Fampihavanana sa Fifamelana?
Ny rehetra dia miaraka miaiky fa ela loatra ity krizy indray mitoraka ity. Efa-taona mahery izao no nitranga ireny « alatsinainy mainty » sy ny tranga nisy teo Ambohitsorohitra. Tsy iverenana ny tantara fa maro ireo rohy samihafa mitantara izany.
Tamin’ny herinandro teo dia najoro sy naseho ny be sy ny maro ireo mpikambana ao anatinan’ny FFM na ny Filankevitry ny Fampihavanana Malagasy na antsoina koa amin’ny teny frantsay hoe CRM na Conseil de Reconciliation Malgache. Ho an’ny vahoaka mpitazan-davitra toa ahy dia toy ireo andry sy sampana maro nijoro sy najoro hatramin’izay ny fijery azy ito. Saingy rehefa jerena akaiky dia tsapa fa mety hanana ny mampiavaka azy amin’ny lafiny rehetra izy.
Anarivony maro ireo olona nosafidianina ho anisan’ny mpikambana saingy 44 no voatazona ary noeritreretin’ny mpisafidy fa tsy baikon’ny atsy na ny aroa no sady tsara fitondran-tena sy toe-tsaina.
Raha tsiahivina ny lasa dia maro ireo tranga mbola ananan’ny sasany alahelo na lonilony amin’ny hafa. Raha tsy hitanisa afa-tsy ny :
- faneken’ny mpanjaka tamin’ny fotoan’androny ny « protectorat » frantsay
- fanjanahan’ny frantsay ny malagasy
- malagasy sasany avara-patana tamin’ny andron’ny fanjanahan-tany
- trosa nalain’ny mpanjanaka tamin’ny fotoan’androny izay nolovain’ny taranaka malagasy tamin’ny fiverenan’ny fahaleovan-tena mandrak’ankehitriny
- fifanavahan’ny afovoan-tany sy ny tanindrana
- voailika rehefa tsy Arema na TIM na TGV sns tamin’ny vanim-potoana nitondrany avy
- fiangonana zokiny manoloana ny fiangonana zandriny
- nanao sonia ny tondro zotra sy ireo tsy nanao
- mpitandro filaminana sy ny vahoaka
- sy ny sisa maro tsy ho tanisaina
Mila mihavana ny malagasy. Tsy azo lavina izany. Ary tsy mihavana fe mihavana fotsiny fa tena mila mifamela heloka ihany koa. Io tsy vitan’ny resaka « amnistie » na tsy « amnistie » fa avy any am-po lalina tsy tambazana vola na harena na voninahitra. Ahoana marina moa no ahafahana miara-mandroso, hivoaka ny kizo raha toa ka mihavana nefa ny kibay an-kelika ihany? Ao no mety hieritreritra hoe « mody miaraka aloha izao fa asiako io vao tafavoaka eo » SANATRIA anie izany, ho very avokoa ireo ezaka rehetra natao raha toa ka izany.
Taona maromaro lasa izay, toy ny vao omaly, dia naindraindra ny Fihavanana sy Firaisan-kina satria soatoavina mampifamatotra am-po ny samy malagasy. Nanao ny hirany i Jaojoby manao hoe « samy mandeha samy mitady » dia toa nanaraka io hira nalaza io ihany koa ny toe-tsain’ny tsirairay.
Aiza intsony amin’izao ny fahamarinan’ny ohabolana manao hoe « Trano atsimo sy avaratra ka izay tsy mahalen-kialofana »? na ihany koa ny hoe « Tanan-kavia sy havanana ka izay didi-maharary »? FA « Asa-vadi-drano » io resaka Fampihavanana io ka « tsy vita raha tsy ifanankohonana ».
