Voafidy i Maorisy fa i Madagasikara aiza ho aiza?

9 juillet 2010 by Mitiyu  

Natao ny alarobia 7jolay lasa teo ny fanomezana ireo amboara isankarazany ho an’ny faha -17n’ny World TRavel Awards Africa & Indian Ocean. Maorisy no firenena voalaza fa nahazo izany amboara izany ary AIR MAURITIUS kosa no tamban-jotram-pitanterana nahazo ny amboara natokana ho an’ireo mpitatitra. Marihana fa Air Mauritius no lany raha ny mpifaninana taminy dia tsy iza fa AIR FRANCE, AIR MADAGASCAR, SOUTH AFRICAN AIRWAYS, AIR AUSTRAL ary AIR SEYCHELLES. 

Fanamarihana tiana atao kely fotsiny dia tsy tena afa-po loatra ny tena noho ireo fahatarana maro mitranga ao amin’ny Aeroportn’ny Ramgolaan ao Maorisy… saingy fantatra kosa fa orinasa sy vondronasa 183000 no nifidy nahatonga izany vokatra azo izany. Raha ny fantatra ary hita sy tsapa dia maro ireo mpiasa amin’ny hotely sy toeram-pisakafoanana ary toerana fandraisam-bahiny sy fivarotana maorisianina no tena mahafa-po tokoa raha ny fandraisana no lazaina. Indraindray mampiahotra satria dia toa tena « manompo » tokoa izy ireo. Fatra-panaja sy mihaino izay ilaina sy tadiavin’ireo mpanjifa.

Malahelo ny tena rehefa miresaka momba an’i Madagasikara satria dia mifanohitra amin’izany no miseho. Misy ireo mpiasa amin’ny toeran fandraisam-bahiny isankarazany no tsy dia manaja mpanjifa, toa tsy ampy fiofanana na tsy ampy fanajana ny fijery azy, misy mikitakita indraindray rehefa mba miteny izay tsy mahafa-po ianao. Ary misy mampiandry anao, tsy mijery mihitsy rehefa tonga eo anoloany ianao. Raha ny hadio sy ny hatsaran’ny toerana ihany koa dia rehefa latsaky ny kintana 3 izy ireny dia mampitahotra indraindray, miepaka ny rindrina, maloto ny toerana fidiovana, rovitra ny lambam-pandriana toa sanatria hotely fijangajangana izy ireny. Hita izany any Toamasina, any Toliara, any Fianarantsoa, any Antsirabe, any Moramanga, any Ambatondrazaka, any Nosy Be, sns. Ny toerana sasany kosa indray dia raha vao tsy manana endrika vazaha ny tena dia ilan’ny « sécurité » vaniny fa tsy tokony hiditra angaha? 

Raha ampitahaina amin’ny toerana manodidina ny ranomasimbe Indianina izany dia La Réunion no manakaiky izany fandraisana malagasy izany saingy ny trano sy ny fanaka tsara lavitra. Raha ny ao Afrika atsimo no asiana teny dia mahagaga ny malagasy ny mahita ireo mpiasa mandray mitsiky matetika, manaja olona ary miarahaba sy manontany hatrany amin’izay ilaina sy atao anao. Tsy afaka manambara ny any Mayotte sy Comores ny tena fa ireo aloha no afaka ampitahaina. Seychelles kosa ambarako afaka fotoana vitsivitsy.

Raha ny momba ny orinasa mpitatitra an’habakabaka no resahina dia AIR FRANCE no mahafinaritra ny tena noho ny zavatra atolony sy ny fandraisana ataony. Samy manana ny azy ny solon-tsaina sy ny fandefasampeo sy sary ary afaka misafidy izay tiany hatao na lalao na hijery sinema. Vao nisy fanatsarana ihany koa ny fandaharana misy sy alefa roa taona lasa izay. AIR MAURITIUS dia misy ireo zavatra ireo saingy dokam-barotra no tena betsaka alefany ao, indrindra fa ny mampitohy an’i Maorisy sy Madagasikara. Soa fa tsy dia tena ohatra izay loatra ny azy rehefa mandeha lavitra ianao. AIR MADAGASCAR kosa dia tsara fandraisana saingy dia tsy dia afaka misafidy loatra izay fialam-boly eny ambony eny ianao fa izay alefany eo ihany no ifaliana. Indrindra fa ho an’ny zotra anatiny dia miandry fotsiny ny fotoana ahatongavana eo am-pitsakoana vatomamy sy voanjo izay atolony.

