fetifety sy harona plastika

6 septembre 2011 by Mitiyu  

Mampalahelo mahamenatra fa raha vao resaka korana na fanasàna mihaja ka arahina resaka harona plastika dia ny mitranga eny Iavoloha isaky ny taom-baovao na isaky ny fetim-pirenena no avy hatrany dia miverina ao anatin’ny resaka ifanaovan’ny olona. Lasa fombafomba ve sa izay no vokatry ny fahantrana ka toy ny tongo-bakivaky, sady maharary no mahamenatra?

Ny olona mitondra sy mameno ilay harona kely mety azo iafina ihany satria maro no niaka-dapa ka tsy dia mhay ny fombafomba, fa ilay izy miseho amin’ny fahitalavitra no tena nahatonga ny resabe. Ao koa moa ireo matin’ny henamaso ka mandevin-tay an-tsalaka te hanao toy iretsy mpameno harona fa na matahotra ny ho azo sary na ihany koa manongo tena menatra noho ny tsy fahaiza-miainan’ny vahiny nohasaina sasany.

Ka tsy fahalalam-pomba ary ve aloha sa tena efa lasa fombafomba mihitsy izy ity?

Raha zohina ny fiaraha-monina malagasy dia tao anatin’ny taona vitsivitsy lasa izay dia efa lasa fomba fanao ny mamono mofomamy amin’ny taratasy famaohana na « essuie-tout na soupalin » ka mitondra izany mody ho an’ireo ankohonana tsy voaasa tamin’ny fety. Efa miha-harivo ihany koa matetika vao tapaka izany mofomamy izany ka hany hery tsy mihinana azy mijanona eo amin’ny latabatra nisy ny tena fa matahotra ny ho tratra hariva na efa laon’ny lanonana ka manisy ny sakafo anaty fonosana ary mitondra azy mody. Indraindray koa tsy lany ny sakafo nifampizarana ka zaran’ny mpikarakara aza misy ny mitondra mody na ho an’ny olona na ho an’ny alika sy ny saka ao an-trano ohatra. Misy amin’ny vahiny nasaina no tsy menatra intsony manolotra harona plastika amin’ireo tanora lahy sy vavy mpikarakara ka mangataka mihitsy ny hamenona izany mba ho sakafon’alikany.

Misy amin’ireo mpikarakara lanonana no manao sakafo tsy fahita ary tsy ho taka-bidin’ireo olona nasaina sasany. Toy ireo atodin’ny papelika na irony atodin’ny haza an-drano lafo vity toy ny caviar itony. Misy ireo raiaman-dreny mba te hizara izany amin’ireo zanany tsy nasaina ka mitondra izany mody toy ireo vatomamy nozaraina tamin’ny fifamofoana na napetraka teny ambony latabatra. Zavatra matetika hita eto Antananarivo sy any amin’ny faritra izany. Ny any amin’ny faritra sasany aza moa omby natao vonoina hamahanana ny fokonolona no lasa entin’ny tsirairay mody ho laoka mandritra ny herinandro.

Rehefa nohadihadiana dia efa hatry ny ela ny teny amin’ny lapan’Iavoloha no nisy izany fombafomba hafakely izany. Tsy vao izao tsy akory fa fitondrana maro nisesy izay. Ny mahalasa saina dia izy ity tsy mahamenatra satria dia toa lasa fomba mihitsy. Ny orinasa sasany aza moa rehefa faran’ny taona ka misy fizarana kilalao sy fiaraha-misakafo dia mahafoy tsy minan-kanina ireo mpiasa sasany mba ahafahana mitondra izay zaka mody.

Dia ahoana izany no tokony hatao?

No Tags

Popularity: 1% [?]

ny toe-tsaina hoe?

3 septembre 2011 by Mitiyu  

Isaky ny misy adi-hevitra na resadresaka momba ny fiaraha-monina malagasy dia miverina matetika io resaka toe-tsaina mila mivoatra sy mila asiam-panavoazana io. Samy miteny avokoa izay te hiteny, samy milaza mahatsikaritra ny tsy mety amin’ny fiaraha-monina avokoa izay manambara. Ny fanontaniako dia tsotra ihany : « Amintsika na aminareo rehtra izay milaza fa mila manova toe-tsaina rmalagasy, iza isika no efa mba niova sy nanome ohatra teo amin’ny fiaraha-monina misy antsika tsirairay avy? Resaka fotsiny sa efa mba tena nampiharina?

Zava-misy vitsivitsy ireo hotanisaiko eto ambany ka mety anisan’ireo ve ianao?

