Great nations came after great fight
11 novembre 2009 by Mitiyu
I was wondering how former political crisis in Madagascar could really help the country to improve its way of living and its economy. Building a « great » nation is not such an easy thing but it could be very helpful to benchmark what was hapenning to the nations which have known war and big troubles.
Malagasy should learn from the others…
When I was in Jozi, I visited the Mandela House in Soweto, I think it is located in Orlando West. This small house is plenty of great symbols. The story is that it was the first house « Madiba » really owned himself and he is very proud of it. 27 or 28 years in jail was not so lost. Those years contribute to strenghten the new era foundation.
Madagascar is not so far from South Africa, it is within 3 hours flight from Johannesburg in South Africa. The main symbol of this house reminds me some other amazing stories of great nations that had known war. I was thinking about Germany, Japan, China, The USA, and so forth. I knew much more about apartheid and I could feel black people’s frustration during this tough part of their story.
In 2010, Madagascar will celebrate its 50th independence anniversary. Sometimes, I am asking myself if we are truly inependent. I have my own idea but it would be « politically incorrect » as we can say it in french. Let’s say : 50 years of manipulation and lie. It is said malagasy people are lazy. Sure, they could be but the right way was not shown to them.
People around me were trying to compare the actual life of former british and french colonies. some of these guys think that Madagascar ought to have belonged to commonwealth… As far as I am concerned, this idea is not so good if we take look at what happen to Zimbabwe. And how about Rwanda, Bosnia, Irak and Libanon? These countries had also known some big troubles and how is it about now? I don’t know but in my opinion, they are in the right track to succeed. I might be wrong but we can explore this way.
Any amin’ny CAPSAT, hono, no misy vola?
21 octobre 2009 by Avylavitra
Misandratr’andron’ny Alatsinainy, amin’iny tohotohobaton’Antaninarenina iny. Miresaka ireto roalahy (avy any amin’ny banky angamba) ary mitaraina ny iray fa toa tsy nisy vola ‘positionné’ tany amin’izay nalehany tany. Tsy hariny ny tsy hanontany ilay namany ny amin’izay tokony hataony. Teo no nahalalako fa hay miaramila ireto roalahy ireto, satria hoy indrindra ilay mpanontany:
Fa ahoana ihany ary letsy no tsy mbola tonga ny vola a?. Tena hangataka hiala ao amin’ny R.T.S lesy aho dia hifindra any amin’ny CAPSAT
Namaly azy ilay namany, toa tsy nanampo akory ilay resak »itsy voalohany
Fa ahoana leity?
Tsotra no navalin’ilay iray azy
Ka any anie hono no be vola izao e
Dia lasa ny saiko, indrindra fa nampian’ilay vaovao farany momba ireo miaramila iraky ny Task Force hanara-maso ny resaka Bois de Rose tany amin’iny faritry Sambava sy ny manodidina iny. Niharan-doza teny an-dàlana niverina mantsy ity fiara 4×4 nisy miaramila 3 lahy. Nivadika ambony ambany, ary dia ny fokonolona no namonjy sy nandefa azy ireo hotsaboina (tatitra an-gazety -MIDI- ny Alatsinainy no nahitako an’io). Nandritra izany rehetra izany no nahitàna vola 125.000.000 Fmg teo ho eo tany amin’ireto miaramila ireto. Vola avy aiza? Tsy fantatro.
Marihako fa nisy fotoana nivahinianako tany amin’ny Toerana fanofànana Zandary tao Moramanga. Herinandro aho no nonina sy nipetraka tao amina tokantrano-na zandary iray tao amin’ity toeram-panofanana ao Moramanga ity. Nimenomenona ireo Zandary ireo fa ny tambin-karama ‘indemnités’ isankarazany tokony horaisin’izy ireo rehefa avy mamita iraka (tamin’izany fotoana nandalovako izany) dia na an-taonany no ifandroritana amin’ny tomponandraikitra, na dia any dia tsy hita (taona 2006 tany ho any).