Resaka fizahan-tany ny resaka ary izay no hanohizana ny toraka atao eto. Antananarivo dia lasa fandalovan’ny vahiny satria tsy misy ranomasina no tsy dia ampy atao. Efa nisy ny ezaka ifandombonanan’ny ORTANA sy ny OTM ary ny Ministera momba izany saingy maro no mitady gidro sy ranomasina ary Tsingy… Voalaza fa mba nahazo tombiny kely tamin’ny Fiadina ny Amboara eran-tanin’ny Baolina Kitra i Madagasikara saingy tsy dia tena hita tsy tsapa eny amin’ny fivezivezena rehetra eny. Mety any amoron-tsiraka angamba no tena alehan’ireo olona ireo. 

Misy betsaka azo atao hanatsarana ny fizahan-tany eto amintsika. Eo aloha ny FHORM sy ireo fikambanana isan-karazany toan’ny GO tO Madagascar sns. miezaka hatrany manofana sy mifampizara traikefa amin’ireo mpikambana eo aminy saingy misy toe-tsain’ny mpiasa eto an-toerana mihitsy no mbola mila arenina mafimafy noho ny fitiavam-bola na ny tsy fanajana vahiny na ihany koa noho ny fahenarana diso tafahoatra loatra. 

Tsy mandreraka re tompoko ny fiarahabana amim-panajana, ny fihainoina amim-paharetana izay tadiavin’ny mpanjifa, ny fisaorana, ny fanaovana veloma amin’ny fomba mihaja fa indrindra indrindra ny fitsikina. Tsy mahafaty ny madio sy ny manaja ny fahadiovana amin’ireny toeram-pisana sy toerana fandraisam-bahiny ireny. Tsy mahareraka ny manao ara-dalana ny asa sy ny andraikitra tokony sahanina indrindra fa amin’ireny tamban-jotran’ny fizahan-tany ireny. Misy antenaina maro ny eto Madagasikara saingy tsy tokony hijanona hanantena fotsiny fa mila manatanteraka ihany koa.

No Tags

Popularity: 1% [?]

Naleoko

11 juin 2010 by Dotmg  

Naleoko ihany ianao, ilay alinalim-pody
nihaza harivariva, niandry ankodimirana
im-betsaka no faly fa nahavaky atody
ka hatraty an-trano, mitsiky miramirana

Dia valabalaka iny, fa reraky ny nihaza
tsy mahavita adidy, malaina hisahirana
vao tonga ato am-pandriana, dia miesona toa zaza
ka manome lamosina sy mandry mihorirana

ny lefona milavo, ny basy tsy mifahana
fa tapitrao daholo ny bala fitifirana
raha toa aza aho hikitika fitaovam-piadiana
dia hiala maina teo, tsy hahita izay mangirana.

indrisy ankehitriny, nifindra, niova lasy
ilay rembinao fahiny, ka tsy azo nifikirana

dia lasa izaho indray no toa voaambam-basy
sy anaovanaovanao fijery misompirana

Fa tamin’ireny mantsy, izaho koa aza trotraky
ny lalana nodiavina, sy toerana nonenana.
Fa samy resy isika, samy efa nangotraky
ny afobe lalovana sy ilay fasana ilevenana.

Ianao nandeha nihaza, izaho kosa nohazaina
Fa iza irery moa no hanaiky hoe lembenana?
Samy maka maminy, mitady izay ilainy
Tsy mifampila kisa, tsy misy fitenenana.

Ankehitriny ianao, toa lasa be fitiavana
tsy te-hisaraka amiko, manara-pitombenana
Mavesatra amin’ny fiainako, tsy misy iriariavana
Ka tena mankaleo, mitondra fahasorenana.

Naleoko ilay taloha, fony azoko natao
ny niova tratra iankinana sy soroka itehenana
Na isan’andro mihitsy dia sandry iray vaovao
Indrisy, … ny fotoana tsy ho azoko iverenana.

DotMG – 11 jiona 2010.

Ao amin’ny Facebook ao dia misy vondrona atao hoe Tononkalo Miala Sakana. Ity anankiray ity dia setry fanintelona tononkalo iray antsoina hoe Madama. Ity iray ity aloha dia tsara raha mahavaky ireo telo talohany sy niaingan’ny fanahy nanoratana azy ianao dia mankafiza. Raha mankafy itony karazan-tononkalo itony ianao (na mirevy rima sahala amin’ny an’i Princio) dia asaina hiditra ao amin’io vondrona io dia ao afaka mahita sy mifampizara itony tononkalo itony.

Raha manana compte Facebook dia karohy ny hoe tononkalo miala sakana. Na andramo sao tonga any ity rohy manaraka ity :

http://www.facebook.com/topic.php?uid=115403775167187&topic=59

, , ,

Popularity: 1% [?]

hevitra sendra nandalo

7 juin 2010 by Mitiyu  

Nalefa tamin’ny haino aman-jerimpanjakana tamin’ny faran’ny herinandro teo ny fanombohana ara-pomba ofisialy ny faha-50 taona nahazoan’ny malagasy ny fahaleovan-tena. Hita sy tsapa fa natao am-pahamehana ihany raha ny zavatra hita sy re tamin’izay nitranga teny Andohalo. 

