Bibiolona hoe?…

15 février 2010 by Mitiyu  

Tato ho ato dia niverina niely indray ny resaka momba ny fisiana sy ny fivoahan’ny bibiolona eto Antananarivo. Raha vao miresaka bibiolona moe ny eto Madagasikara dia endrika sy bika misy itovizana amin’i Bobel, izay antsasany olona antsasany soavaly, no ao an-tsain’ny maro. Betsaka tokoa mantsy no voakolokola tamin’ireny tantara an-tsary ireny tany amin’ny taona valopolo tany.

Raha tsiahivina ara-tantara dia mahagaga marina fa rehefa misy korontana ihany vao misy mivohy ity resaka ity. entina hanodinana ny sain’ny madinika ka hitebiteby dia tsy hieritreritra intsony ny adilahy pôlitika? asa, isika rehetra mieritreritra. Fa tsy resaka pôlitika no ho resahintsika eto fa resaka kolotsaina sy fiaraha-monina.

Mahatadidy ny tena fa tao akaikin’Analamahitsy tao no nankalazain’ny maro fa nisy bibiolona. Rehefa nanaovana fandalinana sy fanadihadiana anefa dia tsy inona fa toerana fivorian’ireo “Mpaka fo”, izay fiantsoana tsy misy ifandraisany amin’ito fikambanana ito no ao amin’ilay toerana voalaza. Natao ihany ny famakafakana ka tsy nahitana porofo na diany na dia kely aza tamin’izany toerana izany.

Nandeha teny ny fotoana dia niverina indray ilay resaka ka teny amin’ny faritra Anosizato iny indray no nisy olona vitsivitsy nilaza tamin’ny fahita lavitra fa naheno na nifanena tamin’ny “ohatra ny bibiolona”. Nolazain’izy ireto fa ohatra ny haben’ny alika indray ilay izy ka ny lohany no olona fa ny vatany mandady manana tongotra efatra. Dia manontany tena aho hoe : “tena nahita tokoa ve ireny olona ireny sa sanatria olona kilemaina sendra nandalo teny no eritreretiny ho bibiolona noho ny tahotra sy noho ny tsy fandriam-pahalemana?”

Raha bibiolona no resahina ka vinavinaina ho toy ny misy, dia ho mahery setra toy ny ombalahy sy ny voay ary ve sa ho kanosa toy ny papelika? Ny ankamaroan’ny olona mantsy vao mieritreritra izany zavatra tsy fantany izany dia tahotra no mameno ny saina ka moa tsy voahazan’ny olona ny lambo ary tsy voavadika kitoza ny omby?

Raha ara-tsiansa sy fahasalamana, mety hisy tokoa ve izany bibiolona izany? Ny valinteny tsotra indrindra afaka omena aloha dia “eny” mety! Satria noho ny fanandramana etsy sy ero sy ny fahasamponana ateraky ny fiovan’ny tontolo dia tsy misy isalasalana ny ahafahan’izany rehetra izany mipoitra. Raha ny fahasamponana misy fotsiny ohatra no resahina dia hita fa misy ireo akoho no manana tongotra efatra, ny omby misy zana-tongotra fahadimy sy fahaenina mihantona amin’ny fitombenana, ny atody misy akorany hafa ao anaty akorany na tamenany roa, sns.

Fa ny tena fanontaniana afaka iadiana hevitra dia ny hoe mety ho toy ny endrika zazavavin-drano ary ve sa toa an’i Bobel?

, , ,

Fo falifaly, manambony moraly

4 février 2010 by Mitiyu  

Malaladalaka ny lalana, lefilefy ny fitohanana noho ny fety faran’ny taona, tsy ampy tsikitsiky ireo olona mifanena ny tena eny an-dalana. Dia lasa marina ny saina hoe nahoana marina moa no tsy asiana tsiky ity fiainana e?

Aleo tsy valiana io fa ny tsara dia mifampizara tsiky isika rehetra.