Koa raha izany no zavatra nisy sy reko tany Moramanga, dia vola avy amin’ny inona, na vola avy taiza ary ireto hita tamin’izy telolahy niharan-doza ireto? Raha raisintsika ho tambin-karama: dia efa tena nihatsara tokoa izany ny tontolon’ny asan’ny mpitandro filaminana an! Ary efa nihahaingana ny fikarakarana ny antontan-taratasin’izy ireo. Nefa, izy rehetra ve? Raha tsy izany kosa no zava-misy, dia mampieritreritra ihany, ho anay sarambabem-bahoaka, sy ho anareo ao ambonimbony ao. Resa-be eny anivon’ny fiaraha-monina mantsy amin’izao fotoana izao ny fireharehan’ireny miaramila ireny amin’ny fanànana vola sy ny fomba fandaniany azy.
Fa hiverina kely amin’ilay resaka ‘bois de rose’ aho: firifiry izay efa tratra izay, voalaza fa misy olona ambony ao ambadika ao, nefa toa tsy misy mihitsy anarana sahy tononina hatramin’izao. Lazaina fa tratra tatsy ny asmbo izatsy sy zaroa, nisy làkana tratra tatsy, nisy toerna nandevenana azy ireny tany ananona, fiara vaventy toy itsy no voasakana teny ananona, sns…
Ho tonga anie ny mangarahara!
Ny androaniko (23/04/2009)
23 avril 2009 by Avylavitra
Androany vao tena nihatra ilay fandrarana fihetsiketsehana politika navoaky ny HAT. Vao maraina dia efa feno mpitandro filaminana ary tsy azo nidirana ny kianjan’Ambohijatovo. Nivorivory teny amin’ny manodidina teny aloha ny mpomba an-dRavalomanana. Nahitana azy ireo hatrany Ankazotokana sy Ambanidia ary Antsahabe. Eny fa hatrany Anosy sy Anosibe ary ny manodidina azy akaiky. Rahampitso moa dia toerana telo samihafa indray no notondroin’ireo mpitarika fa hiaingan’ny hetsika, ka tafiditra amin’izany ny tetezan’Andravoahangy.
Nafana androany. Nirefotra ny basy. Nisy ny naratra. Tsy mbola fantatra hatreto na nisy maty na tsia.Fa ny hita aloha dia nisy ny ankizy efatra voan’ny bala tsy nahy teny Isotry (raha notrotroin-dreniny teny ampiantsenana), ny tongotr’ilay zaza no nolalovan’ny bala talohan’ny niantefan’izany tany amin’ny kibon’ilay ramatoa ka nampipotsaka ny tsinainy, ary nitondra azy hatrany amin’ny farafaran’ny Réanimation eny amin’ny HJRA. Tao ny ankizy nandositra ny gidragidra teny Ambohijatovo sy ny manodidina azy ka tapa-tànana noho ny fianjerana…Teo koa ireo olon-dehibe voan’ny bala teny amin’ny kibony, ka nipotsa-tsinay.
28 no voasambotra, 31 naratra.
Nisy nikasa haka an-keriny koa i Mialy Rajoelina androany maraina talohan’ny fiaingan’ny vol Air France nitondra azy ho any Paris, raha ny vaovao azo.
Tratran’ireo mpomba an-dRavalomanana koa ingahy REBOZA Julien sy ny mpiambina azy, ka miady amin’ny fahafatesana eny amin’ny hopitaly amin’izao fotoana ilay mpiambina. Ary nodoran’ireo Pro-Ravalomanana ny fiarany.
Tsy ataoko be ny resaka fa aleo ny ‘ ‘ no hiteny sy hilaza azy.
Ny marihako fotsiny dia mbola niverina indray ny fankahalana mpaka sary sy mpanao gazety ataon’ireo mpomba an-dRAVALOMANANA, be ny tratran’izany ka mitaraina, ary anisan’ireo nandefa fampitandremana ho an’ireo namany ry zareo tao amin’ny Radio An,tsiva 97.6 FM. Raha ny nahazo anay mianadahy androany, raha saika hiditra ny vavahadiben’ny hopitaly avy aty anoloana mba hanangona vaovao momba ny vokatry ny tifitifitra sy fifanenjehana eran’ny tanàna, dia tena nampivarahontsana indray. Vao tonga teo anoloan’ny vavahady ny scooter dia efa nisy iraikalahy niomana hitoraka coctail Molotov, saingy soa ihany fa hitan’i Lalaina malaky ilay fihetsika fa raha tsy izany dia loza, angamba kitoza velona.
