Ento miakatra ity firenena ity

6 mars 2012 by saveoursmile  

Samy nahatsikarika daholo ny rehetra ny amin’ny fiakaran’ny vidin’entana misy eto Antananarivo (sy manerana an’i Madagasikara?). Nosoratana ity lahatsoratra ity mba hilazana izany ary koa mba ahafahan’ny tsirairay mitatitra ny hitany any amin’izay misy azy any.

Ho an’ireo izay monina eto izany dia nahatsikarika fa toa ohatran’ny nifanome baiko ireo mpivarotra rehetra mba hampiakatra ny vidin’entana. Maro amin’ireo fiakarana no efa nampoizina fa tsy maintsy hitranga, anisan’izany ireto:
- ny lasantsy: efa ela ihany ireo mpanjinjara lasantsy no nimenomenona tamin’ny vidin’io lasantsy io ka nanao izay ho afany mba hampiakarana izany. Rehefa nifandrirarira teny izy ireo sy ny fanjakana dia niakatra ihany izany hany ka lasa toa izao ny vidiny amin’izao fotoana izao: Gasoil 2680 Ar, Essence 3240 Ar, Solika fandrehitra (pétrole) 2000 Ar . Raha ny siosion-dresaka re dia toa vao fiakarana voalohany ihany io, ary heverina fa mbola hisy ny fampiakarana hafa ato ho ato,
- ny Jirama: ity indray dia efa nomanina ihany koa ny mpanjifa tamin’ny alàlan’ny serasera fa hisy fiakarana ato ho ato. Raha ny fantatra dia hiakatra 17% ny vidin’ny herinaratra raha toa ka 14% izany ho an’ny rano. Eto moa izany dia mbola ny mpanjifa foana no mitatatra ho an’i Rainilezafy rehefa tsy nahomby ireo mpitantana nifanesy tao amin’ny Jirama.

Ankoatra izay dia toa tora-bato avy any an-danitra izay tsy nampoizina ireto fiakarana ireto:
- ny saram-pifandraisana antelefaonina izay niakatra 40% be izao. Mahagaga ihany hoe io sehatr’asa izay mandany vola be dia be amin’ny dokam-barotra io no tsy « nampiomana » akory ireo mpanjifa fa toa mamely tampoka toa izao.
- ny saribao fandrahoan-kanina moa dia tsy vitan’ny niakatra ny vidiny fa zara raha ahitana. Mahatratra any amin’ny 30 000Ar ka hatramin’ny 40 000 ariary ny gony iray izao raha toa ka latsaky ny 20 000 ariary izy izany talohan’ny nandalovan’ny rivo-doza Giovanna. Aiza ary ireo mpanao fikarohana amin’izao fotoana izao? Izao indrindra mantsy no fotoana tokony hampidirana vahaolana vaovao hanoloana ny saribao mba hikarakarana ireo sakafo any an-tokan-trano. Ny gaz toa tsy takatry ny sarambaben’olona satria dia efa ho 50 000 ariary ny tavoahangy 9kg amin’izao fotoana

Ho an’ireo PPN (iangaviana ireo mpandala ny teny malagasy mba hanome dikan-teny malagasy ny PPN azafady) indray kosa
- ny vary raha vidiana amin’ny kapoaka dia eo amin’ny 450ariary
- ny siramamy dia 3 000 ariary ny kilao
- ny tavoahangy menaka misarona nafarana avy any ivelany dia any ho any amin’ny 5500 ariary any ho any

Araka ny voalaza ery ambony dia tsy feno ireo lisitra ireo. Ny tanjona dia ny hanoratana azy mba ho lasa marika iray ahafahana mampitovy rehefa any aoriana. Aza misalasala mameno izay hitanareo any amin’ny toerana misy anareo tsirairay any avy (mariho ny vidiny sy ny toerana rehefa mametraka izany eto ambany ianareo)

No Tags

Popularity: 1% [?]

