Tsy fety ve raha tsy misy toaka?
Tonga indray ito ny faran’ny herinandro. Faran’ny herinandro izay mifanojo amin’ny fankalazana ny fetim-pirenena. Amin’izao vanim-potoana hiainantsika izao moa dia ny datin’ny 26 iona no natokana hankalazana izany satria dia io no voamarika fa fotoana niverenan’ny fahaleovan-tenan’ny malagasy rehefa nozanahin’ireo frantsay nandritry ny 60 taona mahery teo.
Ho an’ny ankamaroan’ny olona eto an-drenivohitra dia atao hoe fety rehefa misy sakafo sy zava-pisotro mahamamo. Izany hoe entina hamalifaliana ny vatana mba tena hahatsiarovana hoe sambasambatra ary ezahina hanadinoina ny adim-piainana isan’andro. Miroborobo araka izany ireo orinasa mpanodina na mpanafatra taoka sy alikaola ka krizy na tsy krizy dia mandeha hatrany ary na manana na mahantra dia mividy an’izany avokoa.
Somary nahatsiaro resaka nifanaovana tamin’ny namana mpanafatra entana sy mpiantsena atsy morisy sy any Azia ny tena ka nahatadidy ity teny nataony ity : » Fety izany ka fety an!… azo anasana tongotra mihitsy ny taoka tao sady ireo ilay tena lafo vidy avy any ivelany mihitsy. » Ary tsapa izany rehefa tonga ny fampiakaram-bady, tsy maintsy mba misy divay kely foana eny ambony latabatra rehefa tsy apetraka amin’ny toerana iray ery an-tsisitsisin-trano ery, ary misy tanora mivezivezy mizara oisiky mitety latabatra rehefa vitsivitsy izany. Izy roa moa dia toa lasa fomba ny manapoaka sampainina rehefa handidy mofomamy.
Tsaroako tampoka nefa ity teny ao amin’ny soratra masina ity izay nalaina tao amin’ny Ohabolana toko faha-31 andininy faha 4 ka hatramin’ny faha-7 :
« Tsy mba an’ny mpanjaka, ry Lamoela,
tsy mba an’ny mpanjaka ny misotro divay,
na an’ny mpanapaka ny mitady toaka;
5 fandrao manadino ny lalana izy, raha misotro;
ka mamily ny rariny ananan’ny mahantra rehetra.
6 Fa ny efa ho faty no omeo toaka,
ary ny efa vontom-pahoriana ny fanahiny no omeo divay;
7 aoka hisotro izy, ka hanadino ny fahoriany
ary tsy hahatsiaro ny manjo azy intsony.
Mahafaoka ny hevitra rehetra tiana ambara io toko sy andininy ao amin’ny Baiboly io. Saingy ny mampalahelo dia izany no mitranga eto amintsika satria rehefa mba nohasaina nanotrona teny Iavoloha na mahita izany amin’ny fahitalavitra ny tena, na ihany koa tamin’ireo sampana sy fikambanana niafina notsidihina taloha dia hita fa ireo mpitondra sy mpanao pôlitika ambony no tena rain’ny toaka. Ary tsy misy tsy misotro izany na sivily na miaramila, na olona ambony na mpanatanteraka.
Tsy vokovoko manga ny tena saingy mahatsapa fa misy mety ihany ny ataon’io fikambanana io eto amin’ny firenena ka manaitra ny saina. Sao dia mba mety raha ahenanareo na atsahatra amin’izay mihitsy ity fisotroan-toaka ity ry zalahy! Nisy aza moa filoha teo aloha nalaza fa tsy misotro mihitsy RAHA TSY ny oisiky nentiny avy any aminy rehefa misy fanasàna. Ary nisy ihany koa minisitra teo aloha nampalahelo fa notateriny ary nasainy notanterin’ireo mpiara-miasa taminy ny oisiky izay mivoaka tamin’ny fanasana nalehany tany Antsirabe ary tsy nahamenatra azy ny nanao izany na dia nisy nahatsikaritra aza. Misy koa moa min’ireo olona ambony taloha izay efa lasan-korazana no nalaza ho hitam-poko hitam-pirenena mamo imasom-bahoaka nefa dia vao maraina na hamonjy fiasana.
No TagsPopularity: 1% [?]
Eritreritra sendra nandalo…
17 juin 2011 by Mitiyu
Resaka farandro indray no nahoraka tamin’ny manodidina ny misasaka ny volana mey teo. Raha tsiahivina kely moa dia nianga tany Amerika ny tantara. Nisy fikambanana kristianina avy ao amin’ny Family Radio notarihin’ilay rangahy antitra iray izay no nanaparitaka eran’izao tontolo izao, nandalo Facebook, ary nanao sora-baventy be teto Madagasikara fa dia hoe hanomboka ny 21 mey lasa teo izany ny Fitsarana farany ary amin’ny oktobra izao no tokony ho farandro.
