Author Archive for Dotmg

11
juil

Ny fianarana no maha-olona

  • Manao ahoana ianao ry Dadatoa Rasamy.
  • Ahoana Ragasy a, misy azo atao an’ialahy fa tsy manam-potoana firy aho izao?
  • Eny tompoko, koa satria moa maika ianao dia … tonga dia ny votoatin-dresaka no hoentiko. Momba ilay resakao indray maka iry hoe vonona hanampy anay mianakavy ianao raha manana drafitr’asa maty paika hanatsarana ny fiainanay aho. Rehefa nandinika lalina aho dia misy tetikasa iray izay mety hanavotra anay tokoa handresena an’ity fahantrana ity.
  • Ha, tsara izany! Mila dinihiko anefa izay tetikasa izay fa sao diso fandray ialahy tamin’ilay resako iny an! Tsy vola adala tompo akory ny ahy sanatria ka omemena fahatany fotsiny fa tetikasa hita fa tena hanavotra an’ialahy isany tokoa matoa hotohanako, ary misy fepetra ihany koa ahafahako manaraka fa mandeha amin’ny laoniny ny fampiasana ny vola.
  • Eny tompoko, na dia kely ihany aza ny fahaizako dia efa nataoko an-tsoratra ny mombamomba azy ka raha mety dia sady hohazavaiko no mandinika ireto antontan-taratasy ireto isika.

  • Dia io izany tompoko ny tontalin’ny vinavinako amin’ny vola mety hilainay.
  • Eny ary lesy Ragasy fa hodinihiko ity, dia milaza amin’ialahy ihany aho ny tohin’ity resaka ity fa omena làlana aloha ialahy.
  • Dia misaotra mialoha tompoko, ho tahian’Andriamanitra indrindra anie ianao amin’izao fitsinjovana anay mahantra izao…
  • Tsy misy hisaoran’ialahy fa isika koa ange azo lazaina ho mpiray ombon’antoka ihany e! Iza moa no fanirakiraka sy manao ny asa maro ho anay raha tsy ianareo mianakavy ihany. Veloma. 

Continue reading ‘Ny fianarana no maha-olona’

, , , , , ,
01
déc

Ilay hazo mahagaga

Indray andro hono, tao amin’ity fanjakana malaza anankiray, nisy hazo mamoa mahagaga naniry.

Hazo mahagaga: Tsy mila tondrahana izy, nefa tsy mety malazo fa maitso foana na vanim-potoana inona na vanim-potoana inona. Mamy tsy misy toa azy ny voany, sady mahavelona ihany koa, ary raha misy rantsana akana voany alatsinainy, dia miverina misy voany matoy hafa indray eo ny talata maraina. Tsy lanin’olon-tokana koa anefa ny voany anankiray, nefa tsy azo ariana ihany koa fa fadin’ilay hazo. Isam-pianakaviana dia samy manana ny voany voatokana ho azy, fa tsy azo atao ny mifangalatra na mifampindrana. Samy manana tsiro mampiavaka azy hono ny voany tsirairay, kanefa vitsy ihany ny olona no afaka nilaza an’izany satria voarara ny manandrana ny voankazo an’ny fianakaviana hafa, fa izay voatokana ho anao ihany no iaraha-mihinana amin’ny fianakaviana, ary rehefa avy alaina ny voankazo anankiray, dia izay maniry misolo an’iny ihany koa no azo alaina ny ampitso.

Tsy vitan’ny hoe fady sy voarara fotsiny anefa ireny rehetra ireny, fa didy napetraky ny mpanjaka mihitsy hiarovana ny vahoaka sy ilay hazo, satria sady mahatonga aretina toy ny kohaka, fanaviana, sns … ho an’ny mpangala-pihinana ny tsy fanarahana ilay fady, no mahasimba an’ilay hazo ihany koa rehefa ela ny ela.

Nandeha ny volana sy ny taona, nitombo ny tsy firaharahan’ny vahoaka ny didy sy ny fitsipika, ary dia betsaka no narary, ary nisy koa ny maty. Ilay hazo voaota fady ihany koa nisy fahasimbana ka nanomboka nahitana ravina miloko mavomavo.