Bazar de Noel sy fifamoivoizana

23 décembre 2011 by Avylavitra  

Fety ny andro, na ny marina kokoa, manakaiky andro fety isika izao. Tsy misaraka amin’izany ny fandaniana fahatany fanao rehefa vanim-potoana toy izao (ho an’ny sasany), raha fandaniana tsy azo ialàna kosa ho an’ny hafa.

Rehefa miresaka fandaniana ihany isika dia tsy afa-mivaona amin’ny resaka tsena. Tsy ny tsena rehetra koa anefa no hahaliana fa tsena iray miavaka sy mandalo fotsiny ihany. Dia ny Bazar de Noel

BAZAR DE NOEL

Araka izany anarany izany dia natao manokana ho an’ny andro Noely izy io (na dia miitatra toy ny sima misioka ka lasa lavitra any ambadiky ny taona vaovao aza). Ho fiatrehana izany dia nametraka fepetra ny Kaominina (C.U.A) ka nilaza fa ny eny Mahamasina ihany no azo anaovana ity karazan-tsemìnba iray ity. Andoavana haba ny fisoratana anarana hahazo toerana amin’izany.

Zovy anefa no tsy mahalàla, ary iza no tsy mahita fa ny moron-dàlana rehetra eto Antananarivo Renivohitra mihitsy izao no BAZAR (DE NOEL) ISAN’ANDRO. Ny aza mba tavela sy tafahitsoka any anatin’ireny ampahan-dàlana ireny ihany ny fiara, tompoko, fa dia ao ianao no raisina mandritra ny minitra maro dia maro (mba tsy hitenenako hoe ora miray na roa).

Fa ity no loza, raha efa nandoa vola izao ireo nisoratra anarana hanao bazar de noel eny Mahamasina, moa tsy faiantoka iray lavaka fotsiny ve? Ny hafa anefa aty ivelan’ny faritra manao tsy misy teritery, mivarotra an-kahalalahana, ary mahita ‘kil’ betsaka noho ny azy, satria tsy misy fepetra noraisin’ny Kaominina mba ho fampanajàna ny teny nataony, tsy misy fepetra noraisin’ny Kaominina mba ho fiarovana koa an’ireo nasainy niditra eny Mahamasina, ary tsy misy fepetra sahin’ny kaominina raisina manoloana ireo mpivarotra, tsy vitan’ny manery ny arabe, fa sady mandoto tanàna, sns.  Tsy sahy andraisana andraikitra va re fandrao ….. Asa lahy!

Nihaino radio tsy miankina iray aho ary fandaharana sy fanadihadiana iray efa nalefa hatry ny omaly (22/12/2011) no reko, mikasika ny fitohanana’ny fiara eto Antananarivo Renivohitra. Toa tsotsotra ery ny fanalàna tsiny nataon’ilay mpilaza vaovao tamin’izany. Sahala amin’ny tsy manan-tsiny ery ny Kaominina sy ny polisy monisipaly. Dia gaga aho, tena gaga. Vao nanaomboka ny vay, nodia tsy hita. ka nony mivoaka nàna vao hoe « Fa inona ity? » Asa anefa na fantatry ny mpandraikitra ny tanàna tokoa na tsia (fa izaho aloha mahafantatra), fa ankoatra ny hadalan’ny taxibe (izay mbola tsy sahy andraisana andraikitra mazava ihany koa), dia isan’nby tena antony mahatonga fitohanana eran’Antananarivo io fidinana anaty arabe manao asa fivarotana etsy Behoririka, sy Andravoahangy ary ny faritra manodidina io. Kodiarandroa no fitondran’ny tena ka tsy sarotra ny mahita sy manamarina an’izay. Sarotra ho an’ny fiara mantsy ny handeha hitety fitohanana ka hijery ny maha-mitombina io lazaiko io. Aiza va ka raha miala eto Andravoahangy ianao ho any Alasora, dia aleo faritako eto ny zotra narahako, ary nahitako filaharanà fiara tsy nitapaka mandrapahatonga tany Ambatoroka (mandroso): Andravoahangy, Behoririka, Tsiazotafo, Ampandrana, Ankorahotra, Ambanidia, Ambatoroka….Fa rehefa niverina avy any indray dia toy izao no endriky ny fitohanana: Ankadindratombo, Ambatoroka, Ambanidia, Ankorahotra, Ampandrana, Andravoahangy ambony, Ambondrona, Ambohijatovo, Analakely, Soarano, Behoririka, Andravoahangy ambany (ninia nanalavi-dàlana mba hijery ny zava-misy)