Ankehitriny dia re fa mitaky tambin-karama 4 na 5 tapitrisa Ariary ireo mpikambana voafantina. Miandry ny fanamarinan’izany izahay eto am-panoratana, saingy malahelo kosa raha ho fanasoavana ny tanindrazana dia resaka vola sy karama no mahamaika. Marina fa mila tambiny ny asa rehetra atao, marina fa amin’izao voalohany izao dia tsara ny mametraka avy hatrany ny fototra iasàna, fa raha tsiahivina hoe mahery kelin’ny fito alina Ariary ny karama farany ambany izay raisin’ny vahoaka ary eo amin’ny roa ka hatramin’ny valo hetsy no miakatra eo no ho eo ny karaman’ireo sefo mpiasam-panjakana dia mahalasa saina ny fangatahana ataon’ireto mpikambana. Samy te hiala amin’ny fahatrany marina ny tsirairay…
Ny fanontaniana mipetrak izao dia ny amin’ny fomba fiasan’ito rantsana vaovao ito. Marina fa manao vazaha mody miady ny ankamaroan’ireo mpanao politika ireo satria misy ohatra ny miara-misakafo any amin’ireo hotely be nefa eritreretina ho mpifandrafy mihitsy ary tsy vao ela fa tamin’ny alahady teo no niaraka nanao baolina kitra teo mahamasina ireo olona mba malazalaza amin’ny sehatra politika eto amin’ny firenena.
No Tags
vers une numérisation excessive de la société urbaine
La vie dans les villes est, semble-t-il, plus enrichissante qu’ailleurs. On peut s’enrichir financièrement qu’intellectuellement. Un peu moins moralement, certes et on peut aussi beaucoup perdre. Quoiqu’il en soit, l’écrémage de la ville sur les autres localités a toujours montré les nouveautés et les tendances.
A Madagascar, dans plusieurs localités, bien s’habiller se résume souvent à être propre et se mettre en jean. L’image d’un gentilhomme endimanché que l’on connaît actuellement n’est pas toujours fréquent dans les villages ou dans les communes rurales. Les couleurs criardes et tape à l’oeil y sont légions.
Ici, il n’est pas question de richesse car on rencontre assez souvent des notables riches mais souvent mal habillés – si on se réfère à l’esthétique et à l’image conformiste de la mode urbaine – avec leur gros pull-over ou le Malabary traditionnel – à l’image archaïque et désuet – ainsi qu’un chapeau de feutre ou encore des collecteurs de produits de rente et de bois précieux avec leur gros 4×4 habitant dans une case en « Falafa » et ne possède même pas le confort minimum qu’ils trouvent souvent futile voire inutile.
A l’opposé, il y a la jeune fille de la ville, très coquette, très à la mode et habillé des dernières tendances vestimentaires mais qui a du mal à relier les deux bouts et espère surtout s’en sortir grâce à ses études ou à une fructueuse rencontre pouvant aboutir à une relation stable et durable ou à la limite à un nouveau contact. Tout ceci pour introduire l’effet de mode et les nouvelles tendances que l’on rencontre en ville.
En passant près d’une banque assez populaire du continent africain, je constate qu’il y a une longue file alors que l’établissement possède trois guichets automatiques de banque à l’extérieur. Le premier GAB est en maintenance, un mot d’excuse remplace le traditionnel menu, le second qui se trouve à côté n’est pas non plus opérationnel et un logiciel antivirus s’affiche à la place du menu classique. tout le monde attend donc sur le troisième GAB.
En même temps, je vois à la dernière page d’un célèbre quotidien une annonce relative au M-banking ou la banque mobile. C’est un concept qui a été démocratiser par les trois grands opérateurs mobiles du pays, grâce à leur offre : M-Vola pour Telma, Airtel Money et Orange Money. En voyant cela, je me souviens d’un groupe sur Facebook qui milite pour qu’on puisse effectuer un paiement PAYPAL à Madagascar. J’ignorais même que c’est encore impossible, moi qui souhaitais acheter des marchandises sur le web.
Hier soir, le journal télévisé d’une grande chaîne internationale a parlé d’un parti politique dénommé « Pirate Party ». A Madagascar, ce genre de nom pourrait être l’événement à thème très tendance d’un club de service, mais à Berlin, en Allemagne ils viennent de gagner des sièges à la suite d’une élection. C’est une révolution qui se met en marche.