- Mitsikia fa tsara ny andro

- Mitsikia fa mbola samy velon’aina

- Mitsikia fa misy foana ny fanantenana na dia kely sy bitika monja aza

- Mitsikia fa tahin’Andriamanitra

- MITSIKIA… dia mizarà TSIKY

 

Nisy fotoana in-droa na in-telo tamin’iny taona 2009 lasa iny dia maro ireo olona no nanana fahakiviana na leo na sosososotra amin’ny tsy misy dikany fotsiny izao. Nisy maromaro ireo tsy faly tamin’ny asany sy ny tambin-karamany ka na dia krizy aza dia naniry ny hiala tamin’ny asany tsotra izao. Ny andro navesatra no mety antony nahatonga izany satria dia ireo maro ireo ihany koa no nanadino izany fisaintsainana izany fotoana fohy taty aoriana.

Aleo tsy misento fa mbola tsy tafavoaka ny ala? Ka raha tsy misento eo ianao ka tsy miaina sao sanatria lahy sempotra ka ho torana, izay vao tena loza! Itondrao tsiky ny fiainanao sy ny manodidina anao fa dia aretina soa mora mifindra izany.

Nisy fianarana kolotsaina tatsinana izay no nampianatra fomba iray mitondra soa sy fahasalamana mora ho an’izay manao azy ity. Mijoro mahitsy tsara ianao, tsy mihenjana ny hozatra rehetra, ampiakarina kely eo amin’ny lanilany ny loha-lela, dia somary akipy tapany ny maso ary mijery any amin’izay farany tsinjo dia miaina mora sady lalina no mitsiky ao anaty;

Mitsiky ao anaty! io no tena lesona tsara ianarana mba ahafahana mitsiky eto ivvelany avy eo.

Eritrereto izay fotoana mamy niainanao… dia mitsikia!

Tsarovy sy saino fa mbola nosoavina ianao matoa mbola afaka mamaky ity lahatsoratra ity… ka mitsikia!

Ary farany isa-maraina ianao eo anoloan’ny fitaratra afaka miteny maromaro hoe “Isan’andro, amin’ny lafiny rehetra aho dia mihatsara hatrany” dia mitsikia fa ho sambatra ianao.

, ,

Mandrimandry manana aretina

3 février 2010 by Mitiyu  

Taloha kelin’ny faran’ny taona 2009 dia niezaka mafy ireo mpilaza vaovao frantsay manamafy amin’ny mpijery sy mpihaino azy fa tapitra ny krizy ekonomika izay iainan-dry zareo any aminy. “Autosuggestion ou réalité”? azo adika malalaka hoe fampiakaran-tsaina sa zava-misy marina?

Matetika mantsy ny tena antony mahatonga ny krizy koa dia ny tsaho sy ny filazambaovao na marina io na diso. Teny iray dia mampiova zavatra maro. ka izany no tena mahatonga ny filazam-baovao ho toy ny fahefana faha-efatra.

Raha ny malagasy no resahina dia toa mandrimandry manana aretina ihany na ny vahoaka na ny mpitondra. Misy ny fambara aretina na “symptôme” misy etsy sy eroa; Anisan’izany ny fitokonana etsy sy eroa. Anisan’izany ihany koa ireo olana eto an-drenivohitra mikasika ny tsena izay tsy tena voavahy fa nafindrafindra na vahaolana vonjy tavan’andro fotsiny. Ary ny tena mibaribary toy ny vay an-kandrina dia ny tsy fandriam-pahalemana etsy sy eroa izay vohizin’ny resa-be etsy sy eroa.

Manoloana izany anefa dia miezaka ny mampihodina ny fiainany andavanandro ramalagasy. Mandeha miasa ireo izay mbola manana izany ary ny tsy an’asa dia manjoretra eny alatrano na eny an-tsena mieritreritra izay mety ho aviny rehefa tsy voatarika hiloka na hanao asa ratsy (tsy misy, hono, ny asa ratsy fa ny maharatsy azy dia noho ny ratsy entiny eo amin’ny fiaraha-moniny)

Mandrimandry manana aretina ny gasy satria manoloana izany rehetra izany dia ekeny avokoa izay mitranga aloha hatreto na dia misy ihany aza ny mimonimonina mangina any amin’ny misy azy avy any. Ekena aloha izay misy dia jerena eo izay fandehany fa dia ho avy koa ity ny andro ratsy ka aleo mifitsaka fa Haiti aza efa tsy fidiny azy…

Raha ohatra ahy ny marary dia tsy dia mpitsabo firy fa sady tsy dia tena mahafa-po matetika ny fanazavany sy ny fitsaboana ataony, afa-tsy izay mpandidy tena mahay na mpitsabo tena miavaka angaha saingy lafo, no sady lafo be ihany koa ny fanafody sasany raha misy izany. Aza mba marary ihany aloha amin’izao fotoana izao raha eto Madagasikara e. Izany fiantohana (assurance na mutuelle) izany aloha dia tsy an’ny be sy ny maro.

