Malomaloka mahangômangôma ny andro, ilay mahakamokamo tsy maha-te hiasa iny. Vao avy bedin’ny mpampiasa ireto mpiasa roalahy fa tsy mahafa-po loatra hono ny fandehan’ny asany ary norahonany fa tsy hahazo fisondrotan-karama amin’irỳ taona vaovao irỳ raha tsy mahatratra ny vokatra enjehina. Efa fomban’ny mpampiasa ihany itỳ toetra itỳ ikarohana fomba handavana ny fisondrotan-karama ho an’ireto mpiasany izay efa fanao isaky ny taona vaovao.
Gagagaga kosa i Setra raha mahita an’itỳ namany, i Guss, toa tsy rototra firy, ary sady mbola velon-tsioka no tsy mifofotra amin’ny asa fa mihodinkodina fotsiny. Amin’ny fotoana hafa anefa rehefa avy omen’ny mpampiasa bedibedy itỳ ranamana itỳ dia tsy ahitan-teny fa mitsoitsoy toy ny vorona nolemana.
- Fa mahafaly an’ialahy angaha ny tsy hahazo fisondrotan-karama leisy RaGuss?
- Tsy izany leisy fa mahatsiarotsiaro ny omaly hariva aho an! Omaly ilay avy nanao basket iny dia tafaraka tamina sipa manjakely izay tao anaty fiara fitateram-bahoaka. Manja leisy izany an! Tsy mety afaka ato an-tsaiko mihitsy ilay salovan-tavany.
Continue reading ‘bandy iray, sipa iray, tantara iray, …’