Non classé

Tiako ny taniko, hajaiko ny teniko

Ity lahatsoratra ity dia niaraha-namolavola tamin’ny Mitiyu.wordpress.com « Horizon Azur » sy Blasonmada.canalblog.com

21 Febroary, andro iraisam-pirenena natokana ho an’ny tenin-dreny na antsoina ihany koa amin’ny teny frantsay hoe « Journée Internationale de la langue maternelle ». Tamin’ny taona 2000 no nanombohan’i UNESCO ny fankalazana ity andro maneran-tany ity. Maro tokoa ny fiteny misy maneran-tany ary anisan’izany ny teny Malagasy. Ao anatin’ny teny Malagasy dia maro ihany koa ireo fitenim-paritra izay azo lazaina ho samy manana ny hasina ho azy satria samy manana ny haren-teniny sy ny mampiavaka azy.

Raha ny teny Malagasy no asina-teny dia mampalahelo ny milaza fa marary izy.

  • Marary izy satria heverin’ny vahiny fa teny kiringa na hoe « créole » (kreol hoy ireo nosy rahavavy)
  • Marary izy satria na dia teny miaina aza dia voazimban’ny fandrosoana amin’ny fanafohezan-teny isan-karazany na ihany koa ireo tarehin-tsoratra tsy misy eo amin’ny abidia Malagasy
  • Marary izy satria na dia misy aza ireo voambolana maro samihafa ao aminy dia tsy hain’ny Malagasy miteny azy akory ireny fa dia aleo ny milaza ny dikany amin’ny teny frantsay no haingana sy mora azo kokoa
  • Marary ny teny Malagasy satria na dia ny fifanoratana ara-barotra eto Madagasikara na ara-taratasy na amin’ny alalan’ny mailaka (email) dia atao amin’ny fiteny vahiny, ary ny fangatahan’asa amin’ny ankapobeny aza dia soratana amin’ny teny frantsay
  • Marary ny teny Malagasy satria na dia iray monja aza ny vahiny eo amin’ny toerana iray kanefa dia Malagasy ny olona rehetra ambiny dia tsy maintsy atao amin’ny teny frantsay na anglisy ho azon’ilay vahiny ny ankamaroan’ny lahateny sy ny dinika ary indraindray dia ny kabary ihany koa.
  • Marary ilay teny Malagasy izay toaviko satria tsy afaka ny hiteny azy ny filohan’ny fireneko eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, tsy toy ny sinoa na ny rosiana na ireo firenena tandrefana hafa, fa tsy maintsy atao amin’ny teny frantsay matetika dia adika teny amin’ireo mpanatrika na indraindray koa raha mba mahay azy izay tompon’andraikitra ambony asaina miteny eo dia manao ny lahateniny amin’ny teny anglisy ihany koa
  • Ary marary ny teniko satria ireo Malagasy dia mifandrirotra, mifanatsatso mifanaratsy, mifanenjika ary manao ory hava-manana rehefa mifanerasera. Misy ireo miteny « Tsy aleo atao amin’ny teny gasy? », « Ny mpisolelaka no manenjika miteny vahiny », « tsy ampahafirin’ny mahay teny vahiny », « la pont hono hahahaha! »

Rehefa misy ny marary dia mila tsaboina haingana tsy mila hatak’andro. Raha tsy izany mihombo na mety mahafaty (asa manao ahoana izany teny maty izany? toy ny teny latinina sy ny Arameana ve ohatra? tsy hay)

Amin’ny alalan’ny fanabeazana sy ny fampianarana no fanafody lehibe indrindra ahafahana mitsabo ireo aretina ireo. Efa fandre matetika ny tenin’i tompokolahy Henri Rahaingoson manao hoe: « Andrianiko ny teniko ny an’ny hafa koa feheziko ». Ny teny tokony ampiasaina amin’ny asam-panjakana sy ny lanona ofisialy dia tokony ho amin’ny teny Malagasy ranoray. Efa misy itony mpandika teny matihanina sy ny fitaovana fampiasa amin’izany afaka zaraina amin’ireo vahiny izay manatrika. Tsy sanatria tsy fanajàna fa kosa fampanjakàna ilay teny nolovaina tamin’ireo razana sy ireo razamben’ny razana.

Tsara raha volavolaina ao anatin’ny vakoka sy ny riba ary ny kolotsaina mahaizy azy ny faritra isanisany sy ny kolon-tsaina tena malagasy ireo ankizy sy tanora Malagasy ary koa ireo ankizy sy tanora vahiny mandia fianarana na mifindra-monina miaraka amin’ireo ray aman-dreniny eto Madagasikara.

Mila mifanaja ireo Malagasy ary averina amin’ny laoniny ireo soatoavina nolalaina toy ny firaisan-kina sy ny fihavanana fa indrindra araka ny voalaza fa ny fifanajana. Izay miteny Malagasy aoka hanao izany araka ny tokony ho izy, izay miteny vahiny aoka tsy ho henjehina saingy kosa mba iangaviana mba noho ny sehatra arak’asa sy fifaneraserana any ivelany. Tsy ho afaka hanao ohatra ny sinoa izao anisan’ny mponina maro indrindra eto an-tany na ihany koa ny espaniola aloha isika Malagasy hatreto saingy afaka mianatra ny nampianahan’ny Angilisy ny teniny amin’ny fomba maro samy hafa. Farany, ankoatra ny Ministeran’ny Kolontsaina izay tokony misahana ny fampariahana ny tenim-pirenentsika dia misy ivontoerana mahaefa sy mahavita mikolokolo sy mitaiza ny vahoaka eto Madagasiakara hampiasa sy hamehy ny taniny. Mety efa misy ireo hoy ianareo saingy mbola mila tosika izay efa vitany.

Trarantitra Tompoko o!

J'aime ma patrie et je souhaite le bien des malagasy

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.