Variana amin’ny tombon-tsoany loatra ny Mpitondra

décembre 2, 2007 Randrianandrasana  

Homa-miadan’ny toe-tsaina no anaran’aretina tena tandrify ilay fomba fihevitra mamohetra mitarika ny Malagasy hilomano mifanohitra amin’ny rian’ny fandrosoana tena izy. Tsy mihisatra fotsiny ny fampandrosoana mba imasoana fa tena toa hivily lalan-kafa mihitsy koa aza, noho io aretina io. Ny fanonontononana hoe: “Fampandrosoana, Fampandrosoana” mba ho entina mampandry adrisa fotsiny dia tena fanimbana ny fandavan-tena hiezaka ao anatin’ny olona izay tena manao ny ainy tsy ho zavatra sy mba misikim-ponitra hahatanteraka ny fampandrosoana tena izy. Tsy heverin’ireo manana andraikitra miharihary kokoa eo amin’ny firenena ireo fa ny fahatsiarovan’ny vahoaka hoe toa izy ihany no tena miharitra sy mandoa ny lany amin’ity fampandrosoana hiraina lava ity fa tsy mba ny mpitondra izay toa vao mainka aza mihamandimandina andro aman’alina, eny, ny fahatsapan’ny vahoaka an’izay dia mampihena ny risi-pony amin’ny fiaraha-miombon’antoka amin’ny sehatry ny fampandrosoana. Misy marary koa ireo mpitondra ireo.

Mahery setra angamba izany sary ampiasaiko izany, haiko tsara, nefa rehefa mitaha amin’ny tena zava-misy anonontononana hoe “Fampandrosoana, Fampandrosoana” any an-tanàna dia tsapako indray ho mbola ohatry ny fanafody tsy ampy hery ihany, ohatry ny ranomena tsy mahatohitra ny sery, eny, tahaka ny tambavy tsy matoy. Avelao ary ho avoakako avy ato am-paosiko ny tànako hilazako azy fa mitady tsy ho vitan’ny anamalaho intsony anie izy ity e! Aoka ho avoakako ny tànako ho afaka. Ndrao mantsy dia heverinao fa naman’ireo mbola mifatotra koa aho. Mba fomban’ny Gasy fotsiny ny tsy avy hatrany dia mivatravatra fa mba mody misoko milamina manao ilay “Hanitra nentin-drazana” izay; ka mba manjohy ny làla-masaky ny Zoky Raiamandreny teo aloha ny tenako.

Iza amin’ireo mpitondra nifandimby tany amintsika re no tsy mbola taty an-dafy taty? Ny vahoaka madinika anefa mbola maro no tsy nanitsaka akory ny vovoky ny tsenabe ao amin’ny renivohitry faritra misy azy. Iza tamin’izy mpitondra ireo no tsy mbola nahita ny làlana midadasika aty an-dafy aty, dia ny làlana nanaovan’ny olona ezaka eran’ny fo mba ahafahan’ny olona mifanerasera sy mba hitosahan’ny vokatra jifaina amin’ny fomba maro isan-karazany hanerana ny vazan-tany? Ny an’ny vahoaka madinika dia izao: mbola miala anaty fiara fitaterana izy ka lasa manosika mirobo-potaka isaky ny raikitra anatin’ny lavadavaky ny làlana tsy vita tara ny kodiarany. Lire la suite

, , ,

Fampandrosoana inona ity resahana betsaka any Madagasikara ity?

novembre 30, 2007 Randrianandrasana  

Ndeha ary hiresakafampandrosoana e!Samy mahay miresaka daholo rehefa mahazo ilay fitaovana idiran’ny feo kendrena hanjary ho avo rehefa mikarantsana mivoaka amin’ilay vata fanamafisana iny, samy mailaka manoratra avokoa izay efa ampy fahazarana ka mahazo ilay fitaovana fitendry ho fandrafetana ny teny avy eo imolotra sy ny hevitra avy ao an-tsaina hanjary soratra azo vakiana eo amin’ny tava mazavan’ny solosaina, eny, samy maneho hevitra daholo izay tonga eo amin’ny Blaogy, dia ity fafy hevitra an-tranonkalan-tserasera ity, tahaka izao anio izao. Saingy ity re no asa: mba misy mahay mampandroso tokoa ve? Fampandrosoana mantsy izao no resaka. Tsy fampandrosoana manao tifi-danitra anefa izany ambarako izany fa fampandrosoana tena mikendry ny fahavalo na fampandrosoana tena mikendry ny haza. Napetrako ny hoe ” mitifi-danitra” mba hitaha amin’ny hoe “mikendry”, izany hoe efa ratsy sahady izay tsy fananana fikendrena mazava ny tanjo-kiantefana izay, efa fatiantoka be sahady izay.