Aoka aloha izay fa lava loatra sady mbola handeha hijery sao mitohana be ao ivelany ao. Mbola hamonjy #Antambl (Antananarivo miblaogy) any amin’ny Chillout Cafè mantsy.

BAZAR DE NOEL, milay fa tohizo eeee! Isan’andro no fetin’ny mpivarotra

No Tags

Popularity: 1% [?]

Sinoa namono malagasy : endrika isehoan’ny fahasarotam-piainana eto Antananarivo

23 novembre 2011 by Mitiyu  

Tabataba, horakoraka, hazakazaka, poa-basy… izany no hita sy re nanodidina an’iny faritr’i Behoririka iny nanomboka ny talata mitatao vovonana ka hatramin’ny maty masoandro. Ny antony dia nisy sinoa roa voalaza fa namono sy nandratra ny mpiasa tao aminy. Hatramin’ny hariva moa dia voalaza fa maty io mpiasa voavono io saingy voalazan’ny emmoreg tamin’ny fahita-lavitra kosa fa velona soa aman-tsara izy.

Tsy ny zavatra nitranga no mbola averina ho tantaraina eto fa ezahina fakafakàna ny antony mety nahatonga izay zavatra nitranga izay.

Etsy an-daniny, ireo sinoa dia fantatra fa matoa izy ireo tonga manokatra varotra eto Madagasikara dia tsy noho ny asa fanasoavana velively fa ny itadiavam-bola. Manararaotra ny tanjaky ny mpandraharaha sinoa eran’ny Afrika, eny fa eran’izao tontolo izao mihitsy aza.Tsy fantatsika na misoratra ara-dalàna ara-panjakana na tsia ireny fivarotana ireny. Adidin’ny tompon’andraikitra no mijery izany.

Etsy an-kilany, dia misy ireo mpiasa malagasy izay manaiky ny hiasa amin’ireny sinoa ireny, dia satria noho ny fitadiavana sy ny tsy fahampian’ny eo am-pelatanana ka manaiky izay karama omena eo eny fa na dia zara aza fa manodidina ny fito alina izay karama farany ambany izany ka tsy maro amin’izy ireny no tsy misoratra amin’ny Cnaps sy Ostie ary tsy manana taratasy fifanarahana arak’asa na « contrat de travail » akory.

Raha ny fitantaran’ny mpanao gazety izay tena nitranga omaly dia fantatra fa noho ny taratasy hosoka na feno takosona nataon’ilay mpiasa rehefa nivarotra kapa vitsivitsy izy no nahatonga ny gidragidra.

Omeko tsiny avy hatrany ilay mpiasa malagasy sy ireo mpiray tsikombakomba aminy noho izany hosoka sy halatra izany raha tena nisy tokoa fa tsy fanendrikendrehina. Ary omena tsiny ihany koa ireo mpividy malagasy izay napanao ireo mpiasa malagasy.Afaka mitory tsara ireo mpivarotra sinoa satria halatra sy fanaovana hosoka izany.

Omena tsiny mafimafy ihany koa ireo sinoa nikasi-tanana satria dia voararan’ny lalàna izany. Azony natao tsara no nitory sy nandefa teny amin’ny polisy ireo mpiasa malagasy raha tena voaporofo fa nisy ny hosoka sy ny halatra. Tsy azony atao kosa anefa ny mamono mandratra. Ary afaka mitory ireo voa atria fikasihan-tànana sy fandratrana izany.

