Mandrimandry manana aretina

3 février 2010 by Mitiyu  

Taloha kelin’ny faran’ny taona 2009 dia niezaka mafy ireo mpilaza vaovao frantsay manamafy amin’ny mpijery sy mpihaino azy fa tapitra ny krizy ekonomika izay iainan-dry zareo any aminy. “Autosuggestion ou réalité”? azo adika malalaka hoe fampiakaran-tsaina sa zava-misy marina?

Matetika mantsy ny tena antony mahatonga ny krizy koa dia ny tsaho sy ny filazambaovao na marina io na diso. Teny iray dia mampiova zavatra maro. ka izany no tena mahatonga ny filazam-baovao ho toy ny fahefana faha-efatra.

Raha ny malagasy no resahina dia toa mandrimandry manana aretina ihany na ny vahoaka na ny mpitondra. Misy ny fambara aretina na “symptôme” misy etsy sy eroa; Anisan’izany ny fitokonana etsy sy eroa. Anisan’izany ihany koa ireo olana eto an-drenivohitra mikasika ny tsena izay tsy tena voavahy fa nafindrafindra na vahaolana vonjy tavan’andro fotsiny. Ary ny tena mibaribary toy ny vay an-kandrina dia ny tsy fandriam-pahalemana etsy sy eroa izay vohizin’ny resa-be etsy sy eroa.

Manoloana izany anefa dia miezaka ny mampihodina ny fiainany andavanandro ramalagasy. Mandeha miasa ireo izay mbola manana izany ary ny tsy an’asa dia manjoretra eny alatrano na eny an-tsena mieritreritra izay mety ho aviny rehefa tsy voatarika hiloka na hanao asa ratsy (tsy misy, hono, ny asa ratsy fa ny maharatsy azy dia noho ny ratsy entiny eo amin’ny fiaraha-moniny)

Mandrimandry manana aretina ny gasy satria manoloana izany rehetra izany dia ekeny avokoa izay mitranga aloha hatreto na dia misy ihany aza ny mimonimonina mangina any amin’ny misy azy avy any. Ekena aloha izay misy dia jerena eo izay fandehany fa dia ho avy koa ity ny andro ratsy ka aleo mifitsaka fa Haiti aza efa tsy fidiny azy…

Raha ohatra ahy ny marary dia tsy dia mpitsabo firy fa sady tsy dia tena mahafa-po matetika ny fanazavany sy ny fitsaboana ataony, afa-tsy izay mpandidy tena mahay na mpitsabo tena miavaka angaha saingy lafo, no sady lafo be ihany koa ny fanafody sasany raha misy izany. Aza mba marary ihany aloha amin’izao fotoana izao raha eto Madagasikara e. Izany fiantohana (assurance na mutuelle) izany aloha dia tsy an’ny be sy ny maro.

Resaka fandriampahalemana no ho resahina, tsetsatsetra tsy aritra, nisy ilay mpamily fiarakaretsaka voatsatotstoka antsy dia naverin’ny mpamono teo anoloan’ny tranony teo Ankadifotsy afak’omaly vao maraina rehefa nantsoin’ny olom-patany, hono, tamin’ny finday ny alina mialoha io loza io. Tsy very ny entana sy ny fananana teny aminy ka dia nahalasa saina hoe inona no tena nilain’ny jiolahy. Ny fiara toa nisy nilaza fa nisy namerina ihany koa avy eo.

Mba nivoaka alinanalina andro talata ny tena hijery ny manodidina ka tsy dia gaga firy mahita ny havitsian’ny fiara mivezivezy eny an-dalana. Misy raha fa tsy hay! andro amin’ny 8ora sy sasany alina izany eny Analakely…

Ka iza koa anefa ny mpitsabo afaka antonina e? Ny vahiny? ny mpitondra sa ny isanisany amin’ny vahoaka tsy mandady arona? (fa tsy izay milaza azy ho vahoaka nefa tsy feno roa alina akory = 1% ny olona eto Antananarivo)? Dokotera ô, aiza ianao ilay tena mahay manasitrana? Tsy mila anao antitra izahay, tsy mila anao tsy manana tra-kefa ihany koa ary tsy mila anao fetsifetsy sy tia kely. Sa ny vahoaka ihany no mpitsabony? Asa re!

