一些港商不诚实 : Attention!
17 février 2010 by Mitiyu
Avec un certain recul, je constate que certains hongkongais n’ont pas de scrupules pour arnaquer ou escroquer leur client. Si un de ces jours vous voulez visiter Hong Kong et particulièrement Kowloon, il est important de prendre quelques mesures pour ne pas vous faire avoir. A Tsim Sha Tsui (abreger en TST et prononcer “tjimssatjoy”), le quartien le plus populaire et touristique de Kowloon, la presqu’île de Hong Hong, il faut éviter de suivre les indiens, sri lankais ou encore maldiviens qui vous propose des “copy watch” des montres “fake” en quelque sorte. Ces gens vont vous proposer des copies de Rolex, de Patek Phillipe ou d’autres grandes marques entre HK$100 et HK$400. Vous allez vous faire arnaquer parce que d’une part la qualité proposée vaut largement moins que le prix proposé et d’autre part vous allez aussi favoriser et encourager la production contrefaite.
Par la suite, il faut aussi se méfier des magasins de matériels électroniques et d’appareil photographique le long de Nathan Road. Leur strategie est de vous faire acheter plus sinon mieux, ce qui est naturel commercialement parlant. D’abord, les vendeurs vous interpellent dans la rue, affirme qu’ils disposent tout ce dont vous avez besoin, montre sur une calculette le prix (souvent bien bas par rapport à la valeur réelle) puis lorsque vous décidez d’acheter, le vendeur téléphone quelque part (souvent en cantonais pour que ceux qui parlent mandarin ne comprennent pas ce qu’ils se disent) et vous retient 10 à 15mn jusqu’à ce que la marchandise arrive (par la porte de derrière, bien sûr!). Entre temps, le vendeur tente de vous vendre un produit concurrent plus cher. Si le produit ou l’option proposé ne vous intéresse pas, souvent le vendeur vous annonce que le produit initialement demandé est en rupture de stock. Il a raté son coup et ne veut plus vous vendre quoique ce soit. Mais heureusement, tous ne sont pas comme ça et tant mieux pour le touriste. Donc éviter si possible ces quartiers pour ces produits. Pour les matériels électroniques il y a trois autres endroits plus professionnels que vous pourriez visiter sans souci (cf. image)
Le plus difficile c’est que la plupart des vendeurs de ces magasins suivent un programme de rotation qui vous empêche souvent de retrouver la personne avec qui vous avec discuté initialement. Par ailleurs, il faut se méfier, comme en Chine, des faux billets, particulièrement ceux de 100. C’est pas sorcier!
Bibiolona hoe?…
15 février 2010 by Mitiyu
Tato ho ato dia niverina niely indray ny resaka momba ny fisiana sy ny fivoahan’ny bibiolona eto Antananarivo. Raha vao miresaka bibiolona moe ny eto Madagasikara dia endrika sy bika misy itovizana amin’i Bobel, izay antsasany olona antsasany soavaly, no ao an-tsain’ny maro. Betsaka tokoa mantsy no voakolokola tamin’ireny tantara an-tsary ireny tany amin’ny taona valopolo tany.
Raha tsiahivina ara-tantara dia mahagaga marina fa rehefa misy korontana ihany vao misy mivohy ity resaka ity. entina hanodinana ny sain’ny madinika ka hitebiteby dia tsy hieritreritra intsony ny adilahy pôlitika? asa, isika rehetra mieritreritra. Fa tsy resaka pôlitika no ho resahintsika eto fa resaka kolotsaina sy fiaraha-monina.
Mahatadidy ny tena fa tao akaikin’Analamahitsy tao no nankalazain’ny maro fa nisy bibiolona. Rehefa nanaovana fandalinana sy fanadihadiana anefa dia tsy inona fa toerana fivorian’ireo “Mpaka fo”, izay fiantsoana tsy misy ifandraisany amin’ito fikambanana ito no ao amin’ilay toerana voalaza. Natao ihany ny famakafakana ka tsy nahitana porofo na diany na dia kely aza tamin’izany toerana izany.
