Any amin’ny CAPSAT, hono, no misy vola?
octobre 21, 2009
Misandratr’andron’ny Alatsinainy, amin’iny tohotohobaton’Antaninarenina iny. Miresaka ireto roalahy (avy any amin’ny banky angamba) ary mitaraina ny iray fa toa tsy nisy vola ‘positionné’ tany amin’izay nalehany tany. Tsy hariny ny tsy hanontany ilay namany ny amin’izay tokony hataony. Teo no nahalalako fa hay miaramila ireto roalahy ireto, satria hoy indrindra ilay mpanontany:
Fa ahoana ihany ary letsy no tsy mbola tonga ny vola a?. Tena hangataka hiala ao amin’ny R.T.S lesy aho dia hifindra any amin’ny CAPSAT
Namaly azy ilay namany, toa tsy nanampo akory ilay resak”itsy voalohany
Fa ahoana leity?
Tsotra no navalin’ilay iray azy
Ka any anie hono no be vola izao e
Dia lasa ny saiko, indrindra fa nampian’ilay vaovao farany momba ireo miaramila iraky ny Task Force hanara-maso ny resaka Bois de Rose tany amin’iny faritry Sambava sy ny manodidina iny. Niharan-doza teny an-dàlana niverina mantsy ity fiara 4×4 nisy miaramila 3 lahy. Nivadika ambony ambany, ary dia ny fokonolona no namonjy sy nandefa azy ireo hotsaboina (tatitra an-gazety -MIDI- ny Alatsinainy no nahitako an’io). Nandritra izany rehetra izany no nahitàna vola 125.000.000 Fmg teo ho eo tany amin’ireto miaramila ireto. Vola avy aiza? Tsy fantatro.
Marihako fa nisy fotoana nivahinianako tany amin’ny Toerana fanofànana Zandary tao Moramanga. Herinandro aho no nonina sy nipetraka tao amina tokantrano-na zandary iray tao amin’ity toeram-panofanana ao Moramanga ity. Nimenomenona ireo Zandary ireo fa ny tambin-karama ‘indemnités’ isankarazany tokony horaisin’izy ireo rehefa avy mamita iraka (tamin’izany fotoana nandalovako izany) dia na an-taonany no ifandroritana amin’ny tomponandraikitra, na dia any dia tsy hita (taona 2006 tany ho any).
Koa raha izany no zavatra nisy sy reko tany Moramanga, dia vola avy amin’ny inona, na vola avy taiza ary ireto hita tamin’izy telolahy niharan-doza ireto? Raha raisintsika ho tambin-karama: dia efa tena nihatsara tokoa izany ny tontolon’ny asan’ny mpitandro filaminana an! Ary efa nihahaingana ny fikarakarana ny antontan-taratasin’izy ireo. Nefa, izy rehetra ve? Raha tsy izany kosa no zava-misy, dia mampieritreritra ihany, ho anay sarambabem-bahoaka, sy ho anareo ao ambonimbony ao. Resa-be eny anivon’ny fiaraha-monina mantsy amin’izao fotoana izao ny fireharehan’ireny miaramila ireny amin’ny fanànana vola sy ny fomba fandaniany azy.
Fa hiverina kely amin’ilay resaka ‘bois de rose’ aho: firifiry izay efa tratra izay, voalaza fa misy olona ambony ao ambadika ao, nefa toa tsy misy mihitsy anarana sahy tononina hatramin’izao. Lazaina fa tratra tatsy ny asmbo izatsy sy zaroa, nisy làkana tratra tatsy, nisy toerna nandevenana azy ireny tany ananona, fiara vaventy toy itsy no voasakana teny ananona, sns…
Ho tonga anie ny mangarahara!
Ô raMalagasy a, fa inona ity natao e?!
mars 10, 2009
Midoka tena sy mitopy teny fatratra ramalagasy milaza fa tsy afrikana izy. Rehefa misy fihaonana iraisam-pirenena moa dia adalain’ireo hafa fiaviana hoe etsy ny afrikana dia etsy ny malagasy. Voalaza mantsy fa hendry ramalagasy, voalaza fa mandala ny fihavanana sy ny firaisan-kina. Kanefa inona ny nitranga? Ny andaniny mitady an’i Andry Rajoelina any amin’ny masoivoho frantsay, ny ankilany hanenjika ny PDS Guy Rivo eny Ampasapito sy ny manodidina rehefa tsy nahazo ny zanany teny Ambatobe tao amin’ny sekoly frantsay. Ny miaramila mihoko sy mitokona tsy handray baiko intsony fa hanao “V” amin’ny ratsan-tànana. Ny mpandroba maneho eo anoloan’ny fianakaviambe iraisam-pirenena fa mahantra sy noana ka solosaina sy fahitalavitra no angalarina. Maratra, voa mafy misy koa ny maty. Haringana ve ny firenena? Hahetry ve ny toe-tsaina malagasy sy ireo soa toavina nolalain’ny razana?Inona re ity nataonao raMalagasy ô?! Mahamenatra sy marary toy ny tongo-bakivaky.


License