Référendum : vox populi, vox dei
9 mars 2010 by Mitiyu
Je me demande s’il y a déjà eu une élection vraiment juste à Madagascar. Je veux dire sans trafiquer les résultats et sans que tel ou tel candidat triche. Ce qui est sûr c’est qu’on n’a jamais tenu en compte le taux de participation des électeurs. Que ce soit 27% que ce soit 46% ou plus c’est la même chose.J’aimerais juste attirer l’attention des chers visiteurs de ce blog que l’Islande a donné un exemple frappant à la communauté internationale. En effet, pour le premier référendum du pays (?) les électeurs ont dit NON à 93%.A Madagascar (comme dans la plupart des pays je suppose), la problématique de l’organisation d’un référendum est la formulation de la proposition. D’une manière à formuler une phrase directive orientant le votant à son choix. Ce cas de l’Islande reste intéressant pour deux principales raisons :- la première est que c’est rare que des “NON” triomphent- la deuxième est que ces “NON” ont été votés massivement, presque à 100%. Donc logiquement les 7% restant sont les banquiers ou les investisseurs ayant leurs intérêts dans cette histoire de remboursement populaire (soit à peu près 28000personnes).En tout cas, les Grecs, ancêtres de la démocratie, n’ont pas eu cette brillante idée…
Un jour je serai (peut-être) fier du football malgache…
1 mars 2010 by Mitiyu
Deux rencontres, deux défaites…Je pense que fatalement il fallait s’y attendre car Madagascar figure parmi les pays où le football n’est pas vraiment le sport national qui possède des illustres champions. Je sais que j’ai déjà été fier de la Boxe, du Tae Kwon do, de quelques disciplines de l’athlétisme, de la pétanque, etc. Mais pour le foot, je dois creuser un peu dans mes souvenir pour retrouver le fameux CLUB M, non pas mauriciens mais bien malgache au temps de Peter Schnitger.Avec les amis européens ou africains, quand le sujet tourne autour du foot, le malgache devient l’avocat du diable ou préfère ne rien dire. Pour ma part, je préfère m’éclipser un moment pour aller aux toilettes ou pour téléphoner quelqu’un. Mais en revenant, le sujet est souvent loin d’être terminé et on écoute tant bien que mal et on essaie de donner au minimum son opinion. Les autres parlent de “leur” Samuel Eto’o ou du “grand” Didier Drogba. Moi, j’ai dans mon souvenir un très lointain Claude Kely que je ne connaissais même pas ou un pauvre Dezy Monstre que je rencontre de temps à autre du côté d’Anosibe ou de 67ha.Mais à ce qu’il paraît, le football malgache n’a pas toujours été ainsi. On recherche des témoignages.J’ai juste entendu dire que l’équipe de Saint Michel issue du collège du même nom a été, jadis, une fierté nationale. (Comme pour son équipe de handball ou de judo ou encore un certain temps le tennis de table, pour la natation et le volley ball j’ai aussi des questions…)Bref, quel est réellement le problème actuellement? est-ce un problème de matériel et d’encadrement ou d’une structure adéquate qui contribuera à l’épanouissement du football malgache? Et quel est le fond de ce conflit quasi-permanent qui oppose le Ministère et la Fédération Malgache du football?Autant de questions qui nécessite autant sinon plus de réponses. Car à ce jour, si quelques joueurs arrivent à se placer sur le devant de la scène internationale, la majorité boude sur place faute de moyens à ce qu’il parait. Mais ne doit-on pas faire la preuve de ce qu’on peut faire avec les moyens du bord avant de demander plus lorsqu’on arrive à obtenir des résultats?Pour l’instant, je préfère écouter les cris et les hurlements des supporteurs de l’extérieur du stade au lieu d’aller voir quelque chose qui me décevra en rentrant…à bon entendeur!
Bibiolona hoe?…
15 février 2010 by Mitiyu
Tato ho ato dia niverina niely indray ny resaka momba ny fisiana sy ny fivoahan’ny bibiolona eto Antananarivo. Raha vao miresaka bibiolona moe ny eto Madagasikara dia endrika sy bika misy itovizana amin’i Bobel, izay antsasany olona antsasany soavaly, no ao an-tsain’ny maro. Betsaka tokoa mantsy no voakolokola tamin’ireny tantara an-tsary ireny tany amin’ny taona valopolo tany.