Be ny fanaovana sakana eraky ny arabe, be ny fandoroana ny fananan’ny hafa, toy izay nahazo ny trano heva fivarotam-boninkazo sy fraises manamorona ny HJRA, ary ny fiaraben’ny orinasa JIRAMA, teo amin’ny mifanandrify indrindra amin’ny vavahadin’ny HJRA.
Zavatra iray mampanontany tena koa ny antso nataon’ireo mpitarika eny Ambohijatovo tamin’ireo mpomba an-dRavalomanana mba handray sy hitondra ny basiny, ho an’izay manana izany nataon’ny iray amin’ireo mpitarika ny eny Ambohijatovo tao amin’ny Radio MADA. Asa raha inona marina no tena tian’ingahy RAVELOSON Constant hahatongavana amin’izany.
Nisy koa ny taratasy naelin’ireo mpomba an-dRavalomanana tao anatin’ny tokotanin’ny hopital HJRA mitaona ny olona hanaotao foana, ka hanao haza lambo ny ankohonan’ireo mpitandro filaminana. Taty ivelan’ny hopital dia nisy lehilahy iray nanentana ny namany mba hijery tsara ireo mpitandro filaminana, ka samy hitadidy ny endriny, ary hikaroka ny momba azy avy eo. Aorian’izay, hoy hatrany ity lehilahy ity, dia hirotsaka any an-tanàna isika haka ny vady aman-janany. Mahagaga an! Mahatalanjona!
Nisy ny fisamborana, ka mba jereo sao misy havanareo azo sary any amin’ny flickr fa tsy mety tafakatra ato amin’ny wordpress ny sary. Tsy haiko izay antony. Ny azoko lazaina aloha dia ireto: RABENATONDRO Lanto (Senatera, ex-Chef de Region de Vakinankaratra), RANDRIANJATOVO Henri (ex-Ministre de la jeunesse et du sport, Enseignant chercheur), RAKOTOMANDIMBY Mamisoa (député d’Ambatolampy), RAKOTOZANDRY Raymond (député de Mandoto)
Iray tamin’ny zavatra nahatsikaiky koa ny fahitàna fa rehefa mandalo izahay miaraka amin’ny fiaraben’ny mpitandro filaminana, dia manala barazy ny mpitandro filaminana, ary afaka minitra vitsy rehefa miverina eo dia efa tafaverina amin’ny toerany koa ny barazy nalàna.
Kamba: Vaovao avy any Mahajanga
19 avril 2009 by Avylavitra
Nidina tany Mahajanga izahay tamin’ny faran’ny herinandro lasa (Paka) teo mba hanangona vaovao momba ny fianakavian’i Kamba, sy hamita ny adidy tsy vita ihany koa fony mbola nahateo am-bohitra ny razana. Nisy ny sary nentina avy any, toy ny sarin’i Kamba (miisa 3) talohan’ny famonosana azy (Nalaina tany amin’ny naman’i Diana Chamia),


ary ireo sary nalaiko manokana tany an-tokantranon’ny reniny, ka ahitantsika an’i Viviane (ilay kambana tamin’i Kamba) sy ny reniny ary ireo mianadahy iray tampo aminy mbola velona, dia i Said sy Berthine. Raha zaza mbola tsy nahay afa-tsy ny mikisakisaka amin’ny tany no nanateranay an’izy telo mianaka teny amin’ny taxi brousse fahiny, dia zazavavy kely pelipelika sy mihazakazaka eran’ny tokotany no ahalalana an’i Viviane ankehitriny. Izy io be kilaoty kely eo anoloan-dreniny io.


Tafiditra tao anatin’ny dia ihany koa ny fijerena izay mbola azo atao hanampiana ny ankohonana kely sisa tavela. Misy efatra mianaka moa izy no mbola miara-miaina ao. Ankoatra ireo dia misy ihany koa ireo mpiray tampo amin-dreniny miray tokotany amin-dry zareo ao.


Betsaka ny resaka nifanaovana tamin’i maman’i Kamba. Tafiditra tanatin’izany ny fitantarany ny andro farany nahitany an-janany tsy nahatsiaro tena intsony sy ny fitondrana azy tany amin’ny dokotera. Ny fanafody voavidy, nefa ny aina nafoy.