Nandeha teny ny fotoana dia niverina indray ilay resaka ka teny amin’ny faritra Anosizato iny indray no nisy olona vitsivitsy nilaza tamin’ny fahita lavitra fa naheno na nifanena tamin’ny “ohatra ny bibiolona”. Nolazain’izy ireto fa ohatra ny haben’ny alika indray ilay izy ka ny lohany no olona fa ny vatany mandady manana tongotra efatra. Dia manontany tena aho hoe : “tena nahita tokoa ve ireny olona ireny sa sanatria olona kilemaina sendra nandalo teny no eritreretiny ho bibiolona noho ny tahotra sy noho ny tsy fandriam-pahalemana?”
Raha bibiolona no resahina ka vinavinaina ho toy ny misy, dia ho mahery setra toy ny ombalahy sy ny voay ary ve sa ho kanosa toy ny papelika? Ny ankamaroan’ny olona mantsy vao mieritreritra izany zavatra tsy fantany izany dia tahotra no mameno ny saina ka moa tsy voahazan’ny olona ny lambo ary tsy voavadika kitoza ny omby?
Raha ara-tsiansa sy fahasalamana, mety hisy tokoa ve izany bibiolona izany? Ny valinteny tsotra indrindra afaka omena aloha dia “eny” mety! Satria noho ny fanandramana etsy sy ero sy ny fahasamponana ateraky ny fiovan’ny tontolo dia tsy misy isalasalana ny ahafahan’izany rehetra izany mipoitra. Raha ny fahasamponana misy fotsiny ohatra no resahina dia hita fa misy ireo akoho no manana tongotra efatra, ny omby misy zana-tongotra fahadimy sy fahaenina mihantona amin’ny fitombenana, ny atody misy akorany hafa ao anaty akorany na tamenany roa, sns.
Fa ny tena fanontaniana afaka iadiana hevitra dia ny hoe mety ho toy ny endrika zazavavin-drano ary ve sa toa an’i Bobel?
Fo falifaly, manambony moraly
4 février 2010 by Mitiyu
Malaladalaka ny lalana, lefilefy ny fitohanana noho ny fety faran’ny taona, tsy ampy tsikitsiky ireo olona mifanena ny tena eny an-dalana. Dia lasa marina ny saina hoe nahoana marina moa no tsy asiana tsiky ity fiainana e?
Aleo tsy valiana io fa ny tsara dia mifampizara tsiky isika rehetra.
- Mitsikia fa tsara ny andro
- Mitsikia fa mbola samy velon’aina
- Mitsikia fa misy foana ny fanantenana na dia kely sy bitika monja aza
- Mitsikia fa tahin’Andriamanitra
- MITSIKIA… dia mizarà TSIKY
Nisy fotoana in-droa na in-telo tamin’iny taona 2009 lasa iny dia maro ireo olona no nanana fahakiviana na leo na sosososotra amin’ny tsy misy dikany fotsiny izao. Nisy maromaro ireo tsy faly tamin’ny asany sy ny tambin-karamany ka na dia krizy aza dia naniry ny hiala tamin’ny asany tsotra izao. Ny andro navesatra no mety antony nahatonga izany satria dia ireo maro ireo ihany koa no nanadino izany fisaintsainana izany fotoana fohy taty aoriana.
Aleo tsy misento fa mbola tsy tafavoaka ny ala? Ka raha tsy misento eo ianao ka tsy miaina sao sanatria lahy sempotra ka ho torana, izay vao tena loza! Itondrao tsiky ny fiainanao sy ny manodidina anao fa dia aretina soa mora mifindra izany.