Karama ambany dia matin’ny kolikoly? Noho ny tsy fisiana dia lasa manaonao foana? Laza fahazaran-dratsin’ny fiaraha-monina ny bizina sy ny halatralatra madinidinika? Lasa ohatra ho an’ny vahoaka ve ireo mpitondra sy manakaiky fitondrana toa lasa tafita sy manana tampoka amin’ny lafiny mbola maizina ka mampanitatra hevi-dratsy ny malagasy ambiny?

Izy daholo izany rehetra izany ary toy ny soavaly tapa-kofehy ny Vahoaka ka izay ohatra hitany eo ihany no ianarany ary rehefa tsy manampy azy hahita izay hoarapaka ny mpitondra dia lasa manaonao foana izy ireo. Tsy misy ny asa? Vitsy ny asa? Sa tsy ampy trai-kefa sy mari-pahaizana izy ireto ka dia mionoma amin’ny zava-misy. Mba fantany ve fa misy ireo vahiny fotsy fihodirana miasa eto amintsika no mikarama avo zato heny mahery noho izay raisiny isam-bolana? Tsy vitan’ny malagasy ireny dia tsy maintsy ataon’ny vahiny? Sa miasa kokoa ny malagasy raa ohatra ka vazaha no sefo? Sa fantatry ny karaàna fa rehefa vazaha no atao tompon’andraikitra eo dia mampisokatra ny tsena amin’ny ireo orinasa hafa tantanin’ny vazaha?

Ny zava-misy androany aloha dia hita sy tsapa fa miezaka ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny fivondronana na ny CUA izany. Miezaka mampirindra ny fifamoivooizana sy manala ireo mpivarotra mampitohana sy mampikatso ny fifamoivoizana. Ny any ambonimbony no mbola mila fihezahana amin’ny fanomezana asa, fampianarana sy fitaizana ny mponina, amin’ny fanomezana azy ireo hanina sy rano madio sy ara-pahasalamana ary indrindra amin’ny fitsboana. Aorian’izay ilaina ihany koa ny fananana trano fonenana mendrika sy fiaraha-monina ary fandriam-pahalemana azo antoka. Mbola tsy ampy na tsy misy mihitsy ireo.

Na ny olona mana-katao aza dia mahatsapa fa mora lany kokoa ny vola amin’ireo karazan’entana mitovy tao anatin’izay roa taona izay. Tadidiko fa tamin’izahay mpianatra dia mahatadidy fa ampahafolon’ny vola lany amin’izao fotoana dia efa ampy ary indraindray aza misy ambiny. Tsy azo ampitoviana noho ny trangam-piainna tsy mitovy saingy azo atao ohatra ahatsapana izany fahalafosan’ny vidim-piainana izany.

Fantatry ny ankizy ankehitriny ve fa io vola vy tsy ampiasainy firy sy tsy tiany io dia nahafahana nandeha « bus » nandroso sy niverina sy mbola ividianana mofo gasy sy ramanonaka tamin’izany andro izany, izay tsy dia lavitra loatra? ankehitriny raha izany no tiana ho azo dia fara fahakeliny arivo ariary no vola mila entina.

Ka manaitra ny tompon’andraikitra fa tsy olona madinika indray no ampitahorina grenady mampandats-dranomaso sy basy atao tifi-danitra. Tsy izay no tena olana fa olana avy any ifotony mihitsy io. Aleo ny malagasy rehetra hihinana sy hialoka sy hianoka am-pahalemana.

No Tags

Popularity: 1% [?]

Fa lasa aiza ny ambompom-pirenena?

26 octobre 2011 by Mitiyu  

Mahasadaikatra, mahatezitra ny mahita sy maheno amin’ny haino aman-jery fa TSY MISY TIAN’NY MPAMATSY VOLA ireo olona natolotra ho safidianina ho Praiminisitra. SAtria ve any aminy ny vola dia tsy maintsy milefitra sy manao izay safidiny satria matahotra ny tsy hahazo famatsiam-bola? Ary ireo famatsiam-bola azo hatramin’izay ve tena nampiasaina tsara zato isan-jato amin’ny tokony nanaovana izany sadia misy ampahany betsaka mivily lalana, tsy voatery ho vao izao fa na hatramin’izay aza?

