Dia inona ary izany no mahamalagasy anao?
16 février 2010 by Mitiyu
“Tsarovy sy mba tadidio… malagasy anie ianao ô”
Mahafinaritra ery ny figadon’io sombin-kira voatonona ambony io, indrindra rehefa izy izay no arahina valiha sy aponga. Ho feno 50 taona amin’ity taona 2010 ity ny nahazoan’ny malagasy fahaleovan-tena. Mipetraka ny fanontaniana manao hoe “dia inona ary izany no mahamalagasy anao?”Afaka raisintsika amin’ny lafiny efatra izany.
Raha ny ara-kolotsaina sy ny soatoavina no resahina dia mora ny fanehoan-kevitra satria tsy mila mitady lavitra akory dia mahita izay azo raisina ho maha-malagasy. Ny riba sy ny hasina malagasy no voalohany
Maro ihany koa ny afaka tanisaina raha ny vakoka sy ny kolotsaina no ambara. Indraindray aza toa lasa kisary sisa fa tsy dia iainana intsony. Iza marina moa no tsy mahalala izany vako-drazana, hira gasy, famorana, famadihana, sambatra, hazolahy, sns. Eto dia manahirana ny miresaka fivavahana malagasy satria hatramin’ny fidiran’ny fivavahana kristianina dia niova ny fandraisana ny fivavahana malagasy. Tsy eo intsony ireo toko telo misahana ny razana sy ny zanahary, lasa fady ny mamadika sy manao joro noho ny finoana tsy mitovy ary mampisaraka indraindray ny resaka firazanana.
Raha ny fisainana sy ny fiteny dia somary miharatsy ny fitsarana ny maha-malagasy.
Ny tanora moa dia lasa manao fiteny malagasy kiringa ka manafangaro ny vary sy ny tsiparafara. Ny “tu vois” sy ny “tu sais” lasa mialoha ny fehezan-teny malagasy.
Eto amin’ny resaka fitafy sy fihetsika dia ahafahana mivalapatra tsara satria mampiady hevitra ny rehetra. Nanatrika ny hetsika « Takariva malagasy » ny tena ary voalaza tao anaty fanasana fa fitafy malagasy no tsara raha hisalorana. Vahotra ny saina satria salaka sy sikina no tao an-doha nefa ilay lanona handeha mivantana amin’ny fahitalavitra. Sao dia sanatria hamoha fady eo ny fiakanjon’ny tena? Hany hery nitafy lamba arindrano misy satrok’andrina vita amin’ny kofehy miloko ranom-bolamena. Misy namana somary malaza izay aza moa dia koba no nasolo ny mofo mamy nahazatra tamin’ny fampakaram-bady, nahafinaritra. Ny an’ny tena dia nijanona tamin’ny fiantsoana mpanao vako-drazana izay namela tsiahy ratsy satria dia nahatorana ny fofon’ny vitsivitsy tamin’izy ireo.
Ho ahy manokana dia tsy tiako sy tsy ankasitrahiko ny misalotra na miambozona aloalo satria dia toy ny mitondra alahelo sy tomany noho izy ireny fametraka eny amin’ny fasana. Mivoatra isan’andro ny fitafy malagasy ary tsy ifanomezan-tsiny raha mbola ny landy sy ny landibe ary ny soga fotsiny aloha no tena ahafahana mampiavaka azy io ankehitriny. Ho ahy ny maha-malagasy dia miankina amin’ny ao am-po, ny fanahy mitaiza sy mitahiry ireo fahendrena izay efa nisy teo aloha ary ny indrindra ny saina. Anjaranao no mahita ny anao, fa mbola hiverina amin’ny vanim-potoana mbola hitady ny very indray aloha isika malagasy vao hahafantatra sy hahalala ary hahay ny maha-malagasy antsika.
Ny tena fitiavan-tanindrazana
3 novembre 2009 by Mitiyu
Mbola misy ve ireo malagasy tena tia tanindrazana ? Mipetraka ny fanontaniana.
Tao anatin’izay dimampolo taona farany taorian’ny nahazoana ny fahaleovan-tena mantsy dia mampisalasala ihany ny mamaly io fanontaniana io. Mbola afaka valiana tsara ihany izy io saingy tao anatin’ny herintaona izao dia tsy hita mazava izay valinteny tena marina.
