Blogging,  Communauté,  Economie,  Langue (Mg),  Société

Toa kadroaka daholo izy izany?!

Rehefa avy vanim-potoan’ny fety toy izao dia matetika ireo haino aman-jery no mamoaka antontanisa milaza ireo tranga sy voina maro nisy teny an-dàlana rehetra teny. Ao ny mamo, ao ny niady, ao ny naiditra hopitaly noho ny antony samihafa toy ny famonoan-tena na fahapoizinanan na diso mamo tafahoatra.

Anisany matetika resahina ny lozan-pifamoivoizana. Mialohan’ny fety dia manao fampahatsiahivana ny amin’ny tokony ho fitandremana sy ny fahamailona ny zandary. Vita ny fety lasa manao fanadihadiana eny amin’ny hopitaly rehetra eny sy any amin’ny tobin’ny zandarimaria ny mpanao gazety.

Dia hita eo hoe firy indray ny isan’ny fiara nifandona, ny nanitsaka olona, ny nivadika, sns.

Marina fa misy ny mpamily no tsy mitandrina loatra rehetra mitondra ny fiara, fa misy kosa ireo mitondra izany rehefa mamo na entin-java-mahadomelina ka tsy tena tompon’ny tenany intsony.

Tsy dia ny momba izay loatra no ho resahintsika amin’ity indray mitoraka ity fa ny momba ny tsy fahampian’ny fikojakojan’ny tsirairay ny fiarany. lalan-dratsy(sary fanehoana: sary nalaiko taloha izay efa nisy nangalatra nampiasa toy ny tao amin’ny facebook ohatra izay mpanao tononkalo iray izay)

Ankehitriny (ka hatramin’izay) dia ratsy na tsy ampy fikarakarana firy ny ankabetsahan’ny làlana, na eto an-drenivohitra izany na any ambanivohitra amin’ireny làlam-pirenena maro samihafa ireny. Ao ny lavaka iangonan’ny rano, indrindra fa amin’ny fotoam-pahavaratra, ao ny tara (goudron) izay manify dia manify tokoa hany ka tsy maharitra herin-taona akory ilay làlana vao avy namboarina (ohatra amin’izany ny mampitohy an’i Toamasina sy Mahavelona-Foulpointe teo anelanelan’ny taona 2016 sy 2017, natrehina maso teny an-toerana ny fanamboarana ny làlana tamin’ny fotoan’androny ary mbola hita maso ihany koa volana vitsivitsy taty aoriana ny fahapotehiny).

Misy koa ny siosion-dresaka izay mbola itadiavana porofo fa misy manao fanahy iniana mamotika ny làlana. Inona no mety antony na manosika ny mpaniraka hanakarama olon-dratsy hanao izany asa ratsy izany? Asa re, tsy fanatatra loatra.

Rehefa ratsy ny làlana dia tsapa fa mora simba ny fiara mampiasa azy. Vetivety dia lany ny isatra (frein), mivaha ho azy ny bilao samy hafa, misy aza mitritra sy rovitra ny vy vatan’ny fiara sy ny fitaratra sasany. Simba ny arotontona (amortisseurs), mibontsina valahina ny kodiarana indrindra moa fa kodiarana efa niasa avy tany ivelany no ampiasaina. sy ny sisa sy ny sisa.

Etsy an-daniny hita sy tsapa fa niakatra sy mihalafo mandrakariva ireo haban-tseranana misy (toy ny droits de douane na taxe d’importation), naverina nasiana ny haba sasany (toy ny droit d’accise). Ireo rehetra ireo dia mampitombo ny masonkarenan’ny kojakoja ho an’ny fiara, ireo karazana piesy hafarana avy any ivelany sy ireo fiara afarana mba azo iafiana.

Saingy voafetra ny fahefa-mividin-dramalagasy. Tsy ampy ny ho enti-manana ary ny fidiram-bola tsy maharaka hividianana izany kojakoja amin’ny kalitao tsara sady vaovao izany. Izay hita eto an-toerana dia lafo kokoa noho ny manafatra mivantana raha mahita làlana, saingy mbola mijanona lafo foana ihany na dia izany aza.

Dia aleon’ny mpanafatra manafatra piesy hosoka avy any Sina ohatra, izay mitovy tanteraka amin’ny tena izy saingy vita avy amin’ny akora malemy sy tsy mateza firy. Na ihany koa, aleon’ny mpividy koa manao ady gasy, mijery « bônôka » na irony piesy efa niasa taloha fa mbola azo iafiana irony, na koa manao « adapta » na irony piesy amboamboarina mba hitovitovy amin’izay ho soloina.

Dia mandeha ny fiara…

Mandeha fa tsy fantatra na tena azo antoka na tsia.

Mandeha fa tsy fantatra na oviana indray dia hanolo piesy indray fa maty ilay vao namboarina.

Indrisy ramalagasy! Ny manana mahitahita hanafarana an-tsokosoko, tsy mandoa haban-tseranana, hono. Ny manamanana na antonontoniny no tena voa an’iretsy voalaza etsy ambony iretsy.

Dia hoy ilay namana mipetraka avy any an-dafy efa elaela tsy niverina an-tanindrazana mahita ireto fiara be dia be eto Madagasikara: « Ary toa kadrôka be daholo izy izany! »

eny! kadrôka tokoa moa izy izany satria na fiara lafo vidy avy any ivelany aza dia tsy vaovao fa efa niasa no tonga eto. Ny orinasa sy ny mpanam-bola ary ireo tetikasa maro samihafa eto no tena mahavidy fiara vaovao eto Madagasikara.

Tsy ratsy ny manamboatra sy mamorona fa tsy mety kosa ny manao peta-toko ka lasa asa alasafay no atao, zara fa vita, zara fa tsara fa tsy tena tsara.

Indrisy ry malagasy!

Tsy ho olana aminao tokoa izany rehetra izany raha misy ny ho enti-manana, raha avo ny fahefa-mividy, raha mora ny vidim-piainana…

Fa ny lazaina fa manana aza dia mikaikaika eo anatrehan’izany rehetra izany. Asa manao ahoana ireo tena manana?

J'aime ma patrie et je souhaite le bien des malagasy

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.