Dia inona ary izany no mahamalagasy anao?
16 février 2010 by Mitiyu
“Tsarovy sy mba tadidio… malagasy anie ianao ô”
Mahafinaritra ery ny figadon’io sombin-kira voatonona ambony io, indrindra rehefa izy izay no arahina valiha sy aponga. Ho feno 50 taona amin’ity taona 2010 ity ny nahazoan’ny malagasy fahaleovan-tena. Mipetraka ny fanontaniana manao hoe “dia inona ary izany no mahamalagasy anao?”Afaka raisintsika amin’ny lafiny efatra izany.
Raha ny ara-kolotsaina sy ny soatoavina no resahina dia mora ny fanehoan-kevitra satria tsy mila mitady lavitra akory dia mahita izay azo raisina ho maha-malagasy. Ny riba sy ny hasina malagasy no voalohany
Maro ihany koa ny afaka tanisaina raha ny vakoka sy ny kolotsaina no ambara. Indraindray aza toa lasa kisary sisa fa tsy dia iainana intsony. Iza marina moa no tsy mahalala izany vako-drazana, hira gasy, famorana, famadihana, sambatra, hazolahy, sns. Eto dia manahirana ny miresaka fivavahana malagasy satria hatramin’ny fidiran’ny fivavahana kristianina dia niova ny fandraisana ny fivavahana malagasy. Tsy eo intsony ireo toko telo misahana ny razana sy ny zanahary, lasa fady ny mamadika sy manao joro noho ny finoana tsy mitovy ary mampisaraka indraindray ny resaka firazanana.
Raha ny fisainana sy ny fiteny dia somary miharatsy ny fitsarana ny maha-malagasy.
Ny tanora moa dia lasa manao fiteny malagasy kiringa ka manafangaro ny vary sy ny tsiparafara. Ny “tu vois” sy ny “tu sais” lasa mialoha ny fehezan-teny malagasy.
Eto amin’ny resaka fitafy sy fihetsika dia ahafahana mivalapatra tsara satria mampiady hevitra ny rehetra. Nanatrika ny hetsika « Takariva malagasy » ny tena ary voalaza tao anaty fanasana fa fitafy malagasy no tsara raha hisalorana. Vahotra ny saina satria salaka sy sikina no tao an-doha nefa ilay lanona handeha mivantana amin’ny fahitalavitra. Sao dia sanatria hamoha fady eo ny fiakanjon’ny tena? Hany hery nitafy lamba arindrano misy satrok’andrina vita amin’ny kofehy miloko ranom-bolamena. Misy namana somary malaza izay aza moa dia koba no nasolo ny mofo mamy nahazatra tamin’ny fampakaram-bady, nahafinaritra. Ny an’ny tena dia nijanona tamin’ny fiantsoana mpanao vako-drazana izay namela tsiahy ratsy satria dia nahatorana ny fofon’ny vitsivitsy tamin’izy ireo.
Ho ahy manokana dia tsy tiako sy tsy ankasitrahiko ny misalotra na miambozona aloalo satria dia toy ny mitondra alahelo sy tomany noho izy ireny fametraka eny amin’ny fasana. Mivoatra isan’andro ny fitafy malagasy ary tsy ifanomezan-tsiny raha mbola ny landy sy ny landibe ary ny soga fotsiny aloha no tena ahafahana mampiavaka azy io ankehitriny. Ho ahy ny maha-malagasy dia miankina amin’ny ao am-po, ny fanahy mitaiza sy mitahiry ireo fahendrena izay efa nisy teo aloha ary ny indrindra ny saina. Anjaranao no mahita ny anao, fa mbola hiverina amin’ny vanim-potoana mbola hitady ny very indray aloha isika malagasy vao hahafantatra sy hahalala ary hahay ny maha-malagasy antsika.