Maro ireo mitonona ho tia tanindrazana saingy ny fihetsika sy ny fomba rehetra dia toa maneho fa fitiavam-bola sy voninahitra ary seza eo amin’ny fitondrana no betsaka. Misy ireo mimenomenoma amin’ny tena tokony atao sy tokony ho fomba fiaraha-monina fa tsy mihetsika tsy manao na inona na inona afa-tsy ny fitadiavana mahazatra mba ivelomana.
Misy ireo tena sahy mirotsaka an-dalambe mitaky fanovana saingy tsy manova ny fomba ratsy fanaony sy ireo fitiavan-tena mahazatra tsy mitsinjo ny fiaraha-monina sy izay tena mahasoa ny tanindrazana.
Vonona ve ianao ho faty ho tombontsoan’ny vahoaka malagasy sy fihavaozan’ny firenena ? Vonona ve ianao hanasoa ny tanindrazanao tsy hangataka tambiny na karama ary tsy ho noho ny tombontsoa manokana ? Vonona ve ianao hijoro manoloana ny jadona ankolaka ataon’ireo firenen-dehibe vitsivitsy mikatsaka ny mahasoa azy eto Madagasikara ka mitady amin’ny fomba rehetra hametsena sy hanambaniana anao ? VONONA VE IANAO HIASA AMIN’NY FONAO MANONTOLO KA TSY HIKELY SOROKA MBA HANATSARANA NY TONTOLO MANODIDINA ANAO ?
Namaly TSIA indray, in-droa, in-telo ve ianao tamin’ireo faontaniana teo ambony ireo ? Mbola tsy tena vonona ny haneho ny mety ho tena fitiavanao ny taindrazanao ianao izany.
Mba inona kosa ary izany ny anjara biriky nentinao ho fanarenana na fanasoavana ny tanindrazanao ? Maro mantsy ireo olona tafaresaka amin’ny tena no milaza fa vonona hanasoa ny ankohonany sy ny fianakaviana fa hatreo ihany satria tsy misy antenaina, hono, ny firenena.
Aza manao fitiavan-tanindrazan’ny taona roa arivo ka mitombo arakaraka ny vola voaray !!!
Fihavanana sy Firaisan-kina malagasy
27 août 2009 by Mitiyu
Nisy hira nandeha tamin’ny fahitalavitra teo aloha teo somary nampitsiky kely ahy isaky ny atoandro satria nandeha foana. Tsara tarehy ilay mpihira sady mahay mandihy fa ilay hira kosa aloha tena tsy tapako ny foto-keviny sy ny vonto atiny. Soa fa mazava ny lohateniny : “fihavanana malagasy”. Nahalasalasa saina ny tena ka nampanao hoe “aiza ho aiza” marina moa izao ny toeran’ity soatoavina malagasy izay tsy inona fa fihavanana ity”? Mbola eo foana ve sa aleo very tsikalakalam-pihavanana toy izay very tsikalakalam-bola?Resaka politika sy ady seza efa mankaleo sy mampadilo sofina no heno lava reny tato ho ato. Izy ireo dia toa tsy ahitana taratra izany firaisan-kina na fihavanana izany. Nefa izy ireo no fitaratr’i Gasikara ka mampianatra ny olona ny fomba fanao vaovao. Ny fomba fanao vaovao sy malaza? “mitadiava seza mba ho tafita”, ka rariny raha mipoitra ny ambany tanàna mitaky ny anjarany fa leo ny atao tohatra fiakarana. Fa misy ihany kosa aloha no mbola miresaka fihavanana e: “mba afaingano moa iny taratasy iny amin’ny anaran’ny fihavanantsika” dia hoy ny iray “havako, havako, havana raha misy patsa”. Aza adino fa raha ho avy ny loza, patsa iray tsy omby vava ary tain’akoho mety ampisolifatra. Tena niova ny toe-tsaina e, izay angamba ilay fivoarana. Fa raha izany aleo mivoatra any amin’ny lalana hafa mety hampandroso fa tsy io lalana io.