Nisy fianarana kolotsaina tatsinana izay no nampianatra fomba iray mitondra soa sy fahasalamana mora ho an’izay manao azy ity. Mijoro mahitsy tsara ianao, tsy mihenjana ny hozatra rehetra, ampiakarina kely eo amin’ny lanilany ny loha-lela, dia somary akipy tapany ny maso ary mijery any amin’izay farany tsinjo dia miaina mora sady lalina no mitsiky ao anaty;
Mitsiky ao anaty! io no tena lesona tsara ianarana mba ahafahana mitsiky eto ivvelany avy eo.
Eritrereto izay fotoana mamy niainanao… dia mitsikia!
Tsarovy sy saino fa mbola nosoavina ianao matoa mbola afaka mamaky ity lahatsoratra ity… ka mitsikia!
Ary farany isa-maraina ianao eo anoloan’ny fitaratra afaka miteny maromaro hoe “Isan’andro, amin’ny lafiny rehetra aho dia mihatsara hatrany” dia mitsikia fa ho sambatra ianao.
A dénoncer ou à tolérer ?
30 avril 2009 by Mitiyu
La culture populaire malgache semble être en partie façonnée par les bandes dessinées et le cinéma amateur et semi-professionnel.
Je me souviens, durant mon enfance, que les jeunes et les enfants de mon entourage lisaient la fameuse série de bandes dessinées « Koditra » avec comme personnages préfèrés le professeur Mahiratra, un savant maniaque avec une forme de crâne spécifique, Ra-Danz, le Gaston Lagaf’ national avec un tee-shirt noir « je m’en fous » sérigraphie d’un éclair et d’un pantalon jean, Bobel l’homme cheval, célèbre pour avoir, semble-t-il, vécu réellement du côté d’un temple à Ivandry, le lieutnant Ralay, etc.
Ces histoires caricaturent le quotidien des malgaches, avec leurs soucis, leur hantise mis aussi leur espoir. La culture ésotérique populaire et la croyance mélangée à une foi certaine laissent perplexe lorsqu’on prend du recul. En effet, le malgache vivait et vit toujours avec les « fady » (tabous), le « tsiny » (blâme), le « tody » (réalisation), les différents « fombafomba » (us et coutumes) concernant les anciens, les morts et les différentes divinités malgaches.
Dans la coutume, il est conseillé d’aller consulter le « Dadarabe », le « Mpanandro » ou encore le « Mpimasy » (le devin, l’astrologue ou encore le marabout) pour construire ou faire construire sa maison ou le tombeau familial.
Dans la vie quotidienne, on se doit de redouter et de vivre avec ces petites magies et sorcellerie. D’ailleurs, il est tout à fait normal d’entendre, lorsqu’un personne est anormalement malade, « nasian’ny sasany, hono ! » c’est à dire que quelqu’un lui a jeté un mauvais sort.
Les films malgaches ne sont pas en reste. Ils reprennent facilement ces thèmes dans leurs histoires et malgré le fait que certains réalisateurs essaient de donner une touche d’humour à leur travail, cet esprit reste encore. On parle entre autre « d’Ambondrombe » là où les esprits se reposent, de Horombey, de « iKala Pam’s » la sorcière, de beaucoup d’autres endroits magiques et mythiques du pays.
Voilà pour la partie ésotérique de la culture malgache. Mais le plus inquiétant pour ma part est la présence montante de la violence et de la méchanceté gratuite dans ces supports. Le prochainement d’un film qui met en évidence une arme à feu (genre AK 47 ou kalachnikov, des revolvers et des pistolets automatiques), des armes blanches (des sabres, des couteaux, des nunchakus, etc.)
Les enfants reprennent facilement ces gestes en jouant. Et il ne sera pas étonnant d’entendre, pour ne pas répéter la scène américaine ou européenne, qu’un élève a tué son professeur en classe.
Alors B.D. et « filma gasy », faut-il tolérer ou dénoncer ?
Bandy sy rôla sa polisy sy volera?