Resaka fandriampahalemana no ho resahina, tsetsatsetra tsy aritra, nisy ilay mpamily fiarakaretsaka voatsatotstoka antsy dia naverin’ny mpamono teo anoloan’ny tranony teo Ankadifotsy afak’omaly vao maraina rehefa nantsoin’ny olom-patany, hono, tamin’ny finday ny alina mialoha io loza io. Tsy very ny entana sy ny fananana teny aminy ka dia nahalasa saina hoe inona no tena nilain’ny jiolahy. Ny fiara toa nisy nilaza fa nisy namerina ihany koa avy eo.

Mba nivoaka alinanalina andro talata ny tena hijery ny manodidina ka tsy dia gaga firy mahita ny havitsian’ny fiara mivezivezy eny an-dalana. Misy raha fa tsy hay! andro amin’ny 8ora sy sasany alina izany eny Analakely…

Ka iza koa anefa ny mpitsabo afaka antonina e? Ny vahiny? ny mpitondra sa ny isanisany amin’ny vahoaka tsy mandady arona? (fa tsy izay milaza azy ho vahoaka nefa tsy feno roa alina akory = 1% ny olona eto Antananarivo)? Dokotera ô, aiza ianao ilay tena mahay manasitrana? Tsy mila anao antitra izahay, tsy mila anao tsy manana tra-kefa ihany koa ary tsy mila anao fetsifetsy sy tia kely. Sa ny vahoaka ihany no mpitsabony? Asa re!

, ,

Fa inona marina moa no olana e?

10 décembre 2009 by saveoursmile  

Nataoko ihany ny tsy hiloa-bava kanefa toa niserana tampoka tato an-tsaina ny sombin-dresaka tamin’ny sarimihetsika vahiny iray izay toa nanamarika ahy hany ka nanontany tena ihany aho. Ilay sombin-tantara dia mpahandro sinoa iray izay nimonomonona irery raha nahita ity mpampiasa azy mipenompenona mitady zavatra tsy hay eraky ny trano, ka hoy izy “tsy fantany akory izay tadiaviny, hany ka tsy ahita izy” (dikan-teny malalaka io an…)

Fa inona tokoa moa no olana vahana eto amin’ity tanintsika ity amin’izao fotoana izao e? Moa ve misy iray amintsika afaka mitsangana ka hilaza izany ka hiara-hiaiky ny rehetra fa izay tokoa no rangory fototry ny afo tsara ifanakonana mba ahitana vahaolana? Mino aho fa raha misy  olona iray sahy hitsangana  ka hilaza ny fahitany azy dia hisy tranga maromaro mety hiseho:

- ao ireo hiezaka hampiseho fa “efa nandinika lalina” ny zava-misy mitranga amin’izao ka hamoaka izao karazana tsangan-kevitra natambatambany araka ny niainany ny fizotry ny tantara teto Madagasikara hatrizay ka hatramin’izao …Mety tsy ho diso izany fomba fijeriny izany, fa saingy ho feno ve?

- ao ireo ihevitra hoe “io indray i ranona fa te hanandra-tena”… hany ka na misy mitombina aza ny nolazain-dranona dia tsy ho henoina intsony satria … i ranona io miteny io e

- ao ireo mety ho mitovy hevitra amin’izay nolazaina sy novelabelarina ihany fa toa mahatsiaro ho fandanian’andro fotsiny ihany ny firesahana izany

- mino aho fa maro ireo tranga hafa mety hiseho … ianao mamaky io koa inoako marimarina tokoa fa efa nahita tranga dimy farafaharatsiny ankoatran’ireo …

