27
juil

Blogathon 2008, un peu plus de coeurs !!

Mialy la fille d’Ikalamako nous a ravit avec son charme fou, son intelligence et ses superbes dessins. Many n’arrête pas de nous surprendre. Simp s’est rendu compte qu’il ne s’agissait pas que de poster des articles mais aussi de chatter et de poster des commentaires a n’en plus finir. SaveourSmile est sorti de sa cachette. Livelys s’est fait réclamé encore un autre dessin. Sipagasy n’a PAS arrêter de papoter. Jogany a paumé la moitié de l’article d’Ikalakely (merdeuh). Mirana a eu le coeur brisé par un pilote. Lova diversifie ses articles avec rigueur et folie. Ikalamako arrête pas de manger. Pakysse de vider la bière. DotMG regarde JEJO en blogathonnant. Mac smile demande un modérateur. Maintikely demande comment ça marche et rigole tout le temps. Lilia épate tout le monde avec son talent , ses posts, son blog, son design. Vola nous a tué avec son Blind test trop galère. Sipakv a rendu tout le monde : Hodray! Pissoa maîtrise le Google Doc avec majesté et mathématiques. Eddie nous a concocté le plus touchant des témoignages.Et la Palme bien sûr revient a la future grande bloggueuse future actrice de pub : Smiley !!

MERCI

The this year we raised funds to make Madagascar’s Children’s dreams come true.

Join us here on : July, 26th from 9 am to July 27th 9 am !

Ikalamako’s daughter charmed us with her intelligence and amazing pictures. Many keeps surprising us with his surprises. Simp just realized it wasn’t about blogging but also posting comments and goign crazy on the chatroom. SaveourSmile was hiding from us. Livelys had to post another one of his great compositions.Sipagasy keeps on chatting. Jogany lost half of Ikalakely’s post (she will kill her after she knows about this). Mirana is not fond of the pilot anymore. Lova is very smart and serious with his posting. Ikalamako keeps on eating. Pakysse for more beer. DotMG is watching JEJO while blogathonning. Mac smile wants to talk to the moderator. Maintikely is asking how this is working and laughs all the time. Lilia is amazing with her design, blog, posts, talent. Vola made us look like — during her blind test. Sipakv left us saying : Hodray! Pissoa is masterizing the Google Doc schedule. Eddie shared with us the most touching testimony. And the award for the best actress-to-become goes to future über blogger : Smiley !

No Tags
17
juil

Ny teny Malagasy ho fampianarana ny zaza Malagasy

Haverina amin’ny teny Malagasy ny fampianarana eny amin’ny ambaratonga fototra (primaire) araka ny fanapahan-kevitra noraisin’ny fitondram-panjakana. Momba izany no nanasàn’ny fahitalavitra tsy miankina iray (TVPlus) ny mpampianatra mpikaroka eny amin’ny Ambaratonga Ambony RATREMA William, sady mpanorina ny vondrom-panabezana ACCEEM ihany koa.. Ny mpanao gazety nanasa azy kosa dia Onitiana Realy
Indro tateriko ho anao etoana ny dinidinika nataon’izy mianaka ireo ka ny OR dia raiso ho i Onitiana Realy ary ny RW dia raisintsika hoe RATREMA William

OR: …niainga avy teny amin’ny Ambaratonga fototra, avy eo nampianatra teny amin’ny Ecole Normale Supérieur…niakatra hatreny amin’ny Université amin’izao fotoana izao…azontsika resahana tsara mihitsy ny traikefa sy ny zavatra rehetra hitanao, niainanao mikasika ny hoe mpianatra sy ny fampianarana eto Madagasikara….Fanapahan-kevitra noraisin’ny fanjakana ny hoe hamerina ny fanagasiana. Vao mihaino ilay hoe fanagasiana ny olona dia ataontsika hoe mihorona ny hodi-dohany…mihoron-koditra izy satria tonga dia mandray ilay fanagasiana niainantsika tany amina’ny Repoblika faharoa tamin’ny 1972 hatramin’ny 1977 tany. Eo indrindra no mahatonga ilay fisalasalana eo amin’ny raiamandreny izay mpianatra nandalo an’izany taloha satria hitany ny fiantraikan’ilay fanagasiana teo amin’ny tenany sy ny fianarana norantoviny. Amin’izao fotoana izao izy raiamandreny, tsy te-hamerina an’izay intsony ho an’ny zanany na ny taranany. Inona no ambaranao mikasika an’izay, hoe tsara ho antsika ve ny miverina amin’ilay hoe fanagasiana? Avy eo isika mantsy hiditra amin’ny votoatin’ilay fanagasiana hapetraka.

