Ento miakatra ity firenena ity
6 mars 2012 by saveoursmile
Samy nahatsikarika daholo ny rehetra ny amin’ny fiakaran’ny vidin’entana misy eto Antananarivo (sy manerana an’i Madagasikara?). Nosoratana ity lahatsoratra ity mba hilazana izany ary koa mba ahafahan’ny tsirairay mitatitra ny hitany any amin’izay misy azy any.
Ho an’ireo izay monina eto izany dia nahatsikarika fa toa ohatran’ny nifanome baiko ireo mpivarotra rehetra mba hampiakatra ny vidin’entana. Maro amin’ireo fiakarana no efa nampoizina fa tsy maintsy hitranga, anisan’izany ireto:
- ny lasantsy: efa ela ihany ireo mpanjinjara lasantsy no nimenomenona tamin’ny vidin’io lasantsy io ka nanao izay ho afany mba hampiakarana izany. Rehefa nifandrirarira teny izy ireo sy ny fanjakana dia niakatra ihany izany hany ka lasa toa izao ny vidiny amin’izao fotoana izao: Gasoil 2680 Ar, Essence 3240 Ar, Solika fandrehitra (pétrole) 2000 Ar . Raha ny siosion-dresaka re dia toa vao fiakarana voalohany ihany io, ary heverina fa mbola hisy ny fampiakarana hafa ato ho ato,
- ny Jirama: ity indray dia efa nomanina ihany koa ny mpanjifa tamin’ny alàlan’ny serasera fa hisy fiakarana ato ho ato. Raha ny fantatra dia hiakatra 17% ny vidin’ny herinaratra raha toa ka 14% izany ho an’ny rano. Eto moa izany dia mbola ny mpanjifa foana no mitatatra ho an’i Rainilezafy rehefa tsy nahomby ireo mpitantana nifanesy tao amin’ny Jirama.
Ankoatra izay dia toa tora-bato avy any an-danitra izay tsy nampoizina ireto fiakarana ireto:
- ny saram-pifandraisana antelefaonina izay niakatra 40% be izao. Mahagaga ihany hoe io sehatr’asa izay mandany vola be dia be amin’ny dokam-barotra io no tsy « nampiomana » akory ireo mpanjifa fa toa mamely tampoka toa izao.
- ny saribao fandrahoan-kanina moa dia tsy vitan’ny niakatra ny vidiny fa zara raha ahitana. Mahatratra any amin’ny 30 000Ar ka hatramin’ny 40 000 ariary ny gony iray izao raha toa ka latsaky ny 20 000 ariary izy izany talohan’ny nandalovan’ny rivo-doza Giovanna. Aiza ary ireo mpanao fikarohana amin’izao fotoana izao? Izao indrindra mantsy no fotoana tokony hampidirana vahaolana vaovao hanoloana ny saribao mba hikarakarana ireo sakafo any an-tokan-trano. Ny gaz toa tsy takatry ny sarambaben’olona satria dia efa ho 50 000 ariary ny tavoahangy 9kg amin’izao fotoana
Ho an’ireo PPN (iangaviana ireo mpandala ny teny malagasy mba hanome dikan-teny malagasy ny PPN azafady) indray kosa
- ny vary raha vidiana amin’ny kapoaka dia eo amin’ny 450ariary
- ny siramamy dia 3 000 ariary ny kilao
- ny tavoahangy menaka misarona nafarana avy any ivelany dia any ho any amin’ny 5500 ariary any ho any
Araka ny voalaza ery ambony dia tsy feno ireo lisitra ireo. Ny tanjona dia ny hanoratana azy mba ho lasa marika iray ahafahana mampitovy rehefa any aoriana. Aza misalasala mameno izay hitanareo any amin’ny toerana misy anareo tsirairay any avy (mariho ny vidiny sy ny toerana rehefa mametraka izany eto ambany ianareo)
No TagsAntananarivo Miblaogy, ce 23 Decembre 2011 à 19 heures au Chillout Café
21 décembre 2011 by saveoursmile
« Antambl » Kesako me direz-vous. Rassurez-vous, ce n’est pas du « «loza amin’atambo » , encore moins une invitation pour passer à table (quoique
– #antambl est le hashtag sur twitter pour couvrir le prochain évènement « Antananarivo Miblaogy » – qui en est à sa huitième édition (tiens, au fait, il semblerait que je ne sache plus compter, on en est à quelle édition maintenant ?).
Cela se passe au Chill Out Café à Ambondrona, ce vendredi 23 décembre 2011, à partir de 19 heures.
Qu’est-ce qu’un Antananarivo Miblaogy ?