11 mars 2009 by Mitiyu
Hita sy tsapa izao fa dia ohatra ny milalao ireo hery samihafa misy eto Antananarivo. Mampahatsiahy ireo kilalao fanao fahiny. Misy karazany telo izy ireo :
1. Misy aloha ny Polisy sa volera :Raha ampitahaina amin’ity lalao iray ity ny zava-misy dia hita fa hatramin’ny 26 janoary lasa teo dia ny tarik’andriamatoa filoham-pirenena Marc Ravalomanana no volera. Dia nifanenjehina, tsy tratra… ao anaty “but” vao hita. Nopotehina ny fitaovany sy ny fanànany mba handemena sy ivoahany ka indrisy fa voa izy dia nifamadika indray ny lalao ka lasa ny antokon’olona tarihin’andriamatoa filohan’ny HAT Andry Rajoelina indray no lasa volera ka avy aty amin-dRavalomanana ny polisy.
2. Nisy lalao faharoa nipoitra avy eo : Bandy sy rôla. Nanomboka ny faha 28n’ny volana janoary dia nihitatra ho lasa bandy sy rôla ny lalao ka “gain! gain!” indray no niampy ilay “azoko ialahy!” Nivoaka ny EmmoNat. Lasa nisy mpandromba feno ny tanàna tsinona, hono. Ka tsy maintsy samborina ny olon-dratsy.Bandy sy rôla nifangaro polisy sy volera ny lalao teto izany.
3. Nihitatra ihany ny lalao ka lasa nisy “jeu d’échecs” indray teto Madagasikara:Mila vonoina, na samborina na ho anina ny mpanjaka izay vao lazaina hoe mandresy. Ka samy nisafidy ny lokony ny mpilalao. Tsy fotsy na mainty intsony no nampiasaina fa “fluo”volon-doranjy “fluo” ny andaniny ary mavo “fluo” kosa ny ankilany. Efa moderna ery izany lalao izany satria rehefa tsy hazo, tsy vy na koa fitaratra no nampiasaina dia lasa loko moderna “fluo” indray izany izao no lamaody.
Amin’ny lalao “échecs” toy itony moa dia misy foana ny toerana raisin’ny tsirairay. Ny mpanjaka amin’ny andaniny sy ny ankilany aloha dia efa mazava fa i Andry Rajoelina sy Marc Ravalomanana.Ny “pions” izay ampiasaina dia maro, misy ny TGV, ny Wisa, ny ambany tanàna, ny M.T.S sy ny T.T.S, sns ho an’ny andaniny ary Mpandàla ny ara-dalàna, O.Ba.Ma, Wusu, Tae-Kwon Do, sns ny ankilany.Ny “dame” dia Minisitra Ivohasina Razafimahefa ny ilany ary Praiminisitra Monja Roindefo ny ilany.
Ireo mantsy izao no tena afaka mandeha amin’izay làlana tiany haleha amin’ny fomba rehetra ka rehefa.
Ny “tour” dia tazana ao amin’ny kaominina ao. Ny andaniny misy an-dRatsivalaka Michèlle ary ny ankilany ny PDS Guy Rivo Randrianarisoa. Samy tsy maintsy mandeha amin’ny lalana mahitsy izy ireo mba handresena sy hihinanana ny fahavalo ary indrindra indrindra hiarovana ny “roi” isanisany.
Ny “cheval” izay tsy dia hita loatra izay tena halehany fa dia mivilivily etsy sy eroa dia azo ampitahaina amin’ny ataon’ny minisitra teo aleo Ranjivason Jean Théodore sy Jeneraly Ramakavelo ny andaniny avy amin’ny “tetezamita” ary ny praiministra Charles Rabemananjara sy ny filohan’ny Antenimieran-doholona Yvan Randriasandratriniony no toa mitàna izany toerana izany. Hita mantsy fa mandingandingana tsy dia tena hita mazava izay alehan’izy ireo amin’ity karazan-dalao ity.