Raha ny nahafantaran’izy ireto izany moa dia hoe nanao fampitahana ny nitranga tamin’ny andron’i Noa izy ireto ary dia voalaza ao anaty Baiboly daholo, hono, izany. Marihina fa dia efa maro sy matetika tokoa no nisy fanambarana vy amin’ny fikambanana na olomalaza ny momab io andron’ny farandro. Ohatra izany ohatra ny hoe 31 desambra 1999 alina hifoha 1 janoary 2000, sns. Ho an’ny tena krisitianina moa dia niezaka ihany hikaroka andininy sy teny tao anaty baiboly ka voalaza mazava tao ny hoe « Izany andro sy ora izany anefa, dia tsy misy mahalala, na ny anjely any an-danitra, na ny Zanaka koa aza, afa-tsy ny Ray ihany » (Marka 13: 32 na jereo koa Matio 11: 27)
Vahotra anefa ny saina miambakavaka tsy hita izay hoeritreretina satria amin’ny maha-olona dia mipetraka ihany ny fanontaniana na tsy mpino aza manao hoe : »rehefa maty moa izany dia tapitra hatreo ve sa mbola misy fitohizany? » Amin’ny finoana maromaro dia ekena fa mitohy ny dian’ny fanahy rehefa miala eo an-tany. Ohatra amin’izany ny an-dry zareo Egypsianina izay nanomana ny nofo mangatsiakan’izay maty ka hamonjy ny varo-tsy mifody ka nampanaraka azy ny fananany sy ny hareny. Mino an’izany ihany koa ny finoana samihafa misy. Ary amin’ny maha-kristianina ny tena dia efa voalaza fa misy ny Paradisa sy ny Helo ka arakaraka izay vitanao tety an-tany ihany no ifaharan’ny fiainanao.
Tato ho ato dia nahare fijoroana vavolombelona roa mitovitovy RaMalagasy, dia ny an’i Tiana izay mpivaro-mandeha tetsy anoloan’ny hotel de Ville Analakely sy i Yves izay tra-dozan’ny môtô ka narary mafy tao amin’ny lohany tokony nodidina. Izy roalahy ireto dia samy nitantara fa nentin’i Jesoa Kristy nitsidika ny lanitra sy ny helo. Ary rehefa nozohina ny tantaran’izy ireto dia mifandraika amin’ny an’i Nenilava na Volahavana Germaine sy izay voalazan’ny ao amin’ny Fanambarana ny fitantarana ny zavatra hita sy nitranga.
Rehefa nikaroka ny momba ny fitsinjaran’ny finoan’ny malagasy na teny amin’ny INSTAT, na tamin’ireo tranonkala miresaka momba an’i Madagasikara toy ny an’ny CIA dia hita fa betsaka ny vahoaka malagasy no mbola mitana ny fivavahana nentim-paharazana isan-karazany ary latsaka kelin’izany ny Kristianina. Ny Silamo moa dia vitsivitsy ihany satria latsaky ny 10% na dia misy faritany telo lehibe dia tsy iza fa Mahajanga, Antsiranana ary Toliara aza no tena ahitana betsaka azy. Hita tao anatin’izany antontan’isa izany koa fa manodidina ny 60 taona eo no andro iainan’ny malagasy ka ny vavy no ela velona kokoa noho ny lahy.
Dia lasa ihany ny saina… Misy izany ny fiainana aorian’izao fiainana izao. Saingy manao ahoana izany fiainana izany? Ary aiza no aleha raha misampana ny lalana? Rehefa zohina ny fiainana amin’izao fotoana, dia entanin’ny fizarazarana, ny fitiavan-tena, ny rendrarendra ary ny filan’ny nofo ny olom-belona ary indrindra fa isika malagasy. Miteraka tsiny sy sazy ho antsika izany ary mety izany ihany koa no mahatonga izao trangan-javatra tsy dia mahasoa rehetra miseho tao antin’ny telopolo taona mahery izao.
Dia mety ho aiza izany raha tapitra ny aina? Sûr ve?
No TagsPopularity: 1% [?]
Izay mahavangivangy tian-kavana
15 juin 2011 by Mitiyu
Amin’izao fahatongavan’ny fety izao dia tsara ny mampahatsiahy ireo fomba nahatsara fiahavanana teo aloha. Marina fa efa tonga eto Madagasikara ny fanatontoloana sy ny lafiny tsara sy ratsy saingy tsara raha tazonina ihany koa ireo fomba nahafinaritra teo aloha. Anisan’ny zavatra nahafinaritra ny fahavanana sy ny firaisan-kina nisy teo amin’ny malagasy. Efa mahazatra ny maheno izany. Saingy tsara tsiahivina ihany koa ny fifandraisan’ireo mpianakavy na ireo miray fihavanana ka nahatonga ny ohabolana maro teo aloha toy ny hoe « Asa vadi-drano, tsy vita raha tsy ifanankohonana » na ihany koa ny « tanan-kavia sy havanana ka izay didi-maharary ».