  • rehefa misy raharaha mila karakaraina eny amin’ny biraom-panjakana dia mitady fomba hanafainganana izany, na manome vola na zavatra hafa, na mitady olom-patatra na olona afaka hikarakara (na omena vola io na tsia)
  • mampiasa ny fahefana kely (na lehibe) ananan’ny tena mba hahazoana tombon-tsoa manokana (fanafainganana raharaha etsy sy eroa, fanamorana vidin-javatra ilaina, fitadiavana olona tompon’andraikitra, sns.)
  • ty miraharaha ny hafa fa rehefa tsy mety amin’ny tena dia diso avokoa, na amin’ny resaka fifamoivoizana io, na resaka fiaraha-monina, na fifaneraserana amin’ny toeram-pokonolona na toerana manokana
  • tsy mba manome làlana na mandefitra rehefa mitondra fiara raha tsy hoe efa tsy afa-manohatra angaha
  • tsy manome toerana ny zokiolona sy ny bevohoka ary ny kilemaina rehefa mandeha ireny fitanteram-bahoaka ireny na malalaka na sarotra ny làlana sy ny toerana ao anatin’izany fiara izany
  • tsy miarahaba ireo zoky na zokiolona izay mety mifanolobodirindrina na mpiray fikambanana na mpiray fiangonana na olom-patatry ny fianakaviana sns.
  • manipitsipy fako eny an-dàlana rehetra eny na mandeha an-tongotra io na mandeha fiarakodia
  • milahatra aloha na miandry toerana dia milaza amin’izay eo aloha na ny eo afara fa toeranao eo vao lasa indray mameno taratasy na mamita zavatra hafa « vetivety » (eny amin’ny banky io ohatra na milahatra fety na hafa) ka tsy afaka hiharitra hiandry eo ohatra ny olona rehetra
  • misongona ny fiara rehetra mitaonjozotra mora manara-dalàna rehefa misy fitohanana na fandehanana mora laotra eo amin’ny fifamoivoizana (rehefa mody alatsinainin’ny paka na pentekoty, na rehefa mivoaka ny renivohitra mody ny hariva)
  • manaraka fiara mpitondra marary na mpamonjy voina na dia tsy misy ifandraisana amin’ilay marary na voina manjo ny hafa mba hizorana mora foana sy haingana
  • mampirehitra jiro fanairana (double clignotants) sy mody mikiririoka na dia tsy tena manan-kaja afaka hanao izany aza (raha ny fantatra, na tamin’ny fitondrana teo aloha na ny amin’izao fotoana dia tokony ny filoha sy ireo filohan’ny andrim-panjakana ihany no afaka manao izany fa tsy ny talen-kabinetra na solombavam-bahoaka na olona hafa tsy fantatra ery no hanao izany)
  • ny miteny hoe « tsy hainao angaha hoe iza aho!? »
  • ny manoratra tanin’olona amin’ny anaran’ny tena na amin’ny anaran’ny vady aman-janaka nefa sady tsy nividy azy io no tsy nifampiraharaha tamin’ny tena tompony akory
  • sns. maro tsy voatanisa

Mahatsiaro anisan’ireo olona ireo ve ianao sa na ny iray amin’ireo aza mbola tsy nisy nataonao? Raha amin’ilay sokajy farany io ianao dia tena mendrika tokoa ary mendrika ny tokony halain-tahaka.

Mampiseho ohatra avy amin’ny tena aloha vao milaza momba ny hafa ry ise an!

No Tags

Popularity: 1% [?]

Quand la Chine rachète… le monde v2.0

11 août 2011 by Mitiyu  

Secoué par une zone de turbulence, l’environnement de la finance et de l’économie de l’occident attire l’attention du monde, principalement des décideurs. La situation qui prévaut actuellement dans le monde me fait replonger dans la lecture d’un article paru dans Le Figaro Magazine du 29 janvier 2011, intitulé « Quand la Chine rachète le monde, … Et si la Chine devenait la première puissance mondiale d’ici dix ans? ». L’article met en avant l’expansion des investisseurs chinois un peu partout dans  le monde et particulièrement dans les pays les moins avancés.   »Rien n’échappe à la fringale des héritiers de Mao ». en plus de tout cet investissement, Ghislain de Montalembert et Sophie Roquelle mettent en avant que le consommateur chinois sera le moteur de la croissance de demain. Katia Clarens oriente plutôt son enquête vers la « Chinafrique » en terme qui nous rappelle vaguement « Françafrique » avec l’image de la relation qu’entretient l’Afrique avec ce pays.