Les éléments du puzzle se mettent en place et on assiste à une numérisation massive de la vie quotidienne de l’homme moderne. après la vague des réseaux sociaux et des différentes avancées techniques, l’homme crée ses propres faiblesses et ses propres maladies. Comment peut-on rassurer en permance le titulaire d’un compte qu’avec cette nouvelle technologie et avec les cracks boursiers permanents presque quotidiens son argent est toujours disponible à tout moment. Comment peut-on rassurer les usagers que le GAB n’a pas sorti les billets demandés mais néanmoins le compte a été débité. Comment peut-on rassurer l’utilisateur que l’argent envoyé par mobile money ne disparaisse ou ne sois modifié en cours de route si jamais il y a une grosse attaque informatique contre l’opérateur. Etc.
Tout cela renforce petit à petit l’hexakosioihexekontahexaphobie de certains. C’est – dire, la crainte du nombre de la bête dans l’Apocalypse de Saint Jean. (cf. Apocalypse 13 : 15 -18 : « 15 Et il lui fut donné d’animer l’image de la bête, afin que l’image de la bête parlât, et qu’elle fît que tous ceux qui n’adoreraient pas l’image de la bête fussent tués. 16 Et elle fit que tous, petits et grands, riches et pauvres, libres et esclaves, reçussent une marque sur leur main droite ou sur leur front, 17 et que personne ne pût acheter ni vendre, sans avoir la marque, le nom de la bête ou le nombre de son nom. 18 C’est ici la sagesse. Que celui qui a de l’intelligence calcule le nombre de la bête. Car c’est un nombre d’homme, et son nombre est six cent soixante-six. »)
Mais le problème n’est pas encore là. Le principal problème réside dans le fait que toute cette dématérialisation appuyée par une numérisation massive risque de plus polluer qu’on le pense mais risque surtout de faciliter la délinquance numérique, comme tout est maintenant presque lié. Imaginer un seul instant que tout cela tombe en panne (ça peut arriver : satellites HS, fibres optiques HS, dispositif numériques neutralisé par un programme malveillant ou hardware HS,…) quelqu’un a t-il fait un « back up » physique (tenue de compte manuelle, dans les livres comme jadis) comment récupérer les données à un instant « t » si jamai cela arrive et la différence entre ce qui a été récupérer et ce qui était vraiment là avant l’accident…
« Amisavisaina ny ratsy iavian’ny soa » comme on dit (en prévoyant le pire scénario on anticipe et tout va bien) mais il faut savoir anticiper, connaître à l’avance les différentes combinaisons d’événements qui peuvent se produire et avoir une solution adéquate à chaque événement.
No TagsIzay mahavangivangy tian-kavana
15 juin 2011 by Mitiyu
Amin’izao fahatongavan’ny fety izao dia tsara ny mampahatsiahy ireo fomba nahatsara fiahavanana teo aloha. Marina fa efa tonga eto Madagasikara ny fanatontoloana sy ny lafiny tsara sy ratsy saingy tsara raha tazonina ihany koa ireo fomba nahafinaritra teo aloha. Anisan’ny zavatra nahafinaritra ny fahavanana sy ny firaisan-kina nisy teo amin’ny malagasy. Efa mahazatra ny maheno izany. Saingy tsara tsiahivina ihany koa ny fifandraisan’ireo mpianakavy na ireo miray fihavanana ka nahatonga ny ohabolana maro teo aloha toy ny hoe « Asa vadi-drano, tsy vita raha tsy ifanankohonana » na ihany koa ny « tanan-kavia sy havanana ka izay didi-maharary ».
Raha hadihadiana dia iray ihany ny malagasy, toy ny ladim-baotavo hoy ny Ntaolo fka raha fotorana dia iray ihany ny fotony. Entin’ny hazakaza-dava sy ny fitadiavana isan-karazany raMalagasy ka manadino ireo soa toavina izay tsy hita izay tena naharatsy azy ankoatra ny fanararaotan’ny sasany sy ny mizana mitongilan’ila angamba. Ekena tokoa fa tokony ateron-kalao ny fihavanana fa tsy tokony ho ny tena ihany no manao izany fa ny hafa miandry fotsiny.
