48 dia… boka?

29 avril 2013 by  

Fomba fanisàna tamin’ny kilalao taloha ny hoe vingt-sept dia boka, mba ahitàna izay hitady na hanenjika na hitarika na hahazo anjara tsotra fotsiny ihany rehefa maro ireo ankizy mpilalao.

49 no isan’ireo nanatitra antontan-tanratasy hilatsahan-ko fidina ho filoham-pirenenan’i Madagasikara. Oay, 48, azafady, Noesorin’i Maître Avoko ny taratasy filatsahany noho ny fahitàny fa mety hampisy korontana ny hamaroan’ireo mpilatsaka ho fidiana. 48 olona, ao ny lahy, ao ny vavy. Misy ny efa fantatra sy malzalaza, isy kosa ireo tena mbola tsy fantatra mihitsy.

Anisan’ny tranga mahalasa saina ny maro ny filatsahan’i deba. Izay marihina fa toa sahirana raha mamindra na mijery fa dia toa tsy maintsy misy olona iray na roa foana mitantana azy. Dia sanatria fitiavan-tseza fotsiny ve sa mba maniry ny ho lasa « Mandela » malagasy koa? Asa re. Anisan’ny tsy mahataitra ihany koa ny filatsahan’ireo goaika antitra amin’ny fanaovana pôlifika, ireo efa fantatra ka mitsapa vintana na ho any na tsy ho any. Paik’ady politika amin’ny fihodinana faharoa hoe? Asa re… Maro koa ireo mpanam-bola izay mieritreritra fa rehefa manam-bola dia tokony ho lany. Mahereza ry zareo.

Fa ny tena tokony ampaherezina izany dia ireo olon’ny CES hisafidy ny amin’ireo izay ho voatazona na tsia hilatsaka ka afaka manomana soa aman-tsara ny fampielezan-keviny. Mety hampiteraka korontana sanatria raha tsy mahay mandanjalanja tsara. Mila ampaherezina koa ireo olona hifidy, indrindra fa ireo tsy mahay mamaky teny sy manoratra na ireo somary ratsiratsy maso ka mety ho sahirana amin’ny fampiasana ny « bulletin uniqu » raha izay ihany no ho ampiasaina.

Ho tazonina « bulletin unique » ihany moa izany ny ho ampiasaina amin’ny fifidianana sa dia hiverina amin’ny fomba fanao fahiny izay handraisana taratasy maromaro amin’ireo mpilatsaka ary isafidianana amin’izay tiana sy hanariana ao anaty sobika ireo izay tsy tiana?

Hanao ahoana koa ny fomba fametrahana ny anarana amin’izany « bulletin unique » izany raha ohatra ka io no ho ampiasaina? arakaraka ny filaharan’ny anarana ao amin’ny abidy ve sa arakaraka ny fametrahana ny antontan-taratasy sa ohatra ny amin’ny hazakazaka fiarakodia ka izay efa fantatra fa efa teo foana no alefa aloha?

Asa re!! fa raha izao no mitohy dia ho 27 dia boka no ady eo ho an’izay tsy manan-tsafidy ka niandry an’i dada na zandrikely (i mama mantsy toa tsy ho avela hirotsaka satria tsy ampy enim-bolana no nahateto Madagasikara azy ary mety ho toy izay koa ny amiraly sy ireo sasantsasany amin’ireo olona tsy dia fantatra loatra.

No Tags

Et si l’arche de Noé était parti de Madagascar?

25 avril 2013 by  

Plusieurs religions actuelles s’accordent à dire que Noé est, selon la foi de chacun, le père actuel de l’humanité. En effet, le déluge au temps de Noé a fait périr les hommes et les animaux existants à cette période à part les huit personnes qui étaient entrés dans l’arche ainsi que les animaux qui étaient là aussi. On retrouve des récits similaires dans différentes cultures et différentes autres religions que chrétienne ou musulmane.

On sait ou on estime que l’arche s’est arrêtée au Mont Ararat, en Turquie, même si les innombrables expéditions scientifiques et évangéliques n’ont pas réussi à fournir des preuves universellement reconnues et acceptées que l’arche a bel et bien été retrouvée après plusieurs milliers d’années ou d’autres éléments qui corroborent cette affirmation.

Mais personne ne sait d’où elle partait. La connaissance de cet élément pourra nous informer sur l’origine commune de l’humanité et éventuellement l’emplacement du jardin d’Eden.

La question qui se pose est: Est-ce qu’il n’est pas possible que cette arche ait pu partir de Madagascar, dans les Hauts Plateaux proche de l’Ankaratra, et plus précisément dans la localité de Namahanambasy – Antanifotsy (près de la RN7)? pourquoi pas?