Bibiolona hoe?…
15 février 2010 by Mitiyu
Tato ho ato dia niverina niely indray ny resaka momba ny fisiana sy ny fivoahan’ny bibiolona eto Antananarivo. Raha vao miresaka bibiolona moe ny eto Madagasikara dia endrika sy bika misy itovizana amin’i Bobel, izay antsasany olona antsasany soavaly, no ao an-tsain’ny maro. Betsaka tokoa mantsy no voakolokola tamin’ireny tantara an-tsary ireny tany amin’ny taona valopolo tany.
Raha tsiahivina ara-tantara dia mahagaga marina fa rehefa misy korontana ihany vao misy mivohy ity resaka ity. entina hanodinana ny sain’ny madinika ka hitebiteby dia tsy hieritreritra intsony ny adilahy pôlitika? asa, isika rehetra mieritreritra. Fa tsy resaka pôlitika no ho resahintsika eto fa resaka kolotsaina sy fiaraha-monina.
Mahatadidy ny tena fa tao akaikin’Analamahitsy tao no nankalazain’ny maro fa nisy bibiolona. Rehefa nanaovana fandalinana sy fanadihadiana anefa dia tsy inona fa toerana fivorian’ireo “Mpaka fo”, izay fiantsoana tsy misy ifandraisany amin’ito fikambanana ito no ao amin’ilay toerana voalaza. Natao ihany ny famakafakana ka tsy nahitana porofo na diany na dia kely aza tamin’izany toerana izany.
Nandeha teny ny fotoana dia niverina indray ilay resaka ka teny amin’ny faritra Anosizato iny indray no nisy olona vitsivitsy nilaza tamin’ny fahita lavitra fa naheno na nifanena tamin’ny “ohatra ny bibiolona”. Nolazain’izy ireto fa ohatra ny haben’ny alika indray ilay izy ka ny lohany no olona fa ny vatany mandady manana tongotra efatra. Dia manontany tena aho hoe : “tena nahita tokoa ve ireny olona ireny sa sanatria olona kilemaina sendra nandalo teny no eritreretiny ho bibiolona noho ny tahotra sy noho ny tsy fandriam-pahalemana?”
Raha bibiolona no resahina ka vinavinaina ho toy ny misy, dia ho mahery setra toy ny ombalahy sy ny voay ary ve sa ho kanosa toy ny papelika? Ny ankamaroan’ny olona mantsy vao mieritreritra izany zavatra tsy fantany izany dia tahotra no mameno ny saina ka moa tsy voahazan’ny olona ny lambo ary tsy voavadika kitoza ny omby?
Raha ara-tsiansa sy fahasalamana, mety hisy tokoa ve izany bibiolona izany? Ny valinteny tsotra indrindra afaka omena aloha dia “eny” mety! Satria noho ny fanandramana etsy sy ero sy ny fahasamponana ateraky ny fiovan’ny tontolo dia tsy misy isalasalana ny ahafahan’izany rehetra izany mipoitra. Raha ny fahasamponana misy fotsiny ohatra no resahina dia hita fa misy ireo akoho no manana tongotra efatra, ny omby misy zana-tongotra fahadimy sy fahaenina mihantona amin’ny fitombenana, ny atody misy akorany hafa ao anaty akorany na tamenany roa, sns.
Fa ny tena fanontaniana afaka iadiana hevitra dia ny hoe mety ho toy ny endrika zazavavin-drano ary ve sa toa an’i Bobel?
Fo falifaly, manambony moraly
4 février 2010 by Mitiyu
Malaladalaka ny lalana, lefilefy ny fitohanana noho ny fety faran’ny taona, tsy ampy tsikitsiky ireo olona mifanena ny tena eny an-dalana. Dia lasa marina ny saina hoe nahoana marina moa no tsy asiana tsiky ity fiainana e?
Aleo tsy valiana io fa ny tsara dia mifampizara tsiky isika rehetra.