Rehefa fetim-pirenena tahaka izao no tonga na koa ny taom-baovao dia fomba ny manatitra solombodiakoho ho an’ireo raiaman-dreny sy ny solompenakoho ho an’ireo zandry kely maro samihafa. Raha ara-toe-karena dia fomba mampandroso ny fanjifana sy ny fiaraha-monina izy io satria ireo zokiolona dia natao ho tsy dia manana hery laotra intsony itadiavana izay ho anina ka mila fanampiana ara-batsy, ny zandry kely koa dia torak’izay satria mbola natokana hianatra ka tsy natao hitady vola. Saingy manana ny faniriany izy ireny ka miankin-doha tanteraka amin’ny zoky sy ray aman-dreny ka tsy afa-manohatra. Misy ny heriny sy hasiny koa izany fanolorana sy fahatsiarovana ireo zoky raiaman-dreny sy ny ankizy izany satria dia manasoa ny fiaraha-monina noho ireo karazan-tso-drano omena. Satria marina fa amintsika malagasy dia ny tso-drano dia zava-mahery. Ka ny ray aman-dreny dia ampiana ho valim-babena fa ny zandry kosa omena mba ho fitsaharana rahatr’izay.
Tsy voatery vola aman-karena nefa no ifampahatsiahivana amin’izany fotoana izany fa na dia ny famangiana tsotra fotsiny aza dia efa manampy ny tsirairay. Tsapany amin’izany fa mbola manana ireo havana sy namana afaka ianteherany izy rehefa tonga ny sarotra tsy azo idivirana na ihany koa rehefa tonga ireo raharaha lehie ilàna fanampiana. Etsy an-daniny dia mora be fanadinoina ny olona ka anisany tsara ampiverenana ireo tsiahy tsara sy niarahana ny fifamangiana. Eto dia maty antoka ireo havana sy tapaka any lavitra satria tsy afaka mifamangy amin’ireto namana. Kanefa noho ny teknolojia izay efa natao hanatsarana ny fifandraisana dia tokony tsy hipetraka intsony izany olana izany.
Tandremo anefa! misy ireo olona manararaotra ka lasa tarazo ho an’ny fiaraha-monina. Dia ireo olona mikendry ny ora fisakafoana nefa tsy mampilaza ny fahatongavany fa manampoka ny tompon-trano na ireo very trano sy fialofana ka mba mindrana fandriana fotoana fohy saingy lasa naharitra. Efa sarotra izany tranga izany amin’izao fotoana satria na dia misy aza ny enti-manana dia samy efa nanana ny fiainany sy ny fomba nahazatra azy ny tsirairay ka raha iray alina na roa ianao no mitsidika mety tsy hanahirana fa raha mihoatra izay kosa dia mila mandray anjara amin’ny fianan-tokantranona’ny mpampiantrano. Izay no nahatonga ny oha-pitenenana hoe « ny hava-tiana tsy iaraha-monina »
Ka tsara izany ho antsika tanora raha jerena akaiky hoe iza avy ireo zoky raiaman-dreny, fotsy volo nitàna, nibaby sy nifola-damosina, nitaiza sy nahabe. Mba kasaina tsidihina sy hanomanana solombodiakoho izy ireny. Ary ireo zandrikely manodidina ihany koa izay mety tsapa fa sahirana, na tsy manan-joky sy ray aman-dreny dia mba omena fampiana amin’ny alalan’ny solompenakoho.
No Tagshevitra sendra nandalo
7 juin 2010 by Mitiyu
Nalefa tamin’ny haino aman-jerimpanjakana tamin’ny faran’ny herinandro teo ny fanombohana ara-pomba ofisialy ny faha-50 taona nahazoan’ny malagasy ny fahaleovan-tena. Hita sy tsapa fa natao am-pahamehana ihany raha ny zavatra hita sy re tamin’izay nitranga teny Andohalo.