Depuis un peu plus de vingt ans maintenant, il existe dans cette localité une grande cathédrale construite par Rasoazanakolona Hélène, plus connue par les croyant par l’appelation « Mamafara », et d’un hommé prénommé… Noah!!! Mamafara ne savait ni lire ni écrire et n’avait aucun moyen de construire ce bâtiment qui ressemble fortement à une arche, l’arche que Dieu demanda à Noé de constuire. A l’emplacement exact de l’actuel « Toby » de Namahanambasy se trouvait donc l’arche selon une révélation faite par Jésus Christ à ces deux personnes ainsi qu’à d’autres qui sont dans le monde.

L’endroit est devenu sacré malgré le fait que très peu de véhicules peuvent s’y rendre à cause de l’état impraticable de la route reliant la RN7 et la localité.

Donc pourquoi pas à Madagascar?

(PS: L’une des quatre rivières décrites dans la Bible comme sortant du jardin d’Eden s’appelait Pishôn, cela sonne étrangement comme « Sisaony », n’est-ce pas?)

No Tags

Ny fifamelan’ny samy malagasy

18 mars 2013 by  

Tohin’ny toraka natao teo aloha dia somary hiverenantsika ny momba ny resaka fampihavanana. Raha zohina tsotra ny ny hevitra fonoson’ny fampihavanana dia tsorina hoe famerenana ho iray loha ka ho tongotra miara-mamindra sy soroka hiara-hilanja. Io fampihavanana io dia tsy vitan’ny resaka « Amnistie » fotsiny, TSY AMPY IZANY! Ny fampihavanana dia miainga amin’ny fifampiresahana marina sy ny fifamelana tena avy ao am-po ary aorian’izay vao afaka miavana.

Nisy hetsika iray tokony natao momba ny fampihavanana sy fifamelan’ny polisim-pirenena, ny zandary, ny miaramila, ny mpiandry fonja ary ny ministeran’ny fitsarana. Anisan’ny dingana voalohany ilain’ny malagasy io mba handrosoana. Indrisy anefa fa notsindrin’ny famoahana ireo mpikambana tao amin’ny FFM ny daty tokony nanaovana izany. Dia miandry ny fotoana manaraka indray izany.

Araka ny efa voalaza ihany koa tao amin’ny toraka teo aloha dia ilaina ihany koa ny fampihavanana ny fiangonana zandriny sy ny fiangonana zokiny. aoka ny fiangonana zokiny tsy hanaratsy sy hanenjika ny fiangonana zandriny ka hiteniteny azy hoe sekta io satria tsy sekta noforoniny tsinona fa fifohazam-panahy nentin’Izy Tompo. Ary aoka ihany koa ireo fiangonana zandriny tsy hiteniteny ireo fiangonana zokiny sy hitsaratsara azy hoe « tsy misy fifohazam-panahy » satria tsy tokony hitsara fa mbola ho tsaraina. Mbola dingana henjana iray hafa io.

Ilaina ihany koa ny fanajanonana ny fampisaraham-bazan’ny samy malagasy ka ny hijanonan’ny resaka hoe ambaniandro sy tanindrana satria iray ihany ny malagasy. Ary entanina ireo Loholona, ireo Tangalamena, ireo Ampanjaka sy taranak’Ampanjaka mba hifanantona ny foko rehetra ka hifamela ary hihavana tokoa fa tsy sanatria mifampihatsara vela-tsihy ka mody miresaka sy miara-miasa nefa aty ambadika mbola mifandrangitra amin’ny adim-poko toy izay nitranga farany tamin’ny taona 90. Ary aoka ihany koa izay ny tsy fitiavana Merina ka ireo mpanao pôlitika hilatsaka ho filoham-pirenena mihitsy sanatria no mitarika an’izany mandrangitra ny mpomba sy mpanaraka azy.

Ny fifamelan’ny samy mpitondra antoko sy mpanao pôlitika moa izany iny dia efa ankinina amin’ny FFM ka mba tsy ho resaka ambony latabatra sy haino aman-jery fotsiny sanatria fa mba tena fampihavanana feno no hitranga. Ny vahoaka malagasy amin’izao dia efa mhafantatra hoe ireo mody miady sasany ireo dia mifanatona ihany saingy toa fifanatonana « par intérêt » araka ny fiteny izany. Ka mila mihavana sy mandeha amin’ny lala-mahitsy ireo mpanao pôlitika.

 

No Tags

Fampihavanana sa Fifamelana?

