Ireo fahazarana 7n’ireo olona tena mahavita azy

27 mai 2011 by Mitiyu  

Misy soatoavina sy fahalalàna maro tsara ifampizarana nefa tazonin’ireo izay mahay sy mahafantatra azy nefa mety mahasoa raha iainan’ny olona rehetra. Anisany amin’ireny fahalalàna ireny ohatra ity « Fahazarana fiton‘ireo olona tena mahavita azy » ity. Amin’izao fotoana dia tena tsara ampiaharina amin’ny fifaneraserana arak’asa sy ny fifandraisan’ny samy olombelona ny vonto atiny. Misy ny mihevitra fa natokana ho an’ireo olona ambony sy natao hitarika ihany ny zavatra fonosiny saingy isika rehetra dia natokana handroso sy hiavotra daholo.

Amerikana iray izay antsoina hoe Stephen Covey no nanoratra ny boky sy nanaparitaka ny fahaizana ka maro ireo olona nahita soa tamin’izany. Tiako ifampizarana aminareo eto izany satria anisan’ny fototra iray ahafahana manatsara ny fifaneraserana amin’ny mpiara-belona sy ny mpiara-miasa.

  • Fahazarana voalohany : Mivonona alohan’ny fitrangan-javatra
  • Fahazarana faharoa : Fantao mialoha aiza no tianareo haleha
  • Fahazarana fahatelo : Omeo laharam-pahamehana izay tena maika
  • Fahazarana fahaefatra : misaina hatrany hoe samy miara-mandresy
  • Fahazarana fahadimy : Ataovy aloha izay hahazoana (ny hafa) izay vao mikatsaka ny ho azo (n’ny olona)
  • Fahazarana fahaenina : Araraoty ny voka-tsoa azo miaraka
  • Fahazarana fahafito : Aranito ny fahaizana

Somary nanosarotra ny nandika ireo fahazarana ireo tamin’ny teny malagasy satria dia maro no mbola tsy ao anatin’ny kolotsaina sy voambolantsika. Anisan’izany ohatra ny teny hoe « proactif » izay nadika tsotra amin’ny alalan’io fahazarana voalohany io, anisan’izany koa ny teny hoe « synergie » izay nanazavana ny fahazarana fahaenina. Mbola mila ampiharina sy zaraina amin’ny manodidina hatrany amin’ny faran’ny ambanivohitra any ireo mba ahatsapan’ny olona fa tsy miasa mafy amin’ny tsy misy dikany fa miasa mba hahazo fahasoavana no sady fahasoavana ihany koa ny asa.

Raha ny tena marina dia fandrantoana farafahakeliny telo andro no ianarana ireo fahazarana ireo. Ary ny tena marina dia tsy tokony ampahafantarina ny hafa akory ireo fahalalàna ireo saingy rehefa nozohina ny Aterineto dia maro no miresaka azy ka tsy maninona fa ifampizarana raha mahasoa ny malagasy. Fantatra fa vitsy koa tsinona no handranto azy avy eto.

Ao anatin’izany fampianarana izany dia misy ihany koa ny fanavahana ny atao hoe MAIKA (urgent) sy ny hoe MAVESA-DANJA (Important)

Afaka manao efajoro iray isika ka amin’ny lafiny mitsivalana dia ho zaraina roa dia apetraka amin’ny zarany voalohany ny MAIKA ary amin’ny zarany faharoa ny TSY MAIKA. Amin’ny lafiny mitsangana kosa dia apetratsika eo ny MANAN-DANJA sy TSY DIA MANAN-DANJA. Tsy dia azo an-tsaina loatra angamba fa ataoko anaty kisary eto ambany.

  1. Amin’io dia hitantsika fa misy ny zavatra MAIKA no sady MANAN-DANJA. Anisan’izany ohatra ny krizy, ny olana mavesatra, ny teti-kasa misy fotoana tsy maintsy hahavitana azy,sns.
  2. Misy indray kosa ny zavatra TSY MAIKA saingy mbola tena MANAN-DANJA. Anisan’izany ny fiomanana, ny fahamailona, ny fandaminana isanisany, ny fandalinana ny fifandraisana, ny fialam-boly, sns.
  3. Misy kosa ireo zavatra MAIKA nefa dia matetika tsy MANAN-DANJA firy. Ao anatin’izany ohatra ireo fanakorontanana madinika, ny fivoriana tsy dia misy dikany, ny antso voaray atao nefa tsy dia maika akory ary ny olana madiniky ny hafa.
  4. Ny farany moa izany dia ireo zavatra sady TSY MAIKA no TSY MANAN-DANJA koa. Tafiditra ao anatin’izany ny fandaniam-potoana, ny zavatra atao hanalàna andro, ny antso na taratasy na mailaka izay tsy misy fotony, ny fijerena be loatra ny fahitalavina na ny Aterineto na ihany koa ireo fialam-boly amin’ny fotoana tokony hanaovana asa na zavatra hafa.

Tsapa fa tsy misy toerana ho an’ny « RaMoraMora » eto saingy misy fotoana kosa ilaina ny fitsaharana. Ho an’ny finoana Kristianina moa dia tena ilaina tokoa ny fitsaharana io saingy noho ny fahotàna tamin’ny fototra dia noroahina tao Saha Edena RaOlombelona ka ny hatsembohan’ny tava no hihinana. Saingy izao no tadidio, tsy ozona fa fahasoavana ny asa. Ka enga anie samy hahazo ny asa sahaza azy avy isika rehetra.

