• @ tantaran’i Madagasikara

    Tery aho ny hanoratra eto haingana noho ny adi-hevitra mety ho teraka vetivety tamin’ilay lahatsoratra vao hitantsika mikasika ny tantaran’i Madagasikara. Tsy manam-pahaizana momba ny tantara ny tena nefa dia tena tia handalina ny tantaram-pirenena tokoa. Fantatsika rehetra aloha fa tena mbola vitsy ny raki-tsoratra mikasika ny tantaran’i Madagasikara. Mbola ezaka manokana noho izany ny mamoaka sy mampahafantatra amin’ny be sy ny maro ny amin’izany tantara izany. Izaho moa, famerimberiko ity teny ity dia tsy nianatra momba ny tantaran’i Madagasikara raha tsy tamin’ny taona fahadimy, taona fahavalo irery ihany nandritra ny taom-pianarako manontolo. Hetaheta be tao amiko noho izany ny manangona izay rehetra mahaliana ahy mikasika ny tantaran’i Madagasikara. Ny…

  • Izay tsy miady olom-bodo

    Ohabolana malagasy ny hoe « Izay tsy miady, olom-bodo fa ny to fo mamosavy ». Fa mbola fomba fitenenana malagasy koa ny hoe « Manao vazaha mody miady ». Ilay voalohany milaza hoe olona adala izay tsy miady fa ilay mitana an-dolom-po no tsy mety. Ilay faharoa kosa dia ny mifanohitra tanteraka amin’izay: rehefa miady dia miady fa tsy toa ny vazaha (hita amin’ny télé matetika… ohabolana vaovao io izany?) hoe milaza fa miady kanefa mifandray tanana ihany. Eo amin’ny resaka politika anefa dia tena mirona tanteraka amin’ilay fitenenana voalohany ny Malagasy amin’izao fotoana izao. Rehefa ady dia ady… ary matetika dia tsy ny hevitra intsony no toherina fa ilay olona sy ny maha…

  • Malgachoscopie – Fantatro izay fihaviako

    Toy izao ny fivakin’ny lalàna laharana 60-064 tamin’ny 22 Jolay 1960 mikasika ny zom-pirenena Malagasy : « And. 9 – Dia Malagasy : 1° Ny zanaka an-tokantrano izay Malagasy ny rainy; 2° Ny zanaka an-tokantrano izay Malagasy ny reniny ary tsy manam-jom-piaviana na tsy fantatra izay zo fiavian’ny rainy … » « Malagasy Ikaky, Malagasy i Neny mazava ho azy fa Malagasy aho izany. » Eo am-pamakiana ny tohin’io lalàna io aho … dia tsy azoazoko ny aiko, « Malagasy an-taratasy aho fa inona sisa no mbola Malagasy amiko ? » Araky ny mahazatra ahy amin’ny fotoana toy izao dia tanisaiko avokoa ireo fahatsiarovana izay tehiriziko ao anatiko ao. Ny tsikin’Ikaky, ny halefaky ny tànan’i Neny,…

  • Ankamatatra??

    Manao ahoana daholo tompoko ô!Ity misy tononkalo zaraina…inona ary no tian’ny mpanoratra lazaina? Mangatsiaka indray ny andro Mora dila ny hazavana Nefa izy ao am-ponao mitondra hafànana Feon-kira no mandravaka Ilay fotoana tena miavaka Ka enga anie tsy handalo tsy handalo fotsiny ihany Fa faniriko raha eo foana ianao Tiako loatra ny ho eo anilanao Be fitiavana ianao, mpitondra hery vaovao Fanomezan-dehibe sy fifaliana hafakely Mahagaga ny hery entinao Fihobiana no tanjakao Ka mampahery ahy Mambabo ny fanahy Hirahira no mandravaka Ity fotoana teny miavaka ka enga anie ka tsy handalo mba tsy handalo fotsiny ihany ! Fa faniriko raha eo foana ianao Nolross. Henoy: Andafy [odeo=http://odeo.com/audio/2636873/view] ……………………………………………………………………….

  • Malag@sy miray ?

    Tsy ity no blaogy Malagasy voalohany ary tsy ho farany koa. Ny mampiavaka azy ? Blaogy iombonana ahitanao lahantsoratra samihafa, nosoratan’ny Malagasy teratany sy Vazaha zanatany izay samy mitepo fitavana an’i Madagasikara, miely amin’ny lafy valon’izao tontolo izao. Ny antom-pisiany ? – Ho toerana itarafana ireo hevitra maro samihafa mikasika [akaiky na lavitra] an’i Madagasikara sy ny Malagasy. – Hahamora ny fandinihan’ny mpamaky ireo lahantsoratra miparitaka amin’ny blaogy samihafa anefa samy mitondra ny anjaram-birikiny. – Kianja tokana, mpanoratra maro samihafa. Fampahalalana ireo mpanoratra samihafa mandray anjara sy ireo blaoginy. – Marihina fa misokatra hoan’izay tsy mpitoraka blaogy koa ny fanoratana lahantsoratra [vangio fisoratana anarana / adhésion]. Blaogy iombonana, inona no…