Mombamomba
Malag@sy miray ?
Tsy ity no blaogy Malagasy voalohany ary tsy ho farany koa.
Ny mampiavaka azy ?
Blaogy iombonana ahitanao lahantsoratra samihafa, nosoratan’ny Malagasy teratany sy Vazaha zanatany izay samy mitepo fitavana an’i Madagasikara, miely amin’ny lafy valon’izao tontolo izao.
Ny antom-pisiany ?
- Ho toerana itarafana ireo hevitra maro samihafa mikasika [akaiky na lavitra] an’i Madagasikara sy ny Malagasy.
- Hahamora ny fandinihan’ny mpamaky ireo lahantsoratra miparitaka amin’ny blaogy samihafa anefa samy mitondra ny anjaram-birikiny.
- Kianja tokana, mpanoratra maro samihafa. Fampahalalana ireo mpanoratra samihafa mandray anjara sy ireo blaoginy.
- Marihina fa misokatra hoan’izay tsy mpitorak blaogy koa ny fanoratana lahantsoratra.
Blaogy iombonana, inona no ho hita ao ?
Samy tompony avokoa ireo mpandray anjara, mpanoratra, mpamakafaka, mpamaky tsotra. Ny fanamby ataontsika dia ny hampiantrano amin’ity kianja ity ireo loha-hevitra rehetra tsy an-kanavaka.
[vangio fitsipika ifampitondrana / charte]
Mazava ho azy fa izay ambaran’ny lahantsoratra tsirairay sy ny safidin’ny loha-hevitra voaboasiny dia mitaratra ny hevin’ny mpanoratra samirery, ny maha-izy azy, ny talentany sns …
Ny tanjona ?
Hifanentana bebe kokoa ireo hevitra miposaka …
… ao anatin’ny fifanajana hatrany !
Malag@sy miray, lahantsoratra amin’ny teny Malagasy, Frantsay sy Anglisy.
Popularity: 1% [?]





License