Ny voalohany aloha dia somary gaga avokoa ireo namadibakika onjam-peo raha nahita seho nitranga mivantana nalefa tamin’ny fahitalavitra sy ny vata fandraisam-peo. Dia samy nifampanontany hoe inona io? fa misy inona? Raha tsy nihaino ny kabary dia tsy fantatra hoe fanombohan’ny fankalazana ny faha-50 taona nahazoan’ny malagasy fahaleovan-tena. 

Tsy ampy na ihany koa tsy nisy mihitsy ny serasera momba iny hetsika iny. Mety hoe matahotra ho takon’ny ady baolina kitra goavana izay mitranga atsy Afrika Atsimo angaha dia tsy maintsy natao na ihany koa mety efa tara nefa tsy maintsy hatao dia nalefa? asa aloha, tsy misy mahafantatra isika. 

Ny faharoa dia ny fahazakan’ny herinaratra ny zava-maneno sy ny entana mila izany tamin’io fotoana io. Tsy nifampiresahana tamin’ny JIRAMA mialoha sa sendra ny erikerika tsy nampoizina ka nampisy olana teknika? sa kosa tsy nisy teny nifampiarana tamin’ny tompon’andraikitry ny fanamisam-peo sy ny haingon-jiro isankarazany fa notampohina? asa koa aloha fa ny zavatra hita tsy dia lavorary no fantatra. Izany ve no fanajana izany fahatsiarovana ny nahazoana ny fahaleovantena izany, koa tsy hihomehezan’ny taranak’ireo izay nanome izany hoe rariny raha tokony mbola tsy nomena sanatria? Dia malahelo sy menatra ny tena…

Marihina fa teny ivelan’ny tamboho ny ankamaroan’ireo valala tsy mandady harona raha sendra mba nivoaka nijery izany hetsika izany izy ireo. Dia ny vahoaka dia vahoaka eny foana izany aloha ka mety tsy hahagaga raha zaran’ny sasany aza miaka-dapa mba hamenona harona ireo hanina natokana ho an’ny manankaja izay nasaina.

Ny farany azo ambara mba tsy hanaovana fanakianana be fahatany tsy mampandroso dia ny sary famantarana. Tsara raha jerena amin’ny lafiny teknika izy ity saingy dia somary gaga ihany satria ny sary voalohany tonga an-tsaina raha vao mijery azy dia sarina foza… Tsy dia ilay fozaorana nalaza volana maromaro tsy akory soa ihany satria dia efa lasa resaka politika no niafaran’ito biby iray ito. Fa drakaka izany mba hanazava azy bebe kokoa. 

Ny fahafantarana ny foza dia biby tsy mandeha mahitsy (droiture), kaodikaody ny maso, manongo sy miketoka be fahatany, ary ny sasany moa dia tsy miaina raha tsy amin’ny toerana maloto… enga anie ka tsy nanana izany hevitra izany ny mpikanto tamin’ny nanaovany izany. Roa tokom-bolana sisa dia tonga ny fety, mbola afaka miketrika tsara hahandro hahamasaka izay lanonana hatokana ho an’ny vahoaka sy ny manam-boninahitra ny mpikarakara. Omano tsara hisorohana ny tsy ampoizina sy mba hilanona tsara ny malagasy tsy vaky volo.

Tsetsatsetra tsy aritra ary hevitra sendra nandalo iny. Ka trafon-kena ome-mahery : am-bava homana, am-po mieritra.

No Tags

Popularity: 1% [?]

la fête de la musique

3 juin 2010 by Mitiyu  

cartoon

Dans trois semaines, la France et d’autres pays, y compris Madagascar vont célébrer la fête de la musique. La date exacte est le 21 juin comme tout le monde le sait je pense (je ne suis pas sûr car chaque année il y  a toujours deux ou trois personnes qui demandent en approchant le CCAC ou l’Alliance Française : « Dis-moi, il y a quoi là? », bref…)

Le 21 juin correspond au solstice d’hiver et marque le début de la nuit la plus longue dans l’hémisphère Sud. A l’approche de cette date et souvent fatalement ce jour même on sent tout d’un coup qu’il fait froid. Puis on se prépare de sortir les doudounes et les parkas le soir du 25 juin pour accompagner les enfants avec leurs jolis lampions. 