Raha hadihadiana dia iray ihany ny malagasy, toy ny ladim-baotavo hoy ny Ntaolo fka raha fotorana dia iray ihany ny fotony. Entin’ny hazakaza-dava sy ny fitadiavana isan-karazany raMalagasy ka manadino ireo soa toavina izay tsy hita izay tena naharatsy azy ankoatra ny fanararaotan’ny sasany sy ny mizana mitongilan’ila angamba. Ekena tokoa fa tokony ateron-kalao ny fihavanana fa tsy tokony ho ny tena ihany no manao izany fa ny hafa miandry fotsiny.
Rehefa fetim-pirenena tahaka izao no tonga na koa ny taom-baovao dia fomba ny manatitra solombodiakoho ho an’ireo raiaman-dreny sy ny solompenakoho ho an’ireo zandry kely maro samihafa. Raha ara-toe-karena dia fomba mampandroso ny fanjifana sy ny fiaraha-monina izy io satria ireo zokiolona dia natao ho tsy dia manana hery laotra intsony itadiavana izay ho anina ka mila fanampiana ara-batsy, ny zandry kely koa dia torak’izay satria mbola natokana hianatra ka tsy natao hitady vola. Saingy manana ny faniriany izy ireny ka miankin-doha tanteraka amin’ny zoky sy ray aman-dreny ka tsy afa-manohatra. Misy ny heriny sy hasiny koa izany fanolorana sy fahatsiarovana ireo zoky raiaman-dreny sy ny ankizy izany satria dia manasoa ny fiaraha-monina noho ireo karazan-tso-drano omena. Satria marina fa amintsika malagasy dia ny tso-drano dia zava-mahery. Ka ny ray aman-dreny dia ampiana ho valim-babena fa ny zandry kosa omena mba ho fitsaharana rahatr’izay.
Tsy voatery vola aman-karena nefa no ifampahatsiahivana amin’izany fotoana izany fa na dia ny famangiana tsotra fotsiny aza dia efa manampy ny tsirairay. Tsapany amin’izany fa mbola manana ireo havana sy namana afaka ianteherany izy rehefa tonga ny sarotra tsy azo idivirana na ihany koa rehefa tonga ireo raharaha lehie ilàna fanampiana. Etsy an-daniny dia mora be fanadinoina ny olona ka anisany tsara ampiverenana ireo tsiahy tsara sy niarahana ny fifamangiana. Eto dia maty antoka ireo havana sy tapaka any lavitra satria tsy afaka mifamangy amin’ireto namana. Kanefa noho ny teknolojia izay efa natao hanatsarana ny fifandraisana dia tokony tsy hipetraka intsony izany olana izany.
Tandremo anefa! misy ireo olona manararaotra ka lasa tarazo ho an’ny fiaraha-monina. Dia ireo olona mikendry ny ora fisakafoana nefa tsy mampilaza ny fahatongavany fa manampoka ny tompon-trano na ireo very trano sy fialofana ka mba mindrana fandriana fotoana fohy saingy lasa naharitra. Efa sarotra izany tranga izany amin’izao fotoana satria na dia misy aza ny enti-manana dia samy efa nanana ny fiainany sy ny fomba nahazatra azy ny tsirairay ka raha iray alina na roa ianao no mitsidika mety tsy hanahirana fa raha mihoatra izay kosa dia mila mandray anjara amin’ny fianan-tokantranona’ny mpampiantrano. Izay no nahatonga ny oha-pitenenana hoe « ny hava-tiana tsy iaraha-monina »
Ka tsara izany ho antsika tanora raha jerena akaiky hoe iza avy ireo zoky raiaman-dreny, fotsy volo nitàna, nibaby sy nifola-damosina, nitaiza sy nahabe. Mba kasaina tsidihina sy hanomanana solombodiakoho izy ireny. Ary ireo zandrikely manodidina ihany koa izay mety tsapa fa sahirana, na tsy manan-joky sy ray aman-dreny dia mba omena fampiana amin’ny alalan’ny solompenakoho.
No TagsPopularity: 1% [?]
le sourire d’Ambanivohitra ou le charme naturel de la campagne malagasy
14 juin 2011 by Mitiyu
Les longs week-end ont toujours été sympathiques, surtout pour ceux qui planifient de quitter un peu la ville. A Madagascar, les familles de classe moyenne partent, s’ils ont le choix et les moyens, de préférence au bord de la mer : Mahambo, Foulpointe, Toamasina, Vatomandry, Manambato (oui il y a la mer juste en face et derrière le lac Rasoabe), Ambila Lemaitso et j’en passe. Il y en a qui partent ailleurs, comme à Andasibe, Ampefy, Moramanga, Arivonimamo ou Antsirabe. Les autres endroits sont relativement loin, il est presque difficile de s’y rendre sauf par avion.