Rehefa miresaka famatsiam-bola izay ihany dia tonga ao an-tsaina avy hatrany ny hoe fahantrana. Satria mahantra ny firenena malagasy sy ny vahoaka malagasy matoa miankin-doha tanteraka amin’ny mpamatsy vola. Tsy resahintsika eto ny hoe na ny amerikana aza mindram-bola sy mitrosa amin’ny eropeana, tsy izay fa ny fiankinan-doha be loatra ataon’ny malagasy amin’ny mpamatsy vola no itarihana ny saina.

source : unfpa

Araka ny fantatra dia voalaza fa firenena anisan’ireo fadiranovana i Madagasikara. Raha ny taha navoakan’ny ONU farany dia maherin’ny 76isan-jaton’ny malagasy no miaina ao anatin’izany fahatrana izany. Izany hoe malagasy roa amin’ny telo izany. Ny ho anina androany mbola ho tadivina rahampitso hany ky mitombo hatrany ny faharatsiana sy tsy fanarahan-dalàna rehetra hahitana izay eritreretina ho mahasoa ny tena. Na ny mpitondra sy mpanao politika sasany aza dia hita taratra anatin’izany tsy dia fahampiana izany ka lasa misika mafy mitady toerana mba hihinanana.

Ary amin’ireo iray ampahatelon’ny olona « miaina tsara » sy manan-katao dia mbola maro koa ny mitaraina amin’ny vidim-piainana sy ny tsy fahasoratana isan-karazany, ao anatin’izany ny fivoaran’ny tsirairay. Firy amin’izy ireny no tsy dia mitrosa sy mindram-bola? firy amin’izy ireny no mahavita mitahiry sy manana ambim-bava ka afaka mikasa tsy misahirana? Misy tokoa aloha ny atao hoe manana ny ampy tsy mitaraina sady tsy sendra izany adin-tsain’ny fiainana andavanandro izany. Mbola afaka manorina trano ara-dalàna tsara, mitafy sy mihinana araka ny tokony ho izy sy ny sisa.

Faly aho raha nihaino radio andro vitsivitsy lasa izay satria dia nisy hevitra efa ifampizarako matetika no manomboka voalaza. Mety tsy avy amiko no nahitan’ilay olona hevitra fa izy mambosaka ilay hevitra fotsiny dia efa mahafinaritra. Toy izao izany : ahoana moa raha tena milaza ho tia tanindrazana sy tia firenena tokoa ireo mpitondra sy mpanao pôlitika ireo raha tsy omena ny tambin-karama tokony ho raisiny fa izay fitaovana ahafahany mampandroso ny firenena aloha ary izay vary sy laoka ampy ho an’ny fianakaviany fotsiny. Izany dia afaka atao mandritra ny enim-bolana na herin-taona. Rehefa hita fa mahavita azy, toy ny karazana fotoam-pitsapana na période d’essai izany. Dia omena amin’izay izay mendrika azy. Toy ny mpiasa rehetra manao « période d’essai » izany.

Rehefa tena hita fa mahafa-po ny zava-bitany sy ny asany dia tsy maninona fa afaka tazonina ela eo ilay olona. Io dia mila ametrahana salan’isa enjehina arakaraka izay adidy sy lahasa tokony ataony. Tratra ilay isa dia voatazona, tsy tratra moa ilay salan’isa dia soloina. Ary raha sanatria ka hita sy tsapa fa nangalatra  sy nameno paosy fotsiny io olona io nandritra izay fotoana izay dia ho sazina avo roa heny noho izay sazy ho an’ny olona tsotra. Mba ho tena ohatra ny mpiasam-bahoaka malagasy fa tsy hitovy amin’ny izao mpanao politika ratsy sy feno hafetsena ratsy maneran-tany sy manerana ny Afrika izao.