Sauf que cette année, cet effet de surprise du froid est raté car avec le bouleversement du climat mondial (tiens, je déteste le terme « réchauffement climatique » ou encore « changement climatique », plus particulièrement ce dernier car cela a toujours changé depuis la nuit des temps (si, si, rappelez-vous de vos histoires et de vos sciences naturelles, il y avait eu différents ères avec différents climats)

La philosophie de la fête de la musique devient dénaturée car on fait la fête donc pour le retour de l’hiver… à méditer.

No Tags

Popularity: 1% [?]

Le malgache a-t-il besoin de la démocratie?

2 juin 2010 by Mitiyu  

Une idée qui a bel et bien été ancrée dans la tête du malagasy lambda est qu’il faut une démocratie à Madagascar. Après la République de Madagascar, on a insérer le terme pour ambitionner une République Démocratique de Madagascar.  Les questions que l’on se pose sont :

- n’y a-t-il jamais eu de démocratie à Madagascar?

- pourquoi une démocratie?

- a-t-on réellement besoin de démocratie dans le pays?

Il y a un an et demi de cela, le mouvement TGV a transformé le stade de verdure d’Ambohijatovo en une place de la démocratie. Son utilisation reste néanmoins ambigue et son appelation n’est plus très utilisée actuellement. D’ailleurs, à chaque fois qu’il y a une menace de manifestation de la part d’une des trois mouvances, il y a toujours au moins trois camions remplis des forces armées qui interdisent l’entrée du parc aux manifestants. 

On parle souvent d’élection, une manifestation de la démocratie. Si nous analysons les issus de certaines élections et l’impact social, économique ou politique de certaines élections à Madagascar on peut se demander si on a réellement besoin de la démocratie car en fin de compte on lave le cerveau du peuple « manipulé », on leur explique qu’ils sont malheureux et on leur demande de descendre dans la rue au nom de la démocratie. 

Avec la démocratie, on met aussi en avant la liberté d’expression. Est-ce que cette liberté d’expression existe-t-elle à Madagascar ou est-ce qu’on doit toujours se cacher derrière une autre identité ou sous la ligne éditoriale imposée par le patron de presse pour mieux s’exprimer en toute quiétude? La liberté d’expression peut être la voix du peuple comme la voix d’une entité. La liberté d’expression est une arme dangereuse qui peut faire basculer l’opinion publique.

Dans ce cas, le peuple reste-t-il souverain, détient-il le pouvoir collectivement?  Est-ce qu’il quelqu’un qui peut et qui est attribué pour porter et apporter au pouvoir en place sa voix, ses demandes, ses attentes et surtout ses besoins? Le pouvoir entend-il la voix du peuple, celle qu’on qualifie de la voix de Dieu? 

Depuis la crise, le pouvoir en place, malgré quelque lutte intestine, tente tant bien que mal d’instaurer l’ordre dans le pays. Les bois de rose sont exploités sauvagement et tout est médiatisé, la circulation à Antananarivo ressemble plus à un parcours de combattant dans un jeu vidéo où les moto, scooters, taxi be et piétons font la loi tandis que les automobilistes roulent avec quiétude avec les voitures importées de Hong Kong, de Maurice, d’Afrique du sud dont la direction à droite reste interdite par le code de la route… Les marchands qui font aussi leur révolution en s’installant, non plus sur les trottoirs mais dans la rue même si on ne cite que le nouveau marché de la route de la petite vitesse ou le long de Soarano-Behoririka et le marché de jeudi de Mahamasina où les vendeurs arrivent devant la porte des riverains.

Heureusement, on instaure petit-à-petit la démocratie sur Internet via les sites web de la diaspora et des entreprises locales. Mais là encore, quelques informations dérangent et on chuchote fortement qu’une certaine entité proche du pouvoir pense prendre des mesures « anti-démocratiques » concernant la toile, les bloggueurs, les portails et le net malagasy en général (suivez mes yeux…)

Mais le malagasy a-t-il besoin de la démocratie? sait-il où il veut aller et comment va-t-il y aller? Est-ce que ce peuple qui agit et réagit par sentiment (olon’ny fo) qui oublie assez vite les leçons d’hier peut-il être laissé seul au gré de sa volonté? 

Madagascar a besoin d’un dirigisme socioéconomique adapté à une économie libérale appuyé par le respect et la discipline, chose que la majorité des malagasy ne supporte pas. Lors que je parle ici d’un dirigisme socioéconomique et non pas seulement économique, j’exclus un régime totalitaire qui oriente la décision socioéconomique. Il s’agit ici de trouver le modèle adapté à la situation du pays, benchmarké si on veut, mais propre au pays et non pas théorique comme ceux qu’on enseigne dans les bancs des universités. Les syndicats ne visionnent pas la voie à prendre? le groupement n’arrive pas à se projetter à long et très long terme? les entreprises conduisent à vue et le peuple se demande toujours de quoi le lendemain sera fait?

réadoptons le DIRIGISME SOCIOECONOMIQUE le temps de sortir de l’obscurité.

