• Ny leson’ny tantara tamin’izay nitranga ny alakamisy 19 febroary 2009!

    Mbola tsy aritra mandrakariva ilay tafika resy tosika teo anatrehan’ny vahoaka omaly teo anatrehan’ny vondron’olona omaly 19 febroary 2009. Hita manko fa tena fihatsarambelatsihy sy fombafomba fotsiny no nataon’ny tafika teo fa tsy zavatra hafa mihitsy. Nefa ny zavatra toy ireny indrindra no itarafana indray ny tantara efa nitranga teto Madagasikara tamin’ny vanim-potoana tsy nampoizin’ny vahoaka mandrakariva. Indroa (intelo akory aza) manko izay no efa nisy fihetsika toy ireny teto Madagasikara fa tamin’ny vanim-potoana samihafa ihany koa. Ny voalohany tamin’ireny dia tamin’ny taona 1895 raha nifandona ny tafika malagasy talohan’ny fanjanahantany sy ny tafika frantsay nanani-bohitra. Raha tsy nety tafiditra teto anivontany mihitsy ny frantsay raha nanafika hatrany Toamasina dia…

  • Misaotra ny « le Quotidien » ihany.

    Marina fa ao anatin’ny voina isika Malagasy eto Madagasikara amin’izao fotoana izao nefa izany tsy tokony hahatakona ny voninahitra azon’ny mpamaham-bolongana Malagasy amin’izao fotoana izao. Misy tokoa ny miezaka ny hahatontosa zavatra goavana na dia mbola vao haingana aza no tafiditra amin’ny sehatra. Efa mahasongona anay mihitsy ny fampitam-baovaon’i AvyLavitra ary iderana azy manokana izany. Tsy latsadanja amin’izany ny hafa rehetra ary izay angamba no mba nanononan’i Le Quotidien an’i Malagasy Miray amin’ny bolongana malagasy. Ny hafa tononina moa dia dokambarotry ny orinasa no nasongadiny. Na dia izany aza dia tsara ny milaza amin’izay sambany vao mamaky noho io lahatsoratra afak’omaly io fa maro ny vohikalan’i Malagasy sady tsy vitsy…

  • Ho fanavotana olo-mahantra iray!

    Mbola ao anatin’ny vanim-potoanan’ny fetin’ny krismasy na noely sy ny faran’ny taona isika amin’izao fotoana izao. Raha ny tokony ho izy amin’ny noely dia filazana ny vaovao mahafaly ny olon-drehetra ary ao anatin’izany ihany koa ny mahantra. Ity resaka alefako eto ity dia mikasika olona iray manokana any Colombia, any Amerika Latinina any.(vakio eto ny teny anglisy). Anisan’ny nanaitra ahy manko ny momba azy io. Mahantra izy neefa dia miasa dia miasa tokoa. Efa antitra izy ary ratsy dia ratsy ny trano fialofany. Izao anefa no mahavariana: Tian’ny olona manodidina azy izy na dia mitoka-monina aza ary mba fantatrareo moa izany hoe nanome tany hanorenana trano fiangonana, sekoly, ary tranomboky…

  • Baolina, vehivavy, delestazy jirama ary zavatra hafa koa

    Lohahevitra maromaro tokoa no nobanjin’ny mpamaham-bolongana (mpiblaogy hoy ny maro) Malagasy nandritra iny volana Novambra iny. Ny resaka momba ny baolina fandaka, ny vehivavy, ny delestazy miaraka amin’ny jirama ary zavatra hafa koa no hamahanako anareo eto aloha. Voalohany dia hiainga amin’ny zavatra tsy ankafizin’ny vehivavy loatra aloha koa aza tsiny indrindra re. Ilay ho ankafizinareo ihany manko no horesahina faharoa (ha!ha!). Tafita tamin’ny dingan’ny savaranonando eo amin’ny sehatry ny baolina fandaka manko ny ekipam-pirenentsika rehefa nanamontsana ny nosy Komoro eo avaratra andrefan’i Madagasikara eo. Nanamarika avy hatrany i DotMG fa karazan’ny « soavaly be tongotra » isika Malagasy rehefa hiditra amin’ny fifaninanana isam-bondrona. Anisan’ny laharana faramparany manko isika ary…

  • Avy mangataka izahay

    Avy mangataka izahay Ka indreto izahay haka ny anay Inona re no alainareo Fa omena anareo raha mbola eo? Ny teninay re no alaina Fa ilaina mba hajaina Iza re no haka azy Iza no sahy Mitsangana! Indreto avy izahay Hamelona indray K’atolory amin’izay Amin’ny firy no fotoana fa tsy ataotao foana ndrao lasan’ankaso Izao dieny izao re no fotoana Fa vonona foana Mba hamelomaso Apetraho aloha ny safidinareo Sao mora leon’ Ny ala-safay Ny safidinay dia efa vita Iriana ho tafita satria iny no anay. … … … … 02 jona 1993

  • @ tantaran’i Madagasikara

    Tery aho ny hanoratra eto haingana noho ny adi-hevitra mety ho teraka vetivety tamin’ilay lahatsoratra vao hitantsika mikasika ny tantaran’i Madagasikara. Tsy manam-pahaizana momba ny tantara ny tena nefa dia tena tia handalina ny tantaram-pirenena tokoa. Fantatsika rehetra aloha fa tena mbola vitsy ny raki-tsoratra mikasika ny tantaran’i Madagasikara. Mbola ezaka manokana noho izany ny mamoaka sy mampahafantatra amin’ny be sy ny maro ny amin’izany tantara izany. Izaho moa, famerimberiko ity teny ity dia tsy nianatra momba ny tantaran’i Madagasikara raha tsy tamin’ny taona fahadimy, taona fahavalo irery ihany nandritra ny taom-pianarako manontolo. Hetaheta be tao amiko noho izany ny manangona izay rehetra mahaliana ahy mikasika ny tantaran’i Madagasikara. Ny…