• Misandrata ry Malagasy (ampahany voalohany)

    Faly miaraka antsika izay mamaky ity takelaka ity indray. Elaela tsy nanoratra saingy mbola eto foana ihany. Tsetsatsetsa tsy aritra no indro ho resahiko indray androany dia zavatra efa hitan’ny malagasy maro kanefa tsy dia resahina matetika na tsy resahina mihitsy. Madagasikara dia nosy, ary amin’ny maha-nosy azy izay dia tsy misy firenena mifampikasoka sisin-tany aminy. Manana ny kolotsainy ny Malagasy ary manana ihany koa ny mampiavaka azy amin’ireo firenena maro. Na dia nosy aza i Madagasiakra dia tsy maintsy mifanerasera sy mifandray amin’ireo firenena hafa, na ara-barotra izany, na ara-toe-karena na noho ny antony hafa izay tsy iaraha-mahalala noho izao fivoaran’ny teknolojia sy ny fanatontoloana izao. Misy ny zanaka…

  • Mpampihavana tsy mihavana amin’ny hafa hoe?

    Taorian’ny resabe momba ny fisitahan’andriamatoa isany Andry Rajoelina sy Zafy Albert (eto amin’ny sary, tao anatin’ny hetsika momba ny fampihavanam-pirenena nokarakarain’ny FFKM dia misy ihany koa ny resaka mivoaka eny anivon’ny sehetra ara-pinoana maro samihafa eto an-drenivohitra sy ny manodidina. Fantatra aloha fa maro no manenjika ny FFKM mikasika ny toerana izay misy azy ireo momba ito fampihavanana ito. Voatondro molotra mikasika izany ireo tangala mena sy ny FFM izay toa heno any ambadika any ho manakihana ireto raiamandreny ara-pinoana izay miezaka manao izay eritreretiny fa mety ho an’ny malagasy sy ny firenena. Misy ihany koa no milaza fa  misy fiandaniana ito fampihavanana ito. Tsy anjaranay eto amin’ny Malagasy Miray…

  • Mamiko ny tenin-drazako

    Fony aho vao nianatra niteny, dia ny malagasy no fitenin’i dada sy neny. Dia malagasy ihany koa no nianarana satria io aloha no nifandraisana. Nibadabada fony fahazaza ary nanomboka naheno fiteny hafa. Toa hafa saingy efa fandre satria ny naman’i dada sy neny dia niteny ireny fiteny ireny. Anglisy, frantsay nisy sinoa aza indraindray. Nony tany an-tsekoly, nohalalinina ny tenin-drazana, dia ny malagasy izany. Nianarana ny abidia, noezahina nofehezina ny firafitry ny teny, ary nofantarina ny hevitr’ireo voambolana tsy dia faheno mahazatra. Norantovina ihany koa ireo vanim-potoana nisy teo amin’ny tantara sy ny teny, ireo fotoana niverenana « nitady ny very » fa toa mbola tsy hita ihany izany hatramin’izao. Tsy mbola…

  • Fampihavanana sa Fifamelana?

    Ny rehetra dia miaraka miaiky fa ela loatra ity krizy indray mitoraka ity. Efa-taona mahery izao no nitranga ireny « alatsinainy mainty » sy ny tranga nisy teo Ambohitsorohitra. Tsy iverenana ny tantara fa maro ireo rohy samihafa mitantara izany. Tamin’ny herinandro teo dia najoro sy naseho ny be sy ny maro ireo mpikambana ao anatinan’ny FFM na ny Filankevitry ny Fampihavanana Malagasy na antsoina koa amin’ny teny frantsay hoe CRM na Conseil de Reconciliation Malgache. Ho an’ny vahoaka mpitazan-davitra toa ahy dia toy ireo andry sy sampana maro nijoro sy najoro hatramin’izay ny fijery azy ito. Saingy rehefa jerena akaiky dia tsapa fa mety hanana ny mampiavaka azy amin’ny lafiny rehetra…

  • vers une numérisation excessive de la société urbaine

    La vie dans les villes est, semble-t-il, plus enrichissante qu’ailleurs. On peut s’enrichir financièrement qu’intellectuellement. Un peu moins moralement, certes et on peut aussi beaucoup perdre. Quoiqu’il en soit, l’écrémage de la ville sur les autres localités a toujours montré les nouveautés et les tendances. A Madagascar, dans plusieurs localités, bien s’habiller se résume souvent à être propre et se mettre en jean. L’image d’un gentilhomme endimanché que l’on connaît actuellement n’est pas toujours fréquent dans les villages ou dans les communes rurales. Les couleurs criardes et tape à l’oeil y sont légions. Ici, il n’est pas question de richesse car on rencontre assez souvent des notables riches mais souvent…

  • Izay mahavangivangy tian-kavana

    Amin’izao fahatongavan’ny fety izao dia tsara ny mampahatsiahy ireo fomba nahatsara fiahavanana teo aloha. Marina fa efa tonga eto Madagasikara ny fanatontoloana sy ny lafiny tsara sy ratsy saingy tsara raha tazonina ihany koa ireo fomba nahafinaritra teo aloha. Anisan’ny zavatra nahafinaritra ny fahavanana sy ny firaisan-kina nisy teo amin’ny malagasy. Efa mahazatra ny maheno izany. Saingy tsara tsiahivina ihany koa ny fifandraisan’ireo mpianakavy na ireo miray fihavanana ka nahatonga ny ohabolana maro teo aloha toy ny hoe « Asa vadi-drano, tsy vita raha tsy ifanankohonana » na ihany koa ny « tanan-kavia sy havanana ka izay didi-maharary ». Raha hadihadiana dia iray ihany ny malagasy, toy ny ladim-baotavo hoy ny Ntaolo fka raha…

  • hevitra sendra nandalo

    Nalefa tamin’ny haino aman-jerimpanjakana tamin’ny faran’ny herinandro teo ny fanombohana ara-pomba ofisialy ny faha-50 taona nahazoan’ny malagasy ny fahaleovan-tena. Hita sy tsapa fa natao am-pahamehana ihany raha ny zavatra hita sy re tamin’izay nitranga teny Andohalo.  Ny voalohany aloha dia somary gaga avokoa ireo namadibakika onjam-peo raha nahita seho nitranga mivantana nalefa tamin’ny fahitalavitra sy ny vata fandraisam-peo. Dia samy nifampanontany hoe inona io? fa misy inona? Raha tsy nihaino ny kabary dia tsy fantatra hoe fanombohan’ny fankalazana ny faha-50 taona nahazoan’ny malagasy fahaleovan-tena.  Tsy ampy na ihany koa tsy nisy mihitsy ny serasera momba iny hetsika iny. Mety hoe matahotra ho takon’ny ady baolina kitra goavana izay mitranga atsy…