Ny tiana ho tsindriana dia ity: samy miaiky ny rehetra fa mandalo krizy i Madagasikara amin’izao fotoana izao, tsy handeha hitady ny antony nahatonga azy loatra aho (mbola ho lasa any amin’ny ady hevitra be io raha atomboka, heveriko fa efa be dia be ny ady hevitra nandeha hatramin’izay momba io lohahevitra io ka aleoko tsy ampiana intsony), fa kosa moa ve isika izay samy miezaka mitondra ny anjara biriky amin’ny famahana ny krizy mitovy hevitra amin’ny fahazoana ilay olana ho vahana? Asa lahy fa dia vaka ny saina amin’ity toe-draharaha ity …

,

7 desambra any Kopenagy : aiza ho aiza ny firenena malagasy?

1 décembre 2009 by Mitiyu  

Fotoana fohy, andro vitsivitsy sisa dia higadona ny 7 desambra hanombohan’ny fihaonambe faha-15 n’ny firenena mikambana momba ny fiovan’ny toetry ny andro. Haharitra 11 andro izy io ary eo no antenaina fa hisy fanapahan-kevitra matotra sy mety ho an’ny zanak’olombelona ho soniavin’ireo firenena maro izay ho avy hivory ao, ary andrandraina an’ireo firenen-dehibe mba haka fanapahan-kevitra matotra sy rariny ho fitsinjovana ny fiainan’ny zanak’olombelona sy ireo zava-manan’aina fantatra.Raha ny ara-tantara aloha dia fantatra fa nisy hatrany ireo fiovan’ny toetrandro teto ambonin’ny tany raha tsy hampahatsiahy ny fotoana lavan’ny hatsiaka madiry fantatra amin’ny hoe “ère glaciaire” na ny firotsahan’ny orana lava reny fantatra amin’ny hoe “déluge”.Nanimba ny tontolo iainany ny zanak’olombelona ka raha te hiavotra dia tsy maintsy manarina. Izany indrindra no tiana hahatongavana amin’io fihaonan’ny firenena mikambana any Kopenagy io. Ny sinoa sy ny amerikana dia irina mba haka fepetra matotra mikendry ny tombon-tsoa iombonana, ary ireo firenen-dehibe hafa ihany koa mba hanaraka azy roa tonta ireo. Mino ny tena fa anisan’ny tafiditra ao amin’ny dian’ny filoha Amerikana Barack OBAMA tany Shanghai izany resaka izany.Volana vitsivitsy lasa izay dia mbola maro no nihevitra fa angano ity fiovan’ny toetr’andro ity. Natao nitovy saranga amin’ ny resaka dadabe noely na koa ny sambon-danitra tsy hay fihaviana… Saingy efa maro ankehitriny ireo fisahon-javatra ahafahana manamarina fa misy tokoa ity fiovan’ny toetr’andro ity.Anisan’ireny ny :

  • fitombon’ny faritra ianjadian’ny hain-tany
  • fitomboan’ny tondra-drano etsy sy eroa raha tsy ilaza afa-tsy ny firenena aziatika isika
  • ny fiakaran’ny haavon’ny ranomasina
  • sns amin’ny resaka toetr’andro

Raha hivory ireo firenen-dehibe ireo, inona no zavatra afaka andrasana amin’ny fifidianana hatao ao? Misy tombon-tsoa ho an’ny firenena malagasy ve? sa dia tombon-tsoa mampandeha mialoha ny toe-karena sy ny fifandrasana ara-barotra ahazoan’ny firenena matanjaka tombony no ho raisina sy hosafidiana ao?Ny zavatra tiana hambara dia ny hoe : mila mahafehy sy mahafantatra tsara ny tokony horesahina any ireo solon-tena malagasy ka afaka hanaiky na handà mazava izay voatapaka ao arakaraka izay politika mazava mipetraka sy misy ho an’ny fanatsarana ny firenena.Mila arovana ireo fananana ara-java-boahary mampiavaka an’i Madagasikara ka mila miady mafy ho an’izany isika na eto an-toerana na any ivelany.

No Tags

Ndeha isika hanangana tanan-dehibe vaovao!