, ,

7 desambra any Kopenagy : aiza ho aiza ny firenena malagasy?

1 décembre 2009 by Mitiyu  

Fotoana fohy, andro vitsivitsy sisa dia higadona ny 7 desambra hanombohan’ny fihaonambe faha-15 n’ny firenena mikambana momba ny fiovan’ny toetry ny andro. Haharitra 11 andro izy io ary eo no antenaina fa hisy fanapahan-kevitra matotra sy mety ho an’ny zanak’olombelona ho soniavin’ireo firenena maro izay ho avy hivory ao, ary andrandraina an’ireo firenen-dehibe mba haka fanapahan-kevitra matotra sy rariny ho fitsinjovana ny fiainan’ny zanak’olombelona sy ireo zava-manan’aina fantatra.Raha ny ara-tantara aloha dia fantatra fa nisy hatrany ireo fiovan’ny toetrandro teto ambonin’ny tany raha tsy hampahatsiahy ny fotoana lavan’ny hatsiaka madiry fantatra amin’ny hoe “ère glaciaire” na ny firotsahan’ny orana lava reny fantatra amin’ny hoe “déluge”.Nanimba ny tontolo iainany ny zanak’olombelona ka raha te hiavotra dia tsy maintsy manarina. Izany indrindra no tiana hahatongavana amin’io fihaonan’ny firenena mikambana any Kopenagy io. Ny sinoa sy ny amerikana dia irina mba haka fepetra matotra mikendry ny tombon-tsoa iombonana, ary ireo firenen-dehibe hafa ihany koa mba hanaraka azy roa tonta ireo. Mino ny tena fa anisan’ny tafiditra ao amin’ny dian’ny filoha Amerikana Barack OBAMA tany Shanghai izany resaka izany.Volana vitsivitsy lasa izay dia mbola maro no nihevitra fa angano ity fiovan’ny toetr’andro ity. Natao nitovy saranga amin’ ny resaka dadabe noely na koa ny sambon-danitra tsy hay fihaviana… Saingy efa maro ankehitriny ireo fisahon-javatra ahafahana manamarina fa misy tokoa ity fiovan’ny toetr’andro ity.Anisan’ireny ny :

  • fitombon’ny faritra ianjadian’ny hain-tany
  • fitomboan’ny tondra-drano etsy sy eroa raha tsy ilaza afa-tsy ny firenena aziatika isika
  • ny fiakaran’ny haavon’ny ranomasina
  • sns amin’ny resaka toetr’andro

Raha hivory ireo firenen-dehibe ireo, inona no zavatra afaka andrasana amin’ny fifidianana hatao ao? Misy tombon-tsoa ho an’ny firenena malagasy ve? sa dia tombon-tsoa mampandeha mialoha ny toe-karena sy ny fifandrasana ara-barotra ahazoan’ny firenena matanjaka tombony no ho raisina sy hosafidiana ao?Ny zavatra tiana hambara dia ny hoe : mila mahafehy sy mahafantatra tsara ny tokony horesahina any ireo solon-tena malagasy ka afaka hanaiky na handà mazava izay voatapaka ao arakaraka izay politika mazava mipetraka sy misy ho an’ny fanatsarana ny firenena.Mila arovana ireo fananana ara-java-boahary mampiavaka an’i Madagasikara ka mila miady mafy ho an’izany isika na eto an-toerana na any ivelany.

No Tags

Na ho foana aza ny ala atsinanana…

5 juin 2009 by Mitiyu  

Fomba fiteny taloha teto amintsika io fitenenana manao hoe ” na ho foana aza ny ala atsinanana…” io. Entina milaza zavatra iray tsy mety hitranga raha tsy misy tena sampona sy mahagaga mihitsy. Mifanakaiky amin’ilay fitenenana nadiaka avy amin’ny teny vahiny manao hoe “na haniry nify aza ny akoho…”

Amin’ity andro iraisam-pirenena  ho an’ny tontolo iainana ity dia tsy ho hay ny tsy hiresaka ny zava-misy eto amintsika. Ny “lavaka”, ny “kere”, ny “hain-tany”, ny “tondra-drano”, ny “rivo-doza”, ny faharingananan’ny biby sy zavamaniry samihafa.

