Haverina amin’ny teny Malagasy ny fampianarana eny amin’ny ambaratonga fototra (primaire) araka ny fanapahan-kevitra noraisin’ny fitondram-panjakana. Momba izany no nanasàn’ny fahitalavitra tsy miankina iray (TVPlus) ny mpampianatra mpikaroka eny amin’ny Ambaratonga Ambony RATREMA William, sady mpanorina ny vondrom-panabezana ACCEEM ihany koa.. Ny mpanao gazety nanasa azy kosa dia Onitiana Realy
Indro tateriko ho anao etoana ny dinidinika nataon’izy mianaka ireo ka ny OR dia raiso ho i Onitiana Realy ary ny RW dia raisintsika hoe RATREMA William
OR: …niainga avy teny amin’ny Ambaratonga fototra, avy eo nampianatra teny amin’ny Ecole Normale Supérieur…niakatra hatreny amin’ny Université amin’izao fotoana izao…azontsika resahana tsara mihitsy ny traikefa sy ny zavatra rehetra hitanao, niainanao mikasika ny hoe mpianatra sy ny fampianarana eto Madagasikara….Fanapahan-kevitra noraisin’ny fanjakana ny hoe hamerina ny fanagasiana. Vao mihaino ilay hoe fanagasiana ny olona dia ataontsika hoe mihorona ny hodi-dohany…mihoron-koditra izy satria tonga dia mandray ilay fanagasiana niainantsika tany amina’ny Repoblika faharoa tamin’ny 1972 hatramin’ny 1977 tany. Eo indrindra no mahatonga ilay fisalasalana eo amin’ny raiamandreny izay mpianatra nandalo an’izany taloha satria hitany ny fiantraikan’ilay fanagasiana teo amin’ny tenany sy ny fianarana norantoviny. Amin’izao fotoana izao izy raiamandreny, tsy te-hamerina an’izay intsony ho an’ny zanany na ny taranany. Inona no ambaranao mikasika an’izay, hoe tsara ho antsika ve ny miverina amin’ilay hoe fanagasiana? Avy eo isika mantsy hiditra amin’ny votoatin’ilay fanagasiana hapetraka.
RW: ..na ilay fomba fiteninao azy aza dia somary manaitra ihany ilay hoe mampihoron-koditra ny Malagasy, nefa teny Malagasy, tenim-pireneny, izany izany aloha dia efa somary mahagaga ihany. Amin’ny maha Malagasy antsika izany dia zavatra tokony hahafaly ny hoe fanomezana hasina ny tenintsika izany …nefa zava-misy izay voalazanao izay. Tsara marihana fa raha vao miresaka an’ity teny ity isika, indrindra amin’ny resaka fampianarana dia be dia be ny fihetseham-po…mety mifanohitra. Misy ny faly ary misy ny manahy araka ny voalazanao teo…Tokony ho amin’ny saina tony no hiresahana azy sy hifanakalozan-kevitra momba izany, ary tokony ho lalan-tsaina siantifika no hijerena azy…Tsy maintsy miainga aloha amin’ny zava-nisy ara-tantara…Inona moa no nahatonga antsika amin’izao dingana misy antsika izao? …Inona no hevitr’ireo manampahaizana izay nandalina momba ny toe-tsaina, nandalina momba ny fiaraha-monina, nandalina momba ny maha-olona mihitsy…ireo siansa samihafa manomboka any amin’ny psychologie, anthropologie, sociologie sns…hatrany amin’ny hoe taranja siantifika. Manana ny heviny izy ireny, ary eo anivon’ireo fikambanana iraisam-pirenena toy ny UNESCO …UNICEF dia naneho ny heviny ireo manampahaizana manokana ireo ary nisy fehin-kevitra navoakan’ireny….voaporofo ara-tsiansa. Marihana ihany koa fa isika …dia nanao sonioa ireny fanambarana iraisam-pirenena ireny izay manome hasina aloha ny teny izay nibeazan’ny zaza. Ilay “Tenin-dreny” moa dia nadika ara-bakiteny avy amin’ny teny dfrantsay fotsiny, fa ny hoe “Teny nibeazana” no metimety kokoa. Tsy maintsy mahay mihaino…Tsy maintsy mijery ihany koa ny tarehi-marika hoe raha nampianarina tamin’ny teny Malagasy ny ankizy, nanao ahoana ny vokatra hatramin’izay fotoana izay, …raha nampianarina izy izao nanomboka tamin’ny 1989 isika niverina tamin’ny teny frantsay, nanao ahoana ny vokatr’izay ara-tarehi-marika amin’izao fotoana izao, tsy any aty an-tanandehibe ihany fa hatrany ambanivohitra?…ny raharaham-pirenena, ny hoavin’ny taranaka tsy azo atao amin’ny resaka fihetseham-po….tsy maintsy jerene ihany koa anefa ny fihetsehan’ny sokajin’olona samihafa manoloana izay mety ho fanapahan-kevitra. …raha tamin’ny 1972 isika dia nentanin’ny fihetseham-po fitiavan-tanindrazana noho ny fangejana ny fampianarana nataon’ny mpanjanaka teto…dia na teo amin’ny fanatanterahana aza dia mbola iny fihetseham-po iny no nentina nanatanteraka azy fa tsy mba nihataka kely aloha nandinika. Amin’izao fotoana izao izany ny mampanahy di asao dia resaka fihetseham-po koa…Ny nitranga tamin’ny 1989 dia nisy izany ny resaka zava-nitranga mikasika ny hoe fanagasiana…mbola hofaritana ny hoe inona no fahombiazana na tsy fahombiazna tamin’izy iny…dia nentanim-po indray izany , dia niverina tamin’ny teny frantsay…ary dia nivoaka tamin’ny gazety Le Monde mihitsy hoe “Les Malgaches sont plus Francophiles que les Français” taorian’iny fanapahan-kevitra tamin’ny 1991 iny….Nanome ny heviny ny fanjakana hoe ho ampiasaina ny Teny Malagasy any amin’ny Ambaratonga voalohany ho teny entina mampianatra…efa nanao valan-dresaka Ramatoa minisitra nefa azo ambara fa mbola ilay hevitra fototra fotsiny no voamba hatramin’izao. Fa ny antsipirihany, na ny dingana talohan’ny nanapahana io hevitra io sy ny dingana aorian’ny fanapahjan-kevitra dia mbola tsy voalaza mazava. Fa eto ny mahasarika amin’ilay resaka izany satria mbola tsapa izany vaovao eo am-pelatanantsika ahafantarana amin’ny endriny feno ilay politika vaovao ampiharin’ny fanjakana manomboka izao. Ny zavatra tsapa fotsiny aloha izany dia hoe ampiasaina ny teny ho enti-mampianatra any amin’ny ambaratonga voalohany na any amin’ny ambaratonga fototra ny teny Malagasy, izay aloha izany no zavatra fantatra… Continue reading ‘Ny teny Malagasy ho fampianarana ny zaza Malagasy’