Ny tiana hamaranana ity fizaram-pahalalàna ity dia ho zaraiko eto ihany koa ireo toetra tsara anànana raha te hifandray sy hifanerasera tsara amin’ny hafa ianao mba hahombiazanao ihany koa :

  • Voalohany, ataovy aloha izay hahazoanao ny hafa : Aza maika ny hiteny na haneho ny hevitra na ny fomba fijerinao fa aoka ho fantatrao tsara ny momba ny olona miresaka sy miara-miasa aminao ka aorian’izay ianao afaka maneho kokoa izay tianao ambara.
  • Asehoy ny fahatsorana sy ny fanajanao ny hafa ary indrindra indrindra asehoy fa olona sariaka ianao : Ahoana mihitsy moa no ahafahan’ny hafa miara-miasa amin’ny olona manevateva azy sy tsy hay iaraha-monina ary tsy mifanaja aminy?
  • tazony hatrany ny teny nomena : eto aloha dia very hatrany ireo mpanao pôlitika fa maro amin’izy ireo no tsy mahatàna ny teny nomena. Aoka ianao tsy ho toa azy ireo fa rehefa « eny » dia « eny » rehefa « tsia » dia « tsia » ary rehefa nilaza ianao fa ho ataonao dia tanteraho araka izay voalazanao.
  • Mahaiza manaja izay olona tsy eo : matetika mantsy dia misy ireo faly mifosafosa sy manaratsy izay olona tsy eo rehefa mivory na miresaka maromaro kanefa dia misolelaka sy manatsara ery rehefa tsy eo. Ataovy ho toy ny eo hatrany izay olona tsy eo mba tsy hahasolafaka anao satria mety hisy amin’ireo olona manoloana anao no hamadika hitantara izany teny hafahafa nataonao tamin’ilay olona tsy teo
  • Teneno MAZAVA izay zavatra andrasanao : tadidio fa misy hatrany ny fiovana amin’ny zavatra eritreretinao sy ny teneninao ary ny teneninao sy ny henon’ny olona ay ny henon’ny olona sy ny azony. Ka mba hamerana izany dia saino mazava aloha izay hevitrao ka ambarao mazava arakaraka izay nieritreretanao azy izay. Rehefa mazava amin’ny hafa ny zavatra andrasanao aminy dia mora ho azy ireo koa ny hanatanteraka izany
  • Mahaiza mamela heloka : ny olombelona rehefa dia tsy misy tsy diso. Ny tanjontsika dia ny hahatsara ny fiaraha-monina ka tsara atombontsika amin’ny tenantsika izany. Somary manahirana io satria ho very ihany koa raha mamela heloka isaky ny mandeha izao saingy ilaina izany ary ilaina ihany koa no mampahafantatra ilay olona diso tamin’ny tena ny lesoka nataony mba hahazoany lesona amin’izany ary iezahany tsy hamerenana azy intsony

Izay aloha ny tafatafa momba io. Maro ny fahalalana fanampiny fonosin’izy io ary mbola maro ihany koa ny tohiny fa ireo sokajy ireo no ampiharo ary ho hitanao fa hivoatra ny fahazaranao mba ahafahanao misonga hatrany.

No Tags

Popularity: 1% [?]

Naleoko

11 juin 2010 by Dotmg  

Naleoko ihany ianao, ilay alinalim-pody
nihaza harivariva, niandry ankodimirana
im-betsaka no faly fa nahavaky atody
ka hatraty an-trano, mitsiky miramirana

Dia valabalaka iny, fa reraky ny nihaza
tsy mahavita adidy, malaina hisahirana
vao tonga ato am-pandriana, dia miesona toa zaza
ka manome lamosina sy mandry mihorirana

ny lefona milavo, ny basy tsy mifahana
fa tapitrao daholo ny bala fitifirana
raha toa aza aho hikitika fitaovam-piadiana
dia hiala maina teo, tsy hahita izay mangirana.

indrisy ankehitriny, nifindra, niova lasy
ilay rembinao fahiny, ka tsy azo nifikirana

dia lasa izaho indray no toa voaambam-basy
sy anaovanaovanao fijery misompirana

Fa tamin’ireny mantsy, izaho koa aza trotraky
ny lalana nodiavina, sy toerana nonenana.
Fa samy resy isika, samy efa nangotraky
ny afobe lalovana sy ilay fasana ilevenana.

Ianao nandeha nihaza, izaho kosa nohazaina
Fa iza irery moa no hanaiky hoe lembenana?
Samy maka maminy, mitady izay ilainy
Tsy mifampila kisa, tsy misy fitenenana.

Ankehitriny ianao, toa lasa be fitiavana
tsy te-hisaraka amiko, manara-pitombenana
Mavesatra amin’ny fiainako, tsy misy iriariavana
Ka tena mankaleo, mitondra fahasorenana.

Naleoko ilay taloha, fony azoko natao
ny niova tratra iankinana sy soroka itehenana
Na isan’andro mihitsy dia sandry iray vaovao
Indrisy, … ny fotoana tsy ho azoko iverenana.

DotMG – 11 jiona 2010.

Ao amin’ny Facebook ao dia misy vondrona atao hoe Tononkalo Miala Sakana. Ity anankiray ity dia setry fanintelona tononkalo iray antsoina hoe Madama. Ity iray ity aloha dia tsara raha mahavaky ireo telo talohany sy niaingan’ny fanahy nanoratana azy ianao dia mankafiza. Raha mankafy itony karazan-tononkalo itony ianao (na mirevy rima sahala amin’ny an’i Princio) dia asaina hiditra ao amin’io vondrona io dia ao afaka mahita sy mifampizara itony tononkalo itony.