- Mitsikia fa tsara ny andro
- Mitsikia fa mbola samy velon’aina
- Mitsikia fa misy foana ny fanantenana na dia kely sy bitika monja aza
- Mitsikia fa tahin’Andriamanitra
- MITSIKIA… dia mizarà TSIKY
Nisy fotoana in-droa na in-telo tamin’iny taona 2009 lasa iny dia maro ireo olona no nanana fahakiviana na leo na sosososotra amin’ny tsy misy dikany fotsiny izao. Nisy maromaro ireo tsy faly tamin’ny asany sy ny tambin-karamany ka na dia krizy aza dia naniry ny hiala tamin’ny asany tsotra izao. Ny andro navesatra no mety antony nahatonga izany satria dia ireo maro ireo ihany koa no nanadino izany fisaintsainana izany fotoana fohy taty aoriana.
Aleo tsy misento fa mbola tsy tafavoaka ny ala? Ka raha tsy misento eo ianao ka tsy miaina sao sanatria lahy sempotra ka ho torana, izay vao tena loza! Itondrao tsiky ny fiainanao sy ny manodidina anao fa dia aretina soa mora mifindra izany.
Nisy fianarana kolotsaina tatsinana izay no nampianatra fomba iray mitondra soa sy fahasalamana mora ho an’izay manao azy ity. Mijoro mahitsy tsara ianao, tsy mihenjana ny hozatra rehetra, ampiakarina kely eo amin’ny lanilany ny loha-lela, dia somary akipy tapany ny maso ary mijery any amin’izay farany tsinjo dia miaina mora sady lalina no mitsiky ao anaty;
Mitsiky ao anaty! io no tena lesona tsara ianarana mba ahafahana mitsiky eto ivvelany avy eo.
Eritrereto izay fotoana mamy niainanao… dia mitsikia!
Tsarovy sy saino fa mbola nosoavina ianao matoa mbola afaka mamaky ity lahatsoratra ity… ka mitsikia!
Ary farany isa-maraina ianao eo anoloan’ny fitaratra afaka miteny maromaro hoe “Isan’andro, amin’ny lafiny rehetra aho dia mihatsara hatrany” dia mitsikia fa ho sambatra ianao.
Une leçon Made in Shunde
3 février 2010 by Mitiyu
(Li Ka Shing, l’homme le plus influent dans le monde des affaires à Hong Kong)
“Analyse comparative de l’esprit entrepreneurial des chinois de Foshan et des malgaches d’Antananarivo”, tel pourra être le sujet d’une recherche qui contribuera énormément au développement de l’entrepreneuriat dans la Grande île. Souvent on ne lit ni les thèses ni les livres; Cela sert souvent d’objet décoratif ou d’un livre en plus dans sa bibliothèque (si on en a, bien sur!)
Je me souviens des touristes asiatiques, spécialement nippons et chinois, qui prennaient tout et n’importe quoi en photo. L’objectif d’un tel geste, quoique, pas vraiment dérisoire? Benchmarker… Ou plutôt copier pour soi le meilleur de ce qu’a fait l’autre. Et les asiatiques poussent plus loin le bouchon : copier - améliorer - baisser le coût - fiabiliser là où il faut.
Chiik! Chiiik! chiik! l’appareil photo argentique d’antan faisait autant de bruit que l’inspiration qui animait le geste. Les Occidentaux ne le voyaient pas venir. L’Afrique ignore encore la puissance de ces dragons de l’Est et plus particulièrement ceux du Sud-Est. Macau, Taiwan, Hong Kong et la Chine, d’une part (parce que c’est quand même différent) et Japon, Singapore, Thailand, Malaysie, Viet-Nam et Phillipine d’autre part.
Pour l’instant, restons en Chine et voyons ce qui semble être intéressant pour les malgaches.
Les occidentaux, et particulièrement les Nord américains avaient eux-aussi une base solide qui aidait leur population et les autres fans à vouloir faire mieux et faire plus. On parlait des American Dream ou encore des golden Boy ou au mieux les Self-Made Man. Cela a beaucoup appris les asiatiques avec leur appareil photo accroché à leur nuque et pendant au bout de leur cou.
