Mba ataovy teny malagasy ahay hoe…
juin 4, 2009
ho an’ireo izay eto Antananarivo dia nahatsikaritra tato ho ato horonan-tsary fohy maneho saina malagasy eo amin’ny ankavia ary sary matso nataon’ny miaramila malagasy teo Mahamasina ny tapany ankavanana. Ny feo manaraka izany rehetra izany dia natao tamin’ny teny frantsay. toa santionany nalaina tamin’ny sarimihetsika angaha…
Dia lasa ny saina : fa dia nahoana loatra raha fetim-pirenena sy fetin’ny fahaleovan-tena no tiana hisintonana ny saina no natao amin’ny teny vahiny izy ity? Moa ve ianareo efa nankany Hong Kong ohatra ka misy zavatra ohatra izany dia atao amin’ny teny anglisy, na tany frantsa ka misy zavatra toy izany dia atao amin’ny teny latina na italiana? asa, tsy haiko!!! fa raha ity zavatra miseho amin’ny fahitalavitra ity aloha dia mahasorena na ny mieritreritra azy indrindra amin’izao vanim-potoana hlazana fa ny frantsay no ambadik’izao rehetra mitranga izao…
Tsy hoe fitiavana ireo frantsay sanatria fa mba rehareha maha-malagasy fotsiny ihany, ka toy ny mason-tsinoa ka izay kely anananana no arangaranga dia tsy inona fa ny teny malagasy izany.
(…) Rehefa manatrika fanazavana ara-tsiantifika na fivoriana isankarazany eto Madagasikara dia mbola sahirana ihany raha miezaka manazava hevitra na resaka teknika amin’ny teny malagasy. Sahirana, tena sahirana! Tadidiko tamin’ny laza adin’ny fanadinana matematika sy fizika tamin’ny bakalorea dia nasaina nisafidy ny tenin’ny laza adina, na frantsay na malagasy (mbola tsy nisy tao amin’ny lalampanorenana ny teny anglisy tamin’izany) fa niezaka namaky ilay laza adina tamin’ny teny malagasy fa tsy nahazo na inona na inona afa-tsy ny hadiry sy velarana monja angamba?! Fanina, tena fanina…
Raha mijery ny tantaran’ny literatiora malagasy dia mahita fa nisy andiam-potoana maromaro “nitady ny very”. Asa na hita ihany ny very na tsia fa ny fantatra aloha dia adino teo ilay fanagasiana. Asa izay mety eritreretini E.D. Andriamalala raha mitazana sy mahita izy…
Resaka “tsangantsainan’ny Andriana” no saika horesahina tato saingy nahita ilay horonan-tsary fohy io tamin’ny fahitalavitra dia lasa niova ny resaka.
Saika nokarakaraina tany Ambilobe tokoa mantsy ny fivorian’ny Ampanjaka sy ireo taranak’Andriana mbola velona sy manjaka na tsy manjaka amin’izao fotoana izao. Saingy olona roa no miady laka ao Ankarabe ka tsy mbola maharaikitra izany. Hay tokoa moa mbola misy ampanjaka miady seza any rehetra any? Ka ho zarazaraina indray ary ity gasikara sa dia aiza ho aiza ny toeran’ireto ampanjaka raha jerena amin’ny rafitra misy amin’izao fotoana?
Ny tena mety aloha ho an’ireo Ampanjaka izay te-hampanjaka ny fahefany amin’ny maha mpanjaka azy dia ny miezaka ho lehiben’ny faritra dia mandeha ho azy ny ambiny avy eo… vazivazy ka atao fa mety ho vahaolona koa aloha izany e. Andramo anie e.
Tsy ho gaga aho raha indray andro any misy hampahafantatra ahy olona iray ka hilaza hoe : izy no mpanjakan’Ambodin’isotry sy Anjanomanalina. Asa, mety efa misy izany fa tsy fantatra.
Ny teny Malagasy ho fampianarana ny zaza Malagasy
juillet 17, 2008
Haverina amin’ny teny Malagasy ny fampianarana eny amin’ny ambaratonga fototra (primaire) araka ny fanapahan-kevitra noraisin’ny fitondram-panjakana. Momba izany no nanasàn’ny fahitalavitra tsy miankina iray (TVPlus) ny mpampianatra mpikaroka eny amin’ny Ambaratonga Ambony RATREMA William, sady mpanorina ny vondrom-panabezana ACCEEM ihany koa.. Ny mpanao gazety nanasa azy kosa dia Onitiana Realy
Indro tateriko ho anao etoana ny dinidinika nataon’izy mianaka ireo ka ny OR dia raiso ho i Onitiana Realy ary ny RW dia raisintsika hoe RATREMA William Lire la suite
Ny fianarana no maha-olona
juillet 11, 2008
- Manao ahoana ianao ry Dadatoa Rasamy.
- Ahoana Ragasy a, misy azo atao an’ialahy fa tsy manam-potoana firy aho izao?
- Eny tompoko, koa satria moa maika ianao dia … tonga dia ny votoatin-dresaka no hoentiko. Momba ilay resakao indray maka iry hoe vonona hanampy anay mianakavy ianao raha manana drafitr’asa maty paika hanatsarana ny fiainanay aho. Rehefa nandinika lalina aho dia misy tetikasa iray izay mety hanavotra anay tokoa handresena an’ity fahantrana ity.
- Ha, tsara izany! Mila dinihiko anefa izay tetikasa izay fa sao diso fandray ialahy tamin’ilay resako iny an! Tsy vola adala tompo akory ny ahy sanatria ka omemena fahatany fotsiny fa tetikasa hita fa tena hanavotra an’ialahy isany tokoa matoa hotohanako, ary misy fepetra ihany koa ahafahako manaraka fa mandeha amin’ny laoniny ny fampiasana ny vola.
- Eny tompoko, na dia kely ihany aza ny fahaizako dia efa nataoko an-tsoratra ny mombamomba azy ka raha mety dia sady hohazavaiko no mandinika ireto antontan-taratasy ireto isika.
…
- Dia io izany tompoko ny tontalin’ny vinavinako amin’ny vola mety hilainay.
- Eny ary lesy Ragasy fa hodinihiko ity, dia milaza amin’ialahy ihany aho ny tohin’ity resaka ity fa omena làlana aloha ialahy.
- Dia misaotra mialoha tompoko, ho tahian’Andriamanitra indrindra anie ianao amin’izao fitsinjovana anay mahantra izao…
- Tsy misy hisaoran’ialahy fa isika koa ange azo lazaina ho mpiray ombon’antoka ihany e! Iza moa no fanirakiraka sy manao ny asa maro ho anay raha tsy ianareo mianakavy ihany. Veloma.


License