Raha tsiahivina ara-tantara dia mahagaga marina fa rehefa misy korontana ihany vao misy mivohy ity resaka ity. entina hanodinana ny sain’ny madinika ka hitebiteby dia tsy hieritreritra intsony ny adilahy pôlitika? asa, isika rehetra mieritreritra. Fa tsy resaka pôlitika no ho resahintsika eto fa resaka kolotsaina sy fiaraha-monina.
Mahatadidy ny tena fa tao akaikin’Analamahitsy tao no nankalazain’ny maro fa nisy bibiolona. Rehefa nanaovana fandalinana sy fanadihadiana anefa dia tsy inona fa toerana fivorian’ireo “Mpaka fo”, izay fiantsoana tsy misy ifandraisany amin’ito fikambanana ito no ao amin’ilay toerana voalaza. Natao ihany ny famakafakana ka tsy nahitana porofo na diany na dia kely aza tamin’izany toerana izany.
Nandeha teny ny fotoana dia niverina indray ilay resaka ka teny amin’ny faritra Anosizato iny indray no nisy olona vitsivitsy nilaza tamin’ny fahita lavitra fa naheno na nifanena tamin’ny “ohatra ny bibiolona”. Nolazain’izy ireto fa ohatra ny haben’ny alika indray ilay izy ka ny lohany no olona fa ny vatany mandady manana tongotra efatra. Dia manontany tena aho hoe : “tena nahita tokoa ve ireny olona ireny sa sanatria olona kilemaina sendra nandalo teny no eritreretiny ho bibiolona noho ny tahotra sy noho ny tsy fandriam-pahalemana?”
Raha bibiolona no resahina ka vinavinaina ho toy ny misy, dia ho mahery setra toy ny ombalahy sy ny voay ary ve sa ho kanosa toy ny papelika? Ny ankamaroan’ny olona mantsy vao mieritreritra izany zavatra tsy fantany izany dia tahotra no mameno ny saina ka moa tsy voahazan’ny olona ny lambo ary tsy voavadika kitoza ny omby?
Raha ara-tsiansa sy fahasalamana, mety hisy tokoa ve izany bibiolona izany? Ny valinteny tsotra indrindra afaka omena aloha dia “eny” mety! Satria noho ny fanandramana etsy sy ero sy ny fahasamponana ateraky ny fiovan’ny tontolo dia tsy misy isalasalana ny ahafahan’izany rehetra izany mipoitra. Raha ny fahasamponana misy fotsiny ohatra no resahina dia hita fa misy ireo akoho no manana tongotra efatra, ny omby misy zana-tongotra fahadimy sy fahaenina mihantona amin’ny fitombenana, ny atody misy akorany hafa ao anaty akorany na tamenany roa, sns.
Fa ny tena fanontaniana afaka iadiana hevitra dia ny hoe mety ho toy ny endrika zazavavin-drano ary ve sa toa an’i Bobel?
Mandrimandry manana aretina
3 février 2010 by Mitiyu
Taloha kelin’ny faran’ny taona 2009 dia niezaka mafy ireo mpilaza vaovao frantsay manamafy amin’ny mpijery sy mpihaino azy fa tapitra ny krizy ekonomika izay iainan-dry zareo any aminy. “Autosuggestion ou réalité”? azo adika malalaka hoe fampiakaran-tsaina sa zava-misy marina?
Matetika mantsy ny tena antony mahatonga ny krizy koa dia ny tsaho sy ny filazambaovao na marina io na diso. Teny iray dia mampiova zavatra maro. ka izany no tena mahatonga ny filazam-baovao ho toy ny fahefana faha-efatra.
Raha ny malagasy no resahina dia toa mandrimandry manana aretina ihany na ny vahoaka na ny mpitondra. Misy ny fambara aretina na “symptôme” misy etsy sy eroa; Anisan’izany ny fitokonana etsy sy eroa. Anisan’izany ihany koa ireo olana eto an-drenivohitra mikasika ny tsena izay tsy tena voavahy fa nafindrafindra na vahaolana vonjy tavan’andro fotsiny. Ary ny tena mibaribary toy ny vay an-kandrina dia ny tsy fandriam-pahalemana etsy sy eroa izay vohizin’ny resa-be etsy sy eroa.