Je fais un va et vient redactionnel et je reviens à Shunde où se trouve un esprit entrepreneurial hors du commun. En effet, le hobby de la population locale est de créer, de lancer et de diriger une ou plusieurs entreprise. Les longues études, on ne les fait pas, trop peu pour les entrepreneurs, on les laisse pour ceux qui n’osent pas prendre du risque ou ceux qui veulent partir aux Etat-Unis ou en Angleterre pour tenter de chercher la dernière technologie à copier ou tout simplement fuir et rêver une nouvelle liberté hors de quelques filtres et censures.
Ces chinois aiment entreprendre, l’argent c’est sacré et c’est dommage car tout n’est pas toujours question d’argent, du moins pour ceux qui possèdent un minimum de scrupules. Mais restons dans la partie positive de la chose. L’entrepreneuriat que tout le monde tente d’inculquer au lambda malgache est tellement si accessible et naturel à Foshan, une ville voisine de Guangzhou, préfecture de Guandong. Lors qu’on sait que le PIB par habitant dépasse les 40,000Yuans ou l’équivalent de plus de 12millions d’Ariary, on est tenté d’adopter leur stratégie de Benchmarking. C’est peu par rapport à d’autre pays mais significatif vu l’évolution économique du pays.

Cette année, la ville de Shanghaï accueillera, en tant que première ville d’un pays en développement, l’Exposition Universelle. C’est un signe qui ne trompe pas… (Même si Foshan est quand même assez éloignée de Shanghai comme Manhattan est loin d’Alberta)
Le malgache n’a pas de culture entrepreneuriale. Le “Business” généralement connu dans le pays n’appartient pas du tout à cette culture. Ce qui est aussi dommage car on nous a appris à attendre, à recevoir et à faire la grève si tout ne correspond pas à nos attentes. C’est ce qu’il y a à changer maintenant. On s’arrache les cheveux à vouloir tant développer l’entrepreneuriat en milieu rural mais en milieu urbain ce n’est pas toujours très développé et avec l’exode rural, la population urbaine ne trouve pas de travail. Un emploi décent…
Ndeha isika hanangana tanan-dehibe vaovao!
aro ireo mponina eto an-drenivohitra no mimenomenona, tsy afa-po amin’ny fiaraha-monina an-tanàn-dehibe kanefa tsy afa-manohatra. Misy ireo tsy mahatanty korontana, fifanjevoana, fitohanan’ny lalana, fahateriteren’ny arabe, loton’ny rivotra, ny tsy fanarahan-dalàna, sns.Alefantsika ny eritreritra satria raha tsy misy ny eritreritra tsy misy ny tanjona ary rehefa tsy misy ny tanjona dia tsy misy ny tody. Somary ovaintsika kely ny ohabolana ka ndeha ataontsika hoe “ny tody hisy raha mazava ny tanjona”. Ndeha hotanisaina fohy ny tanjona amin’izany tetikasa momba ny vohitra na tanandehibe vaovao izany:
- Tanàna vaovao, madio, mirindra mba ho tsara ny fiaraha-monina
- Olona mifanaja sy madio ary manaraka ny fitsipi-pifehezana misy eo amin’ny samy mpiray tanàna
- làlana malalaka, miaina tsara ny fifamoivoizana, mety ahafahan’ny fiara enina na valo mifanena amin’ny toerana sasantsasany
- Ny tari-by mitondra ny herin’aratra dia milevina na milentika any ambanin’ny tany fa tsy mikirozaroza eny ambony rehetra eny
- Tanàna ifantohan’ny orinasa sy ny varotra ary ny fifandraisana ka mampandroso haingana ny toe-karena
- Mponina vonina ny hiasa, hiasa tsara sy haingana ary tena amin’ny fo fa tsy terena na miandry fampitahorana na fampitandremana hatrany vao hanao izany
- Fanorenana trano isan-karazany manaraka ny fitsipi-panorenana sy ny drafitra maty paikan’ny fitantanana ny tanàna (construction suivant le plan d’urbanisme)