Malgré le fait que la majorité des bourses ont démarré hausse mercredi (10 août 2011) ils ont chuté en moyenne de 4% . Selon Reuters France, le Dow Jones a, par exemple, plongé à 4,62% son plus bas niveau depuis presque un an (troisième chute en cinq séances); selon Le Monde et le Figaro, le CAC40 a aussi perdu 5,45%. Seul les marchés asiatiques ne cèdent pas à la panique malgré une mauvaise performance du Nikkei 225 à Tokyo et le léger repli du Hang Seng de Hong Kong. Shanghai et Séoul se portent bien comme l’or d’ailleurs. Ce dernier dépassant pour la première fois les $1800 l’once.

Avec tout ce « léger » bouleversement, la Chine en profite pour mettre à la mer son premier porte-avion même si ce dernier est une occasion rachetée à l’Ukraine en 1998. A noter que selon Aujourd’hui la Chine, la Thailande, le voisin de l’empire du milieu possède déjà leur porte-avion. En parallèle avec tout ceci, Apple, dont une grande partie des matériels sont fabriqués par l’entreprise chinoise Foxconn, est considérée comme étant la plus côtée des entreprises américaines.

Un proche m’avait alors demandé, si tous ces pays ont chacun des dettes, qui est-ce qui les détient alors? Pour les Américains, ce n’est plus la Chine. Un ouf pour certains mais une autre menace pour d’autres. Il s’agit  en fait de FED. Ce dernier est passé devant les Chinois, les Japonais et les autres pays qui « investissaient » aux Etats-Unis. Sauf que le marché américain est devenu un casse-tête chinois ou les fantômes des Subprimes hantent encore l’esprit de tout un chacun. On risque encore le pire…

Hier, le Président de la FED, Ben Bernanke, a tenu une conférence de presse, affirmant sa volonté de soutenir l’économie américaine en continuant à accorder du crédit à un taux très bas avoisinant zéro. On peut se demander si c’est bien la bonne décision car si on caricaturise un peu avec la vie de tous les jours, peut-on encore prêter à quelqu’un qui semble ne plus encore trouver la voie pour rembourser ses dettes. Mais l’amérique est grande. Que ce soit en nombre de population donc de consommateurs, en terme d’investissements ou encore en terme de potentiel entrepreneurial et économique. C’est une spéculation au final mais qui attend que le moment soit propice pour en tirer profit. Le marché Européen s’en trouve rassuré. Sauf qu’avec la chute des bourses, les gains aussi partent. Malgré une opportunité intéressante pour elle, la Chine interpelle les pays endettés car elle redoute un effet papillon qui pourra nuire à son avancé et son développement.

Quel pourrait être l’impact de tout ceci dans l’économie d’un pays moins développé tel que Madagascar? A priori, nous sommes forcé de reconnaître qu’à court terme on ne risque rien. Cela va dépendre de la façon dont l’économie européenne et américaine va gérer cette nouvelle « crise ». Souhaitons que ce soit conjoncturelle. Mais avec les intérêts des pays comme l’Inde, la Russie, le Brésil ou encore la Chine, il faut toujours s’attendre à un revirement. A moyen terme, cette situation risque d’affecter notre économie car une grande partie de nos exportations vont vers l’Europe et les Etats-Unis. Quoique l’Asie commence à prendre une place considérable en ce moment. La faiblesse de notre monnaie, l’Ariary, pourra être considérer comme étant notre force à l’exportation. Malgré cela, l’importation est toujours aussi grandissante malgré la faiblesse de notre monnaie nationale, rendant toujours déficitaire notre balance de paiement.

Comment pourra-t-on profiter de cette crise financière de l’occident? Ce serait assez difficile de le dire mais comme considérant que même les éminents économistes se sont trompés et/ou ne se sont pas prononcés en voyant arriver cette difficulté financière qui va devenir économique, j’aimerais m’aventurer quand même à quelques propositions.

Tout d’abord, il faudra booster l’exportation, avec ce projet de taxation à l’export (s’il y a lieu), l’Etat va encore miner l’économie. Mais il a aussi sa raison en voulant renflouer à tout prix sa caisse sans vouloir dépendre des aides extérieures. (On ne va pas parler des différents trafics, restons dans la légalité). Donc accompagner les initiatives d’exportation en mettant en avant une vision à long terme et un développement durable. Que ce soit pour les produits de rente, les produits des usines franches ou encore l’artisanat et le tourisme. L’heure n’est plus au crédit, il faut accélérer le règlement ou le recouvrement. Les Banques primaires avec l’aide de la Banque Centrale devra vulgariser les pratiques des échanges internationales et de l’utilisation du crédit documentaire. Avec l’appui de l’Etat, lancer une campagne de communication sur les différentes procédures, les différentes nomenclatures, les différentes nomenclatures à taux zéro vers les différents marché en expliquant l’intérêt du pays et des exportateurs d’être membres d’une zone de libre échange, d’une commission, etc. Une démystification, en quelque sorte, des règles de jeu et des pratiques courantes. (Et oui, malgré le fait que ça profite à quelques têtes seulement)