Ny voalohany aloha dia somary gaga avokoa ireo namadibakika onjam-peo raha nahita seho nitranga mivantana nalefa tamin’ny fahitalavitra sy ny vata fandraisam-peo. Dia samy nifampanontany hoe inona io? fa misy inona? Raha tsy nihaino ny kabary dia tsy fantatra hoe fanombohan’ny fankalazana ny faha-50 taona nahazoan’ny malagasy fahaleovan-tena.
Tsy ampy na ihany koa tsy nisy mihitsy ny serasera momba iny hetsika iny. Mety hoe matahotra ho takon’ny ady baolina kitra goavana izay mitranga atsy Afrika Atsimo angaha dia tsy maintsy natao na ihany koa mety efa tara nefa tsy maintsy hatao dia nalefa? asa aloha, tsy misy mahafantatra isika.
Ny faharoa dia ny fahazakan’ny herinaratra ny zava-maneno sy ny entana mila izany tamin’io fotoana io. Tsy nifampiresahana tamin’ny JIRAMA mialoha sa sendra ny erikerika tsy nampoizina ka nampisy olana teknika? sa kosa tsy nisy teny nifampiarana tamin’ny tompon’andraikitry ny fanamisam-peo sy ny haingon-jiro isankarazany fa notampohina? asa koa aloha fa ny zavatra hita tsy dia lavorary no fantatra. Izany ve no fanajana izany fahatsiarovana ny nahazoana ny fahaleovantena izany, koa tsy hihomehezan’ny taranak’ireo izay nanome izany hoe rariny raha tokony mbola tsy nomena sanatria? Dia malahelo sy menatra ny tena…
Marihina fa teny ivelan’ny tamboho ny ankamaroan’ireo valala tsy mandady harona raha sendra mba nivoaka nijery izany hetsika izany izy ireo. Dia ny vahoaka dia vahoaka eny foana izany aloha ka mety tsy hahagaga raha zaran’ny sasany aza miaka-dapa mba hamenona harona ireo hanina natokana ho an’ny manankaja izay nasaina.
Ny farany azo ambara mba tsy hanaovana fanakianana be fahatany tsy mampandroso dia ny sary famantarana. Tsara raha jerena amin’ny lafiny teknika izy ity saingy dia somary gaga ihany satria ny sary voalohany tonga an-tsaina raha vao mijery azy dia sarina foza… Tsy dia ilay fozaorana nalaza volana maromaro tsy akory soa ihany satria dia efa lasa resaka politika no niafaran’ito biby iray ito. Fa drakaka izany mba hanazava azy bebe kokoa.
Ny fahafantarana ny foza dia biby tsy mandeha mahitsy (droiture), kaodikaody ny maso, manongo sy miketoka be fahatany, ary ny sasany moa dia tsy miaina raha tsy amin’ny toerana maloto… enga anie ka tsy nanana izany hevitra izany ny mpikanto tamin’ny nanaovany izany. Roa tokom-bolana sisa dia tonga ny fety, mbola afaka miketrika tsara hahandro hahamasaka izay lanonana hatokana ho an’ny vahoaka sy ny manam-boninahitra ny mpikarakara. Omano tsara hisorohana ny tsy ampoizina sy mba hilanona tsara ny malagasy tsy vaky volo.
Tsetsatsetra tsy aritra ary hevitra sendra nandalo iny. Ka trafon-kena ome-mahery : am-bava homana, am-po mieritra.
No TagsMbola afaka hirehareha aho fa Malagasy
28 avril 2010 by Mitiyu
Andrianiko, hono, ny teniko, ny an’ny hafa koa feheziko. Dimampolo taona izao no voalaza fa niverina ny fiandrianam-pirenena Malagasy. Tao anatin’ny taona vitsivitsy lasa dia hita sy tsapa fa misy ireo mpiray tanindrazana no mieritreritra fa ambony sy tafita rehefa miresaka amin’ny teny vahiny.