 Iza marina moa no nanam-po fa mety hihena be sy ho foana io alan’ny atsinanan’ny nosy io? Tsy nisy satria dia ala nikitroka ny teo tsy vao ela akory izay. Misy mila kitay, misy ny mila harina na saribao, misy ny manao tavy na ihany koa ny antsoina hoe fambolena azo avy amin’ny doro-tanety, ary misy ny mandoro tanety tsotra izao.

Nahafinaritra ery izany mahatsiaro ny filalaovana any anaty alan’i Mantasoa izany ka mifarana eo amoron-drano avy eo. Milalao dia very iray andro tontolo tao amin’ny valan-javaboahary tao Andasibe. Andasibe angamba sisa no mety mbola ahatsapana izany rehetra izany fa ny ambiny mety tsy dia ho toy izany intsony satria dia lasa ala kininina sy kesika fotsiny sisa ny ankamaroany.

Voalaza fa ny alan’ny Amazonie no havokavok’ity planeta tanintsika ity ka raha tsy mis intsony io ala io dia ho sahirana ny zanak’olombelona. Hita koa fa ny alan’atsinanana no havokavok’i Madagasikara. Raha natahorana handripaka ny rivo-doza tato ho ato dia toa tsy nahavanona na inona na inona, tsy maniry loza sanatria fa mba mitsinjo ihany koa ny rotsak’orana ilaina isan-taona.

Nankaiza izao ireo gidro? ireo sahona tsy fahita afa-tsy teto amintsika? nankaiza ireo lolo isan-karazany sy ireo biby tsy tambo isaina? Any tsimbazaza??? toa tena nihena be mihitsy ny isany sy ny karazany ka rehefa tsy eo intsony vao tsaroana ny fisiany taloha.

Raha ohatra ka tsy fantatsika ny ilana ny ala, tsy mba hitantsika ho mahafinaritra kosa ary ve ny mahita ireny ala sy ny harena afeniny? Miala ny renivohitra na ny tanàna dia makamaka aina eny amoron’ala no sady amoron-drano. Betsaka ny biby noho izany dia azo ekena ny fihazana sy ny fanjonoana ho fialam-boly.

Lazaina fa tsy azo avezivezy ny hazo. indrindra indrindra fa ireo karazany lafo vidy toa ny voamboana na palissandre, sns. Nefa dia misy ireo manam-pahefana na mahita atao no fantatra fa mbola maka izany sy manondrana azy etsy Maorisy na any Sina. Ireo mba atonontonony te hividy hazo hatao fanaka na hatao gorodona na hatao tafo dia tsy afaka fa voarara, hono. Misy lalàna mandringa izany sa misy ny ambonin’ny lalàna eto Madagasikara.

Tamin’ity krizy ity izao dia heno fa misy ireo mikatsaka ny hanondrana 3000 ka hatramin’ny 5000 taonina “bois de rose” any amin’ireo sinoa ka ny fifanarahana sisa andrasana. Avy aiza avy ireo hazo ilaina haondrana ireo? Mila valiny…

Rehefa tonga ny fotoana fambolen-kazo dia toa lasa fitsangatsanganana no betsaka fa vitsy ireo izay tena mba mamboly amin’ny ara-dalàna ka mahavanona ny voliny rehefa mba miverina herintaona na roa taona aty aoriana. Rehefa mamboly hazo mantsy dia ny mpanao gazety no tsy maintsy atao mahita ilay iray na roa mba napetraka tao anaty lavaka ka rehefa azo ny sary dia lasa mamoaka “rano mafana” mba ho soa ny fiarahana.

Efa azonao an-tsaina ve i Madagasikara lasa tany efitra, tsy misy afa-tsy fasika mivangongo (mba tsy ilazana hoe fako mivangongo) toy ny any Sahara, na tsy mijery lavitra fa ao atsimotsimo andrefana ao Sarodrano ao? Loza raha izany no tanteraka. Miova ny toetr’andro, folo taona sisa raha be indrindra isika no afaka manarina izany trangan-javatra izany.

Dinidiniho, eritrereto ary aparitaho izay tokony atao.

, ,

13 mai : état des lieux des 37 dernières années

13 mai 2009 by Mitiyu  

37 ans de barbaries et de dépendance cachée.