En gros, c’est une rencontre AFK (Away From Keyboard) ou IRL (In Real Life) qui a regroupé, initialement, les bloggeurs qui se trouvent à Antananarivo. Mais le public a bien évolué depuis
Tu peux lire les récits des Antananarivo miblaogy antérieurs (version 7, version 6, version 5). Je suis sûr que les autres online-addicts complèteront les liens pour les versions antérieures (je me sens un peu paresseux pour faire un roll-back … Timeline, es-tu là ?)
Je te vois tout de suite en train de te demander si c’est un évènement exclusivement réservé aux bloggeurs : bien que ceci n’engage que moi, je pense que l’évènement accueille autant des bloggeurs, que des twitter-addicts …Allez, on ne mord pas
Comment se passe un Antananarivo miblaogy ?
Euh, comment les geeks et autres online-addicts passent leur temps ensemble ? En général, cela se passe autour d’un verre (qu’importe le contenu d’ailleurs). Certains y viennent pour raconter leurs expériences, d’autres s’échangent des trucs et astuces tandis que la plupart viennent pour mettre un visage à un pseudo, d’autres font de la pub de leurs projets (eh oui) … En tout cas, la majorité se marre et passe du bon temps ensemble. Rien de formel.
Si tu projettes de venir, j’aurai juste une requête (qui ne reflète que ma perception personnelle des choses, et qui n’est donc pas une « règle« que les organisateurs ont imposé ): un Antananarivo Miblaogy est supposé être une rencontre AFK, de grâce, le monde peut bien vivre sans live-tweet et autres status updates facebook, foursquare et autres google plus … Serait-ce trop demander ? (de toutes façons, tu peux t’étendre de long en large sur le sujet sur ton blog ultérieurement-avec photos, videos et autres anecdotes à l’appui)
Tiens, on arriverait peut-être à se mettre d’accord sur la traduction de «tweet » en Malagasy cette-fois-ci.
No Tagsfetifety sy harona plastika
6 septembre 2011 by Mitiyu
Mampalahelo mahamenatra fa raha vao resaka korana na fanasàna mihaja ka arahina resaka harona plastika dia ny mitranga eny Iavoloha isaky ny taom-baovao na isaky ny fetim-pirenena no avy hatrany dia miverina ao anatin’ny resaka ifanaovan’ny olona. Lasa fombafomba ve sa izay no vokatry ny fahantrana ka toy ny tongo-bakivaky, sady maharary no mahamenatra?
Ny olona mitondra sy mameno ilay harona kely mety azo iafina ihany satria maro no niaka-dapa ka tsy dia mhay ny fombafomba, fa ilay izy miseho amin’ny fahitalavitra no tena nahatonga ny resabe. Ao koa moa ireo matin’ny henamaso ka mandevin-tay an-tsalaka te hanao toy iretsy mpameno harona fa na matahotra ny ho azo sary na ihany koa manongo tena menatra noho ny tsy fahaiza-miainan’ny vahiny nohasaina sasany.
Ka tsy fahalalam-pomba ary ve aloha sa tena efa lasa fombafomba mihitsy izy ity?
Raha zohina ny fiaraha-monina malagasy dia tao anatin’ny taona vitsivitsy lasa izay dia efa lasa fomba fanao ny mamono mofomamy amin’ny taratasy famaohana na « essuie-tout na soupalin » ka mitondra izany mody ho an’ireo ankohonana tsy voaasa tamin’ny fety. Efa miha-harivo ihany koa matetika vao tapaka izany mofomamy izany ka hany hery tsy mihinana azy mijanona eo amin’ny latabatra nisy ny tena fa matahotra ny ho tratra hariva na efa laon’ny lanonana ka manisy ny sakafo anaty fonosana ary mitondra azy mody. Indraindray koa tsy lany ny sakafo nifampizarana ka zaran’ny mpikarakara aza misy ny mitondra mody na ho an’ny olona na ho an’ny alika sy ny saka ao an-trano ohatra. Misy amin’ny vahiny nasaina no tsy menatra intsony manolotra harona plastika amin’ireo tanora lahy sy vavy mpikarakara ka mangataka mihitsy ny hamenona izany mba ho sakafon’alikany.
Misy amin’ireo mpikarakara lanonana no manao sakafo tsy fahita ary tsy ho taka-bidin’ireo olona nasaina sasany. Toy ireo atodin’ny papelika na irony atodin’ny haza an-drano lafo vity toy ny caviar itony. Misy ireo raiaman-dreny mba te hizara izany amin’ireo zanany tsy nasaina ka mitondra izany mody toy ireo vatomamy nozaraina tamin’ny fifamofoana na napetraka teny ambony latabatra. Zavatra matetika hita eto Antananarivo sy any amin’ny faritra izany. Ny any amin’ny faritra sasany aza moa omby natao vonoina hamahanana ny fokonolona no lasa entin’ny tsirairay mody ho laoka mandritra ny herinandro.