Mais la condition sine qua non est que l’Etat lui même sait où l’on veut aller et où l’on va. Il y a une différence. L’économie est, avouons-le, rançonnée par l’aide extérieure et les groupes de pressions étrangères. Le social se retrouve dans le même sac car les projets de développement sont monnayés en échange de certaines conditions. Si l’Etat sait où il veut emmener son peuple et s’il sait communiquer aux différents groupes de pression qui lui tient le couteau dans la gorge que là où il veut emmener le pays toutes les parties son gagnantes mais en premier lieu le peuple, il y aura sûrement moins de stress, de pression et d’incompétence.

Il faut dire aussi à ces Etats ou groupes de pression qu’il est plus intéressant de travailler avec un pays économiquement fort et dont le pouvoir d’achat de la population peut se permettre de consommer les produits proposés qu’une population qui se demande où est-ce qu’elle va trouver son pain quotidien et qui se limite à travailler pour ne rien économiser mais juste survivre. Le fait est que certains groupes redoutent le retour de manivelle, une sorte d’effet boomerang. 

Et tout cela risque d’effacer le semblant d’illusion de la démocratie existante. La question à laquelle il faut se concerter actuellement est celle où l’on se demande quelle sera la situation post-démocratique car c’est actuellement la voie générale de tous les pays que ce soit les pays pauvres ou les pays riches. Nous ne vivons plus dans un contexte bipolaire nous sommes actuellement dans une situation multi-bloc où les pays occidentaux et les anciens pays colonisateurs revoient leur copie et révisent leur cours de géopolitique.

No Tags

Popularity: 1% [?]

Ny toeran’ny fivavahana sy ny fanjakana

20 mai 2010 by Mitiyu  

Nifandohy foana rehefa zohina ny fivavahana sy ny fanjakana na ny fitatanam-panjakana raha ny marimarina kokoa. Raha ny teto Madagasikara no halalinina dia hita taratra teo amin’ny tantara hatrany na ny fifankatiavany na ny fifankahalany. Anisan’ny nanamarika ny tantaran’ny fanjakana malagasy ohatra ny filazana fa tsy fitiavan’ny mpanjakavavy RANAVALONA I ny fivavahana kristianina ka nanenjehany azy. Ny ao ambadik’izay tsy voalaza firy anefa dia ny fivavahana kristianina izay efa tsapan’ny mpanjaka fa ho varavarana iray hanozingozonana ny fitondrana misy sy ny filaminana.

Ohatra roa mazava hita sy tsapa ihany koa ny fiarahan’ny filoha teo aloha Marc RAVALOMANANA tamin’ny FJKM sy ny tompokolahy Kardinaly Armand Gaëtan RAZAFINDRATANDRA ka nahatonga ny Kardinaly manaraka, dia tsy iza fa i Mgr Odon Marie Arsène RAZANAKOLONA hanohana ny hetsik’i ingahy Andry RAJOELINA. Hany ka lasa nentin’ny sasany hampifandrafesana ny samy krisitanina.

Raha ny tamin’andron’i Marc RAVALOMANANA no asiana resaka dia anisany nampikorontana ny olona maro ihany koa ny hoe « theocratie » izay noheverina fa nentina hitondrana ny firenena. Raha ny hevitr’io teny io mantsy ho an’ny be sy ny maro izay tsy dia nahafantatra marina ny tao an-tsainy tamin’izany andro izany dia ny hoe fanjakana avy amin’Andriamanitra na hoe fahefana avy amin’ny Voninahitr’Andriamanitra. Ny fitondran’ireo Papa no matetika voafantina ao anatin’izany karazana fitantanana izany ary vitsy na atao hoe tsy misy firy ny fanjakana laika izay voafaritr’izany teny izany. Mifanohitra mihitsy aza ho an’ny maro ny mahalaika sy ny teokrasia.

Raha ny fiteny vahiny no asiana teny dia hoy i Marx hoe ny fivavahana no « rongonim-bahoaka » (« La religion est l’opium du peuple » ka rehefa natao izay hanahirana ny vahoaka amin’ny fitadiavana isan-karazany dia sesefana fivavahana izy ireo mba hanana fanantenana sy toky amin’ny ho avy mba tsy havesatra aminy ny fiainana. Izany hoe endrika iray enti-manamaivana ny olana sy ny adintsaina izay misy izany ny fivavahana ka rehefa misy izy io afaka miasa mora foana ny mpanao politika fa indrindra indrindra ny mpitondra.