12 mars 2013 by  

Ny rehetra dia miaraka miaiky fa ela loatra ity krizy indray mitoraka ity. Efa-taona mahery izao no nitranga ireny « alatsinainy mainty » sy ny tranga nisy teo Ambohitsorohitra. Tsy iverenana ny tantara fa maro ireo rohy samihafa mitantara izany.

Tamin’ny herinandro teo dia najoro sy naseho ny be sy ny maro ireo mpikambana ao anatinan’ny FFM na ny Filankevitry ny Fampihavanana Malagasy na antsoina koa amin’ny teny frantsay hoe CRM na Conseil de Reconciliation Malgache. Ho an’ny vahoaka mpitazan-davitra toa ahy dia toy ireo andry sy sampana maro nijoro sy najoro hatramin’izay ny fijery azy ito. Saingy rehefa jerena akaiky dia tsapa fa mety hanana ny mampiavaka azy amin’ny lafiny rehetra izy.

Anarivony maro ireo olona nosafidianina ho anisan’ny mpikambana saingy 44 no voatazona ary noeritreretin’ny mpisafidy fa tsy baikon’ny atsy na ny aroa no sady tsara fitondran-tena sy toe-tsaina.

Raha tsiahivina ny lasa dia maro ireo tranga mbola ananan’ny sasany alahelo na lonilony amin’ny hafa. Raha tsy hitanisa afa-tsy ny :

  • faneken’ny mpanjaka tamin’ny fotoan’androny ny « protectorat » frantsay
  • fanjanahan’ny frantsay ny malagasy
  • malagasy sasany avara-patana tamin’ny andron’ny fanjanahan-tany
  • trosa nalain’ny mpanjanaka tamin’ny fotoan’androny izay nolovain’ny taranaka malagasy tamin’ny fiverenan’ny fahaleovan-tena mandrak’ankehitriny
  • fifanavahan’ny afovoan-tany sy ny tanindrana
  • voailika rehefa tsy Arema na TIM na TGV sns tamin’ny vanim-potoana nitondrany avy
  • fiangonana zokiny manoloana ny fiangonana zandriny
  • nanao sonia ny tondro zotra sy ireo tsy nanao
  • mpitandro filaminana sy ny vahoaka
  • sy ny sisa maro tsy ho tanisaina

Mila mihavana ny malagasy. Tsy azo lavina izany. Ary tsy mihavana fe mihavana fotsiny fa tena mila mifamela heloka ihany koa. Io tsy vitan’ny resaka « amnistie » na tsy « amnistie » fa avy any am-po lalina tsy tambazana vola na harena na voninahitra. Ahoana marina moa no ahafahana miara-mandroso, hivoaka ny kizo raha toa ka mihavana nefa ny kibay an-kelika ihany? Ao no mety hieritreritra hoe « mody miaraka aloha izao fa asiako io vao tafavoaka eo » SANATRIA anie izany, ho very avokoa ireo ezaka rehetra natao raha toa ka izany.

Taona maromaro lasa izay, toy ny vao omaly, dia naindraindra ny Fihavanana sy Firaisan-kina satria soatoavina mampifamatotra am-po ny samy malagasy. Nanao ny hirany i Jaojoby manao hoe « samy mandeha samy mitady » dia toa nanaraka io hira nalaza io ihany koa ny toe-tsain’ny tsirairay.

Aiza intsony amin’izao ny fahamarinan’ny ohabolana manao hoe « Trano atsimo sy avaratra ka izay tsy mahalen-kialofana »? na ihany koa ny hoe « Tanan-kavia sy havanana ka izay didi-maharary »? FA « Asa-vadi-drano » io resaka Fampihavanana io ka « tsy vita raha tsy ifanankohonana ».

Ankehitriny dia re fa mitaky tambin-karama 4 na 5 tapitrisa Ariary ireo mpikambana voafantina. Miandry ny fanamarinan’izany izahay eto am-panoratana, saingy malahelo kosa raha ho fanasoavana ny tanindrazana dia resaka vola sy karama no mahamaika. Marina fa mila tambiny ny asa rehetra atao, marina fa amin’izao voalohany izao dia tsara ny mametraka avy hatrany ny fototra iasàna, fa raha tsiahivina hoe mahery kelin’ny fito alina Ariary ny karama farany ambany izay raisin’ny vahoaka ary eo amin’ny roa ka hatramin’ny valo hetsy no miakatra eo no ho eo ny karaman’ireo sefo mpiasam-panjakana dia mahalasa saina ny fangatahana ataon’ireto mpikambana. Samy te hiala amin’ny fahatrany marina ny tsirairay…

Ny fanontaniana mipetrak izao dia ny amin’ny fomba fiasan’ito rantsana vaovao ito. Marina fa manao vazaha mody miady ny ankamaroan’ireo mpanao politika ireo satria misy ohatra ny miara-misakafo any amin’ireo hotely be nefa eritreretina ho mpifandrafy mihitsy ary tsy vao ela fa tamin’ny alahady teo no niaraka nanao baolina kitra teo mahamasina ireo olona mba malazalaza amin’ny sehatra politika eto amin’ny firenena.