Rehefa nohadihadiana dia efa hatry ny ela ny teny amin’ny lapan’Iavoloha no nisy izany fombafomba hafakely izany. Tsy vao izao tsy akory fa fitondrana maro nisesy izay. Ny mahalasa saina dia izy ity tsy mahamenatra satria dia toa lasa fomba mihitsy. Ny orinasa sasany aza moa rehefa faran’ny taona ka misy fizarana kilalao sy fiaraha-misakafo dia mahafoy tsy minan-kanina ireo mpiasa sasany mba ahafahana mitondra izay zaka mody.
Dia ahoana izany no tokony hatao?
No TagsResaka « Taxi be » ihany…
Raha tsiahivina vetivety ny niandohan’ny taxi be teto Antananarivo dia ireo minibus nantsoina hoe « Buxi » angamba no azo lazaina fa tena nisantatra izany. Taty aoriana moa dia feno minibus vita avy any Japon no tena nanao ny ankamaroan’ny asa fitaterana ary amin’izao fotoana dia niampy ireo fiara Mercedes avy any Alemana izany. Iaraha-mahalala sy iaraha-miaina isan’andro izany.
Maro amintsika no lasa manao fanatanjahan-tena rehefa handray ireny fiara fitateram-bahoaka ireny. Vao mipoipoitra ery lavira ery ny lohan’ny fiara dia efa miomana sahady mitana tsara ny poketra na kitapo ary miedinedina hanenjika ny fiara. Satria enjehina mantsy izy ireny amin’ny ora firavana sy fandehana miasa sy mianatra. Raha vao mareforefo dia aleo tsy miandry azy mihitsy raha amin’izany ora izany satria ao ny misavika sy mihazakazaka manaraka azy mandroso amin’izay tiany tena hijanonana, ao ihany koa ny misisika mba ho tafiditra alohan’ny hafa ary rehefa tafiditra dia mbola mitsabikimbikina kely mandigana ireo hazo natao fipetrahana manelanelana ny seza. Toy izay ihany koa ny mivoaka.
Tato ho ato dia maro ireo lozam-pifamoivoizana hita sy re amin’ny haino aman-jery fa nitranga tetsy sy teroa. Fiara mifandona, manitsaka olona, manimba tamboho sy rindrin’olona ary ny mifanenjika samy taksi be. Asa na tena ireo mpamily no tsy mitandina na ny fiara no ratsy karakara na ihany koa noho ny habetsahany dia mitombo arakaraka izany ihany koa ireo salan’isan’ny loza.
Ny zavatra tsapa aloha dia maro amin’ireo mpamily no tsy manaja ny lalàm-pifamoivoizana, tsy manaja ny toeram-piantsonana sy ny fandraisana mpandeha, ary ny tena mampalahelo dia tsy ampy fitaizana sy fanabeazana ka lasa manaonao foana ary rehefa saziana dia migrevy satria tsy zatra manara-dalàna. Efa nisinisy ihany izay teti-kasa niaezaka ny nampanjary ny fifamoivoizana miaraka amin’ireto fiara fitateram-bahoaka ireto, na ny avy ao amin’ny polisim-pirenena izany, na ny avy ao amin’ny polisy monisipaly na ireo fikambana maro isan-karazany na ny gazety izay mampiseho ny tsy fanarahan-dalàna.
Nisy ihany koa ny fanajariana natao ho an’ireo toeram-piantsonana toy izay natao ho an’ny zotra 119 mampitohy an’Ankatso sy 67ha. Nahazoana famatsiam-bola, hono ireny, saingy izao, tsy miova ny fitondran-tenan’ireo mpamily sy mpandray vola. Nisy ny ezaka nataon’ny kôperativa amin’ny nanisiana ireo mpandridra anaty na hoe « cadenceur » izay mitantana ny fijanonana, fampandrosoana na ny fandefasana ny fiara izay miantsona amin’ireny toerana natokana ho amin’izany ireny. Fa mbola tazanao ihany ireo mpamily tsy dia miraharaha loatra an’izy ireny. Satria angamba mety olona tamin’izy ireo ihany no nantsoina ka tsy atahorana na tsy misy lanjany aminy.