Raha manana compte Facebook dia karohy ny hoe tononkalo miala sakana. Na andramo sao tonga any ity rohy manaraka ity :

http://www.facebook.com/topic.php?uid=115403775167187&topic=59

, , ,

Popularity: 1% [?]

hevitra sendra nandalo

7 juin 2010 by Mitiyu  

Nalefa tamin’ny haino aman-jerimpanjakana tamin’ny faran’ny herinandro teo ny fanombohana ara-pomba ofisialy ny faha-50 taona nahazoan’ny malagasy ny fahaleovan-tena. Hita sy tsapa fa natao am-pahamehana ihany raha ny zavatra hita sy re tamin’izay nitranga teny Andohalo. 

Ny voalohany aloha dia somary gaga avokoa ireo namadibakika onjam-peo raha nahita seho nitranga mivantana nalefa tamin’ny fahitalavitra sy ny vata fandraisam-peo. Dia samy nifampanontany hoe inona io? fa misy inona? Raha tsy nihaino ny kabary dia tsy fantatra hoe fanombohan’ny fankalazana ny faha-50 taona nahazoan’ny malagasy fahaleovan-tena. 

Tsy ampy na ihany koa tsy nisy mihitsy ny serasera momba iny hetsika iny. Mety hoe matahotra ho takon’ny ady baolina kitra goavana izay mitranga atsy Afrika Atsimo angaha dia tsy maintsy natao na ihany koa mety efa tara nefa tsy maintsy hatao dia nalefa? asa aloha, tsy misy mahafantatra isika. 

Ny faharoa dia ny fahazakan’ny herinaratra ny zava-maneno sy ny entana mila izany tamin’io fotoana io. Tsy nifampiresahana tamin’ny JIRAMA mialoha sa sendra ny erikerika tsy nampoizina ka nampisy olana teknika? sa kosa tsy nisy teny nifampiarana tamin’ny tompon’andraikitry ny fanamisam-peo sy ny haingon-jiro isankarazany fa notampohina? asa koa aloha fa ny zavatra hita tsy dia lavorary no fantatra. Izany ve no fanajana izany fahatsiarovana ny nahazoana ny fahaleovantena izany, koa tsy hihomehezan’ny taranak’ireo izay nanome izany hoe rariny raha tokony mbola tsy nomena sanatria? Dia malahelo sy menatra ny tena…

Marihina fa teny ivelan’ny tamboho ny ankamaroan’ireo valala tsy mandady harona raha sendra mba nivoaka nijery izany hetsika izany izy ireo. Dia ny vahoaka dia vahoaka eny foana izany aloha ka mety tsy hahagaga raha zaran’ny sasany aza miaka-dapa mba hamenona harona ireo hanina natokana ho an’ny manankaja izay nasaina.

Ny farany azo ambara mba tsy hanaovana fanakianana be fahatany tsy mampandroso dia ny sary famantarana. Tsara raha jerena amin’ny lafiny teknika izy ity saingy dia somary gaga ihany satria ny sary voalohany tonga an-tsaina raha vao mijery azy dia sarina foza… Tsy dia ilay fozaorana nalaza volana maromaro tsy akory soa ihany satria dia efa lasa resaka politika no niafaran’ito biby iray ito. Fa drakaka izany mba hanazava azy bebe kokoa. 

Ny fahafantarana ny foza dia biby tsy mandeha mahitsy (droiture), kaodikaody ny maso, manongo sy miketoka be fahatany, ary ny sasany moa dia tsy miaina raha tsy amin’ny toerana maloto… enga anie ka tsy nanana izany hevitra izany ny mpikanto tamin’ny nanaovany izany. Roa tokom-bolana sisa dia tonga ny fety, mbola afaka miketrika tsara hahandro hahamasaka izay lanonana hatokana ho an’ny vahoaka sy ny manam-boninahitra ny mpikarakara. Omano tsara hisorohana ny tsy ampoizina sy mba hilanona tsara ny malagasy tsy vaky volo.

Tsetsatsetra tsy aritra ary hevitra sendra nandalo iny. Ka trafon-kena ome-mahery : am-bava homana, am-po mieritra.

No Tags

Popularity: 1% [?]

Ny toeran’ny fivavahana sy ny fanjakana

20 mai 2010 by Mitiyu  

Nifandohy foana rehefa zohina ny fivavahana sy ny fanjakana na ny fitatanam-panjakana raha ny marimarina kokoa. Raha ny teto Madagasikara no halalinina dia hita taratra teo amin’ny tantara hatrany na ny fifankatiavany na ny fifankahalany. Anisan’ny nanamarika ny tantaran’ny fanjakana malagasy ohatra ny filazana fa tsy fitiavan’ny mpanjakavavy RANAVALONA I ny fivavahana kristianina ka nanenjehany azy. Ny ao ambadik’izay tsy voalaza firy anefa dia ny fivavahana kristianina izay efa tsapan’ny mpanjaka fa ho varavarana iray hanozingozonana ny fitondrana misy sy ny filaminana.