Pour ma part, j’aime bien aller à la campagne pour me ressourcer. La campagne ici, ce n’est pas la banlieu de Tanà à 10-12km de la Gare ferroviaire comme on a l’habitude de mesurer, mais vraiment assez loin, là où le temps semble vraiment s’être arrêté. Avant, j’aimais bien lorsqu’il n’y avait pas de réseau téléphonique ou d’eau courante et encore moins d’électricité. Cela peut être perçu comme de l’exotisme et non pas une tare, et où la voiture a fait place aux bicyclettes dépeintes et des chars à boeufs nonchalants.
La campagne des hauts plateaux renferme cette touche naturelle de préservée par la technologie et de l’urbanisation sauvage existant actuellement. On y a toujours négocié en Ariary et non pas en Francs comme il fut un temps dans les grandes villes.
Depuis ma tendre enfance, plusieurs activités de la campagne m’ont déjà marqué :
- sortir et garder les zébus : il y a un certain rituel pour sortir les boeufs de leur « vala » . Dans les villages où j’avais l’habitude de me rendre, le matin, on faisait descendre les zébus (car il s’agit d’eux, ces fameux boeufs à bosse!) dans les plaines, près de la rivière et où dans les rizières. Pendant ce temps, les jeunes bouviers profitent pour jouer à divers jeux tels que fabriquer des zébus et char d’argile, attraper des grillons pour leur faire tirer des boîtes d’allumettes en guise de char à zébu (le grillon, jouant le ôle du zébu) ou encore nager tout nu dans la rivière. Et oui, en tant qu’enfant, de surcroit à la campagne, il n’y a pas de complexe à le faire et il y a moins d’arrière pensée pour les moins jeunes.
- garder les zébus (2ème partie), vers midi, lorsque le soleil est bien haut et se trouve au zenith, on remonte les zébus près des foyers, on en profite pour déjeuner si les femmes et les soeurs ne ramènent pas le riz et son accompagnement dans les champs, et on repart vers les différents monts autour du village. En général, cette partie de la campagne est boisée et on y retrouve le plus souvent des bois de pins ou encore du palissandre ou d’autres espèces en fonction de la région. L’après-midi, les jeunes bouviers, lorsqu’ils ne vont pas à l’école, jouent à des jeux de garçons. On fait la course, escalade les arbres, fabriquent des maisonnettes ou des huttes en bois et en feuilles.
- piler le riz : de temps à autres, on doit aider les femmes et les filles à piler le riz. C’est une activité assez rythmée et conviviale. Les femmes rient, discutent des dernières nouvelles du village à haute voix et se conseillent mutuellement de leur connaissance de la cosmétique, un peu comme en ville et toute proportion gardée. Les enfants qui aident se trouvent le plus souvent au coeur de l’action et agissent plus que les femmes qui doivent le faire normalement. Mais je reconnais que ce n’est pas aussi dansant que ce qui se passe dans les villages africains.
- puiser de l’eau : en général, ce sont les filles qui doivent le faire. Mais c’est aussi une occasion pour les jeunes garçons de retrouver des jeunes filles de leur âge et commencer à découvrir les jeux de l’amour et de la séduction. Il faut le dire, les garçons, et surtout les hommes dans les campagnes malagasy ne sont pas des exemples de galanterie. On séduit et rigole mais jamais on ne pote pas les seaux des filles. D’ailleurs en guise de seaux, on utilise le plus souvent des citrouilles vidées et séchées. Le plastique n’a fait son apparition à la campagne qu’assez tardivement.
- travailler la terre : je pense que l’expression « pourquoi tu bêches » a comme source la campagne. En effet, bêcher la terre devient vite ennuyant que cela est perçu comme une malédiction plutôt qu’une bénédiction. En tout cas, la partie qui me plaît le plus lorsqu’on travaille la terre est celui où je monte derrière la charrue tirée par les deux zébus pour créer assez rapidement un bon sillon. C’est quand même une belle invention la charrue parce qu’avec une bêche traditionnelle cela prend trop de temps et beaucoup d’efforts pour l’homme de travailler la terre.
- pêcher : je n’ai jamais été adepte de la pêche où l’on jette sa ligne et on fait la sieste en attendant. Quel intérêt de pratiquer la pêche ainsi. C’est à la limite de la paresse. Comme on dit en malagasy » faire du Ariary 100 au lit » (manao ariary zato am-pandrina: ou littéralement chercher de l’argent en ne rien faire). Mais c’est une occasion d’observer la nature, d’apprécier le calme de la campagne sans être contraint de faire la discussion pour finalement ne rien dire.
- chasser les oiseaux : c’est une pratique assez sauvage mais plutôt sympa. On répère les différentes branches ou les oiseaux aiment bien se poser. On les enduits de glue naturelle et on rabat les oiseaux vers ces pièges. Il faut reconnaitre que la chaire de ces oiseaux sauvages est quand même bonne et dès fois succulentes. On ne fabrique pas la glue, on a l’habitude de l’acheter au marché au jour de marché. Depuis quelques temps, les hommes assez fortunés du vilage se sont payés le luxe d’acheter des fusils de chasse mais personnellement je trouve cela assez sanguinaire.