Au niveau local et national, la suppression du capital minimal à la création d’entreprise n’est pas suffisante. Il est primordial de sécuriser l’environnement des affaires et des investissements. Pourquoi pas des investissements directs de l’étranger. Dans la création d’entreprise, il faudra limiter voire éliminer toutes les barrières à l’entrée créant ainsi un environnement faste aux affaires avec un grand A. L’initiative du guichet unique est déjà louable, la facilitation des procédures devra encore être améliorée. Mais le plus grand des oeuvres serait l’incubation des jeunes entrepreneurs en vulgarisant et en démocratisant la création d’entreprise, la formalisation de l’informel (et non pas que l’Etat « suce » ceux qui déjà en règle et formel), mettre en place une base de données de Business Angels qui pourront appuyer et investir dans le projet, une base de données sur les aides des entreprises, l’actualisation et l’enrichissement des bases de données des Chambres de Commerce avec une accessibilité des informations et des besoins du marché et non son occultation comme c’est le cas actuel; mettre en place à l’instar de la création de l’EDBM, une entité qui sensibilise et informe sur l’environnement juridique des entreprises et de leurs obligations, l’accessibilité aux différents outils, matériels et mobiliers nécessaires au développement de l’entreprise en reprenant par exemple la détaxation des matériels informatiques et des matériels de bureaux.

L’important dans tout cela est la sécurité. Ou à la limite le sentiment de sécurité et de la sécurisation des biens, des personnes et des investissements. L’Etat doit protéger et non pas permettre à ses agents de racketter les entreprises ou devenir un outil de pression avec les différentes descentes et inspections. L’enjeu est majeur et l’heure n’est plus à cela. Il faut créer une synergie positive afin de profiter au maximum de ce qui se passe en europe et aux Etats-Unis sans pour autant devenir une nouvelle colonie des autres pays émergents et des nouvelles puissances.

No Tags

Popularity: 1% [?]

Tsy fety ve raha tsy misy toaka?

24 juin 2011 by Mitiyu  

Tonga indray ito ny faran’ny herinandro. Faran’ny herinandro izay mifanojo amin’ny fankalazana ny fetim-pirenena. Amin’izao vanim-potoana hiainantsika izao moa dia ny datin’ny 26 iona no natokana hankalazana izany satria dia io no voamarika fa fotoana niverenan’ny fahaleovan-tenan’ny malagasy rehefa nozanahin’ireo frantsay nandritry ny 60 taona mahery teo.

Ho an’ny ankamaroan’ny olona eto an-drenivohitra dia atao hoe fety rehefa misy sakafo sy zava-pisotro mahamamo. Izany hoe entina hamalifaliana ny vatana mba tena hahatsiarovana hoe sambasambatra ary ezahina hanadinoina ny adim-piainana isan’andro. Miroborobo araka izany ireo orinasa mpanodina na mpanafatra taoka sy alikaola ka krizy na tsy krizy dia mandeha hatrany ary na manana na mahantra dia mividy an’izany avokoa.

Somary nahatsiaro resaka nifanaovana tamin’ny namana mpanafatra entana sy mpiantsena atsy morisy sy any Azia ny tena ka nahatadidy ity teny nataony ity : » Fety izany ka fety an!… azo anasana tongotra mihitsy ny taoka tao sady ireo ilay tena lafo vidy avy any ivelany mihitsy. » Ary tsapa izany rehefa tonga ny fampiakaram-bady, tsy maintsy mba misy divay kely foana eny ambony latabatra rehefa tsy apetraka amin’ny toerana iray ery an-tsisitsisin-trano ery, ary misy tanora mivezivezy mizara oisiky mitety latabatra rehefa vitsivitsy izany. Izy roa moa dia toa lasa fomba ny manapoaka sampainina rehefa handidy mofomamy.

Tsaroako tampoka nefa ity teny ao amin’ny soratra masina ity izay nalaina tao amin’ny Ohabolana toko faha-31 andininy faha 4 ka hatramin’ny faha-7 :

« Tsy mba an’ny mpanjaka, ry Lamoela,
tsy mba an’ny mpanjaka ny misotro divay,
na an’ny mpanapaka ny mitady toaka;
5 fandrao manadino ny lalana izy, raha misotro;
ka mamily ny rariny ananan’ny mahantra rehetra.
6 Fa ny efa ho faty no omeo toaka,
ary ny efa vontom-pahoriana ny fanahiny no omeo divay;
7 aoka hisotro izy, ka hanadino ny fahoriany
ary tsy hahatsiaro ny manjo azy intsony.