Ohatra roa mazava hita sy tsapa ihany koa ny fiarahan’ny filoha teo aloha Marc RAVALOMANANA tamin’ny FJKM sy ny tompokolahy Kardinaly Armand Gaëtan RAZAFINDRATANDRA ka nahatonga ny Kardinaly manaraka, dia tsy iza fa i Mgr Odon Marie Arsène RAZANAKOLONA hanohana ny hetsik’i ingahy Andry RAJOELINA. Hany ka lasa nentin’ny sasany hampifandrafesana ny samy krisitanina.

Raha ny tamin’andron’i Marc RAVALOMANANA no asiana resaka dia anisany nampikorontana ny olona maro ihany koa ny hoe « theocratie » izay noheverina fa nentina hitondrana ny firenena. Raha ny hevitr’io teny io mantsy ho an’ny be sy ny maro izay tsy dia nahafantatra marina ny tao an-tsainy tamin’izany andro izany dia ny hoe fanjakana avy amin’Andriamanitra na hoe fahefana avy amin’ny Voninahitr’Andriamanitra. Ny fitondran’ireo Papa no matetika voafantina ao anatin’izany karazana fitantanana izany ary vitsy na atao hoe tsy misy firy ny fanjakana laika izay voafaritr’izany teny izany. Mifanohitra mihitsy aza ho an’ny maro ny mahalaika sy ny teokrasia.

Raha ny fiteny vahiny no asiana teny dia hoy i Marx hoe ny fivavahana no « rongonim-bahoaka » (« La religion est l’opium du peuple » ka rehefa natao izay hanahirana ny vahoaka amin’ny fitadiavana isan-karazany dia sesefana fivavahana izy ireo mba hanana fanantenana sy toky amin’ny ho avy mba tsy havesatra aminy ny fiainana. Izany hoe endrika iray enti-manamaivana ny olana sy ny adintsaina izay misy izany ny fivavahana ka rehefa misy izy io afaka miasa mora foana ny mpanao politika fa indrindra indrindra ny mpitondra.

Maro ireo mpanabe ara-panahy, pretra, pasitera, presbitera, sns no mampitongilana ny voka-pifidianana noho ireo toro-hevitra atolony rehefa mitori-teny izy ireo. Mbola tafiditra amin’ny fitaizana fanahy ve izy ireny sa efa ny hevitry ny mpitondra lehibe no arahin’ny aty ambany ka aparitany? Raha ny fomba fiteny latina mantsy dia hoe vox populi, vox Dei na raha adika tsotra dia ny feom-bahoaka no feon’Andriamanitra. Ary io feom-bahoaka io marihina fa tsy misy rehefa tsy misy ireo mpitarika sy mpambosaka hevitra.

Betsaka ny fifandraisana misy eo amin’ny firenena frantsay sy malagasy raha tsy hilaza fotsiny ny fiandohan’izany tamin’ny taona 1896 izay taona nanamarika izany fiandohan’ny rohy misy izany ka niafara tamin’ny fanjanahana tamin’ny taona 1960 ka nitohy tamin’ny fifanampiana taorian’ny fahaleovan-tena. Ho an-dry zareo frantsay izao dia tena ady teo amin’ireo solombavam-bahoaka tamin’ny taona 1905 izany fisarahan’ny fanjakana sy ny fivavahana izany. Marihina moa fa ny ankamaroan’ireo vahoaka frantsay dia katolika avokoa tamin’izany andro izany. Fifandresen-dahatra, adihevitra mafana ary tsy nifarana raha tsy voafidy ny lalàna izay mamritra izany fisarahana izany.

Ny an’i Madagasikara, izay ny ankamaroan’ny lalàna misy dia nentina sy nadika avy amin’ny an’ny frantsay dia voafaritra mazava ny maha-laika ny fanjakana hany ka somary nanakorontana ny sasantsasany izay tsy kristianina sy tsy protestanta ny fifanantonana akaiky teo amin’ireo mpitondra firenena sy ny mpitondra fivavahana.

Raha ny salan’isa no jerena anefa dia latsaky ny antsasany amin’ireo vahoaka malagasy no kristianina ary ny ampahany betsaka dia mbola mandala ny favavahana nentin-drazana. Ary ny ampahany ambiny vitsivitsy kosa dia bahanan’ny fivavahana silamo.

Ny zava-misy anefa dia maro ny mpivavaka fa vitsy ny mpino sy tia fivavahana amin’ny fony. Raha tsy hilaza afa-tsy ireny hain-trano teny Foulpointe na ny any Manajara izao, na ihany koa ny ratra sy von’olona misy eto amin’ny firenena dia manahy ny tena ary vaka ny saina satria endrik’ilay ratsy nohita soritra etsy sy eroa. Amin’izany dia lasa ny eritreritra manao hoe amin’ny maha-olombelona ireo antsasa-manilan’ny vahoaka malagasy izay kristianina ireo ve dia tsy maharesy ny ratsy izay misy amin’izao fotoana izao? Sa efa tonga ilay fotoana voafaritra hanombohan’ny ady farany sy ny korontana lehibe ka mbola ny ainy sisa no avotri’reo mpino?

Lasa tia vola ny olombelona, anisan’izany ny malagasy. Mitombo ny kolikoly, mitombo ny fahavetavetana. Mamono ny rahalahiny ny malagasy ary tsy menatra sy tsy miampanga-tena akory avy eo. Mitombo ny sekta mihamaro ny olona mitodika amin’Andriamanitra saingy toa fitarainana sy fangatahana hatrany izy ireny fa vitsy ny fifonana sy ny fisaorana. Malagasy, aiza no alehanao?