Il existe plusieurs activités destressantes dans la campagne. Il faut juste trouver les affinités et les besoins car il ne suffit pas d’y aller pour se ressourcer et pour se reposer mais surtout pour se rendre utile voire donner aux siens la possibilités d’évoluer ou de se développer en leur aidant dans la démarche de l’électrification et d’adduction d’eau potable.
Depuis quelques temps, là où on a l’habitude de se rendre, peut être joint par téléphone. Lorsqu’il s’agit d’appel urgent c’est assez pratique mais pour les autres appels c’est assez dérangeant. Mais depuis quelques temps aussi, avec la technologie, le data s’est frayé une place à la campagne et du coup on peut surfer pour se détendre sans pour autant être contraint de vivre comme en ville. Mais pour recharger la batterie c’est une autre histoire.
No TagsPopularity: 1% [?]
Comment ça va? Vazah bien merci…
9 juin 2011 by Mitiyu
Dans certains endroits de Madagascar, il y a des jours où l’on se demande si on est toujours dans le pays… C’est vrai, il existe ces endroits relativement mythique, exotique pour certains qui sont pour la majorité fréquentés par des étrangers, en l’occurrence des européens blancs, quelques fois basanés ou cuivrés.
Dès fois, on souhaite se faire un peu plaisir. Avec les temps qui courent c’est devenu un luxe, il faut le reconnaître. Alors, avec des amis ou des connaissances, ou encore des contacts professionnels on se donne rendez-vous pour aller prendre un pot, histoire de faire un « afterwork », chez Kudeta. C’est un endroit bien sympathique, boisé de palissandre un peu partout avec cette douce chaleur que vous procure cet élément, avec un peu de chance un code wifi pour vérifier son courrier électronique et flâner un peu sur le net. Le temps de choisir un cocktail sans alcool (j’aime bien la Danseuse Divine, avec sa robe écarlate rehaussée par un peu d’orange pour donner un ton de soleil couchant) et commence à apprécier l’ambiance. Ce qui est bien avec des invités c’est que le mercredi, c’est qu’on reçoit un cocktail pour un autre commandé. Du coup, on peut bien se lâcher sachant qu’on ne pourra terminer si on en commande plus de deux pour une personne.
Mais boire c’est bien mais ça peut donner faim aussi. Il faut donc aller ailleurs pour se mettre quelque chose sous la dent. On hésite à descendre au Café de la Gare, remonter chez Brajas ou aller à la Plantation. On nous fait remarquer que La Plantation risque d’être déjà fermée à cette heure et au café de la Gare il y a trop de « people » donc le choix est fait. Tiens, ça fait longtemps que je passe là mais jusque là les « djeuns » préféraient entrer chez Chill Out, juste à côté. L’ambiance était sympa malgré quelques jeunes femmes qui nous dévisageaient avec un air qui en dit long. Ben quoi, il ne faut pas forcément sortir avec un vazaha pour venir ici, non?! Bref, on le prend avec sourire et elle n’a pas du tout tort car après Kudeta, le portefeuille était déjà allégé. Bon, on s’est dit, ce soir seulement et pas tous les jours, donc pas de soucis. Ce que nous avons pu remarquer, c’est que beaucoup d’étrangers fréquentent ces endroits et s’y plaisent. On avait l’habitude de parler de Saka, de Mojo, Le B’, de Plazza ou encore de Mansion mais en ce moment les endroits les plus sympas sont les moins fréquentés. Je me souviens encore de Kudeta au moment où il n’y avait pas beaucoup de gens pour voir les danses de salon du mercredi, c’était sympa. Mais bon, pour finir la soirée, ce serait bien d’aller à Ambatobe, retrouver des jeunes comme nous…
Plusieurs fois, nous étions allés à Mahambo, sur la route vers Fénérive Est au départ de Toamasina. Ce qui frappe en entrant dans la ville c’est un panneau où une jeune femme est tenue par la main par un vieux vazaha (en torse nu je crois). Cela me rappelle toutes ces femmes qui fréquentaient le cyber café pour aller s’inscrire sur Meetic ou autres sites de rencontre. Car en effet, on se dit qu’on est toujours en Afrique (Oui, première nouvelle, Madagascar fait aussi partie de l’Afrique et c’est le SADC qui gendarme tout en ce moment), et que pour s’en sortir, les jeunes africains ont le choix entre faire de longues études et continuer à l’étranger, tenter sa chance dans le sport professionnel, chanter et devenir célèbre pour par la suite tenter une carrière à l’internationale et finalement, le mariage. Ce qui n’est pas mal en soi si c’est basé sur de l’amour sincère et désintéressé. D’ailleurs, j’ai de la famille et des amis qui ont connu le bonheur ainsi.