Mahafaoka ny hevitra rehetra tiana ambara io toko sy andininy ao amin’ny Baiboly io. Saingy ny mampalahelo dia izany no mitranga eto amintsika satria rehefa mba nohasaina nanotrona teny Iavoloha na mahita izany amin’ny fahitalavitra ny tena, na ihany koa tamin’ireo sampana sy fikambanana niafina notsidihina taloha dia hita fa ireo mpitondra sy mpanao pôlitika ambony no tena rain’ny toaka. Ary tsy misy tsy misotro izany na sivily na miaramila, na olona ambony na mpanatanteraka.

Tsy vokovoko manga ny tena saingy mahatsapa fa misy mety ihany ny ataon’io fikambanana io eto amin’ny firenena ka manaitra ny saina. Sao dia mba mety raha ahenanareo na atsahatra amin’izay mihitsy ity fisotroan-toaka ity ry zalahy! Nisy aza moa filoha teo aloha nalaza fa tsy misotro mihitsy RAHA TSY ny oisiky nentiny avy any aminy rehefa misy fanasàna. Ary nisy ihany koa minisitra teo aloha nampalahelo fa notateriny ary nasainy notanterin’ireo mpiara-miasa taminy ny oisiky izay mivoaka tamin’ny fanasana nalehany tany Antsirabe ary tsy nahamenatra azy ny nanao izany na dia nisy nahatsikaritra aza. Misy koa moa min’ireo olona ambony taloha izay efa lasan-korazana no nalaza ho hitam-poko hitam-pirenena mamo imasom-bahoaka nefa dia vao maraina na hamonjy fiasana.

No Tags

Popularity: 1% [?]

Eritreritra sendra nandalo…

17 juin 2011 by Mitiyu  

Resaka farandro indray no nahoraka tamin’ny manodidina ny misasaka ny volana mey teo. Raha tsiahivina kely moa dia nianga tany Amerika ny tantara. Nisy fikambanana kristianina avy ao amin’ny Family Radio notarihin’ilay rangahy antitra iray izay no nanaparitaka eran’izao tontolo izao, nandalo Facebook, ary nanao sora-baventy be teto Madagasikara fa dia hoe hanomboka ny 21 mey lasa teo izany ny Fitsarana farany ary amin’ny oktobra izao no tokony ho farandro.

Raha ny nahafantaran’izy ireto izany moa dia hoe nanao fampitahana ny nitranga tamin’ny andron’i Noa izy ireto ary dia voalaza ao anaty Baiboly daholo, hono, izany. Marihina fa dia efa maro sy matetika tokoa no nisy fanambarana vy amin’ny fikambanana na olomalaza ny momab io andron’ny farandro. Ohatra izany ohatra ny hoe 31 desambra 1999 alina hifoha 1 janoary 2000, sns. Ho an’ny tena krisitianina moa dia niezaka ihany hikaroka andininy sy teny tao anaty baiboly ka voalaza mazava tao ny hoe « Izany andro sy ora izany anefa, dia tsy misy mahalala, na ny anjely any an-danitra, na ny Zanaka koa aza, afa-tsy ny Ray ihany » (Marka 13: 32 na jereo koa Matio 11: 27)

Vahotra anefa ny saina miambakavaka tsy hita izay hoeritreretina satria amin’ny maha-olona dia mipetraka ihany ny fanontaniana na tsy mpino aza manao hoe : »rehefa maty moa izany dia tapitra hatreo ve sa mbola misy fitohizany? » Amin’ny finoana maromaro dia ekena fa mitohy ny dian’ny fanahy rehefa miala eo an-tany. Ohatra amin’izany ny an-dry zareo Egypsianina izay nanomana ny nofo mangatsiakan’izay maty ka hamonjy ny varo-tsy mifody ka nampanaraka azy ny fananany sy ny hareny. Mino an’izany ihany koa ny finoana samihafa misy. Ary amin’ny maha-kristianina ny tena dia efa voalaza fa misy ny Paradisa sy ny Helo ka arakaraka izay vitanao tety an-tany ihany no ifaharan’ny fiainanao.

