Faly miaraka antsika izay mamaky ity takelaka ity indray. Elaela tsy nanoratra saingy mbola eto foana ihany.

Tsetsatsetsa tsy aritra no indro ho resahiko indray androany dia zavatra efa hitan’ny malagasy maro kanefa tsy dia resahina matetika na tsy resahina mihitsy. Madagasikara dia nosy, ary amin’ny maha-nosy azy izay dia tsy misy firenena mifampikasoka sisin-tany aminy. Manana ny kolotsainy ny Malagasy ary manana ihany koa ny mampiavaka azy amin’ireo firenena maro. Na dia nosy aza i Madagasiakra dia tsy maintsy mifanerasera sy mifandray amin’ireo firenena hafa, na ara-barotra izany, na ara-toe-karena na noho ny antony hafa izay tsy iaraha-mahalala noho izao fivoaran’ny teknolojia sy ny fanatontoloana izao. Misy ny zanaka malagasy no maniry ny handranto fianarana any ivelany, ny ihany koa hiasa any ivelany na ifanerasera amin’ireo hafa firenena maro noho ny antony samihafa.

Misy anefa ireo sakana madinidinika izay indraindray manasaro-javatra maro amin’izay fifaneraseran’ny zanaka Malagasy amin’ireo hafa firenena aminy.

  • Ny anarana Malagasy

Ny anarana dia mitantara tantara, na ihany koa mikendry soatoavina ho an’izay mitondra sy manana azy. Ho an’ny Malagasy maro dia mbola midika zavatra maro ny anarana entiny. Raha tsy hilaza afa-tsy anaran-tanàna anisan’ny lava eto Madagasiakra ohatra dia misy ny hoe Fenoarivoatsinanana: tarehintsoratra na litera sivy ambin’ny folo. Raha hijery anaran’olona anisan’ny lava indray isika dia anisany ny an’ny mpanjaka nalaza indrindra teto afovoan-tany dia i Andrianampoinimerina ary koa Andrianjakanavalondambo, izay anarana hafa nahafantarana ihany koa ny mpanjaka Andriamasinavalona, ary ohatra farany angamba dia ny an’ny Andriantsimitoviaminandriandehibe (litera 33). Ohatra vitsivitsy ao anatin’ny maro ireo ary tsapantsika fa raha hosoratana amin’ny taratasim-panjakana dia hameno toerana tokoa.

Maro noho izany ireo Malagasy monina any ivelany no manafohy ny anarany mba ho mora tononin’ireo vahiny mifanerasera aminy any. Ao Frantsa ohatra dia maro ireo malagasy no lasa fotsiny hoe Rakoto, na Randria na ihany koa Razafi, izay marihina fa tsy ireo akory no tena anaran’ireo olona mitondra ny anarana fa lava kokoa noho ireo.

Dia taty aoriana dia nohezahin’ny raiamandreny sasantsasany nomena fanampinan’anarana tandrefana na fanampin’anarana Malagasy fa fohy ireto zanany. Ary misy moa no niova na nahazo anarana vahiny hafa mihitsy noho ny fifampikasohana tamin’ireo vahiny ka aty aoriana indray dia sahirana rehefa hikarakara pasipaoro ohatra satria dia mila manamarina fa tena malagasy noho io anarana maneno anarana vahiny io.

  • Ny famehezana ny teny vahiny

Nosy i Madagasikara ary tsy misy na farafahatsarany vitsy dia vitsy ireo vahiny mahay miteny malagasy. Deraina manoka ohatra ireo mpisitrapo amerikana izay miezaka mamehy ny fiteny malagasy rehefa tonga eto Madagasikara na ihany koa ireo japoney izay manao izany. Ny frantsay izay anisany maro eto Madagasiakra dia vitsy na ihany koa Zana-tany ihany angamba no miteny na mahazo ny teny malagasy. Noho izany dia mila mianatra teny vahiny ny Malagasy araka ny voalazan’i tompokolahy Henri Rahaingoson, mpanoratra sy akademisiana tamin’ny fahavelony manao hoe « Andrianiko ny teniko, ny an’ny hafa koa feheziko ».

Eto dia variana ny tena raha mahatsikaritra fa rehefa misy fivoriana ataon’ny Malagasy ka misy vahiny na dia iray monja aza ao dia atao amin’ny teny frantsay ny lahateny izay atao. Kanefa tsy gaga indray noho izay antony izay rehefa mahita fivoriana lehibe eto Afrika fa natao amin’ny teny anglisy ny ankamaroan’ny fivoriana, na misy Afrikana avy amin’ny firenena miteny frantsay maro ao na misy afrikana avy amin’ny firenena miteny portugay maro ao anatin’ny fivoriana. Ohatra ny hoe raha misy vehivavy zato ka misy lehilahy iray monja, rehefa resahina ireo amin’ny teny frantsay dia ilay lahy no mitondra ny rehetra…

Maro koa ireo malagasy no mandeha miantsena any Sina na any Tailandy ka ireo andaniny moa tsy dia mahay teny anglisy ary etsy ankilany ny Malagasy miantsena dia tsy mahay teny vahiny afa-tsy ny teny frantsay sy anglisy kely. Dia na maka mpandika teny hatrany na ny tarehimariky ny vidin’entana no ampiadina haharaikitra ny varotra.

Niresaka fivoriana iraisam-pirenena lehibe isika tetsy ambony. Misy ary maro ireo Malagasy no mahay ka misolo-tena an’i Madagasikara any amin’ireny fivorian-dehibe ireny, saingy indrisy indraindray koa olona tsy tokony ho alefa any no misolo tena an’i Madagasikara mba ahafahana mahita tany sy mandehandeha fotsiny sanatria. Dia na misy aza ny tosa-kevitra na ny ady hevitra izay mila atao dia mangina fotsiny ireto Malagasy noho ny tsy fahaiza-mamehy ny teny, mampalahelo. Efa tafody vao anontanian’ny olona hoe fa angaha tsy noteneninareo ilay ohatra izao sy ny manao ohatra izao, dia indrisy fa raha tamin’ny teny Malagasy ny ady hevitra dia tena voateny tokoa. Am-bava homana, am-po mieritra.

 

  • Ny zava-tsoa avy any ivelany entina eto an-toerana

Nampalaza ireo mpizaha tany Sinoa sy Japoney ny fakàna sary izay rehetra hitany any amin’ny tany rehetra alehany nisy fotoana. Hany ka na zavatra eritreretina ho tsy misy dikany aza dia azo sary avokoa. Tsy fitiavana te haka sary fotsiny ny an’ireny fa alainy dia entiny any amin’ny misy azy, dia adikany ary avy eo aza dia hatsarainy.

Rehefa mbola tsy mahafehy ilay teknolojia na foto-drafitr’asa vahiny aloha dia atao izay hianarana sy hahaizana azy. Rehefa hita fa mety ho an’ny firenena Malagasy ireny dia ampiasaina aty Madagasikara. Ataovy toy ny voankazo an’ala ireny, ka ny mamy atelomy, ny mangidy aloavo. Tsy afaka hifaninana amin’ny hafa isika raha tsy mahafehy izay voafehiny aloha ary manao mihoatra na miavaka no izay efa vitany.

Izay aloha no masaka ampahany voalohany azo naroso, izay hita fa mety hanampy hanatsara ny fiainan’ny zanaka Malagasy. Ho tohizantsika amin’ny manaraka ireo lohahevitra hafa ao anatin’ny « Misandrata ry Malagasy ».