Hatreo aloha sao dia tsy araky ny sain’ny sasany. Misy sakana vitsivitsy momba ny fananan-tany sy ny vola enti-manorina mila ahitana vahaolana haingana mba ahafana manatanteraka izany. An’isan’izany sakana mila vahàna izany ireto manaraka ireto :
- Tsy tokony hifikitra be fahatany amin’ny tany kely ananany ny olona fa hanambatra izay anjarany amin’ny hafa ho an’ireo toerana voafidy hananganana izany tanan-dehibe vaovao izany. Afaka omena tany any amin’ny toeran-kafa hanoloana izany ny mpitondra saingy raha sarotra izany dia mila politika mijoro tsara sy matanjaka momba ny fanajariana sy fizarana ara-drariny ny tany misy. (Na tampoketsa aza misy tompony vitsivitsy…)
- Mila miara-mirohotra amin’ny fanjakana ireo orinasa sy mpampiasa vola eto Madagasikara hanangana na hametraka ny orin’asa mpitantana sy tena mikirakira vola amin’io faritra io. Ka orinasa fitrandrahana na fanodinana no tena hisy ao fa orinasa misahana ny varotra sy ny fifanakalozana ary ny serasera. Mety anisan’izany ny banky, ny magazay lehibe, ny birao maro karazany mpanapa-kevitra ho an’ny orinasany mpitrandraka na mpanodina, ivo toeran’ny fifandraisana sy ny fifandraisan-davitra ary ny teknolojia avo lenta, ny orinasa amin’ny haino aman-jery sns.
Inona ny voka-tsoa mey aterak’izany tetik’asa izany?
- fanomezana asa ho an’ireo mpanao trano sy ny foto-drafitr’asa isan-karazany ka mampiakatra ny fidiram-bolan’ny mponina mba ahafahany manjifa sy manatsara kokoa ny fiainany
- fanitarana ny orinasa efa misy na fananganana ny orinasa vaovao ka mety hampitombo ny vola miditra ao amin’ny kitapom-bolam-panjakana
- hampiodina haingana ireo fampiasam-bola (mbola resaka hafa ny aterak’izay)
- hanome ohatra ho an’ny malagasy sasany amin’ny filaminana, fanarahan-dalàna, fahadiovana, fanajàna ny fanànana iombonana, fitiavana fandrosoana, fanarahan-dalàna sy ny fitsipika tsy an-tery fa an-tsitra-po, fahazotoana miasa amin’ny fairaha-monina mirindra sy milamina ary madio ka mampihena ireo fahakizintinana sy hasiahana misy eo amin’ny mponin’Antananarivo na mpandeha an-tongotra, na mpivarotra, na mpitondra fiara-kodia na mpitondra môtô.
- sehatra ahafahana mampiseho an’ireo vahiny mety hampiasa vola ny tsy dia fifanalavitan’ny toe-tsaina enti-miasa
- fifandraisana tsara amin’ireo mponina sy ny pifanerasera ka tsy ho ambanin-javatra ny fifampiarahabàna, ny fifampisaorana ny fifanaovam-beloma am-panajàna fa indrindra ny fifampitsikitsikiana izay mitondra hery tsara ho an’ny fiaraha-monina.
- renivohitra ara-toe-karena ho lavitry ny fahantràna sy ny fahadiranovana maro samihafa
- sy ny sisa
Tsy ho azo ekena ao amin’izany tanàna izany ny loto, ny fahantrana amin’ny lafiny rehetra, ny tsy fanarahana ny fitsipika mifehy ny hakamoana, ny fanambaniana mety hisy amin’ireo tsy mitovy saranga miara-miasa sy miara-monina, …mmmmhhh! nofinofiko eto Dago izany, enga anie hisy tanteraka na dia ny ampahany fotsiny aza. (indrindra ireo tariby an’ny Jirama mandreraka maso misy papango na taditady mihantokantona eny rehetra eny sy ny fifamoivoizana ary ny fahadiovana
Great nations came after great fight
11 novembre 2009 by Mitiyu
I was wondering how former political crisis in Madagascar could really help the country to improve its way of living and its economy. Building a “great” nation is not such an easy thing but it could be very helpful to benchmark what was hapenning to the nations which have known war and big troubles.
