29 martsa 194767 taona lasa …

Resaka heno tao anaty fiara fitanteram-bahoaka iray teto andrenivohitra tamin’iny herinandro lasa iny :

 » – vehivavy : Raha izao foana aloha no iainana eto Antananarivo dia tena mampalahelo fa dia MATIMATY fahatany ireo malagasy tamin’ny 29 mars 1947

– lehilahy : izany mihitsy, dia resaka fotsiny ihany izany hoe mahaleotena izany fa dia ny vazaha no mitondra ny baolina, ny GIC no mikirakira ny tady (sariolona), ny sinoa misisika ihany dia ny karana mody lasa vazaha…

– vhv : ianao angaha ahoana, dia rehefa tsy taranaka PSD na PADESM dia « byebye ». Dia ny ray aman-dreny mampanambady ny zanany amin’ny vahiny,  ny tanora tsy mampiditra ny zanany mianatra raha tsy any amin’ny sekoly miteny frantsay, dia ireo miseho mahitahita mihomehy ireo mpiray tanindrazana aminy izay miambakavaka tsy dia mahavoa loatra ny fitenin’ireo mpanjanaka teo aloha

– lhl : aoka re , henoko ary hoe karaman’ny « zone » iray volana ny lany rehefa mba misakafo eny amin’ireny « restaurant »-mbazaha ireny koa aiza ny tanora vavy no tsy hiroboka e, sao mba lasa lavitra amin’ny fiainana!

– vhv : eesy e! dia inona izany fa tsy efa mivaro-tena? sao dia mba resaka taratasy fotsiny kosa aloha e?

– lhl : izany aloha dia misy e, fa angaha izany ihany. Lazaiko anao fa maro amin’ireo mpanao politika ireo no manana zom-pirenena roa na telo e!

– vhv : osy aho e ry tapa-tsosisy! dia ny madinika foana ihany no tavela e. Rehefa lavitry ny vilany dia tsy misy arina! Tena mampalahelo ny MDRM, dia mbola be no tsy tonga saina ankehitriny? »

– = angano angano, arira arira = –

izaho mpitantara fotsiny fa ianareo kosa afaka mijery an’ireto rohy ireto :

1. Ny fandraisana an-tsoratra an’Andriamatoa Rémi Rahajarizafy tao amin’ny Gazety Taratra zoma 28 martsa 2014 dia mbola tao ihany koa ny fanampiny

2. Tao amin’ny L’Hebdo de Madagascar momba ny fijoroana vavolombelon’i Andriamatoa Edmond Rakotomavo