Ny tena manahirana ny mpitondra amin’izao fotoana dia ireo olona na vondron’olona, avy eto Madagasikara na avy any ivelany izay misakana azy tsy handidy sy hamehy malalaka ary mitaky valiny sy tombontsoa avy aminy. Izany dia na noho ny fifanarahana miafina izay natao mialohan’ny nahazoana toerana, na ny fifanarahana natao teo amin’ny fitondrana mba hanamorana asa na fahazoan-dalana isankarazany na ihany koa ny fianteherana amin’ireny olona na vondron’olona ireny noho izay vola na fitaovana na fanampiana eritreretina fa mety ho azo avy amin’izy ireny.

Tsy mahavita tena izany isika malagasy raha izany no zohina ary atahorako tsy mahaleo-tena ihany koa. Somary miseho amin’ny fomba hafa indray amin’izay fotoana izay ny fanjanahan-tany fa tsy ho toy izay nitranga teo aloha. Ny loza dia ny sinoa izay zanatany japoney fahiny koa izao no mitsofoka ao anatin’ilay resaka fa tsy ny tandrefana irery intsony.

Raha ny vahaolana afaka aroso amin’izay fotoana izay dia ny hoe tadiavo ny fomba amehezana ny finana na ny finana diso tafahoatr’ireo eo amin’ny fitondrana na ambony na ambany na antenantenany. Miaraka amin’izay dia mila jerena ihany koa aiza no ahafahan’ny vahoaka mihinana sy miasa ary mampidi-bola ho an’ny tokan-tranony. Fa ny tena izy dia ny hoe ahoana no fomba ahafahan’ny malagasy tsy iankindoha tanteraka amin’ireo mpamatsy vola vahiny sy ireo firenena matanjaka ka tsy hiandry izay sitrapon’izy ireo foana vao hanao zavatra sy hiezaka. Tsy misy lalana hafa noho izay efa faleha nefa hita fa tsy dia tena nahasoa loatra ve?

Ho an’ny olona maro dia kamo ny mpiasa malagasy. Ary tsy ny mpiasa ihany fa ny malagasy tsotra izao. Lasa natao biby fampitahorana ireo mpiasa madinika ny fampiasana vahiny amin’ny toerana izay eritreretina ho vita’ny malagasy. Ary izay malagasy apetraka amin’ireny toerana ireny dia ilaina hatrany hisaina sy hanmefy toy ny vahiny. Misy lafiny tsara izany ary misy lafiny ratsy ihany koa saingy avy any amin’ilay vahoaka lazaina kamo aloha no mila mampiseho fivoarana sy fiaraha-mientana ary indrindra indrindra fahazotoana vao afak any tena hivoatra.

No Tags

Popularity: 1% [?]

Tout à moindre prix

4 octobre 2011 by Mitiyu  

La question qui s’est posée en amont de ce post était: « est-ce que les produits de luxe ont-ils leur place à Madagascar ». Cela a quand même soulevé un long débat durant une soirée de de retrouvailles entre quelques anciens d’un institut de renom assimilé à une école de commerce. En faisant l’état des lieux, un groupe de personne constate que le marché de l’immobilier semble ne pas connaître la crise. Par ailleurs, les bijouteries d’Antaninarenina aussi semblent faire face à la situation actuelle (malgré le grogne d’une de mes connaissances parmi eux), de nouvelles galeries commerciales viennent d’être lancées du côté de Pacom Andranomena et de Tana Water Front Ambodivona.

Oui, mais … en voyant de près les marchandises qui y sont vendues. On constate qu’effectivement ce sont des produits de luxe pour le malagasy moyen mais peuvent être qualifiés d’entrée ou de moyenne gamme dans les pays developpés. (c’est un peu l’anecdote des marques Jennyfer et Morgan pour les jeunes filles pseudo-snobs de la capitale, no comment).

