• Adihevitra misokatra

    Miarahaba antsika indray. Ireto misy fiteny roa arosoko ho antsika eto amin’ny Malagasy Miray mba hanehoanareo ny hevitrareo momba azy. Samia mba manome ny heviny momba ny hoe « Tsy milaza ny marina » sy ny hoe « Mandainga ». Omeo izay itoviany sy izay tena mampiavaka azy roa. Dia mazotoa ary e! Rehefa mahita izay lazainareo aho vao mba handroso ny efa ahy manokana an! Dia mampitovy eo isika.

  • Fitohanana 12 KM

    Niala sasatra tany amin’ny faritany ny filoham-pirenena ary nody teto an-drenivohitra omaly antoandro. Mendrika izany ny olona rehetra, fa ny tena nahasorena ny maro sy nampivalaketraka ny maro dia ny fitohanan’ny fiara naterak’io fodiany io. Ny Radio Don Bosco aza moa dia nilaza sy nanome tarehi-marika mihitsy fa nahatratra 12 KM ny halavan’ny fiara nadritra io fotoana io. Tsy mbola nisy toy izany raha teto Antananarivo fotsiny, ary angamba nanerana ny Nosy. Ny isaorana ny fiadidiana ny Repoblika kosa dia ny nabdraisany an-tànana ny fitsaboana ilay mpanao hira gasy voadonan’ny fiara mpanokatra làlana nialoha azy tetsy 67 Ha. Nanome kajy tsotra monja ny isan’ny olona nitohana vokatr’izany moa io onjam-peo…

  • Doro tanety RN4

    Dia gaga aho nandre ny Solombavambahoakan’i KIANGARA tao amin’ny vaovaon’ny RNM ny 07 Janoary 2008 antoandro teo. Tsy menatra mihitsy ilay zalahy nilaza fa ny mpandeha fiara mandalo amin’iny làlana RN4 iny, hono, no mandoro ny tanety ka manjary tsy ahitan’ny biby fiompiny hanina. Nefa dia ny masoko mihitsy no nahita fa olona eny amin’io faritra io ihany no minia mandoro ny tanety fa hoe amin’izay, hono, dia tsara kokoa ny ahitra vao mitsiry aorian’io fandoroana ataony io. Dia mitondra rantsan-kazo toy ny kininina ry zareo, hamindramindrany ny lelafo. Dia sola tokoa anie izany ilay tanety e! Mampalahelo raha hifanipy hadisoana toy izany foana no hatao eto amin’ity firenena ity…

  • Ireto mpampahalala vaovao ireto an!

    (lahatsoratra ho hitanao ihany koa any amin’ny http://gazetyavylavitra.wordpress.com/ ity) Asa ianao raha toa ahy? Tsy ny teny Malagasy ihany no mahasarotiny ahy mantsy fa hatraminsquowhawydny fanajàna ilay hoe Malagasy mihitsy aminsquowhawydny maha-olona azy. Ny mahatonga ahy manoratra izany eto dia izao: betsaka loatra hatrizay namakiako gazety izay ny hadisona ataonsquowhawydireo mpanoratra anatinsquowhawydireny gazety ireny. Dia lasa ny saiko hoe: «Fa angaha dia tsy misy olona mamerina mijery ny tsy mety (tsipelinteny, fahadisoana madinidinika«) ao aminsquowhawydireny gazety ireny e? Tsy vitansquowhawydizay fa rehefa mba mandefa fanamarihana ianao dia toa tsy asiana dikany sy toa hamaivanina ilay fanamarihana ataonao. Tsy vitsy mantsy izay gazety efa nantsoiko an-tariby sy nandefasako mailaka izay. Anisansquowhawydireny,…

  • Mirary Taona Vaovao 2008 sambatra

    Arahabaina daholo aloha tratry ny faran’ny taona 2007. Ary dia efa mandefa sahady ny firarian-tsoa ho an’ny Malagasy rehetra mamaky ny hafatra. Mba ho taom-pahombiazana, ho feno fahasalamana, ho heniky ny fitahiana sy hahatontosana izay rehetra kasaina anie ity taona 2008 hodiavintsika ity. Efa ho avy eto koa ny lahatsoratra manaraka fa mbola sahirana kely manilika asa faran’ny taona e! Avylavitra tsy manadino anareo

  • Sikidy soa tsy andihizana

    Sikidy soa tsy andihizana, sikidy ratsy tsy taniana dikanteny : Un oracle favorable ne fait pas danser, comme un oracle défavorable ne fait pas pleurer A favorable oracle doesn’t make to dance, like an unfavorable oracle made not cry (Logiciel no nadika ity teny anglisy ity ka asa raha mba mety. hihihi) Raha ny tena dikany mivantana araka io voasoratra io dia toa manao hoe: Aleo hitranga izay hitranga fa tsy raharahako, na ho soa, na ho ratsy. Nefa raha niezaka nanakatra ny hevitr’izy ity aho dia izao no hitako. Tsy mifanalavitra loatra amin’ilay fomba fiteny iray izay izy ity, manao hoe ‘aza mihomehy ny fahavoazan’ny sasany’ ary koa ilay…

  • Ny Malagasy sy ny fakana tahaka

    Tsy lavina ny tokony sy tsy maintsy hifampiankin’ny olombelona. Saingy mampalahelo fa eo amin’ny sehatra maro samihafa amin’ny fiainan’ny zanak’olombelona dia tsy hita loatra izay vokatry ny saina Malagasy (izaho tsy miteny hoe tsy misy an!) na zavatra namboarina Malagasy ampiasaina. Misy vitsy ihany eny ananonanona eny. Fa mba voatrandraka sy omen-danja ho afaka mivelatra ve izy ireny ?. Voka-pikarohana maro no mipirina any ho any noho ny tsy fisiana na noho ny tsy fahampian’ny hoenti-manana, fikaonan-doha maro no efa nalevin’ny andro sy ny taona. Milevina anaty vovoky ny fanadinoana sy lanin’ny koroka ny antontan-taratasy sy boky mitahiry azy ireny. Noho ireo voatanisa ireo dia ny vokatry ny saina vahiny…