« Hiadana sy ho Finaritra i Madagasikara sy ny malagasy » izany no hetaheta sy fanirian’ny maro eto Madagasikara. Tsy dia tena akaiky kandidà « favori » hilatsaka ho fidiana filoham-pirenena ny tena ary ireo kandidà mba akaiky ny tena ohatra mino 100% aho fa tsy ho tafiditra 2è tour akory :-) Ary izany indrindra no hanoratako eto mba hitondra teny ny vahoaka ho amin’ireo mpitondra ho avy.

Afaka fintinina amin’ny hevitra tsotra telo araka ireto manaraka ireto fanirian’ny mponina:

  • Hiakatra ny fahefa-mividin’ny vahoaka malagasy
  • Hidina ny vidim-piainana
  • Ho Foana ny asa ratsy ary hitombo ny fandriampahalemana eto Madagasikara

Tsara velabelarina kokoa ireo hevitra telo ireo mba hanome hevitra tsara ireo mpitondra ary hampazava ihany koa izay tena andrasanay vahoaka anareo.

  • Hiakatra ny fahefa-mividin’ny malagasy:

Iza amin’ireo manana asa moa amin’izao no tsy mba maniry ny hitomboan’ny vola miditra ao an-tokantranony? dia ny mba hitomboan’ny karamany na ny hitomboan’ny vola maty sy ny tombom-barotra miditra ao aminy? Indrisy nefa fa ny mpampiasa dia tsy afaka mampitombo firy ny karama raisin’ny mpiasa, eny fa na dia e aza ny fifanarahan’ny syndikàn’ny mpiasa sy ireo fikambanan’ny mpampiasa. Tsy afaka manao izany ireto farany satria mitombo avokoa ny vidin’ny kojakoja ilaina hampandehanana ny orinasa, lasan’ny hetra ny ampahany lehibe amin’ny vola miditra ary ny mpanjifa dia mihena isa na mihena ny habetsaky ny entanafividiny.

Ho an’ireo miasa tena dia mitovy amin’ireo voalaza etsy ambony ireo ihany, mihena ny vola maty sy ny tombom-barotra, mitombo ny mason-karena, mihena ny isan-ny mpividy na ihany koa mihena ny habetsahan’ny entana vidin’ireo mpividy mahazatra.

Mila vondron’olona antonom-pivelomana matanjaka i Madagasikara, ireo antsoina amin’ny teny frantsay hoe « classe moyenne ». Ireo no fanoitra afaka ianteherana hampiodina ny toe-karen’ny firenena. Ireo no anisan’ny tena mividy, ireo no anisan’ny tena miasa ary ireo ihany koa no afaka mampitombo ny vola miditra, ny vola maty na ny tombom-barotry ny ankamaroan’ny orinasa misy.

Ho an’izay mpanondrana entana any amin’ny firenena ivelany dia tena mety dia mety tokoa ny fitotongananan’ny sandam-bola Ariary raha oharina amin’ireo sandam-bola vaventy toy ny Euro, na ny Dolara Amerikana na ihany koa ny Yuan sinoa, satria mitombo ny vola malagasy miditra any aminy na dia tsy miova aza ny vidin’entana sy ny habetsahany izay ahondrana.

Saingy indrisy fa mavesatra dia mavesatra tokoa izany ho an’ireo izay manafatra entana mampiditra izany eto Madagasikara. Noho izany dia miakatra ny vidin’entana maro izay ilaina fa tsy sanatria haitratra.

  • hidina ny vidim-piainana:

Araka ireo voalaza eo ambony ireo dia tena mavesatra ho an’ny sarambamben’ny vahoaka ny vidim-piainana ankehitriny. Mitombo ny vidin’ny jiro sy rano ary tsy ny fandaniana no mampitombo izany fa fikirakirana tsy mazava tsara avy any amin’ny Jirama; mitombo ny saram-pitanterana na ny an-drenivohitra na ny amin’ny lalam-pirenena ary ny solika miakatra no mahatonga ny mpitatitra mampiakatra izany – izay vidin-tsolika afaka fehezin’ny mpitondra fanjakanaizany – ka noho izany dia miakatra ihany koa ny vidin’entana no ny fiakaran’ny saram-pitanterana manerana ny nosy. (Ka tsy maintsy alaina tsinona ny elanelana lany tamin’ny  fiakaran’ny saram-pitanterana)

Ny hetra sy ny haba isan-karazany ary ny fadin-tseranana dia mitombo lalandava, izany dia mampitombo ihany koa ny vidin’entana ary mampihena ny fahefa-mividin’ny tsirairay. Miakatra noho izany ny kojakoja ho an’ny fiara mpitatitra, mihena ny mividy kojakoja vaovao fa aleo mividy mora any amin’ireo mivarotra « bonoka » na ireo kojakoja efa niasa, mihamitombo ny lozam-pifamoivoizana noho ny tsy fahatomombananan’ny piesy. Ary ny loza dia ireo mpanafatra piesy vaovao dia lasa mividy sy manafatra kojakoja ratsy kalitao izay tsy mifanaraka amin’ny kalitao voatily.

Eo dia mitohy miakatramiakatra ny vidin’entana, indrindra fa ireo ilaina isan-andro. Mitombo ny vola mivoaka amin’isan-tokantrano kanefa di ny miditra tsy mitombo fa indraindray aza dia mihena, hany ka mihena na tsy misy intsony ny vola fihary na ny « épargne » ary ny sasany aza dia babon-trosa. Eo dia tena mahatsapa ny tsirairay fa mihena ny fahefa-mividiny na ny « pouvoir d’achat ». Ary maniry ny mba hampiakarana izany ny tsirairay.

Rehefa tsy manana ny olona dia mitady ny fomba rehetra mba hanany ary ny sasany dia lasa mivarina any amin’ny fanaovana asa ratsy toy ny fangalarana, fanendahana, famakian-trano, fivarotan-tena, fivarotana zava-mahadomelina.

  • Ho Foana ny fanaovana asa ratsy ary hitombo fandriampahalemana eto Madagasikara

Manahirana ny mamaky gazety sy mijery na mihaino vaovao amin’izao fotoana. Ratsy avokoa ny ankamaroan’ny vaovao: vono olona, fanafihana an-dalambe, vaky trano, fanolanana, fifampitifirana, sns tsy mba misy hoe « miadana sy finaritra ry zareo ao Antananarivo fa sady mandry am-pahalemana no ampy amin’izay ilaina rehetra sy afaka mahazo izany amin’ny vidiny tena mora » sns

Tsy dia tsara amin’izao no manao lava alina mandeha taksi borosy, miainga alina miditra maraina, fa dia sanatria ahitan-doza: voasakana, very entana, misy aza ny kilemaina tsy fidina na mamoy ny ainy. Misy ihany koa ny tokan-trano eto an-drenivohitra sy ny manodidina no misy manafika sy mamaky ary mampihorohoro mihitsy ireo olon-dratsy.

Ny loza ary dia mandeha ny feo fa misy amin’ireo mpitandro filaminana no mampanofa fitaovam-piadina amin’ireo olon-dratsy na ihany koa mandray anjara amin’izany. Ireo natao hianteherana sy hatokisana indray no mamorika. Izay tratra amin’izy ireny dia tokony omena fanenjanana sazy avo lavitra noho izay mahazatra.

Ndrisy ry fahiny fa mandeha amin’alina ianao raha ho any Tsiroanomandidy na Mahajanga dia tsy miasa saina fa dia mandeha amim-pitokisana. Ny trano tsy nihidy varavarana azy tsy nisy naninona. Aiza izany izao?