Manoloana izany anefa dia miezaka ny mampihodina ny fiainany andavanandro ramalagasy. Mandeha miasa ireo izay mbola manana izany ary ny tsy an’asa dia manjoretra eny alatrano na eny an-tsena mieritreritra izay mety ho aviny rehefa tsy voatarika hiloka na hanao asa ratsy (tsy misy, hono, ny asa ratsy fa ny maharatsy azy dia noho ny ratsy entiny eo amin’ny fiaraha-moniny)
Mandrimandry manana aretina ny gasy satria manoloana izany rehetra izany dia ekeny avokoa izay mitranga aloha hatreto na dia misy ihany aza ny mimonimonina mangina any amin’ny misy azy avy any. Ekena aloha izay misy dia jerena eo izay fandehany fa dia ho avy koa ity ny andro ratsy ka aleo mifitsaka fa Haiti aza efa tsy fidiny azy…
Raha ohatra ahy ny marary dia tsy dia mpitsabo firy fa sady tsy dia tena mahafa-po matetika ny fanazavany sy ny fitsaboana ataony, afa-tsy izay mpandidy tena mahay na mpitsabo tena miavaka angaha saingy lafo, no sady lafo be ihany koa ny fanafody sasany raha misy izany. Aza mba marary ihany aloha amin’izao fotoana izao raha eto Madagasikara e. Izany fiantohana (assurance na mutuelle) izany aloha dia tsy an’ny be sy ny maro.
Resaka fandriampahalemana no ho resahina, tsetsatsetra tsy aritra, nisy ilay mpamily fiarakaretsaka voatsatotstoka antsy dia naverin’ny mpamono teo anoloan’ny tranony teo Ankadifotsy afak’omaly vao maraina rehefa nantsoin’ny olom-patany, hono, tamin’ny finday ny alina mialoha io loza io. Tsy very ny entana sy ny fananana teny aminy ka dia nahalasa saina hoe inona no tena nilain’ny jiolahy. Ny fiara toa nisy nilaza fa nisy namerina ihany koa avy eo.
Mba nivoaka alinanalina andro talata ny tena hijery ny manodidina ka tsy dia gaga firy mahita ny havitsian’ny fiara mivezivezy eny an-dalana. Misy raha fa tsy hay! andro amin’ny 8ora sy sasany alina izany eny Analakely…
Ka iza koa anefa ny mpitsabo afaka antonina e? Ny vahiny? ny mpitondra sa ny isanisany amin’ny vahoaka tsy mandady arona? (fa tsy izay milaza azy ho vahoaka nefa tsy feno roa alina akory = 1% ny olona eto Antananarivo)? Dokotera ô, aiza ianao ilay tena mahay manasitrana? Tsy mila anao antitra izahay, tsy mila anao tsy manana tra-kefa ihany koa ary tsy mila anao fetsifetsy sy tia kely. Sa ny vahoaka ihany no mpitsabony? Asa re!
Et l’on reparle du naufrage du Gulser Ana à Madagascar
19 janvier 2010 by Tomavana

© Stringer, Photo aérienne de l’épave du Gulser Ana prise le 05.09.2009 et publiée par australia.to >>
Après des mois de silence, on reparle du naufrage du Gulser Ana* au large de la réserve spéciale de Cap Sainte Marie, à la pointe sud de Madagascar. En effet, les dernières nouvelles remontent au 28 octobre 2009 lors de la publication du rapport fruit des études financées par l’ONG WWF.
D’abord, au début de cette année 2010, il y a eu ces cris d’alarmes des habitants de la région qui ont été relayés par les quotidiens lexpressmada.com et les-nouvelles.com à propos de nouvelles invasions de boulettes de goudron sur les plages notamment des communes de Marovato, Anjapaly et Faux-Cap dans la région de l’Androy. Sans doute dû à l’exceptionnelle houle marine liée à l’équinoxe.