Depuis quelques temps, on voit défiler à la télé et repris sur les moteurs de recherche du web des endroits magnifiques qui doivent être visités à Madagascar. On ne parle plus de Nosy Be et son Andilana, Royal Beach ou Amarina, on omet de citer Sainte Marie et l’île aux nattes pour mettre en avant les Eden Lodge, les Salary Bay, les Anjanjavy, L’Isalo Rock Lodge, les Relais de la Reine ou Princesse Bora Lodge. Oui ce sont tous des hôtels mais le plaisir des yeux commence là où on est hébergé. La force de ces endroits réside dans le fait qu’ils sont inaccessible pour le malagasy moyen. Les rares qui s’y sont rendus sont soit se sont fait inviter pour différentes prestations et/ou accompagner des touristes privilégiés soit un membre de la diaspora qui a décidé de se changer un peu les idées en revenant quelques semaines au pays, soit un flambleur qui a tout économisé pour tout dépenser dans l’un de ces endroits. D’ailleurs, je considère que Madagascar doit se tourner vers le tourisme de prestige et non plus se satisfaire du tourisme de « masse » actuel. Si les malagasy ont la possibilité de se rendre en Asie, à Maurice, en Afrique du sud, en Europe ou aux Etats-Unis, pourquoi ne pas commencer par l’intérieur de Madagascar, visiter les Tsingy et d’autres endroits spéciaux de l’île. Bref, nous préférons partir et on découvre l’intérieur par le biais de ceux qui viennent.
Le fait est qu’heureusement il existe encore des endroits abordables et pas mal comme les look’s ou les karaoke et se faire héberger par des amis ou de la famille en province pour se faire plaisir sans se ruiner. L’idéal serait de se retrouver chez quelqu’un entre ami et ne pas connaître (ou presque) les contraintes des serveurs qui commencent à fermer la moitié d’une porte ou d’un deejay qui envoient de la m****usique à faire fuir pour se dire qu’on doit partir.
Bref, pour les touristes, à défaut d’apprécier ce poste, vous avez là quelques bonnes adresses pour parfaire votre voyage à Madagascar, pour les propriétaires d’établissements, n’oubliez pas de m’inviter si on vient chez vous à partir de ce blog et pour mes amis malagasy qui se sentent « concernés » par ce poste, merci de ne pas me jeter la première pierre car il y a une généralité et une vérité qui se reflète dans ce récit.
« Toute ressemblance avec des personnages existant ou ayant existé serait fortuite et indépendante de la volonté de l’auteur »
No TagsPopularity: 1% [?]
Resaka « Taxi be » ihany…
Raha tsiahivina vetivety ny niandohan’ny taxi be teto Antananarivo dia ireo minibus nantsoina hoe « Buxi » angamba no azo lazaina fa tena nisantatra izany. Taty aoriana moa dia feno minibus vita avy any Japon no tena nanao ny ankamaroan’ny asa fitaterana ary amin’izao fotoana dia niampy ireo fiara Mercedes avy any Alemana izany. Iaraha-mahalala sy iaraha-miaina isan’andro izany.
Maro amintsika no lasa manao fanatanjahan-tena rehefa handray ireny fiara fitateram-bahoaka ireny. Vao mipoipoitra ery lavira ery ny lohan’ny fiara dia efa miomana sahady mitana tsara ny poketra na kitapo ary miedinedina hanenjika ny fiara. Satria enjehina mantsy izy ireny amin’ny ora firavana sy fandehana miasa sy mianatra. Raha vao mareforefo dia aleo tsy miandry azy mihitsy raha amin’izany ora izany satria ao ny misavika sy mihazakazaka manaraka azy mandroso amin’izay tiany tena hijanonana, ao ihany koa ny misisika mba ho tafiditra alohan’ny hafa ary rehefa tafiditra dia mbola mitsabikimbikina kely mandigana ireo hazo natao fipetrahana manelanelana ny seza. Toy izay ihany koa ny mivoaka.
Tato ho ato dia maro ireo lozam-pifamoivoizana hita sy re amin’ny haino aman-jery fa nitranga tetsy sy teroa. Fiara mifandona, manitsaka olona, manimba tamboho sy rindrin’olona ary ny mifanenjika samy taksi be. Asa na tena ireo mpamily no tsy mitandina na ny fiara no ratsy karakara na ihany koa noho ny habetsahany dia mitombo arakaraka izany ihany koa ireo salan’isan’ny loza.
Ny zavatra tsapa aloha dia maro amin’ireo mpamily no tsy manaja ny lalàm-pifamoivoizana, tsy manaja ny toeram-piantsonana sy ny fandraisana mpandeha, ary ny tena mampalahelo dia tsy ampy fitaizana sy fanabeazana ka lasa manaonao foana ary rehefa saziana dia migrevy satria tsy zatra manara-dalàna. Efa nisinisy ihany izay teti-kasa niaezaka ny nampanjary ny fifamoivoizana miaraka amin’ireto fiara fitateram-bahoaka ireto, na ny avy ao amin’ny polisim-pirenena izany, na ny avy ao amin’ny polisy monisipaly na ireo fikambana maro isan-karazany na ny gazety izay mampiseho ny tsy fanarahan-dalàna.