Maro ireo mpanabe ara-panahy, pretra, pasitera, presbitera, sns no mampitongilana ny voka-pifidianana noho ireo toro-hevitra atolony rehefa mitori-teny izy ireo. Mbola tafiditra amin’ny fitaizana fanahy ve izy ireny sa efa ny hevitry ny mpitondra lehibe no arahin’ny aty ambany ka aparitany? Raha ny fomba fiteny latina mantsy dia hoe vox populi, vox Dei na raha adika tsotra dia ny feom-bahoaka no feon’Andriamanitra. Ary io feom-bahoaka io marihina fa tsy misy rehefa tsy misy ireo mpitarika sy mpambosaka hevitra.

Betsaka ny fifandraisana misy eo amin’ny firenena frantsay sy malagasy raha tsy hilaza fotsiny ny fiandohan’izany tamin’ny taona 1896 izay taona nanamarika izany fiandohan’ny rohy misy izany ka niafara tamin’ny fanjanahana tamin’ny taona 1960 ka nitohy tamin’ny fifanampiana taorian’ny fahaleovan-tena. Ho an-dry zareo frantsay izao dia tena ady teo amin’ireo solombavam-bahoaka tamin’ny taona 1905 izany fisarahan’ny fanjakana sy ny fivavahana izany. Marihina moa fa ny ankamaroan’ireo vahoaka frantsay dia katolika avokoa tamin’izany andro izany. Fifandresen-dahatra, adihevitra mafana ary tsy nifarana raha tsy voafidy ny lalàna izay mamritra izany fisarahana izany.

Ny an’i Madagasikara, izay ny ankamaroan’ny lalàna misy dia nentina sy nadika avy amin’ny an’ny frantsay dia voafaritra mazava ny maha-laika ny fanjakana hany ka somary nanakorontana ny sasantsasany izay tsy kristianina sy tsy protestanta ny fifanantonana akaiky teo amin’ireo mpitondra firenena sy ny mpitondra fivavahana.

Raha ny salan’isa no jerena anefa dia latsaky ny antsasany amin’ireo vahoaka malagasy no kristianina ary ny ampahany betsaka dia mbola mandala ny favavahana nentin-drazana. Ary ny ampahany ambiny vitsivitsy kosa dia bahanan’ny fivavahana silamo.

Ny zava-misy anefa dia maro ny mpivavaka fa vitsy ny mpino sy tia fivavahana amin’ny fony. Raha tsy hilaza afa-tsy ireny hain-trano teny Foulpointe na ny any Manajara izao, na ihany koa ny ratra sy von’olona misy eto amin’ny firenena dia manahy ny tena ary vaka ny saina satria endrik’ilay ratsy nohita soritra etsy sy eroa. Amin’izany dia lasa ny eritreritra manao hoe amin’ny maha-olombelona ireo antsasa-manilan’ny vahoaka malagasy izay kristianina ireo ve dia tsy maharesy ny ratsy izay misy amin’izao fotoana izao? Sa efa tonga ilay fotoana voafaritra hanombohan’ny ady farany sy ny korontana lehibe ka mbola ny ainy sisa no avotri’reo mpino?

Lasa tia vola ny olombelona, anisan’izany ny malagasy. Mitombo ny kolikoly, mitombo ny fahavetavetana. Mamono ny rahalahiny ny malagasy ary tsy menatra sy tsy miampanga-tena akory avy eo. Mitombo ny sekta mihamaro ny olona mitodika amin’Andriamanitra saingy toa fitarainana sy fangatahana hatrany izy ireny fa vitsy ny fifonana sy ny fisaorana. Malagasy, aiza no alehanao?

No Tags

Popularity: 1% [?]

13 mai 1972 – 13 mai 2007 – 13 mai 2010

12 mai 2010 by Mitiyu  

Ito misy arsivam-pitataram-baovao iray ifampizarako aminareo. Anisan’ireo tapa-porohana sisa tsy may tamin’ireo sombim-baovao nangonina sy notahirizin’ireo haino aman-jery izay tsy misy intsony na tsy manana izany tahiry izany intsony ankehitriny noho ny antony samihafa. Lahatsoratra notontosain’ny mpanao gazety iray tamin’ny 13 mai 2007 ho fanamarihana ny fahatsiarovana ny faha-35 taona nisian’ny hetsiky ny taona 72.

« 13 mey 1972 – 13 mey 2007. Feno 35 taona katroka androany ny tolom-bahoaka izay nampirodana ny Repoblika voalohany.

Tany am-boalohany dia noheverin’ny mpitondra fa tsy dia inona loatra ny zava-nisy. Nisy ny fihetsiketsehan’ny mpianatra niantomboka tamin’ny faha-22 n’ny volana janoary 1972 izay niatombohany dia tsy inona fa ny fandavan’ny governemanta miandraikitra ny ara-tsaina tsy hampivoatra ny fianarana tao amin’ny fianarana ho dokotera tao Befelatanana.

