Tafaverina aho
juin 30, 2008 by Avylavitra
Filed under Société, Communauté, Langue (Mg)
Miarahaba anareo rehetra namako tato ary mbola namako hatramin’izao. Faly aho tafaverina eto rehefa nisy olana kely ny acces teo aloha. Dia ho avy izany ny soratroratra e!
Ny fetin’ny aterineto no hanaovana tatitra eto fa eo am-panoratana sy manao fanitsiana. Angamba rahampitso raha sitra-pon’Andriamanitra.
Ankoatra an’izay dia milaza vaovao fohy momba an’i KAMBA: Salama tsara ny zaza sy ny reniny na dia tena mbola henjana aza ny fanaraha-maso tsy maintsy ataon’ny mpitsabo. Ny tanan’ny zaza rahateo tsy maintsy andrasana andro aman’alina fa sao misintona ilay serum
Izay fa dia faly eeeee!