19 novembre 2009 by Mitiyu  

aro ireo mponina eto an-drenivohitra no mimenomenona, tsy afa-po amin’ny fiaraha-monina an-tanàn-dehibe kanefa tsy afa-manohatra. Misy ireo tsy mahatanty korontana, fifanjevoana, fitohanan’ny lalana, fahateriteren’ny arabe, loton’ny rivotra, ny tsy fanarahan-dalàna, sns.Alefantsika ny eritreritra satria raha tsy misy ny eritreritra tsy misy ny tanjona ary rehefa tsy misy ny tanjona dia tsy misy ny tody. Somary ovaintsika kely ny ohabolana ka ndeha ataontsika hoe “ny tody hisy raha mazava ny tanjona”. Ndeha hotanisaina fohy ny tanjona amin’izany tetikasa momba ny vohitra na tanandehibe vaovao izany:

  1. Tanàna vaovao, madio, mirindra mba ho tsara ny fiaraha-monina
  2. Olona mifanaja sy madio ary manaraka ny fitsipi-pifehezana misy eo amin’ny samy mpiray tanàna
  3. làlana malalaka, miaina tsara ny fifamoivoizana, mety ahafahan’ny fiara enina na valo mifanena amin’ny toerana sasantsasany
  4. Ny tari-by mitondra ny herin’aratra dia milevina na milentika any ambanin’ny tany fa tsy mikirozaroza eny ambony rehetra eny
  5. Tanàna ifantohan’ny orinasa sy ny varotra ary ny fifandraisana ka mampandroso haingana ny toe-karena
  6. Mponina vonina ny hiasa, hiasa tsara sy haingana ary tena amin’ny fo fa tsy terena na miandry fampitahorana na fampitandremana hatrany vao hanao izany
  7. Fanorenana trano isan-karazany manaraka ny fitsipi-panorenana sy ny drafitra maty paikan’ny fitantanana ny tanàna (construction suivant le plan d’urbanisme)

Hatreo aloha sao dia tsy araky ny sain’ny sasany. Misy sakana vitsivitsy momba ny fananan-tany sy ny vola enti-manorina mila ahitana vahaolana haingana mba ahafana manatanteraka izany. An’isan’izany sakana mila vahàna izany ireto manaraka ireto :

  • Tsy tokony hifikitra be fahatany amin’ny tany kely ananany ny olona fa hanambatra izay anjarany amin’ny hafa ho an’ireo toerana voafidy hananganana izany tanan-dehibe vaovao izany. Afaka omena tany any amin’ny toeran-kafa hanoloana izany ny mpitondra saingy raha sarotra izany dia mila politika mijoro tsara sy matanjaka momba ny fanajariana sy fizarana ara-drariny ny tany misy. (Na tampoketsa aza misy tompony vitsivitsy…)
  • Mila miara-mirohotra amin’ny fanjakana ireo orinasa sy mpampiasa vola eto Madagasikara hanangana na hametraka ny orin’asa mpitantana sy tena mikirakira vola amin’io faritra io. Ka orinasa fitrandrahana na fanodinana no tena hisy ao fa orinasa misahana ny varotra sy ny fifanakalozana ary ny serasera. Mety anisan’izany ny banky, ny magazay lehibe, ny birao maro karazany mpanapa-kevitra ho an’ny orinasany mpitrandraka na mpanodina, ivo toeran’ny fifandraisana sy ny fifandraisan-davitra ary ny teknolojia avo lenta, ny orinasa amin’ny haino aman-jery sns.

Inona ny voka-tsoa mey aterak’izany tetik’asa izany?