Niainga tamin’io hetsika io ny 13 mai 1972. Nanampy izay sy nampitatra ny raharaha ny zava-nisy teo amin’ny firenena tamin’io taona io. Ankoatr’ ilay raharahan’ny MONIMA tany Atsimo izay nitranga tamin’ny 1971 dia teo ny lafiny sosialy. Nandritry ny dimy taona, lasa dia nitombo avo sasaka ny tanora tsy nanana asa. Na dia ireo nanana diplaoma aza tamin’izany dia voakasik’izay. Ny ampahatelon’ireo nanana diplaoma dia tsy nahita asa nifanentana tamin’ny fahaizana nananany.

Raha teo amin’ny sehatry ny fampianarana izay ihany dia hita fa nandringa ny sekolim-panjakana izay sekoly nolazaina fa natao ho an’ny olon-drehetra nefa raha jerena dia natao ho an’ny zanaky ny mpanan-karena. Ary nihelohelo tao anatin’izany ny fanjanahana ara-tsaina izay mbola ahazoan’ny fianarana frantsay bahana. Teo ny fanjakajakana ataon’ny mpampianatra frantsay sasany izay nibahana ny fanagasiana ny fampianarana sy ny fanamboarana ny fotoana fialan-tsasatry ny mpianatra.

Tsy teo amin’ny sehatry ny fampianarana ihany no nanahiran-tsainan’ny vahoaka, indrindra ny mpianatra tamin’io taona io, fa teo ihany koa ny lafiny toe-karena dia nahatsapana ny fisian’ny endri-panjanahana vaovao entin’ny frantsay, hany ka nahalao ny valalabemandry. Hany ka tsy ny mpianatra ihany no nirotsaka an-dalambe fa na ny ray aman-dreny ihany koa. Rehefa samy niziriziry nitana ny heviny ary ny roa tonta am-bolana vitsivitsy, an-daniny ny mpianatra nanao fitokonana – izay ny teto Antananarivo no nanomboka azy ary dia nitatra tany amin’ny faritany izany – ny volana aprily, ankilany ny tompon’andraiki-panjakana, dia niha-henjana ny raharaha.

Ny alohan’io sabotsy 13 mey 1972, izany hoe ny zoma 12 mey, dia heno tao amin’ny fandefasam-peom-pirenena fa nosamborina ireo mpitarika ny fitokonan’ny mpianatra ary nakatona ny sekoly rehetran’ny ambaratonga ambony sy ambaratonga faharoa. Ny sabotsy marainan’ny 13 mey dia saika ho eny Ambohitsaina araka ny fanao araka ny fitokonana ny mpianatra teto Antananarivo nefa nosakanan’ny FRS izay nanao satro-by sy nirongo fiadina izy ireo.

Saingy nentanin’ny fitakina ny rariny sy ny eritreriny tsy nandry noho ireo namany nolazaina fa natao sesi-tany tany Nosy Lava ireto mpianatra ireto ka nirohotra nankeny amin’ny araben’ny fahaleovan-tena indray. Analiny maro ireo mpianatra tafavory teo hitaky ny famotsorana ireo namany izay voatana ary na dia tsy teo aza ireo mpitarika nahazatra azy dia filaminana tokoa no niseho ary vahoaka marobe no tonga nanotrona azy ireo. Ny sasany aza tonga hitady ireo zanany tsy nody ny alin’iny. Ny sasany kosa tonga hanome hery ny zanany teo.

Tamin’ny 10 ora maraina dia nitoraka grenady mandatsa-dranomaso ny FRS ka nahatonga ny fikorontanana sy ny ady saritaka ary nipoaka ny balan’ny fiadiana mamono. Tamin’io dia voalaza fa nisy 19 no maty tamin’ny mpianatra ary 7 tamin’ireo mpitandro ny filaminana. Tsy lazaina intsony ireo naratra izay notanterina tany amin’ny hopitaly nangatahan-drà tamin’ny fanamafisam-peo.

Tamin’ny iray ora sy sasany tolakandro dia niala tany Ranomafana, provansin’i Fianarantsoa ny filoha Tsiranana ka tonga tamin’ny helikopterany ary nisidina ny vahoaka izay nihotakotaka.

Tamin’ny 4 ora dia nanao filaharam-be ireo ray aman-drenin’ny mpianatra nankeny Tsimbazaza nangataka fiarovana ho an’ireo zanany tao amin’ny Ministeran’ny atitany kanefa voasakana ary voatery niverina nihazo an’Anosy ary tonga tao amin’ny araben’ny fahaleovan-tena indray.