Avaho ny vary sy ny tsiparifary
2 août 2009 by Mitiyu
Tato anatin’ny andro vitsivitsy dia niverina indray ny resaka famotsoran-keloka na “Amnistie”. Miazakazaka miseho amin’ny haino aman-jery noho izany ireo izay nahatsiaro fa mila manadio tena na ihany koa ireo nosaziana na nogadraina na ihany koa ireo nanao sesi-tany ny tenany nandridtra izay vanim-potoana politika nisesisesy rehetra izay.
Raha ny hevitry ny fitondrana teteza-mita aloha dia nolazainy fa aloe ny vahoaka no hanapaka sy hijery ny momba izay. Mety fahendrena ihany izany fa indrindra indrindra ihany koa fa fialàna amin’izay fahatezeran’ireo mpanao politika namana na mpifaninana nefa mety mbola iaraha miasa ihany any aoriana.
Amin’ny maha-malagasy ny tena dia mahatsiaro tena ho vahoaka ka haneho ny hevitra etoana satria moa tsy misy intsony ny solom-bavam-bahoaka noho ny rafitra teteza-mita dia mahatsiaro tsy manana solo-tena sy mpitondra-teny miakatra intsony.
Misavasava vodin’akoho…
29 juillet 2009 by Mitiyu
Ny ohabolana, hono rankizy, dia notsoahin’ireo ntaolo malagasy vontom-pahendrena ka namadika ho teny ireo zava-misy manodidina. Misy ny mbola afaka ampiharina amin’izao fotoana izao, toy ny ny hoe : “Mamono biby an-davaka ka ifoteran’ny rambony”. Afaka ampiharina amin’ny fiainana andavanandro sy ny resaka politika io amin’izao fotoana izao. Misy kosa ny toa sadasada manan-tsoratra tsy hay ampiharina, tsy hay akombona satria dia mahasadaikatra toy ny vay an-kandrina satria sady maharary no mahamenatra.Anisan’ireny ny miresaka ny soatoavina nananan’ny malagasy toy ny hoe : ” tanana havia sy havanana izay didi-maharary” na koa ny hoe “trano atsimo sy avaratra ka izay tsy mahalen-kialofana”Amin’izao fotoana izao mantsy, ankoatra ny fahoriana mianjady amin’ireo fianakaviana akaiky, dia tsy dia hita soritra intsony ireo ohabolana roa ireo. Tsy dia azo tena ampiharina amin’ny vanim-potoana hiainana satria dia samy maka ho azy ny malagasy. Voaroba i anona? Any izany! voaraoka tamin’ny asany i Zefa? Voa izany! aza mba tratrany ihany…Ianao ve izao lany siramamy na menaka dia ho atsy atsimo hindrana, dia ho mino ve ianao fa hahazo tsy hisy romoromo na tsy arahina ompa na hahazo tsotra fotsiny izao? Mainka izany fa hoe mitete ny tafonay fa aleo aloha izahay mba hanao vakansy haka sasatra aty aminareo. Ireo tonga tsy ampoizina amin’ny ora fisakafoana aza efa tsy fidiny. Nefa dia malagasy ny tena ka mba tsy haharatsy fihavanana dia miezaka ny manampy foana. Ohabolana iray vaovao tiana hozaraina aminao no nahatonga ny resaka ohabolana. Fantatra ny oha-pitenenana manao hoe “Misavasava vodin’akoho, ka raha tsy tay dia atody”. Miova izany amin’izao fotoana ka lasa hoe “Misavasava harona “sachet” raha tsy fako dia baomba”
No TagsÔ raMalagasy a, fa inona ity natao e?!
Midoka tena sy mitopy teny fatratra ramalagasy milaza fa tsy afrikana izy. Rehefa misy fihaonana iraisam-pirenena moa dia adalain’ireo hafa fiaviana hoe etsy ny afrikana dia etsy ny malagasy. Voalaza mantsy fa hendry ramalagasy, voalaza fa mandala ny fihavanana sy ny firaisan-kina. Kanefa inona ny nitranga? Ny andaniny mitady an’i Andry Rajoelina any amin’ny masoivoho frantsay, ny ankilany hanenjika ny PDS Guy Rivo eny Ampasapito sy ny manodidina rehefa tsy nahazo ny zanany teny Ambatobe tao amin’ny sekoly frantsay. Ny miaramila mihoko sy mitokona tsy handray baiko intsony fa hanao “V” amin’ny ratsan-tànana. Ny mpandroba maneho eo anoloan’ny fianakaviambe iraisam-pirenena fa mahantra sy noana ka solosaina sy fahitalavitra no angalarina. Maratra, voa mafy misy koa ny maty. Haringana ve ny firenena? Hahetry ve ny toe-tsaina malagasy sy ireo soa toavina nolalain’ny razana?Inona re ity nataonao raMalagasy ô?! Mahamenatra sy marary toy ny tongo-bakivaky.