Nanolo-tsaina ny mpanjaka ity tandapa fetsilahy iray fa hasiana kalo ilay hazo, ka izay mbola manota fady dia hibontsina ny ampitso ihany ny kibony. Neken’ny mpanjaka izany, ary nantenainy fa mba hampahahendry ireto vahoaka; nefa sady nalahelo ny vahoaka ihany koa izy, satria nampahafantarina taminy fa sady mampanaintaina ihany koa ilay kibo rehefa mibontsina.

Nony napetraka ilay kalo dia nisy tokoa ny olona no nibontsina ny kibony, ary tena nanaintaina mafy indrindra sy mila tsy ho zaka ilay kibo nibontsina. Tsy araka ny namisavisana azy anefa, satria tsy nampahahendry ny vahoaka hanaraka ny fadin’ilay hazo akory ny fisian’ilay kalo, fa ody kalo indray no nilofosan’ny vahoaka notadiavina fatratra, mba hahafahany mangala-pihinana amin’ny voankazon’ny hafa ihany nefa koa tsy iharan’ny fanaintainana. Tsy sarotra tamin’ilay tandapa fetsilahy ny nampanamboatra ody kalo, satria izy ihany no nampanamboatra an’ilay kalo, ka dia nivarotra karazana ody kalo anankiroa izy, ary nampanankarena azy haingana tokoa izany. Ny ody kalo iray dia hanina mialohan’ny hihinanana ilay voankazo mahagaga, ka na dia tsy manaraka ny fadin’ilay hazo aza ilay olona mihinana azy dia tsy mibontsina ny kibony sady tsy manaintaina. Io karazany iray io dia namidiny mora ary naparitany eraky ny fanjakana. Ny karazany anankiray dia ody kalo itsaboana izay efa mibontsina kibo, ka mampihena ny fanaintainana. Io indray dia tsy ahitana betsaka sady namidiny lafo, satria noho ny tsy fahazakana ilay fanaintainana dia mividy an’io foana izay olona voan’ilay kalo.

Fantatry ny mpanjaka ihany anefa ny teti-dratsin’ilay tandapa fetsilahy, ka nalahelo indrindra izy raha nahita fa lasa ilay kalo nokasaina hanampy ny olona tsy hanota fady indray no nataon’ny vahoaka fahavalo nitadiavana fanafodiny, fa tsy nohararaotiny handresena ny fakampanahy amin’ny fangalaram-pihinana. Lasa ilay aretin-kibo mibontsina sisa no hitan’ny mason’ny vahoaka sy noezahiny nialana fa tena voka-dratsin’ny ota fady amin’ilay hazo mahagaga, toy ny kohaka sy ny fanaviana, ary ny fahasimban’ilay hazo mahagaga tsy nosaininy intsony, satria sady tsy mihatra eo no eo, no tsy manaintaina mafy ihany koa.

Creative Commons License
This work is licensed under a Creative Commons Attribution-Share Alike 3.0 License.

,
19
nov

Bareas de Madagascar : Gros outsider

Fandresena 4 no 0 hono no azon’ny ekipam-pirenena malagasy nanoloana an-dry zareo Komaoro, tamin’ny lalao miverina. (Mampihomehy fa ny fampahalalam-baovao sasany mitatitra 2 no 0, ny sasany mahita 4 no 1, tsy hay intsony izay tena marina fa ny azo antoka aloha dia nandresy isika ary tafakatra amin’ny dingana manaraka). Tamin’ny lalao mandroso mantsy dia efa nandresy 6 no 2 an-dry zareo tetsy Mahamasina ihany koa isika.

Tafiditra amin’ny fiadiana ny amboara eran-tany hatao atsy Afrika Atsimo amin’ny 2010 ireo lalao mandroso sy miverina ireo, ary tafiditra amin’ny fifanintsanana amin’ny CAN 2010 ihany koa. Tsara aloha ny mifaly satria nandresy, fa ireto kosa no tokony tsy maintsy hobanjinina:

Continue reading ‘Bareas de Madagascar : Gros outsider’

, , , , ,
28
juin

Grève

Ceci est une histoire vraie, et elle s’est passée il y a longtemps, quand BIANCO n’existait pas encore, quand ce n’était pas encore un certain chef d’entreprise qui était au pouvoir, et quand j’étais encore un étudiant.

