• Naleoko

    Naleoko ihany ianao, ilay alinalim-pody nihaza harivariva, niandry ankodimirana im-betsaka no faly fa nahavaky atody ka hatraty an-trano, mitsiky miramirana Dia valabalaka iny, fa reraky ny nihaza tsy mahavita adidy, malaina hisahirana vao tonga ato am-pandriana, dia miesona toa zaza ka manome lamosina sy mandry mihorirana ny lefona milavo, ny basy tsy mifahana fa tapitrao daholo ny bala fitifirana raha toa aza aho hikitika fitaovam-piadiana dia hiala maina teo, tsy hahita izay mangirana. indrisy ankehitriny, nifindra, niova lasy ilay rembinao fahiny, ka tsy azo nifikirana … dia lasa izaho indray no toa voaambam-basy sy anaovanaovanao fijery misompirana Fa tamin’ireny mantsy, izaho koa aza trotraky ny lalana nodiavina, sy toerana nonenana.…

  • kayfabe

    Eh, tsy tantaran’i Andry sy Marc ity e! Tantara natao hampahatsiahivana anao ny nandresen’i Frantsa ny tolona tamin’ny taona 1947 fotsiny ihany, sy ny nahavitany nampangina ny menomenom-bahoka nandritra ny taona maro, taorian’io andron’ny fandravàna tamin’ny 29 martsa 1947 io. Ny voambolana hoe kayfabe dia azonao jerena ato: http://fr.wikipedia.org/wiki/kayfabe Il était une fois un royaume, un roi, une princesse en âge de se marier et un cavalier jeune, beau et courageux. La princesse et le cavalier sont amoureux, et le Roi appréciait s’ils se marient. Malheureusement, ils ne purent vivre heureux et longtemps, car les feux de l’amour se sont éteints trop vite. Au bout de peu de temps, le…

  • What is … puzzlotto

    Puzzlotto [puzzlotto.com] dia kilalao (jeu) iray amin’ireny iPhone ireny. Tsy kilalao maimaim-poana izy fa vidiana 4.99$. Omaly izy no nanomboka ary ny mampalaza be azy ankehitriny dia mety hahazoana telopolo arivo dolara (30.000 $) raha ianao no mahavita azy voalohany. Ny idirany amin’ny malag@sy miray? Miresaka momba an’i Madagasikara ilay kilalao, ary aty anaty alan’i Madagasikara no miseho ny tantara. Ny feon-kira rehetra mandravaka ny lalao dia teto Madagasikara no notontosaina. Miteny malagasy mihitsy aza, ka misy ao anatin’izany ny fanontaniana amin’ny fiteny malagasy. Sahirana tokoa ireo vahiny milalao azy ary misy ny toa lasa mahay malagasy tampoka teo. Mety ho mora amin’ny malagasy kosa angamba ny milalao azy satria…

  • Ny fianarana no maha-olona

    Manao ahoana ianao ry Dadatoa Rasamy. Ahoana Ragasy a, misy azo atao an’ialahy fa tsy manam-potoana firy aho izao? Eny tompoko, koa satria moa maika ianao dia … tonga dia ny votoatin-dresaka no hoentiko. Momba ilay resakao indray maka iry hoe vonona hanampy anay mianakavy ianao raha manana drafitr’asa maty paika hanatsarana ny fiainanay aho. Rehefa nandinika lalina aho dia misy tetikasa iray izay mety hanavotra anay tokoa handresena an’ity fahantrana ity. Ha, tsara izany! Mila dinihiko anefa izay tetikasa izay fa sao diso fandray ialahy tamin’ilay resako iny an! Tsy vola adala tompo akory ny ahy sanatria ka omemena fahatany fotsiny fa tetikasa hita fa tena hanavotra an’ialahy isany…

  • Ilay hazo mahagaga

    Indray andro hono, tao amin’ity fanjakana malaza anankiray, nisy hazo mamoa mahagaga naniry. Hazo mahagaga: Tsy mila tondrahana izy, nefa tsy mety malazo fa maitso foana na vanim-potoana inona na vanim-potoana inona. Mamy tsy misy toa azy ny voany, sady mahavelona ihany koa, ary raha misy rantsana akana voany alatsinainy, dia miverina misy voany matoy hafa indray eo ny talata maraina. Tsy lanin’olon-tokana koa anefa ny voany anankiray, nefa tsy azo ariana ihany koa fa fadin’ilay hazo. Isam-pianakaviana dia samy manana ny voany voatokana ho azy, fa tsy azo atao ny mifangalatra na mifampindrana. Samy manana tsiro mampiavaka azy hono ny voany tsirairay, kanefa vitsy ihany ny olona no afaka…

  • Bareas de Madagascar : Gros outsider

    Fandresena 4 no 0 hono no azon’ny ekipam-pirenena malagasy nanoloana an-dry zareo Komaoro, tamin’ny lalao miverina. (Mampihomehy fa ny fampahalalam-baovao sasany mitatitra 2 no 0, ny sasany mahita 4 no 1, tsy hay intsony izay tena marina fa ny azo antoka aloha dia nandresy isika ary tafakatra amin’ny dingana manaraka). Tamin’ny lalao mandroso mantsy dia efa nandresy 6 no 2 an-dry zareo tetsy Mahamasina ihany koa isika. Tafiditra amin’ny fiadiana ny amboara eran-tany hatao atsy Afrika Atsimo amin’ny 2010 ireo lalao mandroso sy miverina ireo, ary tafiditra amin’ny fifanintsanana amin’ny CAN 2010 ihany koa. Tsara aloha ny mifaly satria nandresy, fa ireto kosa no tokony tsy maintsy hobanjinina:

  • Grève

    Ceci est une histoire vraie, et elle s’est passée il y a longtemps, quand BIANCO n’existait pas encore, quand ce n’était pas encore un certain chef d’entreprise qui était au pouvoir, et quand j’étais encore un étudiant. J’étais étudiant à la Polytechnique de Vontovorona. Comme presque à chaque année, les leaders des étudiants ont décidé qu’il fallait faire une grève pour révendiquer une meilleure situation. Certains élèves, minoritaires à première vue, ne sont pas enthousiastes. Quelques autres, aussi minoritaires, sont prêtes et ne jurent que par une grève. Et moi, comme bon nombre, veut voir où le courant mène, et choisira ce que la majorité aura choisi. On a organisé…