• Mpampihavana tsy mihavana amin’ny hafa hoe?

    Taorian’ny resabe momba ny fisitahan’andriamatoa isany Andry Rajoelina sy Zafy Albert (eto amin’ny sary, tao anatin’ny hetsika momba ny fampihavanam-pirenena nokarakarain’ny FFKM dia misy ihany koa ny resaka mivoaka eny anivon’ny sehetra ara-pinoana maro samihafa eto an-drenivohitra sy ny manodidina. Fantatra aloha fa maro no manenjika ny FFKM mikasika ny toerana izay misy azy ireo momba ito fampihavanana ito. Voatondro molotra mikasika izany ireo tangala mena sy ny FFM izay toa heno any ambadika any ho manakihana ireto raiamandreny ara-pinoana izay miezaka manao izay eritreretiny fa mety ho an’ny malagasy sy ny firenena. Misy ihany koa no milaza fa  misy fiandaniana ito fampihavanana ito. Tsy anjaranay eto amin’ny Malagasy Miray…

  • Fihaonana an-tampon’ireo filoha teo aloha (sy ny ankehitriny)

    Voalaza ombieny ombieny fa i Madagasikara dia nosy manan-karena kanefa dia mahantra vahoaka. Tsy vahiny amin’ny antony mahatonga izany ireo mpitondra nifandimby nisy teto, indrindra fa nanoboka tao anaty fanjanahan-tany. Satria mazava fa tsy soa ho an’ny firenena malagasy no nahatonga ireo vahiny nifandimby nanjanaka fa soa indrindra ho an’ny firenena izay naniraka azy. Tsy any intsony ny resaka ankehitriny. Tsy fotoana intsony izao hifanondrotondro sy hifampiapanga. Raha mba misy tsirim-pitiavan-tanindrazana na dia kely fotsiny aza ireo mpanao politika sy ireo mpitondra nifanesy mbola velona sy ny zanaka amna-jafiny, izay raha ny tokony ho izy dia tsy misy idirany amin’ny raharaham-pirenena noho ny efa nijanonan’ny vanim-potoana faha-mpanjaka, dia miara-mifanaiky ny…

  • Fampihavanana sa Fifamelana?

    Ny rehetra dia miaraka miaiky fa ela loatra ity krizy indray mitoraka ity. Efa-taona mahery izao no nitranga ireny « alatsinainy mainty » sy ny tranga nisy teo Ambohitsorohitra. Tsy iverenana ny tantara fa maro ireo rohy samihafa mitantara izany. Tamin’ny herinandro teo dia najoro sy naseho ny be sy ny maro ireo mpikambana ao anatinan’ny FFM na ny Filankevitry ny Fampihavanana Malagasy na antsoina koa amin’ny teny frantsay hoe CRM na Conseil de Reconciliation Malgache. Ho an’ny vahoaka mpitazan-davitra toa ahy dia toy ireo andry sy sampana maro nijoro sy najoro hatramin’izay ny fijery azy ito. Saingy rehefa jerena akaiky dia tsapa fa mety hanana ny mampiavaka azy amin’ny lafiny rehetra…