Nefa ny mitranga any Madagasikara ankehitriny aza dia mbola ratsy lavitra no ho izany. Tsy mba “ilay lanitra tsy hianjera” no atao maty tifitra, tsy ny rahona manalokaloka iny “fonenan’ny olo-masina” iny akory aza no atao bokan’ny voam-bala, fa ny namana sy tapaka, ny rahalahy sy ny anabavy miavo-tena, ny mpiara-mizara dian’omby. Ny lohantsika malagasy miondana rotsirotsy fampandrosoana fa ny fanambanintsika dia mbola mitombona tsara eo amin’ny sezan’ny fanjanahan-tany ihany. Iza no tsy mahatadidy fa io ampahan-tantara matroka loatran’ny firenentsika io dia nivelararan’ny foto-kevitra toto tànana miorina amin’ny fitsinjovana ny aina hoe:“raha ho faty aho matesa rahavana” ara-bakiteny, izay nirandrana niaraka tamin’ny “zarazarao hanjakana” izay tsy inona fa filozofiam-pitsetsafana nentin’ny sambo niaraka tamin’ny vanja sy afo avy any dilam-bato. Alin-dririnina nateza no vokany maharitra mandrakandroany. Ny haizina mikitroka mitarika ny tsirairay tsy hahalala na iza na iza ankoatra ny tena ary ny hatsiaky ny faty manara mahaara-dalàna ny fisintonan-damba hamonofono ny isam-batan’olona hatrany an-tampon-doha ka hatrany am-paladia. Mampangirifiry ny hafa ny zava-bitan’ny sasany nefa ny “HAFA” toa tsy mahatsiaro akory ho tompon’andraikitra na dia mitaraina aza ny “SASANY”. Tsy voatery ho noho ny faharatsian-piniavana anefa izany, indrisy, fa mety ho noho ny aretina mihitsy ihany koa: Homamiadan’ny toe-tsaina no anarany. Maro no voan’io aretina io amin’ny Malagasy. Tsy miafinafina ny fisehon’ny soratr’aretina fa mibaribary. Jereo anie fa na dia efa ho dimampolo taona aza izao no namahana ny fatoran’ny tànana aman-tongotr’i Madagasikara, hatramin’izao andro hifampiresahantsika izao dia mbola misy olona toy ny mandeha amin’ny tongotra sy tànana mikambana toa mbola voagia am-patorana ihany manerana ny NOSY. Lire la suite

, , , ,

Tanora, leadership ary Entreprenariat

novembre 21, 2007 Mitiyu  

 Tato ho ato izay dia voaresaka matetika ny tanora sy ny fampandrosoana. Anisan’ny hevitry ny tanora vitsivitsy eto Madagasikara mantsy izao ny fiasana ho an’ny tena mba hiavotana.

Tsy resaka “bizina” no tiana ambara eto fa tena orinasa mijoro ara-dalàna ara-panjakàna sy ara-sosialy. Misy ireo zay tanora vao erotrerony no mandingana ny tokonan’ny fandraharahana, mpivarotra ambongadiny, mpivarotra milina teknolojika sy ireo fitaovam-pifaneraserana ary finday isan-karazany ireny, mpanafatra entana avy any Eoropa sy Azia ary mpanondrana entana toy ny makamba, vatosoa, lotsia, jirofo, sns.

Mahafinaritra ny mahita ireny tanora mitsikaraka ireny fa tsy miandry hahazo asa fotsiny. Raha tena mandeha amin’ny fahamarinana avokoa ny lahasan’izy ireny dia afaka raisina ho modely fitaratra atao ohatra.

Ny malagasy dia mbola tsy tena manana kolo-tsaim-pandraharaha (esprit entreprenarial) ka izay no mbola ahitana varotra kely etsy sy eroa : voanjo amin’ny kapoka amidy ariary zato na enta-madinika tsy ahazoana vola maty (chiffres d’affaire) sy tombom-barotra (marge bénéficiaire) akory ka tsy mahavelona fa dia mbola mitrongy vao homana eny foana ihany.

Raha tafaresaka tamin’ny mpamily fiara karetsaka (taxi) iray aho dia sadaikatra ihany raha somary mody niambozona ilay fehitratra (ceinture de sécurité ou harnais) izay tsy mipetaka amin’ny fiara akory izy raha sendra nandalo mpitandro filaminana izahay. Aleo, hoy izy apetaka ity fa masiaka ry zareo ireto. Ny marina dia tsy noho ny fitandroana ny ainy no nanaovany izany.