No Tags

Popularity: 1% [?]

13 mai 1972 – 13 mai 2007 – 13 mai 2010

12 mai 2010 by Mitiyu  

Ito misy arsivam-pitataram-baovao iray ifampizarako aminareo. Anisan’ireo tapa-porohana sisa tsy may tamin’ireo sombim-baovao nangonina sy notahirizin’ireo haino aman-jery izay tsy misy intsony na tsy manana izany tahiry izany intsony ankehitriny noho ny antony samihafa. Lahatsoratra notontosain’ny mpanao gazety iray tamin’ny 13 mai 2007 ho fanamarihana ny fahatsiarovana ny faha-35 taona nisian’ny hetsiky ny taona 72.

« 13 mey 1972 – 13 mey 2007. Feno 35 taona katroka androany ny tolom-bahoaka izay nampirodana ny Repoblika voalohany.

Tany am-boalohany dia noheverin’ny mpitondra fa tsy dia inona loatra ny zava-nisy. Nisy ny fihetsiketsehan’ny mpianatra niantomboka tamin’ny faha-22 n’ny volana janoary 1972 izay niatombohany dia tsy inona fa ny fandavan’ny governemanta miandraikitra ny ara-tsaina tsy hampivoatra ny fianarana tao amin’ny fianarana ho dokotera tao Befelatanana.

Niainga tamin’io hetsika io ny 13 mai 1972. Nanampy izay sy nampitatra ny raharaha ny zava-nisy teo amin’ny firenena tamin’io taona io. Ankoatr’ ilay raharahan’ny MONIMA tany Atsimo izay nitranga tamin’ny 1971 dia teo ny lafiny sosialy. Nandritry ny dimy taona, lasa dia nitombo avo sasaka ny tanora tsy nanana asa. Na dia ireo nanana diplaoma aza tamin’izany dia voakasik’izay. Ny ampahatelon’ireo nanana diplaoma dia tsy nahita asa nifanentana tamin’ny fahaizana nananany.

Raha teo amin’ny sehatry ny fampianarana izay ihany dia hita fa nandringa ny sekolim-panjakana izay sekoly nolazaina fa natao ho an’ny olon-drehetra nefa raha jerena dia natao ho an’ny zanaky ny mpanan-karena. Ary nihelohelo tao anatin’izany ny fanjanahana ara-tsaina izay mbola ahazoan’ny fianarana frantsay bahana. Teo ny fanjakajakana ataon’ny mpampianatra frantsay sasany izay nibahana ny fanagasiana ny fampianarana sy ny fanamboarana ny fotoana fialan-tsasatry ny mpianatra.

Tsy teo amin’ny sehatry ny fampianarana ihany no nanahiran-tsainan’ny vahoaka, indrindra ny mpianatra tamin’io taona io, fa teo ihany koa ny lafiny toe-karena dia nahatsapana ny fisian’ny endri-panjanahana vaovao entin’ny frantsay, hany ka nahalao ny valalabemandry. Hany ka tsy ny mpianatra ihany no nirotsaka an-dalambe fa na ny ray aman-dreny ihany koa. Rehefa samy niziriziry nitana ny heviny ary ny roa tonta am-bolana vitsivitsy, an-daniny ny mpianatra nanao fitokonana – izay ny teto Antananarivo no nanomboka azy ary dia nitatra tany amin’ny faritany izany – ny volana aprily, ankilany ny tompon’andraiki-panjakana, dia niha-henjana ny raharaha.

Ny alohan’io sabotsy 13 mey 1972, izany hoe ny zoma 12 mey, dia heno tao amin’ny fandefasam-peom-pirenena fa nosamborina ireo mpitarika ny fitokonan’ny mpianatra ary nakatona ny sekoly rehetran’ny ambaratonga ambony sy ambaratonga faharoa. Ny sabotsy marainan’ny 13 mey dia saika ho eny Ambohitsaina araka ny fanao araka ny fitokonana ny mpianatra teto Antananarivo nefa nosakanan’ny FRS izay nanao satro-by sy nirongo fiadina izy ireo.

Saingy nentanin’ny fitakina ny rariny sy ny eritreriny tsy nandry noho ireo namany nolazaina fa natao sesi-tany tany Nosy Lava ireto mpianatra ireto ka nirohotra nankeny amin’ny araben’ny fahaleovan-tena indray. Analiny maro ireo mpianatra tafavory teo hitaky ny famotsorana ireo namany izay voatana ary na dia tsy teo aza ireo mpitarika nahazatra azy dia filaminana tokoa no niseho ary vahoaka marobe no tonga nanotrona azy ireo. Ny sasany aza tonga hitady ireo zanany tsy nody ny alin’iny. Ny sasany kosa tonga hanome hery ny zanany teo.

Tamin’ny 10 ora maraina dia nitoraka grenady mandatsa-dranomaso ny FRS ka nahatonga ny fikorontanana sy ny ady saritaka ary nipoaka ny balan’ny fiadiana mamono. Tamin’io dia voalaza fa nisy 19 no maty tamin’ny mpianatra ary 7 tamin’ireo mpitandro ny filaminana. Tsy lazaina intsony ireo naratra izay notanterina tany amin’ny hopitaly nangatahan-drà tamin’ny fanamafisam-peo.

Tamin’ny iray ora sy sasany tolakandro dia niala tany Ranomafana, provansin’i Fianarantsoa ny filoha Tsiranana ka tonga tamin’ny helikopterany ary nisidina ny vahoaka izay nihotakotaka.