RW: ..na ilay fomba fiteninao azy aza dia somary manaitra ihany ilay hoe mampihoron-koditra ny Malagasy, nefa teny Malagasy, tenim-pireneny, izany izany aloha dia efa somary mahagaga ihany. Amin’ny maha Malagasy antsika izany dia zavatra tokony hahafaly ny hoe fanomezana hasina ny tenintsika izany …nefa zava-misy izay voalazanao izay. Tsara marihana fa raha vao miresaka an’ity teny ity isika, indrindra amin’ny resaka fampianarana dia be dia be ny fihetseham-po…mety mifanohitra. Misy ny faly ary misy ny manahy araka ny voalazanao teo…Tokony ho amin’ny saina tony no hiresahana azy sy hifanakalozan-kevitra momba izany, ary tokony ho lalan-tsaina siantifika no hijerena azy…Tsy maintsy miainga aloha amin’ny zava-nisy ara-tantara…Inona moa no nahatonga antsika amin’izao dingana misy antsika izao? …Inona no hevitr’ireo manampahaizana izay nandalina momba ny toe-tsaina, nandalina momba ny fiaraha-monina, nandalina momba ny maha-olona mihitsy…ireo siansa samihafa manomboka any amin’ny psychologie, anthropologie, sociologie sns…hatrany amin’ny hoe taranja siantifika. Manana ny heviny izy ireny, ary eo anivon’ireo fikambanana iraisam-pirenena toy ny UNESCO …UNICEF dia naneho ny heviny ireo manampahaizana manokana ireo ary nisy fehin-kevitra navoakan’ireny….voaporofo ara-tsiansa. Marihana ihany koa fa isika …dia nanao sonioa ireny fanambarana iraisam-pirenena ireny izay manome hasina aloha ny teny izay nibeazan’ny zaza. Ilay “Tenin-dreny” moa dia nadika ara-bakiteny avy amin’ny teny dfrantsay fotsiny, fa ny hoe “Teny nibeazana” no metimety kokoa. Tsy maintsy mahay mihaino…Tsy maintsy mijery ihany koa ny tarehi-marika hoe raha nampianarina tamin’ny teny Malagasy ny ankizy, nanao ahoana ny vokatra hatramin’izay fotoana izay, …raha nampianarina izy izao nanomboka tamin’ny 1989 isika niverina tamin’ny teny frantsay, nanao ahoana ny vokatr’izay ara-tarehi-marika amin’izao fotoana izao, tsy any aty an-tanandehibe ihany fa hatrany ambanivohitra?…ny raharaham-pirenena, ny hoavin’ny taranaka tsy azo atao amin’ny resaka fihetseham-po….tsy maintsy jerene ihany koa anefa ny fihetsehan’ny sokajin’olona samihafa manoloana izay mety ho fanapahan-kevitra. …raha tamin’ny 1972 isika dia nentanin’ny fihetseham-po fitiavan-tanindrazana noho ny fangejana ny fampianarana nataon’ny mpanjanaka teto…dia na teo amin’ny fanatanterahana aza dia mbola iny fihetseham-po iny no nentina nanatanteraka azy fa tsy mba nihataka kely aloha nandinika. Amin’izao fotoana izao izany ny mampanahy di asao dia resaka fihetseham-po koa…Ny nitranga tamin’ny 1989 dia nisy izany ny resaka zava-nitranga mikasika ny hoe fanagasiana…mbola hofaritana ny hoe inona no fahombiazana na tsy fahombiazna tamin’izy iny…dia nentanim-po indray izany , dia niverina tamin’ny teny frantsay…ary dia nivoaka tamin’ny gazety Le Monde mihitsy hoe “Les Malgaches sont plus Francophiles que les Français” taorian’iny fanapahan-kevitra tamin’ny 1991 iny….Nanome ny heviny ny fanjakana hoe ho ampiasaina ny Teny Malagasy any amin’ny Ambaratonga voalohany ho teny entina mampianatra…efa nanao valan-dresaka Ramatoa minisitra nefa azo ambara fa mbola ilay hevitra fototra fotsiny no voamba hatramin’izao. Fa ny antsipirihany, na ny dingana talohan’ny nanapahana io hevitra io sy ny dingana aorian’ny fanapahjan-kevitra dia mbola tsy voalaza mazava. Fa eto ny mahasarika amin’ilay resaka izany satria mbola tsapa izany vaovao eo am-pelatanantsika ahafantarana amin’ny endriny feno ilay politika vaovao ampiharin’ny fanjakana manomboka izao. Ny zavatra tsapa fotsiny aloha izany dia hoe ampiasaina ny teny ho enti-mampianatra any amin’ny ambaratonga voalohany na any amin’ny ambaratonga fototra ny teny Malagasy, izay aloha izany no zavatra fantatra…  Continue reading ‘Ny teny Malagasy ho fampianarana ny zaza Malagasy’