Ny “fou” dia maro fa ny tena miavaka no tazomintsika. Ny an’ny TGV ohatra izao dia i Sareraka sy Rolly Mercia ohatra no mitazona izany andraikitra izany. Ny an-dRavalomanana kosa dia i Moxe Ramandimbilahatra sy iza re e? ohatra ny tsy dia hita hoe iza ohatra no apetraka eto.Raikitra ny lalao, tsy asiantsika fampitahana izay zavatra nampalahelo nitranga. Fa ny nahatonga ireny dia ny fandranitana sy ny fampirisihina ny tsy ampy saina ka dia niroboka nanao lalao maloto ka nanimba zavatra maro teto amin’ny firenena.
Ary tena tsy nijanona, bandy sy rôla na polisy sy volera ilay izy fa lasa nivadika fangala-piery na “cache-cache” kapoaka. Saingy maro no boka ary maro koa no tadiavina. toa ohatra ny mivadika ho lalao maloto no iafaran’ny tantaram-pirenena ka rehefa tapitra ny “partie” 1972 dia nisy indray ny partie “1991″. Tsy nahazo lesona tamin’ireny dia niverina ny partie “2002″ ary naka “revanche” indray ireo resy tamin’io “partie” io rehefa raikitra ity partie “2009″ ity. Dia iza no ho resy? Dia iza no handefitra? dia iza no babo? Raharaha izy ity, ry leretsy a!
What is … puzzlotto
23 octobre 2008 by Dotmg
Puzzlotto [puzzlotto.com] dia kilalao (jeu) iray amin’ireny iPhone ireny. Tsy kilalao maimaim-poana izy fa vidiana 4.99$. Omaly izy no nanomboka ary ny mampalaza be azy ankehitriny dia mety hahazoana telopolo arivo dolara (30.000 $) raha ianao no mahavita azy voalohany.
Ny idirany amin’ny malag@sy miray? Miresaka momba an’i Madagasikara ilay kilalao, ary aty anaty alan’i Madagasikara no miseho ny tantara. Ny feon-kira rehetra mandravaka ny lalao dia teto Madagasikara no notontosaina. Miteny malagasy mihitsy aza, ka misy ao anatin’izany ny fanontaniana amin’ny fiteny malagasy. Sahirana tokoa ireo vahiny milalao azy ary misy ny toa lasa mahay malagasy tampoka teo. Mety ho mora amin’ny malagasy kosa angamba ny milalao azy satria ny ankabeazan’ny mpilalao mitaraina ny amin’ny fahasarotan’ny lalao hatreto dia mitatitra ny tsi-fahaizany ny teny malagasy ho antony voalohany amin’izany.
Natokana ho an’ny mponina any Etazonia ny puzzlotto.
Ny folo isan-jaton’ny tombom-barotra azo avy amin’io lalao io dia hanampiana fikambanana malagasy iray izay miady amin’ny fahantrana (Madagascar fauna group).
Un sac vide ne tient pas debout
19 octobre 2008 by Tomavana

L’aventures des Baréa © Ramafa’08, les-nouvelles.com >>
1. Crise financière
2. Il veut me barrer la route [Coupe du Monde 2010 >]
3. Tu as fait l’essentiel. C’est de participer pour ne pas être sanctionné pour la suite ! Bravo !
4. Voici nos frais de transport | 12′500 $ [Coupe du Monde 2010 >]
Il est fréquent que tout un peuple, tout un pays fasse bloc derrière une équipe nationale. Mais c’est la première fois qu’un président de la république déclare à propos de son propre pays que l’équipe adverse en est le “symbole de la réconciliation nationale.”
Difficile à croire ? Eh bien pourtant les Baréa, équipe nationale de football de Madagascar, sont bien promus : symbole de la réconciliation nationale … de la Côte d’Ivoire.


License