Fetin’ny aterineto Malagasy

juin 30, 2008 by Avylavitra  
Filed under Langue (Mg), Actualités, Culturel

Raha vao miresaka solosaina, dia tsy maintsy tonga ao an-tsaina ny momba ny aterineto. Ary raha vao miresaka aterineto dia tonga indray ao an-tsaina ny mailaka, ny resaka mivantana, ny lalao, ny fitadiavana namana, sns… Izany hoe raha tsorina dia ny “mahafinaritra” no betsaka ampiasan’ny olona ny aterineto. Ireny no be mpitsidika raha vao mitopy any amin’ny fafana eo anoloan’ny olona iray mampiasa solosaina ka mitsidika tranonkalan-tserasera ny maso.

cimg0284.jpg

cimg0310.jpgNatao tao amin’ny Hotel Carlton Anosy nandritry ny roa andro (28 sy 29 jona 2008) teo ny fetin’ny aterineto teto Madagasikara. Ny AE MISA (Associaton des Etudiants- Maîtrise en Informatique et Statistiques Appliquées) no nikarakara ny hetsika. Tsy azo lazaina ho vitsy ny mpitsidika, nefa koa dia heveriko fa tokony ho betsaka noho izay tonga tao raha toa ka nampiasa fampahafantarana hafa ankoatra ny Radio, Télé, sy Gazety ny mpikarakara. Tsinjo mantsy fa na dia ireny Lamba ahantona ho hitan’ny besinimaro fametraka eny amin’ireo toerana be mpandalo, toy ny fiandrasana fiara mpitatitra, sy ny manakaiky tsena aza dia toy tsy nisy, ary indrindra fa na dia teo akaikin’ny Hotel Carlton izay nadray ny hetsika aza.

Na izany aza anefa dia nafana sy nahafinaritra ny tao anatiny tao. To ny fanomezana fotoana (20mn isaky ny andiany) hahafahana miserasera tsy andoavam-bola amin’ny aterineto. Faly tokoa ireo mpitsidika tamin’izany ary misy mihitsy aza ireo izay tsy nody raha tsy tamin’ny firavan’ny lanonana amin’ny hariva. Anisan’ireny ry Fcandy telo mirahavavy   izay nilaza ny hiverenany amin’ny sehatry ny blaogy aorian’ny fanadinana BEPC.

Isan’ireo nandray anjara mavitrika tamin’izany ny TETIKASA TELOMIOVA. Nifanotofana ny fanontaniana sy ny famaliana azy ireny. Tamin’ny andro voalohany dia nahitana an’I  Ando, Dotmg, Glou, Avylavitra, Jentilisa, Elsifaka tao anatin’ny tranolain’ny Telomiova. Ny andro faharoa kosa dia I Blanche, Voahirana, Avylavitra, Dotmg, Jentilisa. Nandalo teo ihany koa I Patou sy Naritsimba (serasera). Tsy azo adinoina koa anefa ny fanatrehan’I Annie izay nitondra hery sy tosika tokoa ho an’ny ekipa.

Lire la suite

, ,