, , ,
11
juil

Ny fianarana no maha-olona

  • Manao ahoana ianao ry Dadatoa Rasamy.
  • Ahoana Ragasy a, misy azo atao an’ialahy fa tsy manam-potoana firy aho izao?
  • Eny tompoko, koa satria moa maika ianao dia … tonga dia ny votoatin-dresaka no hoentiko. Momba ilay resakao indray maka iry hoe vonona hanampy anay mianakavy ianao raha manana drafitr’asa maty paika hanatsarana ny fiainanay aho. Rehefa nandinika lalina aho dia misy tetikasa iray izay mety hanavotra anay tokoa handresena an’ity fahantrana ity.
  • Ha, tsara izany! Mila dinihiko anefa izay tetikasa izay fa sao diso fandray ialahy tamin’ilay resako iny an! Tsy vola adala tompo akory ny ahy sanatria ka omemena fahatany fotsiny fa tetikasa hita fa tena hanavotra an’ialahy isany tokoa matoa hotohanako, ary misy fepetra ihany koa ahafahako manaraka fa mandeha amin’ny laoniny ny fampiasana ny vola.
  • Eny tompoko, na dia kely ihany aza ny fahaizako dia efa nataoko an-tsoratra ny mombamomba azy ka raha mety dia sady hohazavaiko no mandinika ireto antontan-taratasy ireto isika.

  • Dia io izany tompoko ny tontalin’ny vinavinako amin’ny vola mety hilainay.
  • Eny ary lesy Ragasy fa hodinihiko ity, dia milaza amin’ialahy ihany aho ny tohin’ity resaka ity fa omena làlana aloha ialahy.
  • Dia misaotra mialoha tompoko, ho tahian’Andriamanitra indrindra anie ianao amin’izao fitsinjovana anay mahantra izao…
  • Tsy misy hisaoran’ialahy fa isika koa ange azo lazaina ho mpiray ombon’antoka ihany e! Iza moa no fanirakiraka sy manao ny asa maro ho anay raha tsy ianareo mianakavy ihany. Veloma. 

Continue reading ‘Ny fianarana no maha-olona’

, , , , , ,
02
juil

fotoam-pialan-tsasatra: tantarao hoe ny anareo?

Tsy sanatria fanamaivanana ireo resaka matotra be mandeha eto amin’ ny blaogasyfera malagasy akory (raha tsy hitanisa afa-tsy ny tantara mitohy an’ i Kamba, ny fanohizana ny efa natomboky ny tetik’ asa Telomiova, …), na koa hoe tsy firaharahana ireo rohin-dresaka malaza amin’ izao fotoana (toy ny tatitry ny fetin’ ny aterineto, na ny tetik’ asa hanaovana ny barcamp voalohany eto Madagasikara, fa mba te hisarika antsika mpitoraka bilaogy ny hizarantsika ireo karazana fialam-boly (n)ankafizintsika nandritry ny fotoam-pialan-tsasatra toa izao. Ny tanjona dia ny mba hampisokatra ny sain’ ny mpamaky hafa ny fisian’ ny fialam-boly hafa(ankoatry ny aterineto sy ny “consoles de jeux”), na koa fitantarana fotsiny ireo fotoana nahafinaritra

Hanokafako ny lanonana izany dia ny lisitr’ireo kilalao na fialam-boly nahafinaritra ahy fony mbola kilonga aho (ka mbola tsy nahafantatra ny aterineto):