En conséquence de quoi une nouvelle interdiction de pêche a été promulguée par le ministère de l’agriculture de l’élevage et de la pêche chef de région Androy Damy Lire la suite
Nécropolitique ou l’humour noir d’une rédaction
22 décembre 2009 by Mitiyu
Lundi dernier, on a été un peu étonné lorsqu’en feuilletant un célèbre quotidien malgache on a retrouvé à la page “POLITIQUE” le curriculum vitae du nouveau Premier Ministre malgache. Quoi de plus normal me diriez-vous. Mais vous serez sûrement aussi étonnés que moi si vous connaissez que cette fameuse page est surtout une page spéciale nécrologie. à savoir, aucun article ni reportage qui parle de la politique en général et aucun article tout court. Rien que le CV et les “faire-part”.Ah, si quand même. Une section concernant l’attentat de Lockerbie qui parle de condamnation, de cancer en phase terminale et de Tripoli. Etrange relation…Quoique je reste quand même sceptique en me demandant si c’était une coïncidence de la rédaction ou un humour noir qui tire le cynisme à son paroxysme ou encore une blague qui incite les autres à penser que le gouvernement doit spécialement figurer dans cette page. En tout cas, c’était très subtil!Finalement, cette page aurait pu s’intituler “NECROPOLITIQUE”
Fa inona marina moa no olana e?
10 décembre 2009 by saveoursmile
Nataoko ihany ny tsy hiloa-bava kanefa toa niserana tampoka tato an-tsaina ny sombin-dresaka tamin’ny sarimihetsika vahiny iray izay toa nanamarika ahy hany ka nanontany tena ihany aho. Ilay sombin-tantara dia mpahandro sinoa iray izay nimonomonona irery raha nahita ity mpampiasa azy mipenompenona mitady zavatra tsy hay eraky ny trano, ka hoy izy “tsy fantany akory izay tadiaviny, hany ka tsy ahita izy” (dikan-teny malalaka io an…)
Fa inona tokoa moa no olana vahana eto amin’ity tanintsika ity amin’izao fotoana izao e? Moa ve misy iray amintsika afaka mitsangana ka hilaza izany ka hiara-hiaiky ny rehetra fa izay tokoa no rangory fototry ny afo tsara ifanakonana mba ahitana vahaolana? Mino aho fa raha misy olona iray sahy hitsangana ka hilaza ny fahitany azy dia hisy tranga maromaro mety hiseho:
- ao ireo hiezaka hampiseho fa “efa nandinika lalina” ny zava-misy mitranga amin’izao ka hamoaka izao karazana tsangan-kevitra natambatambany araka ny niainany ny fizotry ny tantara teto Madagasikara hatrizay ka hatramin’izao …Mety tsy ho diso izany fomba fijeriny izany, fa saingy ho feno ve?
- ao ireo ihevitra hoe “io indray i ranona fa te hanandra-tena”… hany ka na misy mitombina aza ny nolazain-dranona dia tsy ho henoina intsony satria … i ranona io miteny io e
- ao ireo mety ho mitovy hevitra amin’izay nolazaina sy novelabelarina ihany fa toa mahatsiaro ho fandanian’andro fotsiny ihany ny firesahana izany
- mino aho fa maro ireo tranga hafa mety hiseho … ianao mamaky io koa inoako marimarina tokoa fa efa nahita tranga dimy farafaharatsiny ankoatran’ireo …
Ny tiana ho tsindriana dia ity: samy miaiky ny rehetra fa mandalo krizy i Madagasikara amin’izao fotoana izao, tsy handeha hitady ny antony nahatonga azy loatra aho (mbola ho lasa any amin’ny ady hevitra be io raha atomboka, heveriko fa efa be dia be ny ady hevitra nandeha hatramin’izay momba io lohahevitra io ka aleoko tsy ampiana intsony), fa kosa moa ve isika izay samy miezaka mitondra ny anjara biriky amin’ny famahana ny krizy mitovy hevitra amin’ny fahazoana ilay olana ho vahana? Asa lahy fa dia vaka ny saina amin’ity toe-draharaha ity …


License