Maro ny mibadabada amin’ny teny frantsay, etsy andaniny ireo tsy mivolana raha tsy amin’ny teny anglisy ary ampahany vitsivitsy no miresaka amin’ny teny alemà sy sinoa. Ny zanaka nentin’ireo mpianatra tamin’ny fiandohan’ny repoblika faharoa etsy andaniny dia mahay teny rosianina.
Nosy i Madagasikara ary isaorana an’Andriamanitra isika mbola tsy niady sisin-tany firy tamin’ny firenena hafa na dia misy ihany aza ireo nosy kely vitsivitsy tokony ho an’I Madagasikara nefa bodoin’ny firenena hafa.
Ary dia mbola afaka mirehareha ny maha-malagasy ahy aho noho izay teniko izay. Teny miavaka sy tokana, ahafana mifanerasera tsara, ary ravahan’ireo fitenim-paritra maro loko.
Mbola tsy nahita aho tamin’ny fety maro izay natrehiko ka ireo olona miezaka ny manao fitafy Malagasy dia misalaka sy misikina fotsiny ihany. Indrisy fa na dia filatro nentin-drazana aza no tiana atao dia irony pataloha sy palitao tandrefana irony no isalorana lamba (landy) dia izay.
Misy ihany moa ireo olona vitsivitsy no misatro-bory na miambozona firavaka nentin-drazana. Saingy takona izy ireny ka haingo ivelany sisa no hita. Tsy mba tena nisy ireo niezaka namoaka fitafy miavaka sy tena Malagasy azo oharina amin’ny ny an’ireo indianina vavy miankanjo saari na ireo afrikana maro manao boubou, na ireo japoney manao kimono, na ireo sinoa manao ifu. Naleontsika nitady nivery ka manafangarongaro endrika, dia ny vary sy ny tsiparifary. Ka ny soga sy ny landibe aravaka tandrok’omby no hankalazaina fa tena fitafy nentin-drazana.
Saingy mbola afaka mirehareha ny maha-malagasy ahy aho noho ireo tanora vitsivitsy ireo, mikaroka sy mitady ny very ka mampifangaro ny soga sy ny landy ary ny landibe mba ho filatro mihaja sy miavaka ka ho tonga fitafy nentin-drazana ho an’ireo zanaka amam-para any aoriana.
Tonga ireo vahiny sasany dia namokatra ireny akanjo lazainy fa avy amin’ny tena Malagasy. Ao ireo misarin’omby, ombalahy sy tarondro. Ao ihany koa ireo misarisarin-tsokatra sy lefona ary koa taksi-borosy. Ny an’ny sasany moa dia nampiany lakam-bezo sy Atandroy lahy mandihy. Misy ampahany aza misy sarin-toaka malaza. Dia izay no nahafantarana fa nandalo teto gasikara ilay vahiny iray ka lasa voan-dàlana ilay endrika tsy tena avy eto an-toerana fa kolotsaina sadasada nafangaro ny zava-misy.
Saingy na mampahatsiahy ahy ranomaso sy alahelo aza ireto aloalo aravaka ny akanjo, dia mbola afaka aho ny hirehareha fa manana ireo amin’ny kisarisary maro ireo ka tsy amin’ny akanjo fotsiny ihany no ahitana azy ireny fa manerana ny fireneko.
Nisy fotoana ireo ankizy sy tanora, tsy tia mozika afa-tsy rôka na rap ary tsy nandihy raha tsy dihy vahiny. Kanefa adinony fa mbola misy ireo mpandala ny jijy, ny beko na koa ny sôva, ary mbola maro ireo mpanao asa apinga, ny mpilatsy tàanana ary ny mpandihy soroka no miezaka manavao ireto kolontsain-drazana mba haharaka ny toetr’andro. Ka na ny kabôsy na ny sodina na ny valiha dia tsy tena malagasy fotsiny no niandohany. Indrisy anefa fa mampalahelo fa misy ireo tanora no mihevitra fa ny dihy mampihetsika fitombenana no tena dihy malagasy ka adinony tanteraka fa lovan’ny moron-tsiraka tamin’ny firenena afrikana ireny.