 

 Telle pourra être le titre d’un premier état des lieux de la civilisation malagasy, si civilisation il y a. L’hôtel de ville de l’Avenue de l’Indépendance a été incendié, le Palais de

la Reine ou Rova de Manjakamiadana l’a été aussi. D’autres incendies ont marqué les différents bouleversements historiques de Madagascar et on ne peut oublier la date de 26 janvier 2009 ou quelques sociétés privées ont aussi été victimes de pillages et d’incendies bien orchestrés.

 

Ces malagasy aiment le feu, et ils périront par le feu…

 

Madagascar ou plutôt Antananarivo, l’incitateur des mouvements a donc connus plus de quatre périodes de bouleversements et de mouvements populaires (quid de la quantification dans la terminologie “peuple” à Madagascar : 1,5% - 2,5% - 5% ou combien?) : 1972, 1991, 2002, 2009 ainsi que d’autres événements relativement mineurs.

 

Pour une fois depuis la crise, j’assiste à une, soi-disant, sagesse populaire et de la classe politique de Madagascar : le 13 mai 2009 était calme et la vie quotidienne ressentait plus ou moins la rose,… eh oui! soit on rêve soit on se permet de rêver…

 

Personnellement je déplore la destruction pour la reconstruction. Que d’énergies perdues à refaire la même chose sinon plus, que de dépenses faramineuses qui auraient pu contribuer à développer le pays par une autre manière, que de démagogies et de promesses non tenues au profit d’une “enferisation”  constante de la vie quotidienne et d’une “bobélisation” relative des forces de l’ordre qui, il y a quelques semaines, matraquaient partout qu’elles sont là pour protéger la population, ses biens et les institutions…

 

Actuellement, on constate une nette régression de l’environnement socio-politique et économique de Madagascar : personne ne fait confiance à personne, on regarde d’un mauvais œil celui qui a une opinion “extra-ordinaire”, on persécute une certaine frange de la population, on instaure sournoisement la “sécurité-zéro” après 20h, on se méfie de son téléphone et du téléphone des autres et les spyphones gagnent le marché malgache. 

Combien de morts? combien de dégâts matériels? combien d’insultes et de dégradation de biens d’autrui? combien de propos racistes? combien d’Ariary de dommages? … COMBIEN de tout cela le pays a-t-il connu durant ces quarante dernières années? QUEL EST LE BILAN FINAL? QUI EN EST LE RESPONSABLE?

 

On chuchote et on parle bien bas lorsqu’on évoque la situation actuelle. On craint les oreilles indiscrètes qui risqueraient de vous montrer du doigt parce qu’on a mal compris votre position et idéologie politique. Les membres de la famille évitent de parler de la politique pour préserver la relation familiale alors qu’il y a peu de temps tout le monde semblait être des experts politiques.

 

 On parle d’ingérence des américains, on suspecte une manipulation d’un autre pays étroitement lié à Madagascar, on jase sur les intérêts imminents ou latents des investisseurs arabes à Madagascar alors qu’on a franchement critiqué les projets des coréens à Madagascar…Le peuple malagasy semble vite oublier… et c’est dommage! qui va les sortir du tunnel maintenant? Est-ce qu’au moins il risque de sortir de ce tunnel? il semble que les actions à très court terme ne sont pas convaincants. (pain, huile, carburant, riz,…) La censure n’a jamais été aussi féroce. On ment au peuple, on ment à son peuple! Et le peuple y croit… Aza mba badraodra ihany hoy aho!

Où se trouvent les intellectuels, les sages et les avenirs de ce pays? Réponse : tout le monde tient à sa vie et à sa liberté et ferme sa gueule car on n’affronte plus des hommes mais plutôt des possédés et des démons. La logique géopolitique veut que

la France s’intéresse à tout ce qui se passe à Madagascar, que l’Union Africaine se soucie de ce marché de 20 millions d’habitants qui ne pourra pas exporter pour envahir le marché africain, que les autres pays ne demandent que la soumission et la dépendance de la grande île pour mieux pomper ses ressources naturelles et les autres richesses de ce pays.

 

Le Mal-gâche à coup sûr! Mais qui peut y remédier? 

, , , , ,

Honneurs aux reporters et malheurs aux menteurs

13 mars 2009 by Mitiyu  

La situation sociopolitique de Madagascar, pour ne pas insister sur l’appelation “crise”, est très inquiétante pour les malgaches et les étrangers résidents en général, mais surtout pour le quatrième pouvoir qui est la presse. 