Tamin’ny 7 ora sy sasany hariva dia nanao fanambarana hentitra ny filoha Tsiranana, izay kabary vao maika nampiakatra ny tambavin’ny vahoaka ary dia fanaovana antso samy hitandro ny filaminana no namaranany ny kabariny.

Tamin’ny 9 alina dia re fa nodoran’ny sasany ny birao sy ny trano fanaovana printin’ny gazety Le Courrier de Madagascar ka kila tanteraka.

Ny ampitson’iny, izany hoe ny alahady 14 mey dia mbola vory marobe teo anoloan’ny lapan’ny tanàna ny vahoaka ary dia teo no nanapahan’ny mpianatra hevitra fa ho dorana ny lapan’ny tanàna na dia nandà izany aza ireo ray aman-dreny sasantsasany izay tonga teo. Teo amin’ny rihana faharoa no nanombohan’ny afo ary dia kila tanteraka izany lapan’ny tanàna izany.

Tamin’io andro io ihany koa no nandrenesana fa nametra-pialana ny maha-Minisitry ny Fampianarana azy Andriamatoa Laurent Botokeky ka nosoloina an’Andriamatoa Norbert Ranohavimanana izay Filohan’ny faritany tany toamasina.

Tamin’ny 10 alina dia nanao fanambarana io tompon’andraikatra vaovao io ary nampanantena ny mpianatra fa atomboka ao anantin’ny filaminana sy fahatonian-tsaina tanteraka ny resaka.

Marihana fa ny 18 mey 1972 no voatery nametra-pialana ny filoha Philibert Tsiranana ary nanome ny fahefana feno an’i Jeneraly Gabriel Ramanantsoa hitondra ny firenena.

Izay raha amin’ny ankapobeny ny raharahan’ny tolom-bahoaka tamin’ny 13 mey 1972. Kihon-dalana tsy azo adinoina eo amin’ny tantaran’i Madagasikara satria làlana nahafana’ny Malagasy nanilika tamin’ny ampahany betsaka ihany tokoa na dia efa azo aza ny fahaleovan-tena ny miendri-pangejana sy ny fanjanahana vaovao na ilay antsoina hoe « Néocolonialisme » izay napetraky ny frantsay. Dingana voalohany ihany koa io anefa ho an’ny vahoaka malagasy hanamarihany ny fialany amin’ny fahazanany eo amin’ny sehatra maro sy indrindra ara-politika amin’ny hitantanany ny fireneny amin’ny ho avy. »

Izay ilay fahatsiarovana ny faha-35 taonan’io tolom-bahoaka io.

38 taona aty aoriana, niverina nisokatra ny gazety Le Courrier de Madagascar ary efa ho tafajoro indray izany lapan’ny tanàna voadoro tamin’izany andro izany. Nandroso ve ny Malagasy? Mino marina ve isika fa tena mahaleo-tena ary mahatapaka sy mahatoa ireo sori-dalana tiana enti-mampandroso ny firenena sa dia miankin-doha tanteraka amin’ny fitantanana an-kolaka ataon’ireo firenena matanjaka samihafa?

Raha ny tsapa sy ny hita dia mbola lavitra ny dia ka mila fihezahana mafy sy maro ny malagasy. Ataon’ny lazom-piainana varina sy vendrena noho ny fitadiavana ka tsy mahita izay tena mitranga marina eto amin’ny firenena, ary tsy mahatsapa akory fa misy ireo vitsivitsy mandrovi-tsihy no manararaotra ny tsy fahatsapan’ny sasany ka mampamoritra sy mampilofika ny valalabemandry ka mangalatra sy manangon-karena amin’ny fomba tsy ara-drariny, lavitra ny tombotsoan’ny be sy ny maro.

Vao vita tamin’ny alahady teo ny FIM na ny Tsenabe iraisamp-pirenenan’i Madagasikara. Ho an’ireo izay afaka nijery teny an-toerana dia mety ho lasa ny saina misafosafo loha ka hiteny fa tsy misy ny olana. Fa dia fiarabe vaovao sy matanjaka no mameno iny arabe andaniny sy ankilany ary afovoany izay mampitohy ny lalam-be sy ny tokotanin’ny « Centre de Conférence International » etsy Ivato. Ary rehefa tafiditra ao anatin’izany tsenabe izany dia mahatsapa fa mbola vitsy sy marefo ireo orinasa malagasy na tantanin’ny malagasy raha oharina ami’ny ireo orinasa vahiny na tantananan’ny vahiny.

Efa ho azy izao ny faha-50 taonan’ny nahazoana ny fahaleovan-tena. Izay fahaleovan-tena azo an-taratasy saingy tsy mbola nisy fotoana tena nahatsapana fa mampiabo ny fahavitan-tenan’ny malagasy (« autonomie » na ihany koa « autosuffisance »)

, , , ,

Popularity: 1% [?]