Fa na dia izany aza ny zava-misy dia mbola afaka ny hirehareha aho fa Malagasy noho ireo harena ara-kolotsaina marobe misy eto amin’ny firenena sy ananan’I Gasikara ka tsy maha-mena-mitahy ireo mpandala ny kanto malagasy hiatrika ny sehatra iraisam-pirenena fa afaka mitondra tsara izany hifaninana amin’ny ny an’ireo firenena hafa.
Repoblika telo no nifanesy. Isaky ny mitady hitraka ilay fireneko dia misy foana ireo miezaka ny mandetika azy. Tsy azo lazaina izy ireny fa hoe tena tia tanindrazana fa toa saribakoly tia seza sy mitady voninahitra fotsiny ihany. Ka ny harena kely ananany sy ny fahefana azony ao no entina manosihosy ireo mpiray tanindrazana sy entina misolelaka amin’ny firenen-dehibe hafa.
Saingy mbola faly aho hatramin’izao mahatsiahy fa ao anaty ràko ao, misy ny ràn’ireo mpanjaka razambe, namolavola sy niady mafy ny mba hanandratana ny fireneny sy ny vahoakany. Ka nametraka fefiloha mba tsy hahatondraka ny tanàna, nitondra amim-pahendrena ho tombon-tsoan’ny tsirairay. Ka ireo ratsiratsy saina sy nanana fiheveran-dratsy dia novonoina sy nokendaina tamin’ny lamba mba ho ohatra ho an’ny ho avy.
Dia inona ary izany no mahamalagasy anao?
16 février 2010 by Mitiyu
« Tsarovy sy mba tadidio… malagasy anie ianao ô »
Mahafinaritra ery ny figadon’io sombin-kira voatonona ambony io, indrindra rehefa izy izay no arahina valiha sy aponga. Ho feno 50 taona amin’ity taona 2010 ity ny nahazoan’ny malagasy fahaleovan-tena. Mipetraka ny fanontaniana manao hoe « dia inona ary izany no mahamalagasy anao? »Afaka raisintsika amin’ny lafiny efatra izany.
Raha ny ara-kolotsaina sy ny soatoavina no resahina dia mora ny fanehoan-kevitra satria tsy mila mitady lavitra akory dia mahita izay azo raisina ho maha-malagasy. Ny riba sy ny hasina malagasy no voalohany
Maro ihany koa ny afaka tanisaina raha ny vakoka sy ny kolotsaina no ambara. Indraindray aza toa lasa kisary sisa fa tsy dia iainana intsony. Iza marina moa no tsy mahalala izany vako-drazana, hira gasy, famorana, famadihana, sambatra, hazolahy, sns. Eto dia manahirana ny miresaka fivavahana malagasy satria hatramin’ny fidiran’ny fivavahana kristianina dia niova ny fandraisana ny fivavahana malagasy. Tsy eo intsony ireo toko telo misahana ny razana sy ny zanahary, lasa fady ny mamadika sy manao joro noho ny finoana tsy mitovy ary mampisaraka indraindray ny resaka firazanana.
Raha ny fisainana sy ny fiteny dia somary miharatsy ny fitsarana ny maha-malagasy.
Ny tanora moa dia lasa manao fiteny malagasy kiringa ka manafangaro ny vary sy ny tsiparafara. Ny « tu vois » sy ny « tu sais » lasa mialoha ny fehezan-teny malagasy.
Eto amin’ny resaka fitafy sy fihetsika dia ahafahana mivalapatra tsara satria mampiady hevitra ny rehetra. Nanatrika ny hetsika « Takariva malagasy » ny tena ary voalaza tao anaty fanasana fa fitafy malagasy no tsara raha hisalorana. Vahotra ny saina satria salaka sy sikina no tao an-doha nefa ilay lanona handeha mivantana amin’ny fahitalavitra. Sao dia sanatria hamoha fady eo ny fiakanjon’ny tena? Hany hery nitafy lamba arindrano misy satrok’andrina vita amin’ny kofehy miloko ranom-bolamena. Misy namana somary malaza izay aza moa dia koba no nasolo ny mofo mamy nahazatra tamin’ny fampakaram-bady, nahafinaritra. Ny an’ny tena dia nijanona tamin’ny fiantsoana mpanao vako-drazana izay namela tsiahy ratsy satria dia nahatorana ny fofon’ny vitsivitsy tamin’izy ireo.