Nisy ihany koa ny fanajariana natao ho an’ireo toeram-piantsonana toy izay natao ho an’ny zotra 119 mampitohy an’Ankatso sy 67ha. Nahazoana famatsiam-bola, hono ireny, saingy izao, tsy miova ny fitondran-tenan’ireo mpamily sy mpandray vola. Nisy ny ezaka nataon’ny kôperativa amin’ny nanisiana ireo mpandridra anaty na hoe « cadenceur » izay mitantana ny fijanonana, fampandrosoana na ny fandefasana ny fiara izay miantsona amin’ireny toerana natokana ho amin’izany ireny. Fa mbola tazanao ihany ireo mpamily tsy dia miraharaha loatra an’izy ireny. Satria angamba mety olona tamin’izy ireo ihany no nantsoina ka tsy atahorana na tsy misy lanjany aminy.
Fa dia maro izy ireto amin’izao fotoana. Raha mijery an’iny Anosy iny na iny faritra Analamahitsy-Ambohitrarahaba iny na ihany koa ny valavan’Andraharo mipàka mankany Ambohimanarina iny, dia efa tsy mahataitra intsony ny mahit ireto taksi be am-polony maro mitandahatra mitanjozotra mora manaraka ny onjan’ny fifamoivoizana. Raha sainina an-tsaina ohatra dia ao anatinan’ny zato metatra raha misy fiara roapolo dia farafahakeliny folo na dimy ambin’ny folo amin’ireo no taksi be mifanarakaraka amin’ireo toerana voalaza tetsy ambony izany.
Mbola hitombo ary hihabetsaka hatrany anefa izy ireny satria misy ireo tompom-piara taloha no te hanampy na hanolo ny azy ka tsapa fa nihamaro ireo « Sprinter Mercedes » amidy etsy Andranobevava sy Anosy ary Analakely. Rehefa nanotaniana ireo mpivarotra dia fantatra fa eo anelanelan’ny Ariary 24 tapitrisa ka hatramin’ny Ariary 36 tapitrisa no vidin’ireto fiara fanaovana fitanterana ireto. Misy ny mbola vy ny varavarankely ary misy kosa ny efa vaky fa fitatra no eo. Misy ny fohy ary misy ny lava. Ka arakaraka izay sy ny hatsarany. Ho an’ny « minibus » kosa indray rehefa nojerena ny teny ambany tetezan’ny Behoririka sy ny eny Antetezanafovoany dia eo anelanelan’ny Ariary 14 tapitrisa ka hatramin’ny Ariary 32 tapitrisa no ahafahana mividy izany arakarak’izay hoe misy fitaratra na tsia izay.
Somary mahatsikaiky ihany moa ny fomba famarotan’ireto tompom-piara satria dia malaza amin’izao ny fametahana anaran’orinasa allemàna mba hitenenana fa tena tsara ny fiara satria avy any Allemàna. Efa betsaka mantsy izao no mpanamboatra ireto « autocollant » atao amin’ny fiara izay nahazatra ny nahita azy ireny tamin’ny fiara « tuning ». Rehefa jerena akaiky ny laharan’ny fiara dia misy « 974″ izany hoe avy etsy amin’ny nosy La Réunion izany nefa ny soratra amin’ny vatany dia teny alemàna sy laharana an-tariby allemàna. Toraka izany ihany koa dia mbola soratra amin’ny teny allemàna ihany koa saingy tao familiana amin’ny ankavanana na « conduite à droite » ilay fiara izany hoe na avy any Hong Kong na Japon na firenena hafa ankoatran’i Frantsa sy Allemana ary Belzika.
Eo amin’ny fametrahana ny laharan’ny fiara ihany koa dia misy zavatra mahatsikaiky satria ny laharana avy any hong Kong (litera roa arahina isa efatra) nefa misy ilay soratra « F » amin’ny takelaka mangamanga kely manambara fa avy any Frantsa, hono izany, ny fiara. Na ihany koa litera « B » ne « D » izay midika fa avy any Belzika na Allemàna. Misy kosa ireo manisy takelaka fotsy ka ampitovitoviana amin’ny takelaka avy any Soissy na Allemàna saingy « 974″ kosa indray ilay laharana. Mahavariana, mahatsikaiky.
Fantatra mantsy izany izao fa dia ny fiara avy any Soissy sy Allemàna na ireo firenena Eropeana tandrefana no safidy voalohan’ny mpanjifa dia avy eo vao ny avy any Hong Kong na Japon raha voavadika tsara ny familiana, dia avy eo ny fiara avy ao Frantsa izay voalaza fa ratsy kokoa raha oharina amin’ny avy any Soissy na Allemàna raha taona mitovy. Ny farany moa dia ny avy etsy La Réunion. Ka mety noho izay filaharana izay izany no mahatonga ny fametahana « autocollant » misy orinasa Allemàna na ihany koa ny fanamboaramboarana ny fametrahana ny laharan’ny fiara. Fomba fmarotana daholo moa izany saingy mety ahitana taratra fitaka ihany na izay antsoina hoe « dol » amin’ny fiteny azy ka tsara mailo ihany izay mividy fa tsy manao avy any amin’ny tanàna be vola tsy mahalala na inona na inona.