Déjà il y a quelque jours, l’Express de Madagascar n’a pas été paru “exprès” pour signaler et dénoncer les intimidations et les menaces que reçoivent les journalistes et la société. Aujourd’hui, cinq grands quotidiens de la capitale sont restés introuvables

J’aimerais ici rendre hommages à tous les reporters et autres journalistes qui ont contré vents et marrées pour mieux informer malgré une situation précaire et des conditions de sécurité aléatoire.

Ce sont des reporters locaux et étrangers qui, n’ayant pas suivi une formation militaire comme certains journalistes qu’on envoie au Darfour ou à la bande de Gaza, ont risqué leur vie pour honorer leur travail. Ils risquent des  balles perdues, risquent l’écrasement dans un mouvement populaire, la détérioration du matériel qui sert souvent de preuve à un crime, la pression physique éprouvé par les différentes alertes, etc. Par ailleurs, malheurs à ceux qui manipulent l’opinion publique et qui rapporte des faits inexacts ou de purs mensonges. En voulant manipuler son lectorat, ils risquent de se voir attirer la colère en eux. Au pire, ils inciteront les gens à détruire, à saccager et surtout amener le chaos là où ils sont ou là où ils veulent. 

Le terme de “quatrième pouvoir” n’est pas là pour animer l’ego de la presse mais surtout pour rendre à Dieu ce qui est à Dieu, à Cesar ce qui est à Cesar et aux peuples ce qui leur revient de droit. A savoir, la sécurité, la véracité d’une information et surtout l’éclaircissement d’une situation par un analyse objectif et critique et non destructif. L’information est le phare du peuple et le sel de la nation. Aux reporters d’être dignes, factuels et objectifs. 

, ,

Bandy sy rôla sa polisy sy volera?

11 mars 2009 by Mitiyu  

Hita sy tsapa izao fa dia ohatra ny milalao ireo hery samihafa misy eto Antananarivo. Mampahatsiahy ireo kilalao fanao fahiny. Misy karazany telo izy ireo :

1. Misy aloha ny Polisy sa volera :Raha ampitahaina amin’ity lalao iray ity ny zava-misy dia hita fa hatramin’ny 26 janoary lasa teo dia ny tarik’andriamatoa filoham-pirenena Marc Ravalomanana no volera. Dia nifanenjehina, tsy tratra… ao anaty “but” vao hita. Nopotehina ny fitaovany sy ny fanànany mba handemena sy ivoahany ka indrisy fa voa izy dia nifamadika indray ny lalao ka lasa ny antokon’olona tarihin’andriamatoa filohan’ny HAT Andry Rajoelina indray no lasa volera ka avy aty amin-dRavalomanana ny polisy. 

2. Nisy lalao faharoa nipoitra avy eo : Bandy sy rôla. Nanomboka ny faha 28n’ny volana janoary dia nihitatra ho lasa bandy sy rôla ny lalao ka “gain! gain!” indray no niampy ilay “azoko ialahy!” Nivoaka ny EmmoNat. Lasa nisy mpandromba feno ny tanàna tsinona, hono. Ka tsy maintsy samborina ny olon-dratsy.Bandy sy rôla nifangaro polisy sy volera ny lalao teto izany.

3. Nihitatra ihany ny lalao ka lasa nisy “jeu d’échecs” indray teto Madagasikara:Mila vonoina, na samborina na ho anina ny mpanjaka izay vao lazaina hoe mandresy. Ka samy nisafidy ny lokony ny mpilalao. Tsy fotsy na mainty intsony no nampiasaina fa “fluo”volon-doranjy “fluo” ny andaniny ary mavo “fluo” kosa ny ankilany. Efa moderna ery izany lalao izany satria rehefa tsy hazo, tsy vy na koa fitaratra no nampiasaina dia lasa loko moderna “fluo” indray izany izao no lamaody.

Amin’ny lalao “échecs” toy itony moa dia misy foana ny toerana raisin’ny tsirairay. Ny mpanjaka amin’ny andaniny sy ny ankilany aloha dia efa mazava fa i Andry Rajoelina sy Marc Ravalomanana.Ny “pions” izay ampiasaina dia maro, misy ny TGV, ny Wisa, ny ambany tanàna, ny M.T.S sy ny T.T.S, sns ho an’ny andaniny ary Mpandàla ny ara-dalàna, O.Ba.Ma, Wusu, Tae-Kwon Do, sns ny ankilany.Ny “dame” dia Minisitra Ivohasina Razafimahefa ny ilany ary Praiminisitra Monja Roindefo ny ilany.