Ho ahy manokana dia tsy tiako sy tsy ankasitrahiko ny misalotra na miambozona aloalo satria dia toy ny mitondra alahelo sy tomany noho izy ireny fametraka eny amin’ny fasana. Mivoatra isan’andro ny fitafy malagasy ary tsy ifanomezan-tsiny raha mbola ny landy sy ny landibe ary ny soga fotsiny aloha no tena ahafahana mampiavaka azy io ankehitriny. Ho ahy ny maha-malagasy dia miankina amin’ny ao am-po, ny fanahy mitaiza sy mitahiry ireo fahendrena izay efa nisy teo aloha ary ny indrindra ny saina. Anjaranao no mahita ny anao, fa mbola hiverina amin’ny vanim-potoana mbola hitady ny very indray aloha isika malagasy vao hahafantatra sy hahalala ary hahay ny maha-malagasy antsika.
Ny tena fitiavan-tanindrazana
3 novembre 2009 by Mitiyu
Mbola misy ve ireo malagasy tena tia tanindrazana ? Mipetraka ny fanontaniana.
Tao anatin’izay dimampolo taona farany taorian’ny nahazoana ny fahaleovan-tena mantsy dia mampisalasala ihany ny mamaly io fanontaniana io. Mbola afaka valiana tsara ihany izy io saingy tao anatin’ny herintaona izao dia tsy hita mazava izay valinteny tena marina.
Maro ireo mitonona ho tia tanindrazana saingy ny fihetsika sy ny fomba rehetra dia toa maneho fa fitiavam-bola sy voninahitra ary seza eo amin’ny fitondrana no betsaka. Misy ireo mimenomenoma amin’ny tena tokony atao sy tokony ho fomba fiaraha-monina fa tsy mihetsika tsy manao na inona na inona afa-tsy ny fitadiavana mahazatra mba ivelomana.
Misy ireo tena sahy mirotsaka an-dalambe mitaky fanovana saingy tsy manova ny fomba ratsy fanaony sy ireo fitiavan-tena mahazatra tsy mitsinjo ny fiaraha-monina sy izay tena mahasoa ny tanindrazana.
Vonona ve ianao ho faty ho tombontsoan’ny vahoaka malagasy sy fihavaozan’ny firenena ? Vonona ve ianao hanasoa ny tanindrazanao tsy hangataka tambiny na karama ary tsy ho noho ny tombontsoa manokana ? Vonona ve ianao hijoro manoloana ny jadona ankolaka ataon’ireo firenen-dehibe vitsivitsy mikatsaka ny mahasoa azy eto Madagasikara ka mitady amin’ny fomba rehetra hametsena sy hanambaniana anao ? VONONA VE IANAO HIASA AMIN’NY FONAO MANONTOLO KA TSY HIKELY SOROKA MBA HANATSARANA NY TONTOLO MANODIDINA ANAO ?
Namaly TSIA indray, in-droa, in-telo ve ianao tamin’ireo faontaniana teo ambony ireo ? Mbola tsy tena vonona ny haneho ny mety ho tena fitiavanao ny taindrazanao ianao izany.
Mba inona kosa ary izany ny anjara biriky nentinao ho fanarenana na fanasoavana ny tanindrazanao ? Maro mantsy ireo olona tafaresaka amin’ny tena no milaza fa vonona hanasoa ny ankohonany sy ny fianakaviana fa hatreo ihany satria tsy misy antenaina, hono, ny firenena.
Aza manao fitiavan-tanindrazan’ny taona roa arivo ka mitombo arakaraka ny vola voaray !!!


License