Tag Archive for 'le-quotidien'

21
fév

Misaotra ny “le Quotidien” ihany.

Marina fa ao anatin’ny voina isika Malagasy eto Madagasikara amin’izao fotoana izao nefa izany tsy tokony hahatakona ny voninahitra azon’ny mpamaham-bolongana Malagasy amin’izao fotoana izao. Misy tokoa ny miezaka ny hahatontosa zavatra goavana na dia mbola vao haingana aza no tafiditra amin’ny sehatra. Efa mahasongona anay mihitsy ny fampitam-baovaon’i AvyLavitra ary iderana azy manokana izany. Tsy latsadanja amin’izany ny hafa rehetra ary izay angamba no mba nanononan’i Le Quotidien an’i Malagasy Miray amin’ny bolongana malagasy. Ny hafa tononina moa dia dokambarotry ny orinasa no nasongadiny.

Na dia izany aza dia tsara ny milaza amin’izay sambany vao mamaky noho io lahatsoratra afak’omaly io fa maro ny vohikalan’i Malagasy sady tsy vitsy rahateo ny mpiteny malagasy. Ho anareo vaovao dia ahitana ny rohy izany hoe ny lahatsoratra na lahatsarin’ny mpibilaogy izay tononiko manokana hoe mpamaham-bolongana (ahy manokana aloha io teny io) ka sombiny amin’izany izay voalahatra ao amin’ny blaogasyfera ao. Tsiditsidiho avokoa ireo fa hahaliana anao e!

,

  • Connexion




    Inscription
  • Malag@sy miray est le premier blog collectif malagasy. Par collectif, nous entendons rassembler des personnes, leur personnalité, identité, et idées, autour d’un signe fédérateur (tous Malgaches de coeur et/ou de sang) afin de partager un maximum sur les thèmes abordés.
  • RSS Malagasy Miray

    RSS Articles   RSS Articles
    RSS Commentaires   RSS Commentaires
    Feed email   S'abonner par Email

     

  • RSS Forum

  • Membres