Tsy zakany hatramin’izao ny fahalasanan’I Kamba kely, noho izany dia ireo kilalao sy zavatra rehetra nampiasaina tamin’ny fikarakarana azy fahavelony, tapitra nomeny sy nozarainy taman’olona avokoa. Saingy tsy misy navoakany ny trano kosa ny sarin-janany rehetra.
Hoy izy
Ireny no tsy foiko ka notazoniko
Mivarotra arina (charbon de bois) eo anoloan’ny vavahadiny no asa fitadiavana vola anampiany ny sasa lamba izay efa fanaony taloha sy mbola nampiana koa tato aoriana.
Noho i Viviane mbola kely sy tsy mahaleo tena tsara dia sakanan’ny zokibeny tsy hiasa ivelan’ny trano, hono, izy. Nefa i Said dia andoavana saram-pianarana 60.000 FMG isam-bolana, raha any amin’ny sekolim-panjakana kosa i Berthine. Ary dia io zokibeny tsy mamela azy hiasa any ivelany io no mifanampy aminy amin’ny fandoavana izay saram-pianarana izay. Rehefa noresena lahatra moa i maman’i Kamba ny amin’ny hoe tsy voatery ho eo foana i Zokibenao nefa ny fiainana tsy maintsy hitohy, dia nanaiky nanao iretsy sasa lamba voalaza ery ambony
Nahatsapa ho irery sy sahirana mafy tokoa aho tamin’ireny krizy ireny, satria ny zaza tsy maintsy entina any amin’ny hopitaly rehefa marary, nefa ny bombe lacrymogene tsy zakan’ny ankizy rehetra. Ny lehibe aza taty tsy nahatanty. Izaho rahateo sady manangy no lehilahy, i kamba etsy andaniny marary any amin’ny hopitaly, i Viviane ao ambavahadin’ny hopitaly tsy maintsy omena nono satria tsy azo nampidirina tany amin’ny hopitaly ny zazakely.
Marihana ho an’izay tsy mahalala fa nilaozam-bady ny renin’i Kamba. Izy daholo noho izany no mihevitra izay hamelomana azy efatra mianadahy teo an-tanany, na eo aza ny fanampiany mpiray tampo.
Na teo aza anefa ny elanelan-tany dia tsy nitsahatra izahay avy aty Antananarivo nandefa izay azo natao rehetra ho fanohanana ny fianakaviana tany Mahajanga. Ho fanamaivanana ny vidim-panafody. Nisy koa taminareo namana no nitondra izay voatsirambin’ny tanana
Ho antsika rehetra nanao izay tratra sy nahatsiaro azy, ho anareo rehetra izay nandefa fanampiana ho azy, dia hoy i maman’i Kamba nampitondra hafatra anay nandalo tany hoe:
Misaotra betsaka, ho tahian-janahary, fa tena nanana raiamandreny tokoa izahay, nanana mpiray tampo, ary na teo aza ny elanelan-tany dia tsy namela anay ho irery ianareo fa rehefa tafavoaka ny HJRA ny tsaikinay iny, dia mbola nanohy hatraty Mahajanga ianareo. Tsy nitsitsianareo vola aman-karena i Kamba. Nahavita be ianareo tamin’ny fanohanana ara-bola, nisy nitondra fanafody sy Farilac, sns…. Tsy voavalinay ireny, fa hitanareo ihany ny fianakavianay fa tena fianakaviana sahirana tanteraka. Andriamanitra hamaly ny soa vitanareo.
Tsaroany manokana tamin’ireo teny ireo ny Armée du Salut (izay fantany bebe kokoa amin’ny alalan’i Mino, Avylavitra, Mavo), ny Serasera ary ny maman’i Lova Rakotomalala izay tonga vatana nijery azy ireo tany Mahajanga nisolo tena ireo malala-tànana tsy nitonona anarana, ka isan’izany ireo fianakaviana Italiana mazoto amin’ny fanaovana asa soa ho fanampiana ny fianakaviana Malagasy sahirana, sy nanaovany fanamarihana manokana hoe:
veloma sy misaotra any amin’ilay olona tsy nahay teny gasy iny, fa ny saoferan’ny taxi no nanjary mpandika teninay taty Mahajanga
Fa izay tena zavatra tsy nampoizinay mivady tamin’ny zavatra nitranga tany an-toerana dia ny filazan’i Maman’i Kamba ny fisian’ny olona nanararaotra ireny fitsaboana ny zaza ireny mba hanangonan-karena sy hieboeboana eran’ny tananan’i Mahajanga. Misy ny anaran’olona voatonontonona amin’izany. Tsy iray monja an ! Fa ilay olona monina any an-toerana no tena fanta-poko fanta-pirenena satria ny vadiny ihany,hono, no mitantara eran’ny tanana ny fandehan’ny afera maloto.
Toy izao no fitrangany, araka ny fitantaran’i Maman’i Kamba azy.
Nifankahita tamin’i Diana Chamia ry zareo ary dia fantatsika ny tohiny.
Tonga tany Antananarivo, dia zara raha nahazo lamba iray sakaosy (fripperie) izahay,
hoy i maman’I Kamba,
ary raha mba niteny tamin’io olona nanodina ny vola io aho, dia nambaran’ity farany fa efa manana ny làlany ny vola fa ireny aloha no anjaranareo. Dia nividianana zavatra madinidinika teny indray avy eo….Nefa,
hoy hatrany i maman’i Kamba,
dia hitako izao ny valopy feno vola vahiny, vola miloko manga izany ilay izy, ary tsy vola gasy an, haiko lokon’ny vola gasy jiaby io…
Indray mandeha io olona io no voalazany fa mba nitsidika azy teny amin’ny hopitaly fony taty Antananarivo…
Nony tonga tany Mahajanga dia nisy fotoana nilaza ilay olona fa hanatitra vola hividianana fanafody. Tonga tokoa izy nanatitra, toa 150.000FMG angaha. Dia izay koa no nanitsahany farany ny tokonam-baravaran-dry Kamba kely mandrapahafatin’ny zaza araka ny filazan’i maman’i Kamba hatrany.
Izao anefa no vaovao farany voaangonay mivady tany: nalahelo mafy i maman’i Kamba saingy tsy nisy azony natao aloha nandritra ireny fahoriana nidona taminy ireny. Normal angamba hoy ianao? Eny tokoa, saingy ny tohiny no hahitanao izay tena vao mainka nandetika lalina kokoa ny fantsin’ny fijaliana. Tongan’ny olona tany am-poto-tsofiny fa hoe
ny volan-janany dia nahavitan’ilay olona trano misy efitra telo.
Ary tsy iza,hono, no nivoahan’ny feo fa ny vadin’ilay olona ihany.
Tsy nisy fotoana nanamarinana ny momba an’io intsony aho na dia naniry mafy ny handeha hijery ilay trano sy izay monina ao aza, noho ny tsy nilazan’i maman’i Kamba ny fisian’izay olana lehibe izay raha tsy efa hariva be talohan’ny andro hiverenanay hody aty Antananarivo. Nampanantena anefa izy fa hisy fotoana hanomezany vaovao lehibe ho antsika mikasika an’io trangan-javatra mampalahelo azy io.
Misy moa ny olona no tsy mahalala an’i Kamba sy ny tantarany
hoy i maman’I Kamba (satria toa maromaro ihany no niteraka kambana ry zareo ao Mahajanga), ka dia manontany an’ilay vadin’ity nanodina ny vola hoe
Kamba iza moa izany?
Ka novalian’ity olona hoe
Ilay tsaiky nentina tany Antananarivo nodidiana iry e
Taty aoriana ny olona vao nisy tonga saina, rehefa naheno fa maty ny zaza hoe,
hay ve iny ilay kamba nolazain’ilay olona fa nahazoany vola nanaovana trano e.
Ary dia nolazainy tamin’i maman’i Kamba ny tantara.
Olona tsy fantatro velively, tsy mbola nanan-draharaha tamiko ary tsy mbola hary niresaka tamiko no nahalalako an’izany. Ary dia niezaka nanontany ny olona aho, ka ao Tsararano ao no misy ilay trano natsangana tamin’ny vidin’ny ain-janako
Tena asa re rey olona izay fomba hatoriana ao anatin’izany trano izany, fa tsy hampanonofy ratsy ve izany, raha ‘ndeha hataontsika hoe tsy hanangatra ny zazakely?
Izahay mivady moa dia velom-panontaniana mihitsy hoe fa angaha tsy niteraka izy mivady izany, dia valiny azonay ny hoe efa nahalehibe zaza tokoa ry zareo, ary toa misy mianatra aty Antananarivo aty aza.
Miala tsiny fa sarobabay izy ity ka izay voa aza tezitra, zavatra natao koa moa ka samia mizaka ny vavan’ny olona araka izay nataony e!
Tsy zakako notehirizina mantsy ka tsy maintsy navoakako eto sao hankarary an-doha ahy.
Filazan’ny renin’ny zaza ireo, ary tateriko aminareo etoana araka izay resany. Ninia tsy namoaka anarana mihitsy ny mpanoratra na dia nisy tokoa aza ny fanononany anarana nandritry ny resaka nifanaovana taminy.
Samia ho tahian’Andriamanitra daholo isika rehetra.
Bandy sy rôla sa polisy sy volera?
11 mars 2009 by Mitiyu
Hita sy tsapa izao fa dia ohatra ny milalao ireo hery samihafa misy eto Antananarivo. Mampahatsiahy ireo kilalao fanao fahiny. Misy karazany telo izy ireo :
1. Misy aloha ny Polisy sa volera :Raha ampitahaina amin’ity lalao iray ity ny zava-misy dia hita fa hatramin’ny 26 janoary lasa teo dia ny tarik’andriamatoa filoham-pirenena Marc Ravalomanana no volera. Dia nifanenjehina, tsy tratra… ao anaty « but » vao hita. Nopotehina ny fitaovany sy ny fanànany mba handemena sy ivoahany ka indrisy fa voa izy dia nifamadika indray ny lalao ka lasa ny antokon’olona tarihin’andriamatoa filohan’ny HAT Andry Rajoelina indray no lasa volera ka avy aty amin-dRavalomanana ny polisy.
2. Nisy lalao faharoa nipoitra avy eo : Bandy sy rôla. Nanomboka ny faha 28n’ny volana janoary dia nihitatra ho lasa bandy sy rôla ny lalao ka « gain! gain! » indray no niampy ilay « azoko ialahy! » Nivoaka ny EmmoNat. Lasa nisy mpandromba feno ny tanàna tsinona, hono. Ka tsy maintsy samborina ny olon-dratsy.Bandy sy rôla nifangaro polisy sy volera ny lalao teto izany.
3. Nihitatra ihany ny lalao ka lasa nisy « jeu d’échecs » indray teto Madagasikara:Mila vonoina, na samborina na ho anina ny mpanjaka izay vao lazaina hoe mandresy. Ka samy nisafidy ny lokony ny mpilalao. Tsy fotsy na mainty intsony no nampiasaina fa « fluo »volon-doranjy « fluo » ny andaniny ary mavo « fluo » kosa ny ankilany. Efa moderna ery izany lalao izany satria rehefa tsy hazo, tsy vy na koa fitaratra no nampiasaina dia lasa loko moderna « fluo » indray izany izao no lamaody.
Amin’ny lalao « échecs » toy itony moa dia misy foana ny toerana raisin’ny tsirairay. Ny mpanjaka amin’ny andaniny sy ny ankilany aloha dia efa mazava fa i Andry Rajoelina sy Marc Ravalomanana.Ny « pions » izay ampiasaina dia maro, misy ny TGV, ny Wisa, ny ambany tanàna, ny M.T.S sy ny T.T.S, sns ho an’ny andaniny ary Mpandàla ny ara-dalàna, O.Ba.Ma, Wusu, Tae-Kwon Do, sns ny ankilany.Ny « dame » dia Minisitra Ivohasina Razafimahefa ny ilany ary Praiminisitra Monja Roindefo ny ilany.
Ireo mantsy izao no tena afaka mandeha amin’izay làlana tiany haleha amin’ny fomba rehetra ka rehefa.
Ny « tour » dia tazana ao amin’ny kaominina ao. Ny andaniny misy an-dRatsivalaka Michèlle ary ny ankilany ny PDS Guy Rivo Randrianarisoa. Samy tsy maintsy mandeha amin’ny lalana mahitsy izy ireo mba handresena sy hihinanana ny fahavalo ary indrindra indrindra hiarovana ny « roi » isanisany.
Ny « cheval » izay tsy dia hita loatra izay tena halehany fa dia mivilivily etsy sy eroa dia azo ampitahaina amin’ny ataon’ny minisitra teo aleo Ranjivason Jean Théodore sy Jeneraly Ramakavelo ny andaniny avy amin’ny « tetezamita » ary ny praiministra Charles Rabemananjara sy ny filohan’ny Antenimieran-doholona Yvan Randriasandratriniony no toa mitàna izany toerana izany. Hita mantsy fa mandingandingana tsy dia tena hita mazava izay alehan’izy ireo amin’ity karazan-dalao ity.
Ny « fou » dia maro fa ny tena miavaka no tazomintsika. Ny an’ny TGV ohatra izao dia i Sareraka sy Rolly Mercia ohatra no mitazona izany andraikitra izany. Ny an-dRavalomanana kosa dia i Moxe Ramandimbilahatra sy iza re e? ohatra ny tsy dia hita hoe iza ohatra no apetraka eto.Raikitra ny lalao, tsy asiantsika fampitahana izay zavatra nampalahelo nitranga. Fa ny nahatonga ireny dia ny fandranitana sy ny fampirisihina ny tsy ampy saina ka dia niroboka nanao lalao maloto ka nanimba zavatra maro teto amin’ny firenena.
Ary tena tsy nijanona, bandy sy rôla na polisy sy volera ilay izy fa lasa nivadika fangala-piery na « cache-cache » kapoaka. Saingy maro no boka ary maro koa no tadiavina. toa ohatra ny mivadika ho lalao maloto no iafaran’ny tantaram-pirenena ka rehefa tapitra ny « partie » 1972 dia nisy indray ny partie « 1991″. Tsy nahazo lesona tamin’ireny dia niverina ny partie « 2002″ ary naka « revanche » indray ireo resy tamin’io « partie » io rehefa raikitra ity partie « 2009″ ity. Dia iza no ho resy? Dia iza no handefitra? dia iza no babo? Raharaha izy ity, ry leretsy a!
Herintaona lasa tokoa mantsy izay!
20 février 2009 by Avylavitra
Avy tsy mitsahatra ny erika ao an-tokontany ao izao hariva izao. Sady mangatsiaka be ny andro. Manoatra noho ireny andro ririnina ireny. Angamba koa efa zatra ilay hafanana nigaingaina nandritry ny andro vitsivitsy teo aloha teo ny tena.
Efa nalefa ihany moa ny hafatra fa hoe misy andro ratsy miforona any akaikin’ny morontsioraka any amin’izao fotoana (raha tsy efa mandrakotra an’i Madagasikara aza). Ka tany amin’ny faritra Analanjirofo tany izy izay, ary mitondra orana betsaka. Enga anie mba ho hatreo fotsiny ihany ny amin’iny.
Izany rehetra izany dia nanaitra fahatsiarovana tao anatiko.
Herintaona lasa tokoa mantsy izay. 20 febroary toy izao anio izao, ny taona 2008, no namoahako teto amin’ny MalagasyMiray sy tany anatin’ny blaogiko manokana ny momba ny rivodoza IVAN.
Herintaona nahitako izany hoe ranobe nanenika an’Antananarivo, fefiloha vaky. Herintaona nitsidihako ireo tranolain’ny UNICEF teny Anosizato sy ny manodidina azy, nametrahana ireo tra-boina. Herintaona ihany koa tena nandraisako anjara tamin’izany hoe mampita hafatra, na mizara vaovao ho an’ny hafa. Herintaona nahatsiarovako fifaliana tamin’izany hoe mizara izany.
Herintaona toy izao koa anefa, nandritra iny IVAN iny, no nampivarahontsana ahy raha nosimban’ny rivodoza IVAN ny trano teny Ambohimanarina, nefa ankohonana tsy nahita naleha no napetraka tao, ka nitondra aretim-po ho an’ilay ramatoabe, nentiny hatrany am-pasana herinandro vitsy taorian’izay.
Herintaona nifamahofahoan-javatra maro raha fintinina.
Herintaona lasa tokoa mantsy izay!
KAMBA kelinay sy ny coup de gueule avy amiko
19 février 2009 by Avylavitra
Maro tamintsika mpikirakira aterineto no mahalala (na nahalala) ny tantaran’i Kamba, ilay zaza kambana nilàna fandidiana natao teny amin’ny HJRA Ampefiloha).