Fa dia maro izy ireto amin’izao fotoana. Raha mijery an’iny Anosy iny na iny faritra Analamahitsy-Ambohitrarahaba iny na ihany koa ny valavan’Andraharo mipàka mankany Ambohimanarina iny, dia efa tsy mahataitra intsony ny mahit ireto taksi be am-polony maro mitandahatra mitanjozotra mora manaraka ny onjan’ny fifamoivoizana. Raha sainina an-tsaina ohatra dia ao anatinan’ny zato metatra raha misy fiara roapolo dia farafahakeliny folo na dimy ambin’ny folo amin’ireo no taksi be mifanarakaraka amin’ireo toerana voalaza tetsy ambony izany.
Mbola hitombo ary hihabetsaka hatrany anefa izy ireny satria misy ireo tompom-piara taloha no te hanampy na hanolo ny azy ka tsapa fa nihamaro ireo « Sprinter Mercedes » amidy etsy Andranobevava sy Anosy ary Analakely. Rehefa nanotaniana ireo mpivarotra dia fantatra fa eo anelanelan’ny Ariary 24 tapitrisa ka hatramin’ny Ariary 36 tapitrisa no vidin’ireto fiara fanaovana fitanterana ireto. Misy ny mbola vy ny varavarankely ary misy kosa ny efa vaky fa fitatra no eo. Misy ny fohy ary misy ny lava. Ka arakaraka izay sy ny hatsarany. Ho an’ny « minibus » kosa indray rehefa nojerena ny teny ambany tetezan’ny Behoririka sy ny eny Antetezanafovoany dia eo anelanelan’ny Ariary 14 tapitrisa ka hatramin’ny Ariary 32 tapitrisa no ahafahana mividy izany arakarak’izay hoe misy fitaratra na tsia izay.
Somary mahatsikaiky ihany moa ny fomba famarotan’ireto tompom-piara satria dia malaza amin’izao ny fametahana anaran’orinasa allemàna mba hitenenana fa tena tsara ny fiara satria avy any Allemàna. Efa betsaka mantsy izao no mpanamboatra ireto « autocollant » atao amin’ny fiara izay nahazatra ny nahita azy ireny tamin’ny fiara « tuning ». Rehefa jerena akaiky ny laharan’ny fiara dia misy « 974″ izany hoe avy etsy amin’ny nosy La Réunion izany nefa ny soratra amin’ny vatany dia teny alemàna sy laharana an-tariby allemàna. Toraka izany ihany koa dia mbola soratra amin’ny teny allemàna ihany koa saingy tao familiana amin’ny ankavanana na « conduite à droite » ilay fiara izany hoe na avy any Hong Kong na Japon na firenena hafa ankoatran’i Frantsa sy Allemana ary Belzika.
Eo amin’ny fametrahana ny laharan’ny fiara ihany koa dia misy zavatra mahatsikaiky satria ny laharana avy any hong Kong (litera roa arahina isa efatra) nefa misy ilay soratra « F » amin’ny takelaka mangamanga kely manambara fa avy any Frantsa, hono izany, ny fiara. Na ihany koa litera « B » ne « D » izay midika fa avy any Belzika na Allemàna. Misy kosa ireo manisy takelaka fotsy ka ampitovitoviana amin’ny takelaka avy any Soissy na Allemàna saingy « 974″ kosa indray ilay laharana. Mahavariana, mahatsikaiky.
Fantatra mantsy izany izao fa dia ny fiara avy any Soissy sy Allemàna na ireo firenena Eropeana tandrefana no safidy voalohan’ny mpanjifa dia avy eo vao ny avy any Hong Kong na Japon raha voavadika tsara ny familiana, dia avy eo ny fiara avy ao Frantsa izay voalaza fa ratsy kokoa raha oharina amin’ny avy any Soissy na Allemàna raha taona mitovy. Ny farany moa dia ny avy etsy La Réunion. Ka mety noho izay filaharana izay izany no mahatonga ny fametahana « autocollant » misy orinasa Allemàna na ihany koa ny fanamboaramboarana ny fametrahana ny laharan’ny fiara. Fomba fmarotana daholo moa izany saingy mety ahitana taratra fitaka ihany na izay antsoina hoe « dol » amin’ny fiteny azy ka tsara mailo ihany izay mividy fa tsy manao avy any amin’ny tanàna be vola tsy mahalala na inona na inona.
Sipirintera moa izany ny fiantsoan-dry zalahy an’ireto « Sprinter Mercedes » ireto izay misy milaza fa manana motera « TDI » na dia iaraha-mahita eo aza fa « CDI » no soratra mivandravandra eo. Tsara ihany angamba ny mijery ny fari-pahaizan’ny mpamily sy ny mpanampy azy vao alaina miasa izy ireny na omen’ny fanjakana fahazoan-dàlana hamily. Satria ao amin’ny fanabeazana sy ny toe-tsaina mihitsy no mila harenina.
Aleo manontanitany foana toy izay manaonao foana e!
No Tags

License