Sipirintera moa izany ny fiantsoan-dry zalahy an’ireto « Sprinter Mercedes » ireto izay misy milaza fa manana motera « TDI » na dia iaraha-mahita eo aza fa « CDI » no soratra mivandravandra eo. Tsara ihany angamba ny mijery ny fari-pahaizan’ny mpamily sy ny mpanampy azy vao alaina miasa izy ireny na omen’ny fanjakana fahazoan-dàlana hamily. Satria ao amin’ny fanabeazana sy ny toe-tsaina mihitsy no mila harenina.
Aleo manontanitany foana toy izay manaonao foana e!
No TagsPopularity: 1% [?]
A l’heure des marques…eating
18 mai 2011 by Mitiyu
La société de consommation nous a complètement immergés dans l’océan des marques et des produits. Combien de messages publicitaires et d’invitation à la consommation recevons-nous chaque jour et combien de ces messages retenons-nous? Telle est la principale question que pourra se poser un marketeur ou un communicateur.
Depuis ces quelques années de crise, on tente vainement à relancer la consommation. Mais la relance de la consommation ne pourra se faire qu’avec un revenu digne de ce nom qui atterrit dans la poche du citoyen lambda. De nos jours, la gratuité prime. Sauf que rien n’est gratuit…
François Alaux, Ludovic Houplain et Hervé de Crecy de l’Agence H5 nous rappelle, grâce à ce court-métrage qui a gagné un oscar en 2010, qu’il existe d’innombrable marques et produits qui nous entoure et qui, petit à petit, prennent une place considérable dans notre vie. Beaucoup de ces marques n’existent pas à Madagascar, si on ne cite que KFC, MacDo ou autre PizzaHut, etc. mais nous les reconnaisons grâce aux médias et pour ceux qui ont eu la chance de voyager, de les découvrir durant ces déplacements. Mais beaucoup sont présents dans l’ïle Rouge, si on ne cite que Michelin (les deux Bibendum), Windows, Bic, Haribo, Shell, fido Dido, AirFrance, Quicktime, chewing gum Hollywood, etc.
Saluons en passant la créativité et l’idée conceptrice de ce film ainsi que sa réalisation technique et son graphisme, et ceci malgré un scénario assez bâclé. En effet, le neoud et le dénouement sont assez approximatifs. Mais le fait est que l’ouvre mérite quand même son Oscar.
A Madagascar, « marques » correspond à seconde main ou occasion, pour ne pas dire friperies, tandis que les produits neufs sont souvent des démarqués ou des clones à la limite de la contre-façon. Les entreprises sont les plus grandes consommateurs de marques dans le pays. On y utilise son Xerox, on scanne avec son HP, on imprime avec son CANON et de préférence on utilise des DELL ou des IBM.
A la maison, les ménages consomment plus des VENUS (avec la mention « France »), des TRUST, des SONICA ou encore des NAZA et des SATURNE. Parmi les marques qui se fraient une place au soleil, il y a Changhong et Cherry (oui ce sont des marques que très peu d’occidentaux connaissent). A la campagne, on conduit des FranceRider et on trouve de temps à autre des Kubota.
L’Asie a marqué de son empreinte les grandes villes de Madagascar. Les opérateurs locaux ont trouvé des fournisseurs en Chine qui leur permettent de créer et de mettre leur propre marque sur les produits de leur choix. Une anecdote que j’aimerais partager avec vous, dans une ville chinoise (Chine continentale) il existe un fournisseur de poste téléviseur et des lecteurs DivX. En commandant ses produits, le client est étonné lorsque le vendeur lui demande s’il souhaite qu’on lui mette du SONY, du LG ou du SAMSUNG comme marque en sachant pertinemment que les postes choisis n’ont pas de marque à l’origine. Une façon de dire que finalement si je veux une grille-pain de marque « Rakoto » ou un scooter de marque « Mitiyu » je pourrai l’avoir facilement. Rappelons nous de l’histoire au début des tablettes tactiles. Après le lancement du premier iPad d’APPLE, les autres concurrents potentiels tels que DELL, MOTOROLA ou encore MICROSOFT ont longuement hésité pour finalement ne pas lancer tout de suite leur tablette. Tandis qu’un chinoi a tout de suite lancé son iPed, voyant là un créneau que les exploitants d’Androïd ont considéré comme étant inintéressant.
La consommation des marques est devenue une philosophie pour le malagasy… sauf que la majorité tente de survivre et rares sont ceux qui philosophent.
No TagsPopularity: 1% [?]


License