Tato ho ato dia nahare fijoroana vavolombelona roa mitovitovy RaMalagasy, dia ny an’i Tiana izay mpivaro-mandeha tetsy anoloan’ny hotel de Ville Analakely sy i Yves izay tra-dozan’ny môtô ka narary mafy tao amin’ny lohany tokony nodidina. Izy roalahy ireto dia samy nitantara fa nentin’i Jesoa Kristy nitsidika ny lanitra sy ny helo. Ary rehefa nozohina ny tantaran’izy ireto dia mifandraika amin’ny an’i Nenilava na Volahavana Germaine sy izay voalazan’ny ao amin’ny Fanambarana ny fitantarana ny zavatra hita sy nitranga.

Rehefa nikaroka ny momba ny fitsinjaran’ny finoan’ny malagasy na teny amin’ny INSTAT, na tamin’ireo tranonkala miresaka momba an’i Madagasikara toy ny an’ny CIA  dia hita fa betsaka ny vahoaka malagasy no mbola mitana ny fivavahana nentim-paharazana isan-karazany ary latsaka kelin’izany ny Kristianina. Ny Silamo moa dia vitsivitsy ihany satria latsaky ny 10% na dia misy faritany telo lehibe dia tsy iza fa Mahajanga, Antsiranana ary Toliara aza no tena ahitana betsaka azy. Hita tao anatin’izany antontan’isa izany koa fa manodidina ny 60 taona eo no andro iainan’ny malagasy ka ny vavy no ela velona kokoa noho ny lahy.

Dia lasa ihany ny saina… Misy izany ny fiainana aorian’izao fiainana izao. Saingy manao ahoana izany fiainana izany? Ary aiza no aleha raha misampana ny lalana? Rehefa zohina ny fiainana amin’izao fotoana, dia entanin’ny fizarazarana, ny fitiavan-tena, ny rendrarendra ary ny filan’ny nofo ny olom-belona ary indrindra fa isika malagasy. Miteraka tsiny sy sazy ho antsika izany ary mety izany ihany koa no mahatonga izao trangan-javatra tsy dia mahasoa rehetra miseho tao antin’ny telopolo taona mahery izao.

Dia mety ho aiza izany raha tapitra ny aina? Sûr ve?

No Tags

Popularity: 1% [?]

Izay mahavangivangy tian-kavana

15 juin 2011 by Mitiyu  

Amin’izao fahatongavan’ny fety izao dia tsara ny mampahatsiahy ireo fomba nahatsara fiahavanana teo aloha. Marina fa efa tonga eto Madagasikara ny fanatontoloana sy ny lafiny tsara sy ratsy saingy tsara raha tazonina ihany koa ireo fomba nahafinaritra teo aloha. Anisan’ny zavatra nahafinaritra ny fahavanana sy ny firaisan-kina nisy teo amin’ny malagasy. Efa mahazatra ny maheno izany. Saingy tsara tsiahivina ihany koa ny fifandraisan’ireo mpianakavy na ireo miray fihavanana ka nahatonga ny ohabolana maro teo aloha toy ny hoe « Asa vadi-drano, tsy vita raha tsy ifanankohonana » na ihany koa ny « tanan-kavia sy havanana ka izay didi-maharary ».

Raha hadihadiana dia iray ihany ny malagasy, toy ny ladim-baotavo hoy ny Ntaolo fka raha fotorana dia iray ihany ny fotony. Entin’ny hazakaza-dava sy ny fitadiavana isan-karazany raMalagasy ka manadino ireo soa toavina izay tsy hita izay tena naharatsy azy ankoatra ny fanararaotan’ny sasany sy ny mizana mitongilan’ila angamba. Ekena tokoa fa tokony ateron-kalao ny fihavanana fa tsy tokony ho ny tena ihany no manao izany fa ny hafa miandry fotsiny.

Rehefa fetim-pirenena tahaka izao no tonga na koa ny taom-baovao dia fomba ny manatitra solombodiakoho ho an’ireo raiaman-dreny sy ny solompenakoho ho an’ireo zandry kely maro samihafa. Raha ara-toe-karena dia fomba mampandroso ny fanjifana sy ny fiaraha-monina izy io satria ireo zokiolona dia natao ho tsy dia manana hery laotra intsony itadiavana izay ho anina ka mila fanampiana ara-batsy, ny zandry kely koa dia torak’izay satria mbola natokana hianatra ka tsy natao hitady vola. Saingy manana ny faniriany izy ireny ka miankin-doha tanteraka amin’ny zoky sy ray aman-dreny ka tsy afa-manohatra. Misy ny heriny sy hasiny koa izany fanolorana sy fahatsiarovana ireo zoky raiaman-dreny sy ny ankizy  izany satria dia manasoa ny fiaraha-monina noho ireo karazan-tso-drano omena. Satria marina fa amintsika malagasy dia ny tso-drano dia zava-mahery. Ka ny ray aman-dreny dia ampiana ho valim-babena fa ny zandry kosa omena mba ho fitsaharana rahatr’izay.