Tsy vitsy koa no nahafantatra (ireo izay nanaraka hatrany am-boalohany ny tantara) fa tsy nankasitraka loatra ny hanaovana opération an’iny zanany iny ny reniny, noho, ny tahotra sy ny maro tsy tanisaina.
Resin’ny sasany tamintsika lahatra ihany anefa ilay reny mahantra ka nanaiky ny handraisana an-tànana an-janany (rehefa nomena izao karazan-toky rehetra azo naroso izao. Izaho aloha tsy anisan’izay nampanatena volana an!)
Roso ny dia ka nandeha niakatra an’Iarivo ilay ankohonana kely.
Be ireo nanohana tamin’ny fanaovana izay hahatontosa ilay fandidiana. Vita soa aman-tsara izany.
Be amintsika koa no efa nahafantatra tamin’izany fotoana fa tsy ny fandidiana sy n famerenana ny atidohan’ny zaza ho amin’ny toerany fotsiny no asa miandry, fa mbola be no ho sisa.
Ity SISA ity no mba isarihako ny sainareo rehetra izay ‘impliqués’ tamin’iny resaka KAMBA iny. Izahay (na izaho no marimarina kokoa) dia nilaza tsara tamin’ireny fotoana ireny fa tsy manana ny ho enti-mandray anjara amin’ny ara-bola. Saingy kosa vonona ny hitondra izay fanohanana ara-moraly sy izay voatsirambin’ny tànana rehefa tonga aty Antananarivo ry zareo. Notanterahanay mivady an-tsakany sy an-davany ny teny nataonay, mandra-panatitray azy teny Ambodivona rehefa nalefa nody izy sy ny ankohonany.
Angamba noho ilay fifaneraseranay betsaka tamin’ity ankohonana kely ity nandritry ny fivahinianany teto an-drenivohitra, fa rehefa tonga tany izy ka misy ny tsy metimety amin’ny zaza, dia izahay no feno arina voalohany indrindra. Nanao izay azonay sy tratry ny herinay natao ihany izahay tany aloha (nanampy anay sy isaoranay betsaka tamin’izay i Madame Mavo sy Mino). Tsy nahalala anarana afa-tsy Avylavitra, Mavo, Mino intsony ireo fianakaviana kely ireo rehefa avy eo. Satria izay natoniny dia nanosi-boho-tànana azy sy nametrapetraka azy daholo. Miala tsiny fa tsy hanonona anarana eto aho, satria nisy tokoa ny olona izay voateniteniny matetika, indrindra fa noho ny resaka ara-bola teny amin’ny hopitaly, noho ny zavatra ‘heveriny ho tsy nety’ tsikariny teny.
Dia lasa ny saiko hoe ‘NATAO HO FILAN-DERA SY VONINAHITRA VE SANATRIA’ i KAMBA? Asa lahy!!! Tadidio fa misy fikarakarana tsy maintsy atao amin’iny zaza iny isam-bolana, ary an,gamba aza mety ho mandra-pahafatiny mihitsy. Efa mba nosainintsika ve izany? Sa dia ny tamin’iny fotoana iny ihany no nahamaika? Ohatra amin’izany ny fandidiana tsy maintsy mbola hanalana ny valve natao ao anatiny ao, ny fandidiana ny hernie mahazo azy, ary ny chirurgie esthetique any aoriana. Ka ahoana, iza no mbola sahy?
Torana matetika ilay zaza ary nisy fotoana aza efa nentina indray tany amin’ny hopitalin’Androva tao Mahajanga.
Eto am-pamaranana ity coup de gueule ity dia mamela ahy kosa aloha ianareo rehetra hisaotra ireo namana NSD (na ny eto an-tanana na ny any ampita) sy fikambanana vitsy nanolo-tànana anay telo mianadahy ombam-bady aman-janaka (satria raha nitsivalana koa ny vady aman-janaka dia tsy nisy azonay natao). Isaorako ianareo ireo (hahatsapa tena avy hatrany hoe izay avy ianareo) na dia tsy nanaiky ny hotononina anarana eto aza. Andriamanitra anie hampitombo izay efa laninareo tamin’iny zaza iny, ary hanonitra izany avo zato, arivo heny.


License