  1. fanomezana asa ho an’ireo mpanao trano sy ny foto-drafitr’asa isan-karazany ka mampiakatra ny fidiram-bolan’ny mponina mba ahafahany manjifa sy manatsara kokoa ny fiainany
  2. fanitarana ny orinasa efa misy na fananganana ny orinasa vaovao ka mety hampitombo ny vola miditra ao amin’ny kitapom-bolam-panjakana
  3. hampiodina haingana ireo fampiasam-bola (mbola resaka hafa ny aterak’izay)
  4. hanome ohatra ho an’ny malagasy sasany amin’ny filaminana, fanarahan-dalàna, fahadiovana, fanajàna ny fanànana iombonana, fitiavana fandrosoana, fanarahan-dalàna sy ny fitsipika tsy an-tery fa an-tsitra-po, fahazotoana miasa amin’ny fairaha-monina mirindra sy milamina ary madio ka mampihena ireo fahakizintinana sy hasiahana misy eo amin’ny mponin’Antananarivo na mpandeha an-tongotra, na mpivarotra, na mpitondra fiara-kodia na mpitondra môtô.
  5. sehatra ahafahana mampiseho an’ireo vahiny mety hampiasa vola ny tsy dia fifanalavitan’ny toe-tsaina enti-miasa
  6. fifandraisana tsara amin’ireo mponina sy ny pifanerasera ka tsy ho ambanin-javatra ny fifampiarahabàna, ny fifampisaorana ny fifanaovam-beloma am-panajàna fa indrindra ny fifampitsikitsikiana izay mitondra hery tsara ho an’ny fiaraha-monina.
  7. renivohitra ara-toe-karena ho lavitry ny fahantràna sy ny fahadiranovana maro samihafa
  8. sy ny sisa

Tsy ho azo ekena ao amin’izany tanàna izany ny loto,  ny fahantrana amin’ny lafiny rehetra, ny tsy fanarahana ny fitsipika mifehy ny hakamoana, ny fanambaniana mety hisy amin’ireo tsy mitovy saranga miara-miasa sy miara-monina, …mmmmhhh! nofinofiko eto Dago izany, enga anie hisy tanteraka na dia ny ampahany fotsiny aza. (indrindra ireo tariby an’ny Jirama mandreraka maso misy papango na taditady mihantokantona eny rehetra eny sy ny fifamoivoizana ary ny fahadiovana

Ny tena fitiavan-tanindrazana

3 novembre 2009 by Mitiyu  

Mbola misy ve ireo malagasy tena tia tanindrazana ? Mipetraka ny fanontaniana.

Tao anatin’izay dimampolo taona farany taorian’ny nahazoana ny fahaleovan-tena mantsy dia mampisalasala ihany ny mamaly io fanontaniana io. Mbola afaka valiana tsara ihany izy io saingy tao anatin’ny herintaona izao dia tsy hita mazava izay valinteny tena marina.

Maro ireo mitonona ho tia tanindrazana saingy ny fihetsika sy ny fomba rehetra dia toa maneho fa fitiavam-bola sy voninahitra ary seza eo amin’ny fitondrana no betsaka. Misy ireo mimenomenoma amin’ny tena tokony atao sy tokony ho fomba fiaraha-monina fa tsy mihetsika tsy manao na inona na inona afa-tsy ny fitadiavana mahazatra mba ivelomana.

Misy ireo tena sahy mirotsaka an-dalambe mitaky fanovana saingy tsy manova ny fomba ratsy fanaony sy ireo fitiavan-tena mahazatra tsy mitsinjo ny fiaraha-monina sy izay tena mahasoa ny tanindrazana.

Vonona ve ianao ho faty ho tombontsoan’ny vahoaka malagasy sy fihavaozan’ny firenena ? Vonona ve ianao hanasoa ny tanindrazanao tsy hangataka tambiny na karama ary tsy ho noho ny tombontsoa manokana ? Vonona ve ianao hijoro manoloana ny jadona ankolaka ataon’ireo firenen-dehibe vitsivitsy mikatsaka ny mahasoa azy eto Madagasikara ka mitady amin’ny fomba rehetra hametsena sy hanambaniana anao ? VONONA VE IANAO HIASA AMIN’NY FONAO MANONTOLO KA TSY HIKELY SOROKA MBA HANATSARANA NY TONTOLO MANODIDINA ANAO ?

Namaly TSIA indray, in-droa, in-telo ve ianao tamin’ireo faontaniana teo ambony ireo ?  Mbola tsy tena vonona ny haneho ny mety ho tena fitiavanao ny taindrazanao ianao izany.

Mba inona kosa ary izany ny anjara biriky nentinao ho fanarenana na fanasoavana ny tanindrazanao ? Maro mantsy ireo olona tafaresaka amin’ny tena no milaza fa vonona hanasoa ny ankohonany sy ny fianakaviana fa hatreo ihany satria tsy misy antenaina, hono, ny firenena.

Aza manao fitiavan-tanindrazan’ny taona roa arivo ka mitombo arakaraka ny vola voaray !!!

Page suivante »