A vous la parole …
Lors qu’on recherche des articles sur Madagascar, on ne parle plus que de politique et de crise sur le web. Payons nous le luxe de parler d’autres choses dans Malagasy Miray.
Un phénomène inquiétant dans le language quotidien des malgaches est le terme “bizna”. Issu du mot anglais “business”, il décrit surtout la façon de gagner un peu sa vie en faisant des “coups”. Ce n’est pas une activité permanente où la personne physique se spécialise au seins d’une personnalité morale.
La classe des entrepreneurs “traditionnels” et la bourgeoisie malgache en général méprise et donne une certaine connotation péjorative à ce terme. Elle considère que ce sont les vendeurs ambulants de téléphones portables sur la place de 13 mai ou encore ceux qui s’aventurent dans la filière pierre précieuse d’Ilakaka ou d’ailleurs qui utilise ce terme.
Et il est désolant d’entendre un peu partout “inona ny bizna mandeha izao e?” pour demander quelle affaire marche le mieux maintenant. Et il faut reconnaître que ce genre de mentalité dénote la qualification de la presse internationale de Madagascar comme figurant parmi les pays pauvres de la planète.
Les ancêtres disaient : “Aleo very tsikalakalam-bola toy izay very tsikalakalam-pihavanana” (mieux vaut perdre de l’argent que perdre ses amis), c’était une des principales valeurs de la culture malgache. Maintenant, le chanteur Jaojoby, le roi du Salegy, a pu vulgariser l’état d’esprit : “Samy mandeha, samy mitady” (chacun pour soi (sans Dieu pour tous))
Arrivé à ce stade, on peut comprendre comment le malgache moyen est arrivé à un tel matérialisme et tend à disparaître. En effet, il a souvent été question de la disparition de la classe moyenne malgache et cela semble devenir une réalité fatale en ce moment.
Revenons à la ligne principale de ce post.
Beaucoup de filières sont à développer dans le pays, beaucoup de secteurs n’attendent qu’à se professionnaliser. Les jeunes d’andafy, les malgaches de l’étranger ainsi que les intellectuels de la grande île affirment que tout est à faire au pays. Mais pourquoi ne le fait-on pas alors?
Je considère que pour les intellectuels, on passe plus de temps à analyser, à évaluer et calculer les risques pour finalement ne rien faire; tandis que les self made men se préoccupent plus de leur enrichissement personnel perdant toute utilité à développer des biens pour la communauté.
Du point de vue économique, en tant que spécialiste du développement rural, je peux affirmer qu’il n’y a aucun avenir certain dans l’agriculture sauf en développant une exploitation industrielle ET une culture de rente et/ou des produits correspondant à l’attente et au besoin du marché international (jatropha, certaines huiles essentielles, le chanvre (et oui! mais pas pour ce que vous pensez) etc.)
Maintenant, à part l’agriculture, la pêche et toute activité halieutique sont toujours porteurs si on se tourne vers l’Europe, l’Asie ou toujours l’Amérique du Nord). Mais que peut-on dire du marché national, du marché local?
Si on reste toujours dans le secteur primaire, on ne créera point de richesse. Il faut de a transformation, beaucoup de transformation pour qu’on puisse créer de la valeur ajoutée. La négoce c’est bien, la revente aussi mais tout cela reste limité, très limité.
Oui mais on a besoin de fonds pour se lancer! diront certains. OUI et NON! si vous avez un projet probant, incluant une création de valeur ajoutée, il y a des organismes et des personnes qui ne demandent qu’à financer.
Faites-vous savoir, montrer vos projets, à la limite nous pourrions vous orienter.


License