Tamin’ny 4 ora dia nanao filaharam-be ireo ray aman-drenin’ny mpianatra nankeny Tsimbazaza nangataka fiarovana ho an’ireo zanany tao amin’ny Ministeran’ny atitany kanefa voasakana ary voatery niverina nihazo an’Anosy ary tonga tao amin’ny araben’ny fahaleovan-tena indray.

Tamin’ny 7 ora sy sasany hariva dia nanao fanambarana hentitra ny filoha Tsiranana, izay kabary vao maika nampiakatra ny tambavin’ny vahoaka ary dia fanaovana antso samy hitandro ny filaminana no namaranany ny kabariny.

Tamin’ny 9 alina dia re fa nodoran’ny sasany ny birao sy ny trano fanaovana printin’ny gazety Le Courrier de Madagascar ka kila tanteraka.

Ny ampitson’iny, izany hoe ny alahady 14 mey dia mbola vory marobe teo anoloan’ny lapan’ny tanàna ny vahoaka ary dia teo no nanapahan’ny mpianatra hevitra fa ho dorana ny lapan’ny tanàna na dia nandà izany aza ireo ray aman-dreny sasantsasany izay tonga teo. Teo amin’ny rihana faharoa no nanombohan’ny afo ary dia kila tanteraka izany lapan’ny tanàna izany.

Tamin’io andro io ihany koa no nandrenesana fa nametra-pialana ny maha-Minisitry ny Fampianarana azy Andriamatoa Laurent Botokeky ka nosoloina an’Andriamatoa Norbert Ranohavimanana izay Filohan’ny faritany tany toamasina.

Tamin’ny 10 alina dia nanao fanambarana io tompon’andraikatra vaovao io ary nampanantena ny mpianatra fa atomboka ao anantin’ny filaminana sy fahatonian-tsaina tanteraka ny resaka.

Marihana fa ny 18 mey 1972 no voatery nametra-pialana ny filoha Philibert Tsiranana ary nanome ny fahefana feno an’i Jeneraly Gabriel Ramanantsoa hitondra ny firenena.

Izay raha amin’ny ankapobeny ny raharahan’ny tolom-bahoaka tamin’ny 13 mey 1972. Kihon-dalana tsy azo adinoina eo amin’ny tantaran’i Madagasikara satria làlana nahafana’ny Malagasy nanilika tamin’ny ampahany betsaka ihany tokoa na dia efa azo aza ny fahaleovan-tena ny miendri-pangejana sy ny fanjanahana vaovao na ilay antsoina hoe « Néocolonialisme » izay napetraky ny frantsay. Dingana voalohany ihany koa io anefa ho an’ny vahoaka malagasy hanamarihany ny fialany amin’ny fahazanany eo amin’ny sehatra maro sy indrindra ara-politika amin’ny hitantanany ny fireneny amin’ny ho avy. »

Izay ilay fahatsiarovana ny faha-35 taonan’io tolom-bahoaka io.

38 taona aty aoriana, niverina nisokatra ny gazety Le Courrier de Madagascar ary efa ho tafajoro indray izany lapan’ny tanàna voadoro tamin’izany andro izany. Nandroso ve ny Malagasy? Mino marina ve isika fa tena mahaleo-tena ary mahatapaka sy mahatoa ireo sori-dalana tiana enti-mampandroso ny firenena sa dia miankin-doha tanteraka amin’ny fitantanana an-kolaka ataon’ireo firenena matanjaka samihafa?

Raha ny tsapa sy ny hita dia mbola lavitra ny dia ka mila fihezahana mafy sy maro ny malagasy. Ataon’ny lazom-piainana varina sy vendrena noho ny fitadiavana ka tsy mahita izay tena mitranga marina eto amin’ny firenena, ary tsy mahatsapa akory fa misy ireo vitsivitsy mandrovi-tsihy no manararaotra ny tsy fahatsapan’ny sasany ka mampamoritra sy mampilofika ny valalabemandry ka mangalatra sy manangon-karena amin’ny fomba tsy ara-drariny, lavitra ny tombotsoan’ny be sy ny maro.

Vao vita tamin’ny alahady teo ny FIM na ny Tsenabe iraisamp-pirenenan’i Madagasikara. Ho an’ireo izay afaka nijery teny an-toerana dia mety ho lasa ny saina misafosafo loha ka hiteny fa tsy misy ny olana. Fa dia fiarabe vaovao sy matanjaka no mameno iny arabe andaniny sy ankilany ary afovoany izay mampitohy ny lalam-be sy ny tokotanin’ny « Centre de Conférence International » etsy Ivato. Ary rehefa tafiditra ao anatin’izany tsenabe izany dia mahatsapa fa mbola vitsy sy marefo ireo orinasa malagasy na tantanin’ny malagasy raha oharina ami’ny ireo orinasa vahiny na tantananan’ny vahiny.

Efa ho azy izao ny faha-50 taonan’ny nahazoana ny fahaleovan-tena. Izay fahaleovan-tena azo an-taratasy saingy tsy mbola nisy fotoana tena nahatsapana fa mampiabo ny fahavitan-tenan’ny malagasy (« autonomie » na ihany koa « autosuffisance »)

, , , ,

Popularity: 1% [?]