J’étais en train de regarder l’Oro de Nokia, ce téléphone plaqué or qui ne figure pas encore parmi la gamme Vertu qui sit dit en passant affiche une forte filiation avec la marque Nokia. En parcourant les magasins et boutiques de Behoririka et de Soarano. Je constate qu’il y a de moins en moins de magasin qui vendent des produits de marques connues au niveau international. Je parle des Samsung, des Blackberry, des IPhone ou encore des LG. On constate qu’il a de plus en plus de marque créée comme des Naza, Q7, Techno, GTech et autres. Ces derniers se substituent à des produits de contrefaçon chinois et se positionne comme étant plus fiable que ces derniers. On peut s’en procurer dès 40 à 60mille Ariary.

A côté je vois des marchands de tongues avec divers coloris et motifs qui semblent s’écouler plus rapidement que les vieilles collections de Churchs ou à la limite de San Marina, de Minelli ou encore de Heyraud que certains importateurs vendent à prix fort avoisinant le triple du prix en France. En descendant du côté de la station Shell de Behoririka, on constate des marchands ambulants qui s’improvisent en artisans, renforçant les sandales et les chaussures en simili ou au mieux en véritable cuir, avec des coutures assez résistantes à la place de la colle utilisée à l’usine chinoise qui les ont fabriquée. Pour couronner le tout, on vend avec les friperies les chaussures neuves made in china et des sweet shirts made in Madagascar, fraichement sortis des usines franches malagasy.

Le point commun de tout ce qui marche assez rapidement? un prix faible et un coût presque raisonnable pour le portefeuille du malagasy lambda. L’idée du « mora » et non pas du « moramora ». C’est à dire, ce qui est toujours le moins cher. On essaie d’acheter malin, mais certains à force d’être radins finissent par payer deux fois pour le même bien.

No Tags

Popularity: 1% [?]

Ianao no heriko…

30 septembre 2011 by Mitiyu  

Tsy dia mahazatra loatra angamba ho an’ny mpitoraka no miresaka fivavahana amin’ny blaoginy. Ary nahatsapa ihany koa ny tena fa tao anatin’izay taona maro nanoratana izay dia tsy mbola nisy na indray mandeha aza nisaorana sy niderana an’Andriamanitra noho izay soa rehetra nomeny sy izay fanampiana nataony hatrizay.

Midera sy mankalaza Azy aho ankehitriny fa lehibe Izy ary mahagaga ny zava-bitany. Tsy dia ireo karazan’olona mivavaka dia miandry fahagagana tsy akory ny tena fa saingy mino sady miasa. Kanefa dia maro ireo zavatra fantatra fa tsy vita raha ny herin’ny tena irery no manao azy, raha tsy nisy ny fitsimbinana sy ny fitantanan’Andriamanitra Ray sy Zanaka ary Fanahy Masina.

Misy namako izay efa ela no noezahiko notarihina mba hino ary antenaiko fa ho tonga iany izay fotoana izay rehefa kasihin’ny fahasoavan’Andriamanitra izy. Toi même tu sais.

Eto aho dia mahatsiaro tarika mpanao rap iray izay. Tsy mpihira rap evanjelika izy fa manana hira iray mahafinaritra ahy izay hoe « Ny Avo ». Ifampizarako aminareo ny tonony :

« Misaora ny Avo Indrindra fa nomeny tongotra mamindra
Misaora ny Avo Indrindra fa nomeny tanana kinga
Misaora ny Avo Indrindra fa nomeny vatana tomady
Misaora ny Avo Indrindra fa ny tany lavitry ny ady
Misaora ny Avo Indrindra fa nomeny filaminana
Misaora ny Avo Indrindra fa ny vava tsy tapaka mihinana
Misaora ny Avo Indrindra fa mbola mahita mangirana
Misaora ny Avo Indrindra fa manana asa ifikirana
Misaora ny Avo Indrindra manan-trano isitrihana
Misaora ny Avo Indrindra fa manan-damba isikinana
Misaora ny Avo Indrindra fa manam-bady iankinana
Isaorako ny Avo indrindra ‘zay natoa izao ahy
Isaorako ny Avo indrindra nanome ny aingam-panah
Isaorako ny Avo indrindra mety ijoro ho mpiaro ahy
Amin’ny fakam-panah sy ‘zay mety ahazo ahy
Misaotra Mankasitraka Mankatelina »