Ireo mantsy izao no tena afaka mandeha amin’izay làlana tiany haleha amin’ny fomba rehetra ka rehefa. 

Ny “tour” dia tazana ao amin’ny kaominina ao. Ny andaniny misy an-dRatsivalaka Michèlle ary ny ankilany ny PDS Guy Rivo Randrianarisoa. Samy tsy maintsy mandeha amin’ny lalana mahitsy izy ireo mba handresena sy hihinanana ny fahavalo ary indrindra indrindra hiarovana ny “roi” isanisany.  

Ny “cheval” izay tsy dia hita loatra izay tena halehany fa dia mivilivily etsy sy eroa dia azo ampitahaina amin’ny ataon’ny minisitra teo aleo Ranjivason Jean Théodore sy Jeneraly Ramakavelo ny andaniny avy amin’ny “tetezamita” ary ny praiministra Charles Rabemananjara sy ny filohan’ny Antenimieran-doholona Yvan Randriasandratriniony no toa mitàna izany toerana izany. Hita mantsy fa mandingandingana tsy dia tena hita mazava izay alehan’izy ireo amin’ity karazan-dalao ity.

Ny “fou” dia maro fa ny tena miavaka no tazomintsika. Ny an’ny TGV ohatra izao dia i Sareraka sy Rolly Mercia ohatra no mitazona izany andraikitra izany. Ny an-dRavalomanana kosa dia i Moxe Ramandimbilahatra sy iza re e? ohatra ny tsy dia hita hoe iza ohatra no apetraka eto.Raikitra ny lalao, tsy asiantsika fampitahana izay zavatra nampalahelo nitranga. Fa ny nahatonga ireny dia ny fandranitana sy ny fampirisihina ny tsy ampy saina ka dia niroboka nanao lalao maloto ka nanimba zavatra maro teto amin’ny firenena. 

Ary tena tsy nijanona, bandy sy rôla na polisy sy volera ilay izy fa lasa nivadika fangala-piery na “cache-cache” kapoaka. Saingy maro no boka ary maro koa no tadiavina. toa ohatra ny mivadika ho lalao maloto no iafaran’ny tantaram-pirenena ka rehefa tapitra ny “partie” 1972 dia nisy indray ny partie “1991″. Tsy nahazo lesona tamin’ireny dia niverina ny partie “2002″ ary naka “revanche” indray ireo resy tamin’io “partie” io  rehefa raikitra ity partie “2009″ ity.  Dia iza no ho resy? Dia iza no handefitra? dia iza no babo?  Raharaha izy ity, ry leretsy a! 

, ,

Ô raMalagasy a, fa inona ity natao e?!

10 mars 2009 by Mitiyu  

Midoka tena sy mitopy teny fatratra ramalagasy milaza fa tsy afrikana izy. Rehefa misy fihaonana iraisam-pirenena moa dia adalain’ireo hafa fiaviana hoe etsy ny afrikana dia etsy ny malagasy.   Voalaza mantsy fa hendry ramalagasy, voalaza fa mandala ny fihavanana sy ny firaisan-kina.   Kanefa inona ny nitranga? Ny andaniny mitady an’i Andry Rajoelina any amin’ny masoivoho frantsay, ny ankilany hanenjika ny PDS Guy Rivo eny Ampasapito sy ny manodidina rehefa tsy nahazo ny zanany teny Ambatobe tao amin’ny sekoly frantsay. Ny miaramila mihoko sy mitokona tsy handray baiko intsony fa hanao “V” amin’ny ratsan-tànana.   Ny mpandroba maneho eo anoloan’ny fianakaviambe iraisam-pirenena fa mahantra sy noana ka solosaina sy fahitalavitra no angalarina. Maratra, voa mafy misy koa ny maty. Haringana ve ny firenena? Hahetry ve ny toe-tsaina malagasy sy ireo soa toavina nolalain’ny razana?Inona re ity nataonao raMalagasy ô?! Mahamenatra sy marary toy ny tongo-bakivaky.  

, , , ,

Page suivante »