Mbola afaka hirehareha aho fa Malagasy

28 avril 2010 by Mitiyu  

Andrianiko, hono, ny teniko, ny an’ny hafa koa feheziko. Dimampolo taona izao no voalaza fa niverina ny fiandrianam-pirenena Malagasy. Tao anatin’ny taona vitsivitsy lasa dia hita sy tsapa fa misy ireo mpiray tanindrazana no mieritreritra fa ambony sy tafita rehefa miresaka amin’ny teny vahiny.

Maro ny mibadabada amin’ny teny frantsay, etsy andaniny ireo tsy mivolana raha tsy amin’ny teny anglisy ary ampahany vitsivitsy no miresaka amin’ny teny alemà sy sinoa. Ny zanaka nentin’ireo mpianatra tamin’ny fiandohan’ny repoblika faharoa etsy andaniny dia mahay teny rosianina.

Nosy i Madagasikara ary isaorana an’Andriamanitra isika mbola tsy niady sisin-tany firy tamin’ny firenena hafa na dia misy ihany aza ireo nosy kely vitsivitsy tokony ho an’I Madagasikara nefa bodoin’ny firenena hafa.

Ary dia mbola afaka mirehareha ny maha-malagasy ahy aho noho izay teniko izay. Teny miavaka sy tokana, ahafana mifanerasera tsara, ary ravahan’ireo fitenim-paritra maro loko.

Mbola tsy nahita aho tamin’ny fety maro izay natrehiko ka ireo olona miezaka ny manao fitafy Malagasy dia misalaka sy misikina fotsiny ihany. Indrisy fa na dia filatro nentin-drazana aza no tiana atao dia irony pataloha sy palitao tandrefana irony no isalorana lamba (landy) dia izay.

Misy ihany moa ireo olona vitsivitsy no misatro-bory na miambozona firavaka nentin-drazana. Saingy takona izy ireny ka haingo ivelany sisa no hita. Tsy mba tena nisy ireo niezaka namoaka fitafy miavaka sy tena Malagasy azo oharina amin’ny ny an’ireo indianina vavy miankanjo saari na ireo afrikana maro manao boubou, na ireo japoney manao kimono, na ireo sinoa manao ifu. Naleontsika nitady nivery ka manafangarongaro endrika, dia ny vary sy ny tsiparifary. Ka ny soga sy ny landibe aravaka tandrok’omby no hankalazaina fa tena fitafy nentin-drazana.

Saingy mbola afaka mirehareha ny maha-malagasy ahy aho noho ireo tanora vitsivitsy ireo, mikaroka sy mitady ny very ka mampifangaro ny soga sy ny landy ary ny landibe mba ho filatro mihaja sy miavaka ka ho tonga fitafy nentin-drazana ho an’ireo zanaka amam-para any aoriana.

Tonga ireo vahiny sasany dia namokatra ireny akanjo lazainy fa avy amin’ny tena Malagasy. Ao ireo misarin’omby, ombalahy sy tarondro. Ao ihany koa ireo misarisarin-tsokatra sy lefona ary koa taksi-borosy. Ny an’ny sasany moa dia nampiany lakam-bezo sy Atandroy lahy mandihy. Misy ampahany aza misy sarin-toaka malaza. Dia izay no nahafantarana fa nandalo teto gasikara ilay vahiny iray ka lasa voan-dàlana ilay endrika tsy tena avy eto an-toerana fa kolotsaina sadasada nafangaro ny zava-misy.

Saingy na mampahatsiahy ahy ranomaso sy alahelo aza ireto aloalo aravaka ny akanjo, dia mbola afaka aho ny hirehareha fa manana ireo amin’ny kisarisary maro ireo ka tsy amin’ny akanjo fotsiny ihany no ahitana azy ireny fa manerana ny fireneko.

Nisy fotoana ireo ankizy sy tanora, tsy tia mozika afa-tsy rôka na rap ary tsy nandihy raha tsy dihy vahiny. Kanefa adinony fa mbola misy ireo mpandala ny jijy, ny beko na koa ny sôva, ary mbola maro ireo mpanao asa apinga, ny mpilatsy tàanana ary ny mpandihy soroka no miezaka manavao ireto kolontsain-drazana mba haharaka ny toetr’andro. Ka na ny kabôsy na ny sodina na ny valiha dia tsy tena malagasy fotsiny no niandohany. Indrisy anefa fa mampalahelo fa misy ireo tanora no mihevitra fa ny dihy mampihetsika fitombenana no tena dihy malagasy ka adinony tanteraka fa lovan’ny moron-tsiraka tamin’ny firenena afrikana ireny.

Fa na dia izany aza ny zava-misy dia mbola afaka ny hirehareha aho fa Malagasy noho ireo harena ara-kolotsaina marobe misy eto amin’ny firenena sy ananan’I Gasikara ka tsy maha-mena-mitahy ireo mpandala ny kanto malagasy hiatrika ny sehatra iraisam-pirenena fa afaka mitondra tsara izany hifaninana amin’ny ny an’ireo firenena hafa.

Repoblika telo no nifanesy. Isaky ny mitady hitraka ilay fireneko dia misy foana ireo miezaka ny mandetika azy. Tsy azo lazaina izy ireny fa  hoe tena tia tanindrazana fa toa saribakoly tia seza sy mitady voninahitra fotsiny ihany. Ka ny harena kely ananany sy ny fahefana azony ao no entina manosihosy ireo mpiray tanindrazana sy entina misolelaka amin’ny firenen-dehibe hafa.