 

No Tags

Malagasy Miray revient!

22 février 2013 by  

Bonjour à tous,

Après quelques jours d’absence et une série de question de ceux qui le consultait régulièrement en ligne, le blog communautaire Malagasy Miray (MM pour les intimes) revient. En effet, dû à des soucis techniques avec l’hébergeur, le site a été momentanément suspendu. Le problème est maintenant résolu et nous sommes heureux de vous retrouver à nouveau. Nous espérons que vous resteriez toujours avec MM et que tous les autres contributeurs retrouvent leur inspiration pour poster et sur leur blog et ici même. Madagascar à besoin de nous tous.

Miarahaba antsika rehetra,

Rehefa tsy nandeha nandritra ny andro vitsivitsy ito biloagy iarahana Malagasy Miray ito dia niverina amintsika indray izy izao. Ialana tsiny noho izay olana ara-teknika nisy teo amin’ny mpampiantrano izay. Efa niverina amin’ny ara-dalàna moa izany ankehitriny ka dia manasa anareo rehetra mpitsidika sy mpitoraka mba hazoto hifampitafa sy hifanerasera eto. Mila antsika i Madagasikara.

Mirary soa indrindra antsika rehetra,

No Tags

2013, année de l’effort et de la persévérance

27 novembre 2012 by  

A un mois de la fin de cette année 2012, on se projette en 2013 et on constate que désormais les ponts ne feront plus partie de la vie économique de cette nouvelle année.

En faisant une brève rétrospective de cette année qui va bientôt se terminer, elle aura connu en tout neuf (9) jours fériés (sinon dix (10) si le gouvernement va maintenir la journée de 11 décembre prochain comme fériée, va savoir c’est quoi cette date…) sans compter le 8 mars pour les femmes et le 1er janvier qui tombait un dimanche, ainsi que les dimanches de Pâques et de Pentecôte.

Il eut aussi trois (3) « ponts » (30 mars, 25 juin, 2 novembre; le 18 mai, vendredi de l’Ascension, n’a pas été retenu, et on ne mentionne pas non plus le 24 décembre 2012). En tout, on dénombre donc une douzaine de journées chômées mais payées pour cette année.

Il ne restera plus donc que la journée du 25 décembre à traverser et l’année aura eu treize (13) journées « off » (Pour une fois, je serai d’accord de les mettre à 15 jours pour cette année car par expérience, le 24 et le 31 décembre seront des journées d’embouteillage et comme l’année a été assez rude pour la majorité des ménages, mieux vaut finir en beauté l’année en accordant quelques moments de répit. En général, je suis d’accord avec le patronat pour qu’il n’y ait pas de pont mais exceptionnellement ce sont des journées plutôt spéciales)

Donc, en 2013, on dira surement au revoir à toutes ces petites vacances autour des longs week-ends. Si je vous dis que le lundi de Pâques tombe un 1er avril, ce n’est pas une blague. Le jour de l’an tombe un mardi, la commémoration de 1947, le Toussaint et la journée de la femme tomberont un vendredi joli; la célébration du Retour de l’indépendance, Noël et le Nouvel an 2014 seront un mercredi; Et les journées de l’Ascension et l’Assomption seront jeudis. Il n’y aura donc que dix jours fériés classiques (pour les hommes) et pas de pont qui pointe le bout de son nez à l’horizon. Je pense que je n’ai rien oublié.

Les groupements et associations professionnels comme le GEM dormiront donc sur leurs deux oreilles et ne pourra pas rappeler à l’ordre le gouvernement en 2013. Car par expérience aussi, les vendredis après l’Ascension et l’Assomption ont rarement été décrétées journées chômées mais payées.

En ce qui concerne les petites escapades en dehors de la ville, on peut toujours se préparer à partir la veille du 29 mars et du 1er novembre, mais comme c’est risqué de partir la nuit, le week-end risque d’être court si l’on ne part que le vendredi. En tout cas, comme le titre l’indique, le ton pour 2013 est donné avec le mois de janvier où le mois semble avoir cinq semaines de travail. Qui vivra verra!

 

 

 

No Tags

Ce qui résume la situation à Madagascar

19 novembre 2012 by  

Voici un post court, très court. Le résumé de ce qui se passe à Madagascar en un seul mot : ANDRAMENABILA (Andramena+Remenabila)

No Tags

Page suivante »