Tsy voatery vola aman-karena nefa no ifampahatsiahivana amin’izany fotoana izany fa na dia ny famangiana tsotra fotsiny aza dia efa manampy ny tsirairay. Tsapany amin’izany fa mbola manana ireo havana sy namana afaka ianteherany izy rehefa tonga ny sarotra tsy azo idivirana na ihany koa rehefa tonga ireo raharaha lehie ilàna fanampiana. Etsy an-daniny dia mora be fanadinoina ny olona ka anisany tsara ampiverenana ireo tsiahy tsara sy niarahana ny fifamangiana. Eto dia maty antoka ireo havana sy tapaka any lavitra satria tsy afaka mifamangy amin’ireto namana. Kanefa noho ny teknolojia izay efa natao hanatsarana ny fifandraisana dia tokony tsy hipetraka intsony izany olana izany.

Tandremo anefa! misy ireo olona manararaotra ka lasa tarazo ho an’ny fiaraha-monina. Dia ireo olona mikendry ny ora fisakafoana nefa tsy mampilaza ny fahatongavany fa manampoka ny tompon-trano na ireo very trano sy fialofana ka mba mindrana fandriana fotoana fohy saingy lasa naharitra. Efa sarotra izany tranga izany amin’izao fotoana satria na dia misy aza ny enti-manana dia samy efa nanana ny fiainany sy ny fomba nahazatra azy ny tsirairay ka raha iray alina na roa ianao no mitsidika mety tsy hanahirana fa raha mihoatra izay kosa dia mila mandray anjara amin’ny fianan-tokantranona’ny mpampiantrano. Izay no nahatonga ny oha-pitenenana hoe « ny hava-tiana tsy iaraha-monina »

Ka tsara izany ho antsika tanora raha jerena akaiky hoe iza avy ireo zoky raiaman-dreny, fotsy volo nitàna, nibaby sy nifola-damosina, nitaiza sy nahabe. Mba kasaina tsidihina sy hanomanana solombodiakoho izy ireny. Ary ireo zandrikely manodidina ihany koa izay mety tsapa fa sahirana, na tsy manan-joky sy ray aman-dreny dia mba omena fampiana amin’ny alalan’ny solompenakoho.

No Tags

Popularity: 1% [?]

le sourire d’Ambanivohitra ou le charme naturel de la campagne malagasy

14 juin 2011 by Mitiyu  

Les longs week-end ont toujours été sympathiques, surtout pour ceux qui planifient de quitter un peu la ville. A Madagascar, les familles de classe moyenne partent, s’ils ont le choix et les moyens, de préférence au bord de la mer : Mahambo, Foulpointe, Toamasina, Vatomandry, Manambato (oui il y a la mer juste en face et derrière le lac Rasoabe), Ambila Lemaitso et j’en passe. Il y en a qui partent ailleurs, comme à Andasibe, Ampefy, Moramanga, Arivonimamo ou Antsirabe. Les autres endroits sont relativement loin, il est presque difficile de s’y rendre sauf par avion.

Pour ma part, j’aime bien aller à la campagne pour me ressourcer. La campagne ici, ce n’est pas la banlieu de Tanà à 10-12km de la Gare ferroviaire comme on a l’habitude de mesurer, mais vraiment assez loin, là où le temps semble vraiment s’être arrêté. Avant, j’aimais bien lorsqu’il n’y avait pas de réseau téléphonique ou d’eau courante et encore moins d’électricité. Cela peut être perçu comme de l’exotisme et non pas une tare, et où la voiture a fait place aux bicyclettes dépeintes et des chars à boeufs nonchalants.

La campagne des hauts plateaux renferme cette touche naturelle de préservée par la technologie et de l’urbanisation sauvage existant actuellement. On y a toujours négocié en Ariary et non pas en Francs comme il fut un temps dans les grandes villes.