Saingy mbola faly aho hatramin’izao mahatsiahy fa ao anaty ràko ao, misy ny ràn’ireo mpanjaka razambe, namolavola sy niady mafy ny mba hanandratana ny fireneny sy ny vahoakany. Ka nametraka fefiloha mba tsy hahatondraka ny tanàna, nitondra amim-pahendrena ho tombon-tsoan’ny tsirairay. Ka ireo ratsiratsy saina sy nanana fiheveran-dratsy dia novonoina sy nokendaina tamin’ny lamba mba ho ohatra ho an’ny ho avy.

Popularity: 2% [?]

Mpanotra mahay…

16 avril 2010 by Mitiyu  

Mpanotra mahay

 

Rehefa miresaka momba ny hotra na massazy ny tanora taloha sy ny vitsivitsy ankehitriny dia zavatra hafa mihitsy no azo an-tsaina rehefa firenena vitsivitsy ao Azia ao no resahina. Hafa mihitsy mantsy ny fomba fanorana any amin’izany firenena izany raha oharina amin’izay mety fantatra sy fahita fa misy eto Madagasikara.

Tao anatin’ny volana vitsivitsy anefa izao dia variana ny tena fa somary niova na nivoatra ny fomba fanotra misy eto Madagasikara, indrindra fa ny eto Antananarivo. Miha-mitombo tsikelikely ireo fampahafantarana sy dokam-barotra madinika amin’ny gazety mpiseho isan’andro.

Indro misy lahatsoratra iray hita tao amin’ny gazety mpivoaka isan’andro iray : « J.F jolie, massage à domicile, à l’Hôtel, tout type de massage : bodybody, sensuel, turc, californien, thaï… »

Maromaro izy ireo no ohatra izany ao anaty gazety ao. Misy ny hita eny amin’ny pejy voalohany toa ireo orinasa tantanan’ny tatsinanana na ihany koa ireo orinasa malagasy matanjatanjaka. Ary ny somary osaosa na miafinafina kosa dia any amin’ny takila « antso » any anatiny no misy azy ireo.

Toerana maro no efa manomboka fantatra fa misy azy ireo eto Antaninarivo raha tsy hilaza afa-tsy ny ao Soarano, na Faravohitra, na Ambondrona, na Ampandrana, na Ampasanimalo, na ihany koa Ambohibao. Ireo aloha no tena hita sy re fa tsy ambakan’izany ny any amin’ny takona rehetra any.

Inona no mety nampirongatra izy ity ? Araka ny eritreritra dia zavatra roa lehibe no tena hita sy tsapa fa nampirongatra ito asa vaovao tsy dia vao mahasadaikatra ny mpifady ity. Voalohany aloha ny korontana misy eo amin’ny firenena ka mampihena ireo mpanjifa ny mpiasan’ny alina. Hany ka tsy maintsy miova ny lahasan’ireo vehivavy ka misy mahatsiaro fa miha-mihaja kokoa izany amin’izay fotoana izay.

Ny Antony lehibe faharoa dia ny fifaneraserana amin’ny sinoa sy ireo firenena aziatika. Misy ny malagasy mandeha any Bangkok, Gungzhou, Jakarta, Macao na Hong Kong ary misy ireo asiatika tonga mifindra monina sy mampiasa vola eto Madagasikara. Ny fifaneraserana no manitatra ny saina sy mampitsiry zava-baovao ny olona. Ka misy ireo malagasy efa nanandrana tany no mitady mitovitovy amin’izany rehefa mody, ary misy kosa ireo vahiny no mizara kolotsaina hafa.

Raha tsiahivina dia toa nisy korontana teo amin’ireo nampalaza ny hotra amin’ny alalan’ny safosafo ka nahatonga ny tompon’orinasa nametraka izany tany amin’ny OMAPI. Nisy ihany koa ireo vehivavy niasa tao amin’ireo orinasa sinoa na malagasy sasany no naneho ny tsy fahafaliany rehefa voaroaka ka namoaka tamin’ny gazety ny fisian’ireo toerana ireo.

Rehefa nanontanian’ny mpanao gazety na ny olona mpifandray amin’ny aterineto moa ireto mpampiasa taloha dia nanambara fa nanao firaisana tamin’ny « client » ireto vehivavy mpanotra ka noroahina satria tsy azo ekena ny zavatra toy izany.

Nisy andian-dahatsoratra nivoaka tamin’ny gazety isan’andro iray ihany koa nilaza fa rehefa tonga amin’ireny toerana voalaza etsy ambony ireny ianao dia aseho sary maromaro na karazana «catalogue » ahafana misafidy ny mpanotra izay vao miditra amin’ny efitra samihafa. Asa marina moa izay tena mitranga ao ambadiky ny tsy hita maso ao.

Tsy misy ny asa adala, hoy ny fitenenana, saingy ny asa mamoha fady kosa no tandrenama mba tsy atao na dia mahantra sy mandia fotoan-tsarotra aza i Gasikara.

Saingy misy ihany kosa ireo efa tena maty hanina amin’ny fanorana mahasalama toy ny ataon’ny Homeopharma izay mbola tsy nisy nahenoina feo ratsy aloha hatreto. Na ihany koa ireo mpanotra Ayurvedique, Shiatsu sy ny karazany hafa izay lazaina fa manadio no mahasalama.

Enga anie fotsiny tsy ilay karazana hotra toy izay mahazo ny mpamily fiara iombonana na ireo karazana kolikoly iadin’ny Bianco no hahasalama anao. 

, , , ,

Popularity: 2% [?]