No Tags

Popularity: 1% [?]

fetifety sy harona plastika

6 septembre 2011 by Mitiyu  

Mampalahelo mahamenatra fa raha vao resaka korana na fanasàna mihaja ka arahina resaka harona plastika dia ny mitranga eny Iavoloha isaky ny taom-baovao na isaky ny fetim-pirenena no avy hatrany dia miverina ao anatin’ny resaka ifanaovan’ny olona. Lasa fombafomba ve sa izay no vokatry ny fahantrana ka toy ny tongo-bakivaky, sady maharary no mahamenatra?

Ny olona mitondra sy mameno ilay harona kely mety azo iafina ihany satria maro no niaka-dapa ka tsy dia mhay ny fombafomba, fa ilay izy miseho amin’ny fahitalavitra no tena nahatonga ny resabe. Ao koa moa ireo matin’ny henamaso ka mandevin-tay an-tsalaka te hanao toy iretsy mpameno harona fa na matahotra ny ho azo sary na ihany koa manongo tena menatra noho ny tsy fahaiza-miainan’ny vahiny nohasaina sasany.

Ka tsy fahalalam-pomba ary ve aloha sa tena efa lasa fombafomba mihitsy izy ity?

Raha zohina ny fiaraha-monina malagasy dia tao anatin’ny taona vitsivitsy lasa izay dia efa lasa fomba fanao ny mamono mofomamy amin’ny taratasy famaohana na « essuie-tout na soupalin » ka mitondra izany mody ho an’ireo ankohonana tsy voaasa tamin’ny fety. Efa miha-harivo ihany koa matetika vao tapaka izany mofomamy izany ka hany hery tsy mihinana azy mijanona eo amin’ny latabatra nisy ny tena fa matahotra ny ho tratra hariva na efa laon’ny lanonana ka manisy ny sakafo anaty fonosana ary mitondra azy mody. Indraindray koa tsy lany ny sakafo nifampizarana ka zaran’ny mpikarakara aza misy ny mitondra mody na ho an’ny olona na ho an’ny alika sy ny saka ao an-trano ohatra. Misy amin’ny vahiny nasaina no tsy menatra intsony manolotra harona plastika amin’ireo tanora lahy sy vavy mpikarakara ka mangataka mihitsy ny hamenona izany mba ho sakafon’alikany.

Misy amin’ireo mpikarakara lanonana no manao sakafo tsy fahita ary tsy ho taka-bidin’ireo olona nasaina sasany. Toy ireo atodin’ny papelika na irony atodin’ny haza an-drano lafo vity toy ny caviar itony. Misy ireo raiaman-dreny mba te hizara izany amin’ireo zanany tsy nasaina ka mitondra izany mody toy ireo vatomamy nozaraina tamin’ny fifamofoana na napetraka teny ambony latabatra. Zavatra matetika hita eto Antananarivo sy any amin’ny faritra izany. Ny any amin’ny faritra sasany aza moa omby natao vonoina hamahanana ny fokonolona no lasa entin’ny tsirairay mody ho laoka mandritra ny herinandro.

Rehefa nohadihadiana dia efa hatry ny ela ny teny amin’ny lapan’Iavoloha no nisy izany fombafomba hafakely izany. Tsy vao izao tsy akory fa fitondrana maro nisesy izay. Ny mahalasa saina dia izy ity tsy mahamenatra satria dia toa lasa fomba mihitsy. Ny orinasa sasany aza moa rehefa faran’ny taona ka misy fizarana kilalao sy fiaraha-misakafo dia mahafoy tsy minan-kanina ireo mpiasa sasany mba ahafahana mitondra izay zaka mody.

Dia ahoana izany no tokony hatao?

No Tags

Popularity: 1% [?]