Fampandrosoana inona ity resahana betsaka any Madagasikara ity?
novembre 30, 2007 by Randrianandrasana
Filed under Langue (Mg), Développement
Ndeha ary hiresakafampandrosoana e!
Nefa ny mitranga any Madagasikara ankehitriny aza dia mbola ratsy lavitra no ho izany. Tsy mba “ilay lanitra tsy hianjera” no atao maty tifitra, tsy ny rahona manalokaloka iny “fonenan’ny olo-masina” iny akory aza no atao bokan’ny voam-bala, fa ny namana sy tapaka, ny rahalahy sy ny anabavy miavo-tena, ny mpiara-mizara dian’omby. Ny lohantsika malagasy miondana rotsirotsy fampandrosoana fa ny fanambanintsika dia mbola mitombona tsara eo amin’ny sezan’ny fanjanahan-tany ihany. Iza no tsy mahatadidy fa io ampahan-tantara matroka loatran’ny firenentsika io dia nivelararan’ny foto-kevitra toto tànana miorina amin’ny fitsinjovana ny aina hoe:“raha ho faty aho matesa rahavana” ara-bakiteny, izay nirandrana niaraka tamin’ny “zarazarao hanjakana” izay tsy inona fa filozofiam-pitsetsafana nentin’ny sambo niaraka tamin’ny vanja sy afo avy any dilam-bato. Alin-dririnina nateza no vokany maharitra mandrakandroany. Ny haizina mikitroka mitarika ny tsirairay tsy hahalala na iza na iza ankoatra ny tena ary ny hatsiaky ny faty manara mahaara-dalàna ny fisintonan-damba hamonofono ny isam-batan’olona hatrany an-tampon-doha ka hatrany am-paladia. Mampangirifiry ny hafa ny zava-bitan’ny sasany nefa ny “HAFA” toa tsy mahatsiaro akory ho tompon’andraikitra na dia mitaraina aza ny “SASANY”. Tsy voatery ho noho ny faharatsian-piniavana anefa izany, indrisy, fa mety ho noho ny aretina mihitsy ihany koa:

