• Fa lasa aiza ny ambompom-pirenena?

    Mahasadaikatra, mahatezitra ny mahita sy maheno amin’ny haino aman-jery fa TSY MISY TIAN’NY MPAMATSY VOLA ireo olona natolotra ho safidianina ho Praiminisitra. SAtria ve any aminy ny vola dia tsy maintsy milefitra sy manao izay safidiny satria matahotra ny tsy hahazo famatsiam-bola? Ary ireo famatsiam-bola azo hatramin’izay ve tena nampiasaina tsara zato isan-jato amin’ny tokony nanaovana izany sadia misy ampahany betsaka mivily lalana, tsy voatery ho vao izao fa na hatramin’izay aza? Rehefa miresaka famatsiam-bola izay ihany dia tonga ao an-tsaina avy hatrany ny hoe fahantrana. Satria mahantra ny firenena malagasy sy ny vahoaka malagasy matoa miankin-doha tanteraka amin’ny mpamatsy vola. Tsy resahintsika eto ny hoe na ny amerikana aza…

  • fetifety sy harona plastika

    Mampalahelo mahamenatra fa raha vao resaka korana na fanasàna mihaja ka arahina resaka harona plastika dia ny mitranga eny Iavoloha isaky ny taom-baovao na isaky ny fetim-pirenena no avy hatrany dia miverina ao anatin’ny resaka ifanaovan’ny olona. Lasa fombafomba ve sa izay no vokatry ny fahantrana ka toy ny tongo-bakivaky, sady maharary no mahamenatra? Ny olona mitondra sy mameno ilay harona kely mety azo iafina ihany satria maro no niaka-dapa ka tsy dia mhay ny fombafomba, fa ilay izy miseho amin’ny fahitalavitra no tena nahatonga ny resabe. Ao koa moa ireo matin’ny henamaso ka mandevin-tay an-tsalaka te hanao toy iretsy mpameno harona fa na matahotra ny ho azo sary na…

  • ny toe-tsaina hoe?

    Isaky ny misy adi-hevitra na resadresaka momba ny fiaraha-monina malagasy dia miverina matetika io resaka toe-tsaina mila mivoatra sy mila asiam-panavoazana io. Samy miteny avokoa izay te hiteny, samy milaza mahatsikaritra ny tsy mety amin’ny fiaraha-monina avokoa izay manambara. Ny fanontaniako dia tsotra ihany : « Amintsika na aminareo rehtra izay milaza fa mila manova toe-tsaina rmalagasy, iza isika no efa mba niova sy nanome ohatra teo amin’ny fiaraha-monina misy antsika tsirairay avy? Resaka fotsiny sa efa mba tena nampiharina? Zava-misy vitsivitsy ireo hotanisaiko eto ambany ka mety anisan’ireo ve ianao? rehefa misy raharaha mila karakaraina eny amin’ny biraom-panjakana dia mitady fomba hanafainganana izany, na manome vola na zavatra hafa, na…

  • Quand la Chine rachète… le monde v2.0

    Secoué par une zone de turbulence, l’environnement de la finance et de l’économie de l’occident attire l’attention du monde, principalement des décideurs. La situation qui prévaut actuellement dans le monde me fait replonger dans la lecture d’un article paru dans Le Figaro Magazine du 29 janvier 2011, intitulé « Quand la Chine rachète le monde, … Et si la Chine devenait la première puissance mondiale d’ici dix ans? ». L’article met en avant l’expansion des investisseurs chinois un peu partout dans  le monde et particulièrement dans les pays les moins avancés.  « Rien n’échappe à la fringale des héritiers de Mao ». en plus de tout cet investissement, Ghislain de Montalembert et Sophie Roquelle…

  • Tsy fety ve raha tsy misy toaka?

    Tonga indray ito ny faran’ny herinandro. Faran’ny herinandro izay mifanojo amin’ny fankalazana ny fetim-pirenena. Amin’izao vanim-potoana hiainantsika izao moa dia ny datin’ny 26 iona no natokana hankalazana izany satria dia io no voamarika fa fotoana niverenan’ny fahaleovan-tenan’ny malagasy rehefa nozanahin’ireo frantsay nandritry ny 60 taona mahery teo. Ho an’ny ankamaroan’ny olona eto an-drenivohitra dia atao hoe fety rehefa misy sakafo sy zava-pisotro mahamamo. Izany hoe entina hamalifaliana ny vatana mba tena hahatsiarovana hoe sambasambatra ary ezahina hanadinoina ny adim-piainana isan’andro. Miroborobo araka izany ireo orinasa mpanodina na mpanafatra taoka sy alikaola ka krizy na tsy krizy dia mandeha hatrany ary na manana na mahantra dia mividy an’izany avokoa. Somary nahatsiaro…

  • Eritreritra sendra nandalo…

    Resaka farandro indray no nahoraka tamin’ny manodidina ny misasaka ny volana mey teo. Raha tsiahivina kely moa dia nianga tany Amerika ny tantara. Nisy fikambanana kristianina avy ao amin’ny Family Radio notarihin’ilay rangahy antitra iray izay no nanaparitaka eran’izao tontolo izao, nandalo Facebook, ary nanao sora-baventy be teto Madagasikara fa dia hoe hanomboka ny 21 mey lasa teo izany ny Fitsarana farany ary amin’ny oktobra izao no tokony ho farandro. Raha ny nahafantaran’izy ireto izany moa dia hoe nanao fampitahana ny nitranga tamin’ny andron’i Noa izy ireto ary dia voalaza ao anaty Baiboly daholo, hono, izany. Marihina fa dia efa maro sy matetika tokoa no nisy fanambarana vy amin’ny fikambanana…

  • Izay mahavangivangy tian-kavana

    Amin’izao fahatongavan’ny fety izao dia tsara ny mampahatsiahy ireo fomba nahatsara fiahavanana teo aloha. Marina fa efa tonga eto Madagasikara ny fanatontoloana sy ny lafiny tsara sy ratsy saingy tsara raha tazonina ihany koa ireo fomba nahafinaritra teo aloha. Anisan’ny zavatra nahafinaritra ny fahavanana sy ny firaisan-kina nisy teo amin’ny malagasy. Efa mahazatra ny maheno izany. Saingy tsara tsiahivina ihany koa ny fifandraisan’ireo mpianakavy na ireo miray fihavanana ka nahatonga ny ohabolana maro teo aloha toy ny hoe « Asa vadi-drano, tsy vita raha tsy ifanankohonana » na ihany koa ny « tanan-kavia sy havanana ka izay didi-maharary ». Raha hadihadiana dia iray ihany ny malagasy, toy ny ladim-baotavo hoy ny Ntaolo fka raha…