- bandy sy rôla: toa tsy andry ery ny ahamaraina ny andro hamoriana ireo akama rehetra hanaovana io kilalao io, indrindra moa ka rehefa hoe avy nandefa horonan-tsary “Western” ny TVM (tsy nisy télé hafa t@ izany) dia miady mihintsy ny hitondra ny anaram-bositra Géronimo, na Cochise … Tandremo ihany ry zareo fa manaikitra ilay alika ao amin-dry zareo ao atsinanana ao an, aza miafina ao:-D
- nanao “pic-nic” nandeha tongotra niakatra tendrom-bohitra ireo ankizy iray tanàna: ny nahafinaritra ahy tamin’io dia ny fiaraha-mientan’ny rehetra, hany ka na dia maro aza ny nihevitra fa tsy ho vita iray andro ny fiakarana ilay tendrom-bohitra dia nanao rodobe foana ihany … Rehefa miverina any aho mijery vao tonga saina fa lavitra/avo ilay tendrom-bohitra niakarana kty…

- baolina kitram-pokontany :-) Rehefa telo mirahalahy ny tena, ary mitovitovy amin’ izay koa ny andrizareo ao atsinanana, ampian’ny bundesliga mandeha isaky ny faran’ ny herinandro amin’ny TV dia mazava ho azy fa raikitra ny filalaovana baolina kitra. Ny cité nisy ny tena koa moa azo hanaovana baolina daholo ny tokontanin’ny isan-tokan-trano (toa mbola tadidiko foana ny fibedesan’ i Neny anay fa voahosihosinay ny voninkazony rehefa raikitra ny baolina). Hatramin’izao moa dia mbola manaraka foana ny takaitra satria dia matetika folaka ny “cheville” t@ izany. Ny tena koa moa nipetraka t@ itony atao hoe cité itony ka mora ny nanangana ekipa. Vita ny baolina dia manafika katsaka sy ronono .. na resy io na mandresy… lol :-)Ary raha tompom-baolina moa dia aza entina mody ny baolina rehefa resy e …

- nihaza voron-kely miaraka amin’ny baka-plesy, na nanjono teny antanimbary .. hihihi … Izy io dia tsy nahombiazako loatra fa zara raha nitondra nody … Ny nifanehitra tamin’ny bibilava moa manginy fotsiny .. izany hoe taty aoriana vao nahafantatra fa tsy maninona ireny bibilava ireny … Toa ny fitadiavana ilay hazo mimoza tena misamaka tsara ho Y koa no nahafinaritra tamin’ ireny kty

- nanao “tômôbila” kely vita amin’ ny baoritra … lany mihintsy ny lera nandrafetana ilay “tômôbila” … Fa toa “voilé” foana ho’aho ilay kodiarana e …

- ireo afon-dasy amin’ny andro alina ravahin’ ny fikaloana sy fanatonoana saosisy/masikita, arahan’ ny fitantarana hatsikana … Ary aza atao akaikin’ilay afo loatra moa ilay gitara fa manjary mivalana e

Ireo no tonga ato an-tsaina izao fa mba tantarao hoe ny anareo?

, ,
30
juin

Fetin’ny aterineto Malagasy

Raha vao miresaka solosaina, dia tsy maintsy tonga ao an-tsaina ny momba ny aterineto. Ary raha vao miresaka aterineto dia tonga indray ao an-tsaina ny mailaka, ny resaka mivantana, ny lalao, ny fitadiavana namana, sns… Izany hoe raha tsorina dia ny “mahafinaritra” no betsaka ampiasan’ny olona ny aterineto. Ireny no be mpitsidika raha vao mitopy any amin’ny fafana eo anoloan’ny olona iray mampiasa solosaina ka mitsidika tranonkalan-tserasera ny maso.

cimg0284.jpg

cimg0310.jpgNatao tao amin’ny Hotel Carlton Anosy nandritry ny roa andro (28 sy 29 jona 2008) teo ny fetin’ny aterineto teto Madagasikara. Ny AE MISA (Associaton des Etudiants- Maîtrise en Informatique et Statistiques Appliquées) no nikarakara ny hetsika. Tsy azo lazaina ho vitsy ny mpitsidika, nefa koa dia heveriko fa tokony ho betsaka noho izay tonga tao raha toa ka nampiasa fampahafantarana hafa ankoatra ny Radio, Télé, sy Gazety ny mpikarakara. Tsinjo mantsy fa na dia ireny Lamba ahantona ho hitan’ny besinimaro fametraka eny amin’ireo toerana be mpandalo, toy ny fiandrasana fiara mpitatitra, sy ny manakaiky tsena aza dia toy tsy nisy, ary indrindra fa na dia teo akaikin’ny Hotel Carlton izay nadray ny hetsika aza.

