Ny Ainga - Revy mbola mitohy

décembre 3, 2007 by Hery  
Filed under Langue (Mg), Loisirs, Culturel

Nandritra ny fialan-tsasatra tany Madagasikara farany teo dia ny tarika Ny Ainga no hitako hoe artistam-bahoaka (dika tsotsotran’ny hoe populaire) indrindra. Koa angamba rariny raha asiana resaka kely eto amin’ity blaogy ity androany.More…Taloha aho dia mba tia ny hiran’i Ny Ainga koa toa ireo tovolahy sy tovovavy nitovitovy sokajy, saranga, taona, revy tamiko. “Revy milay”… izay foana no malaza. Nanenjika ny rindran-kira natao tao Antananarivo. Nanana horonam-peo K7 Ny Ainga. Ny antony angamba dia noho ireo hirany izay mikasika ny fiainan’ny tanora nitovy taona sy sokajy tamiko mivantana. Hamafisiko foana ilay sokajy satria misy olona tsy mety tafiditra ao amin’ireo mpitia hiran’i Ny Ainga. Lire la suite

, ,