tsara nisy fotoana ny firenena malagasy tao anatin’ny folo taona latsaka izay dia voalaza fa tsy mpikamban’ireo firenena afrikana ka maro ihany ireo malagasy no tsy dia niraharaha loatra izany.

Aleo ajanona aloha iny resaka afrikana iny fa ny fanontaniana dia ny hoe “ary raha mba izao moa ny malagasy no tsy mponin’i Madagasikara fa firenena hafa dia mba firenena iza re no hita fa metimety aminy?”

Tsy resaka fitadiavana zom-pirenena hafa no resahina eto na fanambadiana amin’ny olona avy amin’ireo firenena hafa fa resaka malagasy tsy vaky volo miray hina sy miara-miasa ary miara-miaina.

Raha tany amin’ny firenena tatsinana ohatra dia mety voakajy ny mahamalagasy ka voakolokolo ara-dalàna ireo soatoavina izay dradradradraina etsy sy eroa. Mety nivoatra be ireo karazana hai-ady mampiavaka antsika, asa ny morengy ohatra. Mety nahay nanara-dalàna kokoa angamba isika?! mety tia niasa ihany koa ny ankamaroan’ny malagasy ary na ny mpiasam-panjakana aza dia nanaika mora foana ny fiantsoana azy hoe mpiasam-bahoaka.

Raha tany amin’ny firenena tandrefana indray kosa dia mety ho tia nikarokaroka sy tia fandrosoana amin’ny lafiny rehetra. Noho izany dia tia miasa sy mikendry ny fahatafitana amin’ny fomba rehetra. Mety samy naka ho azy ihany koa anefa satria dia ho tsapa fa ny herin’ny tena samy irery ihany no ahafahan’ny tena mihinana. Raha tany amin’ny firenena tandrefana ny malagasy dia sahirana satria mila miasa mafy mila miasa be ihany koa mba ahafahana mitsotsotra aoriana kely.

Raha tao anelanelan’ireo firenena afrikana mainty sy firenena arabo isika dia tena mety sahirana noho ny hafanana satria hafanana tsotsotra et Madagaiskara aza dia efa mahakamo. Mety sahirana niady sisin-tany sy niady an-trano marina koa isika ary mety tsy hahafantatra izay tena mahasoa ny vahoaka sy ny firenena.

Ny marina dia ny mpitondra ihany no mamolavola ny vahoakany ary na taiza na taiza raha mbola tsy tia mianatra sy miasa na koa mikaroka ireo fomba madio hitadiavana vola isika malagasy dia mbola ho ratsy noho izao trangan-javatra ankehitriny izao no miandry antsika.

Dia raha hilamina marina tokoa ny eto an-tanindrazana dia rahoviana indray no hiverina ny fanakorontanana sy ny fiakarana diso tafahoatra ny vidim-piainana? Sa izao kosa no lazaina fa farany? akaiky ilay farandro?

, ,

Madagascar est 94è au classement mondial de la liberté de la presse en 2008

octobre 26, 2008 Tomavana  

Le classement mondial de la liberté de la presse établi par Reporters sans frontières (RSF) vient de sortir pour sa cuvée 2008 et Madagascar chute à la 94è place sur 173 pays. L’année dernière elle était encore classée 61è sur 169 mais doit son flagrant recul à son climat général de “politisation des médias.”

Cette année, Madagascar se retrouve donc ex-æquo avec le Burundi qui a fortement progressé depuis la 127è qu’elle occupait en 2007. Tandis que le Hong-Kong avec qui Madagascar partageait la 61è place en 2007, progresse de dix places et se retrouve à la 51è cette année 2008.

Le Luxembourg vient compléter les deux premiers ex-æquo de l’année dernière Islande et Norvège. Alors qu’en queue de peloton : Cuba 169 | Myanmar [Birmanie] 170 | Turkménistan 171 | Corée du Nord 172 | Erythrée 173 ferment la marche.

Pour plus de détails lisez le post de l’ami Randy Do It>> ou directement chez rsf.org >>

, , , , , , , , ,