Depuis ma tendre enfance, plusieurs activités de la campagne m’ont  déjà marqué :

  • sortir et garder les zébus : il y a un certain rituel pour sortir les boeufs de leur « vala » . Dans les villages où j’avais l’habitude de me rendre, le matin, on faisait descendre les zébus (car il s’agit d’eux, ces fameux boeufs à bosse!) dans les plaines, près de la rivière et où dans les rizières. Pendant ce temps, les jeunes bouviers profitent pour jouer à divers jeux tels que fabriquer des zébus et char d’argile, attraper des grillons pour leur faire tirer des boîtes d’allumettes en guise de char à zébu (le grillon, jouant le ôle du zébu) ou encore nager tout nu dans la rivière. Et oui, en tant qu’enfant, de surcroit à la campagne, il n’y a pas de complexe à le faire et il y a moins d’arrière pensée pour les moins jeunes.
  • garder les zébus (2ème partie), vers midi, lorsque le soleil est bien haut et se trouve au zenith, on remonte les zébus près des foyers, on en profite pour déjeuner si les femmes et les soeurs ne ramènent pas le riz et son accompagnement dans les champs, et on repart vers les différents monts autour du village. En général, cette partie de la campagne est boisée et on y retrouve le plus souvent des bois de pins ou encore du palissandre ou d’autres espèces en fonction de la région. L’après-midi, les jeunes bouviers, lorsqu’ils ne vont pas à l’école, jouent à des jeux de garçons. On fait la course, escalade les arbres, fabriquent des maisonnettes ou des huttes en bois et en feuilles.
  • piler le riz : de temps à autres, on doit aider les femmes et les filles à piler le riz. C’est une activité assez rythmée et conviviale. Les femmes rient, discutent des dernières nouvelles du village à haute voix et se conseillent mutuellement de leur connaissance de la cosmétique, un peu comme en ville et toute proportion gardée. Les enfants qui aident se trouvent le plus souvent au coeur de l’action et agissent plus que les femmes qui doivent le faire normalement. Mais je reconnais que ce n’est pas aussi dansant que ce qui se passe dans les villages africains.
  • puiser de l’eau : en général, ce sont les filles qui doivent le faire. Mais c’est aussi une occasion pour les jeunes garçons de retrouver des jeunes filles de leur âge et commencer à découvrir les jeux de l’amour et de la séduction. Il faut le dire, les garçons, et surtout les hommes dans les campagnes malagasy ne sont pas des exemples de galanterie. On séduit et rigole mais jamais on ne pote pas les seaux des filles. D’ailleurs en guise de seaux, on utilise le plus souvent des citrouilles vidées et séchées. Le plastique n’a fait son apparition à la campagne qu’assez tardivement.
  • travailler la terre : je pense que l’expression « pourquoi tu bêches » a comme source la campagne. En effet, bêcher la terre devient vite ennuyant que cela est perçu comme une malédiction plutôt qu’une bénédiction. En tout cas, la partie qui me plaît le plus lorsqu’on travaille la terre est celui où je monte derrière la charrue tirée par les deux zébus pour créer assez rapidement un bon sillon. C’est quand même une belle invention la charrue parce qu’avec une bêche traditionnelle cela prend trop de temps et beaucoup d’efforts pour l’homme de travailler la terre.
  • pêcher : je n’ai jamais été adepte de la pêche où l’on jette sa ligne et on fait la sieste en attendant. Quel intérêt de pratiquer la pêche ainsi. C’est à la limite de la paresse. Comme on dit en malagasy  » faire du Ariary 100 au lit » (manao ariary zato am-pandrina: ou littéralement chercher de l’argent en ne rien faire). Mais c’est une occasion d’observer la nature, d’apprécier le calme de la campagne sans être contraint de faire la discussion pour finalement ne rien dire.
  • chasser les oiseaux : c’est une pratique assez sauvage mais plutôt sympa. On répère les différentes branches ou les oiseaux aiment bien se poser. On les enduits de glue naturelle et on rabat les oiseaux vers ces pièges. Il faut reconnaitre que la chaire de ces oiseaux sauvages est quand même bonne et dès fois succulentes. On ne fabrique pas la glue, on a l’habitude de l’acheter au marché au jour de marché. Depuis quelques temps, les hommes assez fortunés du vilage se sont payés le luxe d’acheter des fusils de chasse mais personnellement je trouve cela assez sanguinaire.

Il existe plusieurs activités destressantes dans la campagne. Il faut juste trouver les affinités et les besoins car il ne suffit pas d’y aller pour se ressourcer et pour se reposer mais surtout pour se rendre utile voire donner aux siens la possibilités d’évoluer ou de se développer en leur aidant dans la démarche de l’électrification et d’adduction d’eau potable.

Depuis quelques temps, là où on a l’habitude de se rendre, peut être joint par téléphone. Lorsqu’il s’agit d’appel urgent c’est assez pratique mais pour les autres appels c’est assez dérangeant. Mais depuis quelques temps aussi, avec la technologie, le data s’est frayé une place à la campagne et du coup on peut surfer pour se détendre sans pour autant être contraint de vivre comme en ville. Mais pour recharger la batterie c’est une autre histoire.

No Tags

Popularity: 1% [?]