J’étais étudiant à la Polytechnique de Vontovorona. Comme presque à chaque année, les leaders des étudiants ont décidé qu’il fallait faire une grève pour révendiquer une meilleure situation. Certains élèves, minoritaires à première vue, ne sont pas enthousiastes. Quelques autres, aussi minoritaires, sont prêtes et ne jurent que par une grève. Et moi, comme bon nombre, veut voir où le courant mène, et choisira ce que la majorité aura choisi.

On a organisé un vote, pour ou contre, et les “pour” ont gagné. (Indécis, j’ai voté blanc, faut-il le dire.) On la fera, la grève alors; reste à trouver la ou les raisons à avancer. Démocratie oblige, chacun peut émettre son désiderata. Trouver les raisons de faire une grève n’est pas chose difficile, tellement la condition de vie et d’études était mauvaise:

Continue reading ‘Grève’

, ,
19
mar

Ho avy aho.

Malala ô,

Ny zanatsika roa,
ampatorio aloha,
fa te-hahita an-dria aho.

Ny entana sy trano
Diovy, sasao rano
fa te-hahita an-dria aho.

Ny rano omano am-patana
hifampandroana vatana
fa te-hahita an-dria aho.

Malala ô,

Ilay varavarana io
aleo hitafitafy
Hidirako io anio
F’izaho tsy hihafihafy.

Tsy adanadana anefa
raha toa tsy manahirana,
antonona ahy io rehefa hoe
afaka idirana.

Ary mba tsy haneno ny
savily sy karetsaka:
Mba angalaon-dria menaka.
Dia iny no atenteno
Ataovy betsabetsaka,
fa te-hahita an-dria aho

Kanefa aoka kosa
tsy ho vonto tafahoatra,
Fandrao dia mampisosa
Raha toa malama loatra.

Malala ô,

Dia aoka izao tsy ho adino:
Raha tonga any aho akia,
Giazo sy fihino
Izay fara-herin-dria.

Izay fara-hery mihitsy
F’aza misalasala.
Indria aza mitsitsy
fa tantiko io Malala.

Creative Commons License
This work is licensed under a Creative Commons Attribution-Share Alike 3.0 License.

, , , , , ,
08
fév

bandy iray, sipa iray, tantara iray, …

Malomaloka mahangômangôma ny andro, ilay mahakamokamo tsy maha-te hiasa iny. Vao avy bedin’ny mpampiasa ireto mpiasa roalahy fa tsy mahafa-po loatra hono ny fandehan’ny asany ary norahonany fa tsy hahazo fisondrotan-karama amin’irỳ taona vaovao irỳ raha tsy mahatratra ny vokatra enjehina. Efa fomban’ny mpampiasa ihany itỳ toetra itỳ ikarohana fomba handavana ny fisondrotan-karama ho an’ireto mpiasany izay efa fanao isaky ny taona vaovao.

Gagagaga kosa i Setra raha mahita an’itỳ namany, i Guss, toa tsy rototra firy, ary sady mbola velon-tsioka no tsy mifofotra amin’ny asa fa mihodinkodina fotsiny. Amin’ny fotoana hafa anefa rehefa avy omen’ny mpampiasa bedibedy itỳ ranamana itỳ dia tsy ahitan-teny fa mitsoitsoy toy ny vorona nolemana.

  • Fa mahafaly an’ialahy angaha ny tsy hahazo fisondrotan-karama leisy RaGuss?
  • Tsy izany leisy fa mahatsiarotsiaro ny omaly hariva aho an! Omaly ilay avy nanao basket iny dia tafaraka tamina sipa manjakely izay tao anaty fiara fitateram-bahoaka. Manja leisy izany an! Tsy mety afaka ato an-tsaiko mihitsy ilay salovan-tavany.

Continue reading ‘bandy iray, sipa iray, tantara iray, …’

, , , , , ,

  • Connexion




    Inscription
  • Malag@sy miray est le premier blog collectif malagasy. Par collectif, nous entendons rassembler des personnes, leur personnalité, identité, et idées, autour d’un signe fédérateur (tous Malgaches de coeur et/ou de sang) afin de partager un maximum sur les thèmes abordés.
  • RSS Malagasy Miray

    RSS Articles   RSS Articles
    RSS Commentaires   RSS Commentaires
    Feed email   S'abonner par Email

     

  • RSS Forum

  • Membres