Na izany aza anefa dia nafana sy nahafinaritra ny tao anatiny tao. To ny fanomezana fotoana (20mn isaky ny andiany) hahafahana miserasera tsy andoavam-bola amin’ny aterineto. Faly tokoa ireo mpitsidika tamin’izany ary misy mihitsy aza ireo izay tsy nody raha tsy tamin’ny firavan’ny lanonana amin’ny hariva. Anisan’ireny ry Fcandy telo mirahavavy   izay nilaza ny hiverenany amin’ny sehatry ny blaogy aorian’ny fanadinana BEPC.

Isan’ireo nandray anjara mavitrika tamin’izany ny TETIKASA TELOMIOVA. Nifanotofana ny fanontaniana sy ny famaliana azy ireny. Tamin’ny andro voalohany dia nahitana an’I  Ando, Dotmg, Glou, Avylavitra, Jentilisa, Elsifaka tao anatin’ny tranolain’ny Telomiova. Ny andro faharoa kosa dia I Blanche, Voahirana, Avylavitra, Dotmg, Jentilisa. Nandalo teo ihany koa I Patou sy Naritsimba (serasera). Tsy azo adinoina koa anefa ny fanatrehan’I Annie izay nitondra hery sy tosika tokoa ho an’ny ekipa.

Continue reading ‘Fetin’ny aterineto Malagasy’

, ,
30
juin

Tafaverina aho

Miarahaba anareo rehetra namako tato ary mbola namako  hatramin’izao. Faly aho tafaverina eto rehefa nisy olana kely ny acces teo aloha. Dia ho avy izany ny soratroratra e!

Ny fetin’ny aterineto no hanaovana tatitra eto fa eo am-panoratana sy manao fanitsiana. Angamba rahampitso raha sitra-pon’Andriamanitra.

Ankoatra an’izay dia milaza vaovao fohy momba an’i KAMBA: Salama tsara ny zaza sy ny reniny na dia tena mbola henjana aza ny fanaraha-maso tsy maintsy ataon’ny mpitsabo. Ny tanan’ny zaza rahateo tsy maintsy andrasana andro aman’alina fa sao misintona ilay serum

Izay fa dia faly eeeee!

27
juin

KAMBA KAMBA KAMBA

Bonjour (bonsoir) tout le monde,

From Rondro Volantsoa ,one of the zaza-vavy from Roma! Italia whose sister Mavo is Diana’s chaperon in Antananarivo and doing most of the “supporting” at the hospital (this includes answering to frenetic phone calls and grounding Diana not to work this much…)
“Thank God, Kamba is looking pretty again!” was the first sentence coming from Mavo when I called her 30 minutes ago.
She kept on saying : ” we have to thank Pr Clement and his team : they worked from noon to 8 pm. but we also have to thank everyone”. They started at 8.30 am this morning putting tubes and everything to get Kamba prepared . And he stayed with his dear auntie Mavo all the operation long (which lasted 8 hours because when I called they were stil operating him). They we had Georgette and Mavo waiting for the baby to wake up.
When he awaked with his bandage on his head, he started crying which is a good sign.
We have to keep on praying for the post-operation follow-ups, Diana will of course load more pictures tomorrow on the morning (because the connexion is a little more better)

Bien à vous tous.

http://www.zaza-vavy.org/

___ Continue reading ‘KAMBA KAMBA KAMBA’

,

  • Connexion




    Inscription
  • Malag@sy miray est le premier blog collectif malagasy. Par collectif, nous entendons rassembler des personnes, leur personnalité, identité, et idées, autour d’un signe fédérateur (tous Malgaches de coeur et/ou de sang) afin de partager un maximum sur les thèmes abordés.
  • RSS Malagasy Miray

    RSS Articles   RSS Articles
    RSS Commentaires   RSS Commentaires
    Feed email   S'abonner par Email

     

  • RSS Forum

  • Membres