Malagasy should learn from the others…
When I was in Jozi, I visited the Mandela House in Soweto, I think it is located in Orlando West. This small house is plenty of great symbols. The story is that it was the first house “Madiba” really owned himself and he is very proud of it. 27 or 28 years in jail was not so lost. Those years contribute to strenghten the new era foundation.
Madagascar is not so far from South Africa, it is within 3 hours flight from Johannesburg in South Africa. The main symbol of this house reminds me some other amazing stories of great nations that had known war. I was thinking about Germany, Japan, China, The USA, and so forth. I knew much more about apartheid and I could feel black people’s frustration during this tough part of their story.
In 2010, Madagascar will celebrate its 50th independence anniversary. Sometimes, I am asking myself if we are truly inependent. I have my own idea but it would be “politically incorrect” as we can say it in french. Let’s say : 50 years of manipulation and lie. It is said malagasy people are lazy. Sure, they could be but the right way was not shown to them.
People around me were trying to compare the actual life of former british and french colonies. some of these guys think that Madagascar ought to have belonged to commonwealth… As far as I am concerned, this idea is not so good if we take look at what happen to Zimbabwe. And how about Rwanda, Bosnia, Irak and Libanon? These countries had also known some big troubles and how is it about now? I don’t know but in my opinion, they are in the right track to succeed. I might be wrong but we can explore this way.
Ny tena fitiavan-tanindrazana
3 novembre 2009 by Mitiyu
Mbola misy ve ireo malagasy tena tia tanindrazana ? Mipetraka ny fanontaniana.
Tao anatin’izay dimampolo taona farany taorian’ny nahazoana ny fahaleovan-tena mantsy dia mampisalasala ihany ny mamaly io fanontaniana io. Mbola afaka valiana tsara ihany izy io saingy tao anatin’ny herintaona izao dia tsy hita mazava izay valinteny tena marina.
Maro ireo mitonona ho tia tanindrazana saingy ny fihetsika sy ny fomba rehetra dia toa maneho fa fitiavam-bola sy voninahitra ary seza eo amin’ny fitondrana no betsaka. Misy ireo mimenomenoma amin’ny tena tokony atao sy tokony ho fomba fiaraha-monina fa tsy mihetsika tsy manao na inona na inona afa-tsy ny fitadiavana mahazatra mba ivelomana.
Misy ireo tena sahy mirotsaka an-dalambe mitaky fanovana saingy tsy manova ny fomba ratsy fanaony sy ireo fitiavan-tena mahazatra tsy mitsinjo ny fiaraha-monina sy izay tena mahasoa ny tanindrazana.
Vonona ve ianao ho faty ho tombontsoan’ny vahoaka malagasy sy fihavaozan’ny firenena ? Vonona ve ianao hanasoa ny tanindrazanao tsy hangataka tambiny na karama ary tsy ho noho ny tombontsoa manokana ? Vonona ve ianao hijoro manoloana ny jadona ankolaka ataon’ireo firenen-dehibe vitsivitsy mikatsaka ny mahasoa azy eto Madagasikara ka mitady amin’ny fomba rehetra hametsena sy hanambaniana anao ? VONONA VE IANAO HIASA AMIN’NY FONAO MANONTOLO KA TSY HIKELY SOROKA MBA HANATSARANA NY TONTOLO MANODIDINA ANAO ?
Namaly TSIA indray, in-droa, in-telo ve ianao tamin’ireo faontaniana teo ambony ireo ? Mbola tsy tena vonona ny haneho ny mety ho tena fitiavanao ny taindrazanao ianao izany.
Mba inona kosa ary izany ny anjara biriky nentinao ho fanarenana na fanasoavana ny tanindrazanao ? Maro mantsy ireo olona tafaresaka amin’ny tena no milaza fa vonona hanasoa ny ankohonany sy ny fianakaviana fa hatreo ihany satria tsy misy antenaina, hono, ny firenena.
Aza manao fitiavan-tanindrazan’ny taona roa arivo ka mitombo arakaraka ny vola voaray !!!


License