Inona ary noifandraisan’izany amin’ny tanora sy ny fandraharahana ary ny fitantanana hoy isika? Ny malagasy dia tanora ny ankamaroan’ny mponina, ny tsy ampy eto amintsika raha oharina amin’ny kolotsaina alemaña na japoney dia ny fanarahan-dalàna. Tsy fanarahan-dalàna satria matahotra sazy fa fanarahan-dalàna ho fiavotana. Tany roa efa potiky ny ady izy roa tonta ireo saingy tafarina ary lasa lavitra mihitsy.

Raha hiresaka ny sinoa sy ny indianina indray isika na ny etsy akaiky : ry zareo maorisianina dia itovizantsika amin’izy ireo ny samy maha-efa nozanahana antsika. Hita sy re anefa fa anisan’ny firenena mandroso izy na dia mbola misy mahantra ihany aza any.

Anisan’ny nampandroso ireny firenena ireny ny fandraharana sy ny fitantanana. Anisany ihany koa anefa no fahaiza-manararaotra tsena misokatra ary ny famokarana amin’ny hadiry(?) (volume) ahafahany mamehy ny mason-karena (coût de revient pour une économie d’échelle)

 Misy ohatra maro azo hakantsika tahaka amin’ireo firenena rehetra voalaza etsy ambony ary misy ihany koa orinasa azo solona tena eto (représentation, franchise ou filiale) na ihany koa iarahana miasa amin’ny maha mpamokatra akora (producteur de matières (premières)) antsika malagasy. Amin’izay fotoana izay dia mety afaka ampitomboana ny arin-karena fao-be noho ny fitomboan’ny orinasa sy ny fiakaran’ny fahefa-mividy (pouvoir d’achat)

, , , , ,

Développement et fanandroana

novembre 14, 2007 Mitiyu  

Rakoto David, un passioné et un fervent “illuminé” de la culture ancestrale malgache, intervenait cette semaine dans une émission socio-économique d’une chaîne de télévision locale.

Avant de clôturer son intervention par des prédictions sur les douze différents “vintana” (signe astrologique) malagasy, il a tenté de démontrer que le développement de Madagascar doit passer par le fanandroana. Un peu comme ce qui se fait en orient, plus particulièrement en Chine et dans les pays à forte communauté chinoise (pour ne pas dire le monde) il a insisté sur le fait que chaque élément doit être à sa bonne place au moment opportun pour réussir.

Ce qui attire l’attention sur ce personnage serait, en premier lieu, son accoutrement. Disons plutôt les décors vestimentires tels que le lamba Arindrano, un tissu en soie dont la couleur de base est le beige ou crème orné de rayures rouges et noires.

(Le beige est sensé être du blanc et doit représenter … le peuple; le rouge ou pourpre, ou encore le “jaky” représente la noblesse et la royauté, tandis que le noir représente les castes plus inférieurs)

A priori, l’idée n’est pas nouvelle mais reste peu accessible à tous et s’adresse surtout à un auditoire initié. Il avertit le téléspectateurs, il interpèlle les faux “mpanandro”, il insiste que les malgaches ont été initiés à l’astronomie et à l’astrologie plus tôt que Copernic ou Gallilé.

En analysant ses dires, on est tenté de croire que c’est le christianisme qui a entrainé la misère dans le pays. Les instruments comme les “diary” ou “alimanaka” doivent, selon lui, figurer parmi les outils de travail de l’homme.

Ilay resaka izany raha tsorina dia hoe ilaina ary tokony tsy maintsy manandro ny malagasy mba ho tafita sy hahita fanmpandrosoana ara-toe-karena vanona. Ilaina ny mahafantatra ny loko mety amin’ny tena sy ny hafa, raha ny mpiara-miasa amin’ny tena no resahina ka ny fahafantarana ireny no hanmpy ny tsirairay amin’ny asa.

Raha tsy hiresaka afa-tsy ny tonon-taona isika, hoy izy, dia fantatr’ireo razambe taloha fa alahamady ny andro rehefa mitsimoka ny voly. Ary efa fantatr’izy ireo ihany koa fa hafa ny fotoam-pambolena raha mamoa anaty tany na ambonin’ny tany ny zava-maniry iray.

Noharany tamin’ny “feng shui” sinoa moa izany rehetra izany ary nofaranany tamin’ny teny hoe tsy mena-mitaha isika malagasy. Ny hevi-baventy tao anatin’izany fandaharana izany dia ny hoe ny fomba tsara sy nampivoatra nentim-paharazana dia tsara raha averina avoaka sy trandrahana ary fehezina ho enti-manarina ity Gasikara ity.

, , , ,