• Mbola afaka hirehareha aho fa Malagasy

    Andrianiko, hono, ny teniko, ny an’ny hafa koa feheziko. Dimampolo taona izao no voalaza fa niverina ny fiandrianam-pirenena Malagasy. Tao anatin’ny taona vitsivitsy lasa dia hita sy tsapa fa misy ireo mpiray tanindrazana no mieritreritra fa ambony sy tafita rehefa miresaka amin’ny teny vahiny. Maro ny mibadabada amin’ny teny frantsay, etsy andaniny ireo tsy mivolana raha tsy amin’ny teny anglisy ary ampahany vitsivitsy no miresaka amin’ny teny alemà sy sinoa. Ny zanaka nentin’ireo mpianatra tamin’ny fiandohan’ny repoblika faharoa etsy andaniny dia mahay teny rosianina. Nosy i Madagasikara ary isaorana an’Andriamanitra isika mbola tsy niady sisin-tany firy tamin’ny firenena hafa na dia misy ihany aza ireo nosy kely vitsivitsy tokony ho…

  • Dia inona ary izany no mahamalagasy anao?

    « Tsarovy sy mba tadidio… malagasy anie ianao ô » Mahafinaritra ery ny figadon’io sombin-kira voatonona ambony io, indrindra rehefa izy izay no arahina valiha sy aponga. Ho feno 50 taona amin’ity taona 2010 ity ny nahazoan’ny malagasy fahaleovan-tena. Mipetraka ny fanontaniana manao hoe « dia inona ary izany no mahamalagasy anao? »Afaka raisintsika amin’ny lafiny efatra izany. Raha ny ara-kolotsaina sy ny soatoavina no resahina dia mora ny fanehoan-kevitra satria tsy mila mitady lavitra akory dia mahita izay azo raisina ho maha-malagasy. Ny riba sy ny hasina malagasy no voalohany tonga ao an-tsaina raha kolotsaina no resahina. Ary ny fihavanana sy ny firaisan-kina kosa raha ny soatoavina no fakafakana. Ito lafiny iray ito…

  • Ny tena fitiavan-tanindrazana

    Mbola misy ve ireo malagasy tena tia tanindrazana ? Mipetraka ny fanontaniana. Tao anatin’izay dimampolo taona farany taorian’ny nahazoana ny fahaleovan-tena mantsy dia mampisalasala ihany ny mamaly io fanontaniana io. Mbola afaka valiana tsara ihany izy io saingy tao anatin’ny herintaona izao dia tsy hita mazava izay valinteny tena marina. Maro ireo mitonona ho tia tanindrazana saingy ny fihetsika sy ny fomba rehetra dia toa maneho fa fitiavam-bola sy voninahitra ary seza eo amin’ny fitondrana no betsaka. Misy ireo mimenomenoma amin’ny tena tokony atao sy tokony ho fomba fiaraha-monina fa tsy mihetsika tsy manao na inona na inona afa-tsy ny fitadiavana mahazatra mba ivelomana. Misy ireo tena sahy mirotsaka an-dalambe mitaky…

  • Fihavanana sy Firaisan-kina malagasy

    Nisy hira nandeha tamin’ny fahitalavitra teo aloha teo somary nampitsiky kely ahy isaky ny atoandro satria nandeha foana. Tsara tarehy ilay mpihira sady mahay mandihy fa ilay hira kosa aloha tena tsy tapako ny foto-keviny sy ny vonto atiny. Soa fa mazava ny lohateniny : « fihavanana malagasy ». Nahalasalasa saina ny tena ka nampanao hoe « aiza ho aiza » marina moa izao ny toeran’ity soatoavina malagasy izay tsy inona fa fihavanana ity »? Mbola eo foana ve sa aleo very tsikalakalam-pihavanana toy izay very tsikalakalam-bola?Resaka politika sy ady seza efa mankaleo sy mampadilo sofina no heno lava reny tato ho ato. Izy ireo dia toa tsy ahitana taratra izany firaisan-kina na fihavanana izany.…

  • Avaho ny vary sy ny tsiparifary

    Tato anatin’ny andro vitsivitsy dia niverina indray ny resaka famotsoran-keloka na “Amnistie”. Miazakazaka miseho amin’ny haino aman-jery noho izany ireo izay nahatsiaro fa mila manadio tena na ihany koa ireo nosaziana na nogadraina na ihany koa ireo nanao sesi-tany ny tenany nandridtra izay vanim-potoana politika nisesisesy rehetra izay.   Raha ny hevitry ny fitondrana teteza-mita aloha dia nolazainy fa aloe ny vahoaka no hanapaka sy hijery ny momba izay. Mety fahendrena ihany izany fa indrindra indrindra ihany koa fa fialàna amin’izay fahatezeran’ireo mpanao politika namana na mpifaninana nefa mety mbola iaraha miasa ihany any aoriana.   Amin’ny maha-malagasy ny tena dia mahatsiaro tena ho vahoaka ka haneho ny hevitra etoana…

  • Misavasava vodin’akoho…

    Ny ohabolana, hono rankizy, dia notsoahin’ireo ntaolo malagasy vontom-pahendrena ka namadika ho teny ireo zava-misy manodidina. Misy ny mbola afaka ampiharina amin’izao fotoana izao, toy ny ny hoe : « Mamono biby an-davaka ka ifoteran’ny rambony ». Afaka ampiharina amin’ny fiainana andavanandro sy ny resaka politika io amin’izao fotoana izao. Misy kosa ny toa sadasada manan-tsoratra tsy hay ampiharina, tsy hay akombona satria dia mahasadaikatra toy ny vay an-kandrina satria sady maharary no mahamenatra.Anisan’ireny ny miresaka ny soatoavina nananan’ny malagasy toy ny hoe :  » tanana havia sy havanana izay didi-maharary » na koa ny hoe « trano atsimo sy avaratra ka izay tsy mahalen-kialofana »Amin’izao fotoana izao mantsy, ankoatra ny fahoriana mianjady amin’ireo fianakaviana akaiky,…

  • Ô raMalagasy a, fa inona ity natao e?!

    Midoka tena sy mitopy teny fatratra ramalagasy milaza fa tsy afrikana izy. Rehefa misy fihaonana iraisam-pirenena moa dia adalain’ireo hafa fiaviana hoe etsy ny afrikana dia etsy ny malagasy.   Voalaza mantsy fa hendry ramalagasy, voalaza fa mandala ny fihavanana sy ny firaisan-kina.   Kanefa inona ny nitranga? Ny andaniny mitady an’i Andry Rajoelina any amin’ny masoivoho frantsay, ny ankilany hanenjika ny PDS Guy Rivo eny Ampasapito sy ny manodidina rehefa tsy nahazo ny zanany teny Ambatobe tao amin’ny sekoly frantsay. Ny miaramila mihoko sy mitokona tsy handray baiko intsony fa hanao « V » amin’ny ratsan-tànana.   Ny mpandroba maneho eo anoloan’ny fianakaviambe iraisam-pirenena fa mahantra sy noana ka solosaina sy fahitalavitra no angalarina. Maratra, voa mafy misy koa ny…