• Tsihy be lambanana

    « Tsihy be lambanana ny ambanilanitra » Mbola manohy ilay « ny olombelona fandrin-drano… » ity. Izany hoe mitovy hevitra aminy. Ny « Tsihy » dia tsy inona fa ilay herana voarary sy natambatra ho iray. Ampiasaina indrindra ho fipetrahana (toy ireny eny amin’ny toram-pasika rehefa mitanin’andro ireny, ohatra) na ataon’ny olona sasany ambany kidoro raha tsy misy ny fandriana hazo. Eo koa ilay fampiasan’ny Malagasy azy amin’ny andro famadihana, hibatany sy hilanjany ny razana mandritry ny famonosana. Rehefa velarina tsara tokoa izy iny dia mitsotra manaraka tsara ny fandrin-drano ihany koa (raha tsy hoe toerana kisilasila angaha no ametrahanao azy). Tsy misy avo sy iva raha tsara rary. Avy amin’izany no nitsirian’ny hevitra tao amin’ny…

  • Ny olombelona fandrin-drano…

    « Ny olombelona fandrin-drano, ka tsy misy avo sy iva » Entina ilazana fa tsy tokony hisy mihitsy ny fanavakavahana eo amin’ny samy olona, na amin’ny lafiny inona io na amin’ny lafiny inona. Izay, indrisy!, mbola misy sy hita na dia izany aza. Raha tsy hiresaka afa-tsy ny eo amin’ny lafiny fitsaboana, fianarana sy ny sisa aho. Aty Madagasikara io resahako io an! Na dia izany aza anefa dia tsy tokony hanonofy be loatra koa isika olombelona, satria na ny rano heverina ho faran’izay tony aza, rehefa mandry ilika mitaratra azy ianao, dia hahita fa hay misy onja (petites vagues) kely mandady miteraka tsy fitoviana ihany eo amboniny eo. Sa tsy izany?……

  • Ny olombelona toy ny voatr’ampangoro….

    Tsy fantatro na efa mba henonareo izy io na tsia, fa toy izao izy amin’ny endriny feno: Ny olombelona toy ny voatr’ampangoro, mbetika ambony, mbetika ambany. Raha hazavaina tsotra dia hoe toy ny varin’ampango mangotraka ny olombelona, misy fotoana misondrotra ery ambony izy, ary rehefa avy eo indray (ohatra hoe mangatsiaka ilay rano , na maty ny afo) dia lasa ery amin’ny vodi-vilany indray izy. Ny Voatra izany eto dia milaza ilay « cycle’ miverimberina vokatry ny hafanana mampangotraka ny rano iny. Ny ampangoro indray dia ilay nafohezintsika ankehitriny hoe ampango. (nihavian’ny hoe ranon’ampango sns….). Raha adika teny frantsay izy io dia toy izao: »Les hommes sont comme le riz qui bout…